Use Your Talents - UYT Madagascar

Use Your Talents - UYT Madagascar AMPIASAO NY TALENTANAO

🧶 MAFI – Artisanat et Métiers Manuels | Synode SPATSMpanolon-tena An-tsitrapo ho an’ny Fampandrosoana Ifotony🌿 Ny talent...
26/09/2026

🧶 MAFI – Artisanat et Métiers Manuels | Synode SPATS

Mpanolon-tena An-tsitrapo ho an’ny Fampandrosoana Ifotony

🌿 Ny talenta ananantsika dia harena afaka mampandroso ny fiainantsika sy ny fiarahamonina!

Nifarana tamin’ity herinandro ity ny fiofanana ho an’ireo vehivavy miisa 85 avy ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Manambotra, 10 km eo ho eo atsimon’i Farafangana.

🧺 Nianatra fandokoana (mahandro katso) sy fandrariana izy ireo, ka nampivelatra ny fahaiza-manaony ary namorona vokatra sy asa tanana azo avadika ho fidiram-bola.

🤝 Ity hetsika ity dia tarihin-dRamatoa Aline Harisoa, MAFI – Artisanat et Métiers Manuels, Synode SPATS, niaraka tamin’ny Association SANTATRA.

💡 Manana talenta ve ianao? Aza avela ho very maina!

Ny MAFI dia manentana antsika rehetra hamantatra, hampivelatra ary hampiasa ny talentantsika ho an’ny fivelomana sy ny fampandrosoana.

🔥 Talenta → Fahaiza-manao → Asa → Fidiram-bola → Fampandrosoana

🇲🇬 AMPiasao ny TalentaNao!
Ny talentanao dia mety ho fiandohan’ny fiovana.

14/09/2026

🏥❤️ ATN – MAFI – FAHASALAMANA SY ASA SOSIALY 🤝🌱

👥 Mpanolontena An-tsitrapo momba ny Fampandrosoana Ifotony (MAFI)
❤️ Fahasalamana sy Fiahiana ara-tsosialy – SPAf

💡 Nandray fanapahan-kevitra ny MAFI Santé ao amin’ny Synodam-paritany SPAf hanangana ny “Association Santé” ara-dalàna, mba handrindra ny asa sy hahazoana mpiara-miombon’antoka amin’ny fanatanterahana ny asa diakonaly ho an’ireo olona marefo. 🙏❤️

👩‍⚕️👨‍⚕️ Miisa 16 ireo mpikambana ao amin’ny Association, izay samy mampiasa ny talentany sy ny fahaizany:
🩺 Mpitsabo
👩‍⚕️ Mpampivelona
🤝 Mpanampy sosialy
💪 Ary ireo talenta hafa ilaina amin’ny asa sosialy.

🌍 Ireo asa lehibe ataon’ny fikambanana:

🍲👕 Fanampiana ireo marary sahirana
➡️ Fizarana sakafo sy fitafiana ho an’ireo marary ao amin’ny CHU Tambohobe, indrindra ireo avy amin’ny faritra lavidavitra.

🦠❤️ Ady amin’ny VIH/SIDA
➡️ Fizahana sy fanabeazana ara-pahasalamana maimaimpoana eny anivon’ny distrika: Lalangina, Isandra ary Matsiatra Ambony.

🩸❤️ Fanomezana ra maimaimpoana
➡️ Fanolorana ra ho an’ireo hopitaly sy ireo marary mila izany.

👨‍⚕️🙏 Mr Harijaona izay Sady Pastora no Assistant Social et Assistant Psychosocial du PVVIH/SIDA no mpitarika azy

🌱✨ Mandeha tsara ny asa ary miha-mandroso tsikelikely, noho ny fanohanan’ireo mpiara-miombon’antoka sy ireo malala-tanana maro samihafa. 🤝❤️

🔥 AMPIASAO NY TALENTANAO HO FAMPANDROSOANA! 🌍💚

🤝📲 Araho ary zarao ity horonantsary ity, ary andao hiaraka aminay hampiasa ny talentantsika ho an’ny tanjona lehibe kokoa! 🙌🌍

ATN FIAHIANA ARA_TSOTSIALY IZAY MANANA ANKAJO ROA AOKA HANOME NY TSY MANANA.Niroso amin'ny asa sosialy ny ATN synoda-par...
12/09/2026

ATN FIAHIANA ARA_TSOTSIALY

IZAY MANANA ANKAJO ROA AOKA HANOME NY TSY MANANA.

Niroso amin'ny asa sosialy ny ATN synoda-paritany MENAGNARA ka nanangona lamba entina anampiana ireo olona voasokajy fa marefo sy sahirana eo amin'ny kristianina anatin'ny synoda_paritany MENAGNARA ka ny filohan'ny SP MENAGNARA Pastora TSANGAMILA BEZAMINA Roger Fils no nandray izany ary hitondra izany eo anivon'ny fiangonana.

Lasy fiofanana ho an’ireo Tonia, Tale ary Mpandrindra Nasionaly ao amin’ny FLM no tanterahina eto SHALOM Mahajanga, hana...
09/09/2026

Lasy fiofanana ho an’ireo Tonia, Tale ary Mpandrindra Nasionaly ao amin’ny FLM no tanterahina eto SHALOM Mahajanga, hanamafisana ny fiombonana sy ny fifampizarana traikefa. Anisan’ireo mpandray anjara ny Coordinateur National Use Your Talents (UYT) Madagascar.

Ento ambavaka ny asantsika.

🙏✨ AKON’NY ASA DIAKONALY – ZAIKA BE DIAKONA 2026 ✨🙏Ry Diakona sy Kristianina malala 💙🙏 Misaotra an'Andriamanitra, ny ami...
20/08/2026

🙏✨ AKON’NY ASA DIAKONALY – ZAIKA BE DIAKONA 2026 ✨🙏

Ry Diakona sy Kristianina malala 💙

🙏 Misaotra an'Andriamanitra, ny amin’ny fahatontosan’ny hetsika ASA DIAKONALY natanterahintsika nandritran'ny Zaika Be Diakona tany Fianarantsoa (03–09 Aogositra 2026)! 🎉

Mankisitra ny ekipan’ny Use Your Talents Madagascar (ATN) notarihin’ny Pastora Dieu Donne, fa tena nahazo vokatra tsara isika:

🧹 Fandiovana lalambe sy ireo site nipetrahana
🎨 Asa tanamaro fandokoana sekoly SBVA Amboloaboka
👕 Fizarana akanjo, kapa, kiraro ho an'ny voafonja
🍚 Fizarana vary (6 gony) ho an'ny voafonja

"Ny finoana aseho amin'ny asa no mampisy fiovana." ❤️

Misaotra amin'ny fo manontolo ireo kristianina sy mpanohana rehetra nifanandrombona tamin'ny asa diakonaly

🎉 USE YOUR TALENTS – ATN MADAGASIKARA 🇲🇬📍 Zaika Kely KTLM SPMa – Ambila Managnano« Koa mahereza sy matanjaha tsara ianao...
19/08/2026

🎉 USE YOUR TALENTS – ATN MADAGASIKARA 🇲🇬

📍 Zaika Kely KTLM SPMa – Ambila Managnano

« Koa mahereza sy matanjaha tsara ianao » – Josoa 1:7 🙏

Nandray anjara mavitrika tamin’ny Zaika Kely KTLM SPMa (Synodam-Paritany Manakara) ny ekipan’ny ATN – Use Your Talents Madagasikara, notarihin’i Datoa Sylvain sy Zoky Mamisoa.

Nahatratra 2 000 eo ho eo ireo KTLM tonga nanatrika ity fotoana lehibe ity. 🙌

Maro ireo hetsika sy lalao notarihin’ny ekipa ATN, anisan’izany:

🎯 Hetsika sy lalao
🏃‍♂️ Hazakazaka anaty gony
🤼 Lalao Fandrorotady
❓ Lalao YES or NO
🎆 Afomanga, namarana ny fotoana tamin-kafaliana.

📖 Ny tena zava-dehibe dia ny Fampianarana momba ny fampiasana ny talenta.

Nifantoka tamin’ny fomba ahafahan’ny KTLM mampiasa ny talenta sy ny harena ananany mba hahatonga azy ho mahaleo tena, ary indrindra ny fampiasana izany talenta izany ho fitaovana hitondrana sy hitoriana ny Filazantsara.

🙏 Ny talenta nomen’Andriamanitra antsika dia fanomezana, fa ny fampiasana izany ho an’ny hafa kosa dia fanompoana.

🌱 USE YOUR TALENTS – Ampiasao ny talenta nomen’Andriamanitra! ✨

📣Akon'ny Fifaninanana TALENTA MAGNEVA nandritra ny Zaika be faha 18 ny FBL tao Toliara🌹. "EFA nahita ny Tompo aho" Jaona...
17/08/2026

📣Akon'ny Fifaninanana TALENTA MAGNEVA nandritra ny Zaika be faha 18 ny FBL tao Toliara🌹.

"EFA nahita ny Tompo aho" Jaona 20:18a

Mankasitraka ireo niara nisalahy tamin’ny fanatanterahana ny hetsika sy ny fifaninanana : dia ny ekipan'ny Ampiasao ny Talentanao Madagascar izay notarihan'i Tojonirina Andriatiana Mpandrindra ATN ny Faritra Atsimo , ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny avy ao amin'ny FOIBE FLM, ny Talem-paritrin’ny Asatanana Toliara, Rtoa Tonia Nationaly ny FBL ary ireo Tonia FBL isan-tsynoda rehetra indrindra ireo synoda 11 :
SPMa (Manakara), SPAva (avaratra), SPBM (Boeny Mahajanga), SPMen (Menagnarara), SPAf (Afovoany), SPAts (Atsinanana), SPFT (Fiarenana Toliara), SPH (Horombe), SPA (Antsiranana), SPAB (Andriry Betroka, SPM (Menabe)

Arahabaina manokana ireo synoda voasarika ho mpandresy tamin'ny fifaninanana dia ny :
✅SPAts (Atsinanana) nahazo ny loka mitentina 1 000 000Ar
✅SPAva (Avaratra) nahazo ny loka mitentina 800 000 Ar
✅SPAB (Andriry Betroka) nahazo ny loka mitentina 500 000 Ar .

Mankasitraka feno ireo mpandray anjara rehetra ary manantena ny fitohizan'ny fampiasana talenta eny anivon'ny fiarahamonina sy fiangonana ary ny fikambanan-tsika tsirairay avy,

Ho voninahitr'Andriamanitra irery ihany 🙌

06/08/2026
🙏 Ry Ray amndreny Pastora; Ry Diakona malala, Ry Kristianina malala, andao hanao ASA DIAKONALY! ❤️Ao anatin'ny ZAIKA BE ...
28/07/2026

🙏 Ry Ray amndreny Pastora; Ry Diakona malala, Ry Kristianina malala, andao hanao ASA DIAKONALY! ❤️

Ao anatin'ny ZAIKA BE DIAKONA, izay hotanterahina any (SPAf) Fianarantsoa ny 03–09 Aogositra, Ny fandrindrana Ampiasao ny talentanao (ATN) dia mikarakara ASA DIAKONALY LEHIBE .

✨ Manasa antsika rehetra handray anjara amin'ireto asam-pitiavana ireto:

👕 1. Fizarana akanjo, kapa ary kiraro ho an'ireo voafonja
Manana akanjo, kapa na kiraro mbola azo ampiasaina ve ianao? Aza ariana fa atolory ireo namantsika mila izany.
📍 Misy solontenanay manerana ny Synodam-paritany rehetra handray ny fanomezanao.
📞 Antsoy: 034 10 282 51

🎨 2. Asa tanamaro – Fandokoana ny Sekoly SBVA Amboloaboka
Tongava hiara-hiasa, na hanolotra fitaovana sy fanampiana araka izay foy.

🧹 3. Fanadiovana lalambe
Andao hiara-hanome endrika madio sy mendrika ny tanànantsika amin'ny alalan'ny asa iombonana.

💙 "Ny finoana aseho amin'ny asa no mampisy fiovana."
Koa aza mijanona ho mpijery, fa tongava handray anjara amin'ny ASA DIAKONALY!

Ho zaraina amitsika eto sy mandritra ny filazandraharaha amin’ny ZAIKA-BE DIAKONA ny fandaminana

🙏 ATN – Miara-manompo, miara-manandratra ny maha-olona.

21/07/2026

📢🌿 Fialan-tsiny sy Fampahafantarana 🌿📢

Noho ny fandaminana avy amin’ny Birao Foibe FLM 🙏 dia mihemotra indray ny hetsika Maintso izay nokasaintsika hatao. ⏳

Miandry ny fandaminana vaovao isika, ary mbola misokatra hatrany ny fandraisana ireo hira mpifaninana 🎶✨

🙏 Miala tsiny indrindra amin’ireo efa miandry ny vokatry ny fifaninanana.

Misaotra amin’ny fahareten-tsika sy ny fanohanana hatrany ❤️

🌿 Hampahafantarina antsika eto amin’ny pejy hatrany ny vaovao. 🌿

Address

Rue Jules Pochard Andohalo Batiment SALFA/Bureau FANILO
Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Use Your Talents - UYT Madagascar posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share