29/08/2024
Kamarady,
Ny tananan'i Toamasina no nanitarana ny tolona sendikaly izay nandraisantsika ireo sendikalista avy any Belgique tamin'ny alalan'i fédération syndicale internationale industriall : nisy ny fiofanana s'y fifampizarana traikefa
Nitohy t@ hetsika izay niarahana tamin'ireo Docker ao @ Port ny tolona sendikaly ka tafapetraka eo anivon'ny CNAPS ny fangarahana attestation de versement cotisation hoan'ny mpiasa 209 ka iandrasantsika n'y valiny ahafantarantsika n'y cotisation tsy narotsakin'ny orinasa.
Marihana fa nafindrafindra t@ orinasa maro nifandimby n'y fitantanana ireo Docker ka Dia tena mpiasa miharitra n'y mafy indrindra, voahitsakitsaka n'y zony.
Dingana voalohany izao fa aorian'ny fahazahoana Io attestation Io Dia hia mafy n'y FITAKIANA eo anivon'ireo orinasa niasany, izany hoe n'y asa atao mitovy hatrany fa n'y orinasa mitantana miovaova SEPT Dia lasany SPAT Dia lasan'i SMMC Dia izao n'y VEZO LOGISTIQUE, MDLS, AGROALL
Nisy koa n'y hetsika tao @ Direction Régionale de travail Atsinanana mikasika ireo mpiasa nomena mise à pied 1mois sy ireo vadin'ny mpiasa Maty amperinasa. Izay tena ahitana mibaribary n'y fanavakavahana s'y n'y fanitsakitsahana n'y lalana Ary n'y ZON'NY MPIASA izay ataon'ny mpampiasa.
Mafana n'y tolona Ary Dia NILAZA ireo DOCKER fa handefa solontena hanantevina n'y tolona sendikaly aty Antananarivo izay hatao ao ANTSAHAMANITRA @ 07 SEPTAMBRA 2024
ILAIN'NY SENDIKALISTA ENAO
ZA SAHY ZAO DE ZAO
Voalaza fa tsisy mihaino n'y fitakiantsika
Noho izany rehefa tsisy mihaino Dia ataotsika mahita izany @ fahatongavantsika mpiasa maro tsy ankanavaka @ Io fihaonambe Io, ento n'y olanao
Asa lasa mahafaty jiro tapaka , rano ritra , lalana potika, Zo voahitsakitsaka
RANDRANA SENDIKALY
MPIARO NY ZON'NY MPIASA
Défenseur des droits de l'homme
1er Prix 2020 Nations-Unies
Haut commissariat