GBU Vontovorona

Call Website

GBU Vontovorona "Connaître Christ et le faire connaître aux étudiants"

30/09/2026

Mitsiky eo anatrehan'olona, nefa ao anaty ao mitomany; misy ratra tsy hita maso nefa mbola marary😖. Matetika misy zavatra nitranga teo amin'ny fiainantsika izay mahatonga "RATRA ANATY"💔☠️ ary mbola misy fiatraikany eo amintsika hatramin'ny izao.
Jeremia 17:9: "Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra sady manana aretina tsy azo sitranina; Iza moa no mahafantatra ny aminy?"

❓Ahoana izany no mety hahatsirana an'izany❓
✅ Andriamanitra ihany no tena mahay manasitrana azy.
Misy an'ity lohahevitra ity izay hovoizin'ny GBU Vontovorona mandritra ny Réunion Générale amin'ity volana octobra ity: "SITRANA AMIN'NY FAKANY".

Izay iarahana amin'i:
✨ Zk Harimalala
✨ Zk Tiana Fanantenana (RVM)
📌 Isakin'ny alatsinainy (manomboka ny 05 Oct)
📌 5:30 hariva hatramin'ny 7:30
📌 Siège GBU Vontovorona

Tadidinao ve hoe taiza no nahenoinao filazan-tsara voalohany?👂✨Mety hoe teny an-dalana, tany am-piangonana, tamin'ny nam...
26/09/2026

Tadidinao ve hoe taiza no nahenoinao filazan-tsara voalohany?👂✨
Mety hoe teny an-dalana, tany am-piangonana, tamin'ny namanao, tamin'ny tambazotra,...
❌❌ Fa nefa maro amin'izao no mitory filazan-tsara hafa na otrany marina izany fa tsy ilay lazain'ny Tenin'Andriamanitra.😕

Ka 'ndao hiaraka indray handinika ny Tenin'Andriamanitra mahakasika an' ilay tena filazan-tsara mandritra ny Réunion Générale (RG)💯.

- Daty: Alatsinainy 28 Sept 2026
- Ora: 5h30 hariva - 7h30
- Toerana: Siège GBU Vontovorona

MILA MITIOMBO ihany koa ny ARA-PANAHINAO!!Tsy ny nofo ihany ngeh no mila misakafo fa ny Fanahy ihany koa eh😋.Hiaraka ind...
18/09/2026

MILA MITIOMBO ihany koa ny ARA-PANAHINAO!!
Tsy ny nofo ihany ngeh no mila misakafo fa ny Fanahy ihany koa eh😋.

Hiaraka indray isika amin'ity " Réunion Générale" ity, hianatra mahakasika lohahevitra iray🗒️.
💯 Miavaka kely izy ity satria "ATELIER" no hatao, haneo hevitra sy hizara an'izay fahalalana hananany ny tsirairay 🧩 fa nefa sady hianatra sy handinika izay lazain'ny Tenin'Andriamanitra mahakasika ny lohahevitra isika.

✨ Daty: Alatsinainy 21 Septambra 2016
✨ Ora: 5h30 hariva hatramin'ny 7h30
✨ Lohahevitra: "Avancer malgré le manque"
✨ Toerana: Siège GBU Vontovorona

Ny ady na ny fizahan-toetra, tsy maintsy misy foana🤨.  Fa ahoana izany no hahafahan'ny kristianina miatrika azy sy mba h...
12/09/2026

Ny ady na ny fizahan-toetra, tsy maintsy misy foana🤨. Fa ahoana izany no hahafahan'ny kristianina miatrika azy sy mba hananany fanantenana foana na inona na inona ady misy eo amin'ny fiainany?🤔

🎯 Halalintsika misimisy koakoa izy io amin'ny RG (Réunion Générale) ho avy eo. Ho jerentsika ny lazain'ny baiboly mahakasika an'io "Fanantenana ao anatin'ny ady"io amin'ny alalan'ny EXPOSÉ BIBLIQUE.

Daty: Alatsinainy 14 Septambra 2026
Ora: 5h30 hariva - 7h30
Programa:" Espérance au cœur des épreuves"
Toerana: Siège GBU Vontovorona

Ne rates pas l'essentiel !!Izay ilay hafatra noentin'i Zoky tamin'ity fotoana ity😄.Nisy maromaro ihany koa ianareo no ni...
10/09/2026

Ne rates pas l'essentiel !!
Izay ilay hafatra noentin'i Zoky tamin'ity fotoana ity😄.

Nisy maromaro ihany koa ianareo no nitsangana vonona ny hanolo-tena sy handray an'i Jesosy ho Tompo sy Mpamonjy ny fiainanareo.
✨ Jaona 1:12: "Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny anaran". Koa aza adino fa efa ZANAK'ANDRIAMANITRA ianareo nanomboka tamin'iny fotoana iny a.

Tongava mamonjy ny activité rehetra ny GBU Vontovorona isan-kerinandro.

Ireto indray ary ny manaraka eh!! 📸1 Timoty 4:8a: "Fa mahasoa kely ihany ny fampiasana ny tena". Mba ilaina ihany koa an...
08/09/2026

Ireto indray ary ny manaraka eh!! 📸

1 Timoty 4:8a: "Fa mahasoa kely ihany ny fampiasana ny tena". Mba ilaina ihany koa anie ny mampiasa vatana sy miala voly kely eh, ary tena araka ny sitrapon'Andriamanitra mihitsy izany😄 (Fa tsy atao mibahan-toerana anefa🤭).

Nisy jeux karazany 5 natao tamin'io fotoana io. Nisy tao ny nampiasa vatana, nisy nampiasa saina, nisy tena nila fiarahamiasa be,...
Inona tamin'ireo Jeux ireo no tena nanamarika anareo? 😁

Raha misy manana sary mitokana dia afaka mandefa hafatra miafina ato amin'ny pejy.

Mety manontany izao ianareo hoe mba aiza ary ilay sary tamin'ny Grand Jeux ireny eh🤔😑Ialana tsiny fa somary taraiky kely...
06/09/2026

Mety manontany izao ianareo hoe mba aiza ary ilay sary tamin'ny Grand Jeux ireny eh🤔😑
Ialana tsiny fa somary taraiky kely😅

Ireto ary aloha ny AVANT GOÛT kely eh😁
HO ALEFANTSIKA eo ny manaraka fa mbola misy maro any😉

📌 AZA ADINO ny activité isan-kerinandro a
👉🏼 Alatsinainy (17h30 - 19h30): RG (Siège GBUV)
👉🏼 Talata ( hariva fa samy manana ny orany) : cellule d'étude Biblique (misy 11 isa izy any amin'ny Bloc any)
👉🏼 Alarobia:
👏🏼 6h00 - 6h30: Kolontsaina fanatanjahan-tena (Mihazakazaka maraina, Zumba,..)
👏🏼 17h30 - 18h00: Prière (Siège Vontovorona)
👏🏼 18h00 - 19h00: Cours d'allemand

23/08/2026

'Ndao hiaraka indray isika amin' ity programa miavaka kely ity🤩🎉
Hande hialavoly sy hilalao... ✊🏼

✅ Mitondrà lovia sy sotro🍽️

🔥 HO AIZA INY E ?????Ianao io mihitsy izany ! 👀Raha omena safidy ianao, dia ho aiza amin’io 29 août io? 🤔Aleo tonga toy ...
12/08/2026

🔥 HO AIZA INY E ?????

Ianao io mihitsy izany ! 👀

Raha omena safidy ianao, dia ho aiza amin’io 29 août io? 🤔

Aleo tonga toy izay tantaraina an 😅😂
🎮 Ndao isika hiaraka hamonjy GRAND JEU !
Hifaly, hilalao ao amin'ny Tompo, ary indrindra indrindra, hiara-hieritreritra momba ilay lalana sy safidy ataontsika eo amin’ny fiainana. ❤️
❗koa aza tara ary isika misoratra anarana e! 😋😋😋

📖 “Ny zavatra rehetra dia azo atao, nefa tsy ny zavatra rehetra no mahasoa.”1 Korintiana 10:23a

🔥 Aza mijery fotsiny an’ilay pub… NDAO HIARAKA!
Fa “Ho aiza iny e?” 😄 very any an 😅
Sady misy sakafo ihany koa amin'io 🍱🍴
➡️ Andao hisoratra anarana Ary 😊, fa gratuit izy ity ankoatran'izay misy transport ihany koa 🚌

Andro voalohany🤩Sady mijerijery no mividy, no mamaky eo an-toerana, no miresadresaka momban'Andriamanitra sy ny filazan-...
28/07/2026

Andro voalohany🤩

Sady mijerijery no mividy, no mamaky eo an-toerana, no miresadresaka momban'Andriamanitra sy ny filazan-tsara sady misotro thé Cao😉
😯Toy izany no afaka hataonao rehefa tonga eo amin'ny Stand.

📌 Mbola misy 2 andro be izao ny hetsika a, ka tongava eh.

Address

CUR Vontovorona
Antananarivo

Telephone

+261344209374

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when GBU Vontovorona posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share