Advocacy For Youth Madagascar

Advocacy For Youth Madagascar Ho an’ny zo sy fahasalamana ara-pananahan’ny tanora malagasy tsy an-kanavaka
Conseil 24/24 GRATUIT

"Jeunes responsables des décisions prises au sein de sa communauté."

KAPAOTY MISY PARFUM… TSY HATAHORANA VE?Misy olona maro mbola matahotra mampiasa kapaoty misy parfum satria mieritreritra...
06/08/2026

KAPAOTY MISY PARFUM… TSY HATAHORANA VE?

Misy olona maro mbola matahotra mampiasa kapaoty misy parfum satria mieritreritra hoe mety hampidi-doza na hanimba ny fahasalamana. Fa ahoana marina?

👉 Ny ankamaroan’ny kapaoty misy parfum dia natao hanalefahana ny fofon’ny latex sy hanatsarana ny traikefa mandritra ny firaisana ara-nofo. Tsy mampihena ny fiarovany amin’ny VIH, IST na vohoka tsy nirina izany raha ampiasaina tsara.

Na izany aza…

⚠️ Misy olona sasany mety tsy mahazaka ny parfum na ireo akora ampiasaina, ka mety hahatsapa: mangidihidy, may, mena, na misy irritation.

Raha mitranga izany dia ajanony ny fampiasana azy, ary mifidiana kapaoty tsy misy parfum na karazana hafa mifanaraka kokoa amin’ny vatanao.

💡 Tsarovy fa samy hafa ny vatan’ny olona. Ny mety amin’ny iray dia mety tsy mety amin’ny iray hafa.

Ny zava-dehibe indrindra dia:
❤️ Mampiasa kapaoty isaky ny firaisana ara-nofo, ary misafidy izay mahafinaritra sy mety amin’ny vatanao.

💬 Ary ianao, efa nanandrana kapaoty misy parfum ve? Nahatsapa fahasamihafana sa tsy nisy fiovana mihitsy? Zarao ny traikefanao ao amin’ny commentaire. Mety hanampy olona hafa izany.

#

🟡 IZA NO TOKONY HIVATSY KAPAOTY?“Mbola menatra mividy kapaoty aho…”“Matahotra aho sao ho tsarain’ny olona…”“Izy lehilahy...
03/08/2026

🟡 IZA NO TOKONY HIVATSY KAPAOTY?

“Mbola menatra mividy kapaoty aho…”
“Matahotra aho sao ho tsarain’ny olona…”
“Izy lehilahy no tokony hitondra…”

Ary dia matetika ireo no mahatonga olona maro ho tratra tampoka rehefa tonga ny fotoana.

Ny marina anefa dia tsy adin’ny lehilahy irery, ary tsy adin’ny vehivavy irery ny fiarovana ny firaisana ara-nofo. Adidin’izy roa.

✅ Raha lehilahy ianao dia afaka mitondra kapaoty.
✅ Raha vehivavy ianao dia afaka mividy sy mitondra kapaoty ihany koa.

Tsy midika hoe “te hanao firaisana” ny fitondrana kapaoty.
Midika hoe olona mandray andraikitra amin’ny fahasalamany sy ny hoaviny ianao.

Ny kapaoty dia:
🛡️ Miaro amin’ny VIH sy aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo (IST).
🤰 Manampy hisoroka vohoka tsy nirina.
🤝 Maneho fifanajana sy fifampiahiana eo amin’ny mpifankatia.

Aleo manana nefa tsy mampiasa, toy izay mila nefa tsy manana.

💬 Ary ianao, ahoana ny hevitrao?
Tokony ho lehilahy irery ve no hitondra kapaoty, sa samy tompon’andraikitra ny roa tonta? Hazavao ny antony ao amin’ny commentaire. 👇

🌍 31 Jolay : Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Vehivavy Afrikana 💚Ny vehivavy afrikanina dia tsy hoe “reny” na “mpitaiza” ...
31/07/2026

🌍 31 Jolay : Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Vehivavy Afrikana 💚

Ny vehivavy afrikanina dia tsy hoe “reny” na “mpitaiza” zaza fotsiny.

Izy no mpamboly mamelona firenena.
Izy no mpampianatra manabe taranaka.
Izy no mpandraharaha mamorona asa.
Izy no mpikaroka, mpitsabo, mpanakanto, mpitarika ary mpanova fiarahamonina.

Saingy mbola maro ihany koa no miaina ao anatin’ny:
• herisetra,
• fanambadiana aloha loatra,
• tsy fitovian-jo,
• sakana amin’ny fianarana sy ny asa,
• ary fahasahiranana amin’ny fahazoana fitsaboana sy ny zony ara-pananahana.

Ampy hiarovana ny tanoratsika ve raha « Abstinence » no fanabeazana ara-pananahana omena azy? Misokatra ny adihevitra …
29/07/2026

Ampy hiarovana ny tanoratsika ve raha « Abstinence » no fanabeazana ara-pananahana omena azy?

Misokatra ny adihevitra …

‼️⚠️Mamonjy aina tokoa ve ny fandraràna tanteraka ny fanalan-jaza?Eto  Madagasikara, lazaina foana fa masina ny aina. La...
27/07/2026

‼️⚠️Mamonjy aina tokoa ve ny fandraràna tanteraka ny fanalan-jaza?

Eto Madagasikara, lazaina foana fa masina ny aina. Lazaina ihany koa fa tsy mifanaraka amin’ny soatoavina malagasy ny fanalan-jaza.

Kanefa, isaky ny misy vehivavy maty vokatry ny fanalan-jaza an-tsokosoko, dia tokony hanontany tena isika:

Voaaro tokoa ve ny aina?

Satria na voarara tanteraka aza ny fanalan-jaza, tsy midika izany fa tsy misy.

➡️ Ny miova fotsiny dia lasa atao miafina, tsy misy fiarovana ara-pahasalamana, ka ny vehivavy no mandoa ny vidiny amin’ny ainy.

Ilay tovovavy 24 taona tany Mandritsara dia tsy tokony ho isa iray fotsiny ao anaty vaovao. Mampahatsiahy antsika izy fa mbola misy vehivavy maro miaina ao anatin’ny tahotra, tsy fahampian’ny fanabeazana ara-pananahana, tsy fahazoana tolotra ara-pahasalamana, ary voatery mitady vahaolana mampidi-doza.

Raha tena sarobidy ny aina, dia tsy tokony hijanona amin’ny fanamelohana ihany ny valiny. Mila miresaka ihany koa isika momba ny fomba hisorohana ny fitondrana vohoka tsy nirina, ny fanabeazana ara-pananahana mifanaraka amin’ny taona sy ny zava-misy, ny fidirana amin’ny tolotra ara-pahasalamana kalitao, ary ny lalàna sy politika izay miaro ny ain’ny vehivavy.

Izany no antony angatahanay ts misy fepetra ny momba ny ratification ny Protocole de Maputo mba hahafahana mampihena ny fahafatesan’ny reny azo sorohina sy fiarovana ny ain’ny vehivavy, sady manaja ny fahamendrehan’olombelona.

Ho firy indray ny vehivavy no tsy maintsy very aina vao hanaiky isika fa olana ara-pahasalamam-bahoaka ny fanalanjaza?

Sary fanehoana (indrana)

Mangidihidy ny fivaviana + marary rehefa mipipy + misy fofona, na dia tsy misy perte  aza?Tsy normal izany. Mety ho myco...
24/07/2026

Mangidihidy ny fivaviana + marary rehefa mipipy + misy fofona, na dia tsy misy perte aza?

Tsy normal izany. Mety ho mycose, vaginose bactérienne, infection urinaire, na IST, sns

Tsy ny fofona na ny mangidihidy irery no ahafantarana ny aretina. Mila fizahana vao fantatra ny tena antony sy ny fitsaboana mety.

Aza manao dokotera tena raha tsy fantatra aloha ny tena aretina. Mandehana tobi-pahasalamana o

1️⃣ Ligature des trompes : sao hanenina raha mbola te hiteraka?Io no iray amin’ireo fanontaniana lehibe tokony hodinihin...
22/07/2026

1️⃣ Ligature des trompes : sao hanenina raha mbola te hiteraka?

Io no iray amin’ireo fanontaniana lehibe tokony hodinihina alohan’ny hanaovana ligature des trompes.

Ny ligature des trompes dia fomba fanabeazana aizana maharitra, natao ho an’ny olona efa mahatoky fa tsy te hiteraka intsony. Izany no mahatonga ny mpitsabo hanao counseling sy hanome fanazavana feno alohan’ny hanaovana azy.

Mandritra izany counseling izany dia jerena raha:
* Efa nahazo fanazavana mazava momba ny tombontsoa sy ny fetran’ilay fomba ilay vehivavy ;
* Tsy misy fanerena avy amin’ny vady, fianakaviana na olon-kafa ;
* Mahavita mandray fanapahan-kevitra malalaka sy amim-pahatsiarovan-tena izy ;
* Mahafantatra fa natao ho maharitra ny ligature, ka raha miova hevitra any aoriana dia mety ho sarotra na tsy ho azo averina intsony ny fahafahana miteraka.

Mety hampanenina ve? Eny, misy olona sasany mety hanenina, indrindra raha mbola tanora loatra, tsy mbola nanan-janaka na vitsy ny zanany, nandray fanapahan-kevitra tao anatin’ny fotoan-tsarotra, na niova ny toe-piainany tatỳ aoriana (ohatra nisaraka, nanambady indray, na very zanaka). Izany indrindra no antony tsy hanaovana azy raha mbola misy fisalasalana.

2️⃣ Mampahia ve ny ligature des trompes? Tsia. Tsy misy porofo ara-tsiantifika milaza fa ny ligature des trompes no mampitombo lanja. Manakatona ny lalan’ny atody fotsiny izy fa tsy manala ny ovaire, ka mbola mamokatra hormonina ara-dalàna ihany ny vatana. Raha misy fiovan’ny lanja aorian’ny fandidiana dia matetika mifandray amin’ny sakafo, ny fomba fiaina, ny taona, na antony hafa fa tsy avy amin’ilay ligature.

👉 Ny tanjon’ny ligature des trompes dia tsy ny handresy lahatra olona hanao azy, fa ny hanome safidy ho an’izay efa nanapa-kevitra mazava fa tsy maniry fitondrana vohoka intsony. Ny fanapahan-kevitra tsara indrindra dia ilay raisina rehefa nahazo vaovao marina, feno ary tsy misy fanerena

✅Ndao mba zarao ny expériences anareo dia hoe firy taona nareo no nanao ligature e

🦠 “Mba omeo torohevitra izy ô…”Matetika izahay no mahita fanontaniana toy izao. Betsaka no mitady “remède naturel” satri...
20/07/2026

🦠 “Mba omeo torohevitra izy ô…”

Matetika izahay no mahita fanontaniana toy izao. Betsaka no mitady “remède naturel” satria reraky ny fiverimberenan’ny herpès.

Vakio ao amin’ny commentaires hoe fa maninona no miverimberina ny Herpes ➡️

Tokony hampatahotra ve rehefa miteny ny ankizy hoe : 👧 “I Dada no ho vadiko rehefa lehibe.”na👦 “I Mama irery no tiako.”M...
17/07/2026

Tokony hampatahotra ve rehefa miteny ny ankizy hoe :
👧 “I Dada no ho vadiko rehefa lehibe.”
na
👦 “I Mama irery no tiako.”

Maro ny ray aman-dreny no taitra rehefa mandre izany. Kanefa amin’ny ankamaroan’ny toe-javatra dia dingana mahazatra eo amin’ny fivoaran’ny zaza izany, indrindra eo anelanelan’ny 3 ka hatramin’ny 6 taona.

Ao amin’ny psikolojia klasika dia nantsoin’i Sigmund Freud hoe complexe d’Œdipe (ho an’ny zazalahy) sy complexe d’Électre (ho an’ny zazavavy) io dingana io. Amin’izao fotoana izao anefa, maro amin’ireo matihanina no tsy mandray azy ara-bakiteny, fa mahita azy ho fomba anehoan’ny zaza ny fifamatorany amin’ny ray aman-dreniny, ny faniriany ho akaiky azy ireo, ary ny fianarany ny anjara toeran’ny tsirairay ao amin’ny fianakaviana.

Manampy be amin’ny Fanabeazana Ara-pananahana izy io satria :

1️⃣Manampy ny zaza hahafantatra fa mpivady i Dada sy Mama, ary zanaka kosa izy ;

2️⃣Mampianatra azy ny karazana fifandraisana sy ny fetra eo amin’ny olona ;

3️⃣Mampianatra azy haneho fitiavana sy fihetseham-po amin’ny fomba mifanaraka amin’ny taonany ;

4️⃣Manampy ny ray aman-dreny hamaly amim-pahatoniana sy amin’ny teny mora azon’ny zaza.

💡 Raha miteny ny zanakao hoe:
“I Dada no ho vadiko.”

Tsy ilaina ny mibedy na miomehy na mampatahotra azy. Azonao valiana tsotra izao hoe: Tiako be ianao. Fa i Dada no vadin’i Mama, ary rehefa lehibe ianao dia afaka misafidy olona ho tianao sy hanorina fianakaviana.

Ny tanjon’ny fanabeazana ara-pananahana dia tsy ny hampianatra resaka firaisana ara-nofo amin’ny ankizy, fa ny hanampy azy hahatakatra ny vatany, ny fihetseham-pony, ny fifandraisana ary ny fetra, mifanaraka amin’ny taonany. Izany no fototry ny fifandraisana salama rehefa lehibe izy.

Ahoana ny hevitrao? Ahoana no niainanao io complexe d’Oedipe io?

Hampianarina anaty Education Sexuelle koa anie reto ny karazana fifandraisana sy fitiavana e … fa tsy fampianarana vetav...
15/07/2026

Hampianarina anaty Education Sexuelle koa anie reto ny karazana fifandraisana sy fitiavana e … fa tsy fampianarana vetaveta velively akory …

Hampahafantarina ny ankizy fa ny :
❤️ny fitiavana eo amin’ny ray aman-dreny sy ny mpifankatia dia tsy mitovy amin’ny namana.
🤝ny fitiavana namana dia tsy mitovy amin’ny mpifankatia.
👩‍🏫 ny fitiavana eo amin’ny mpampianatra tsy mitovy amin’ny ray aman-dreny.

Hazavaina azy ireo fa misy olona maro eo amin’ny fiainana, ary samy manana ny toerany sy ny fetrany.

❌ Tsy fampianarana hanao firaisana ara-nofo ny education sexuelle

✅ Fa fampianarana:
• hanaja ny tena sy ny hafa;
• hahafantatra ny fetra amin’ny fifandraisana;
• hahay hiteny “tsia” rehefa tsy mahazo aina;
• hahatakatra ny atao hoe fanekena (consentement);
• hanorina fifandraisana salama sy feno fanajana.

Rehefa mahalala ny toeran’ny olona tsirairay eo amin’ny fiainany ny ankizy sy ny tanora, dia mora kokoa aminy ny misoroka fanararaotana, fifandraisana manimba ary fanerena.

💬 Ny fanabeazana ara-pananahana dia manomboka amin’ny fanabeazana ny fifandraisana.

👉 Inona amin’ireo no heverinao fa tokony hampianarina bebe kokoa ny ankizy ankehitriny?

Address

Antananarivo

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Advocacy For Youth Madagascar posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share