Advocacy For Youth Madagascar

Website

Advocacy For Youth Madagascar đŸ©” ZO sy FAHASALAMANA ARA-PANANAHANA ho an’ny Malagasy
💬 Fanontaniana manokana? "Jeunes responsables des dĂ©cisions prises au sein de sa communautĂ©."

Manorata aminay amin’ny Messenger
🔒 Maimaim-poana ‱ Mitana tsiambaratelo ‱ Tsy mitsara
⏰24/24

LUBRIFIANT: TSY HO AN’NY “MISY PROBLÈME” IHANY KA !Ny lubrifiant dia produit natao hampihenana ny friction sy hanampy ha...
16/09/2026

LUBRIFIANT: TSY HO AN’NY “MISY PROBLÈME” IHANY KA !

Ny lubrifiant dia produit natao hampihenana ny friction sy hanampy hampahazo aina kokoa mandritra ny firaisana.

Afaka ampiasaina rehefa tsy ampy ny lubrification naturelle, fa tsy voatery hiandry hoe maina na marary vao mampiasa azy.

Misy karazany maro, anisan’izany ny:
💧 à base d’eau
💧 à base de silicone

Raha mampiasa kapoty latex, jereo tsara eo amin’ny emballage raha compatible aminy ilay lubrifiant.

👉 Ny lubrifiant dia tsy contraception ary tsy miaro amin’ny IST an, sao diso kajy eo indray!!!

⛔ Tsy mivarotra izahay fa eny amin’ny pharmacie azo antoka tsara

FA MANINONA NO MAINA?“Raha tena excitĂ©e izy, tokony tsy ho maina.”❌ Tsy voatery ho marina izany zareo a!Mety ho tena env...
14/09/2026

FA MANINONA NO MAINA?

“Raha tena excitĂ©e izy, tokony tsy ho maina.”

❌ Tsy voatery ho marina izany zareo a!

Mety ho tena envie ilay olona, mahatsapa dĂ©sir, ary mahazo aina tsara amin’ilay partenaire
 nefa mbola tsy ampy lubrification naturelle ihany. Eny, mety hitranga izany 😅

Mety ho avy amin’ny:
😼‍💹 stress
😮 fatigue
🔄 hormones
💊 fanafody sasany
đŸ‘¶ fotoana aorian’ny fiterahana na resaka fampinonoana

 Ary indraindray aza, tsy misy antony mazava mihitsy akory

👉 Ka raha “maina” izy, aza tonga dia manao conclusion hoe tsy envie anao. Tsy dĂ©tecteur de dĂ©sir ny lubrification naturelle akory 😄

Fa tandremo: raha tohizana ihany ny firaisana na dia misy friction sy fanaintainana aza, mety hiteraka:
⚠ irritation
⚠ fanaintainana
⚠ ratra madinika

Ny solution tsotra:
đŸ«¶ Mihainoa ny vatana
đŸ—Łïž Mifampiresaha tsara
✋ Raha marary, ajanony aloha , tsy course io!

Ary misy zavatra afaka manampy hampihena ny friction


âžĄïž Lubrifiant.

Fa inona marina izy io, ary ahoana no fampiasana azy? 
 amin’ny alarobia ny tohiny 😂

Izahay indray raha mbola manana Kapoty dia zarainay foana, aleonay mampianatra azy hiaro tena toa izay mahita azy hanary...
13/09/2026

Izahay indray raha mbola manana Kapoty dia zarainay foana, aleonay mampianatra azy hiaro tena toa izay mahita azy hanary zanaka sy hanaonao foana.

Moa Fampianarana ve midika ho Famporisihana e


Izany eo ihany fa mbola mangataka foana izahay hoe omeo Kapaoty izahay ry mpiaramiombon’antoka ho zarainay maimaimpoana ho an’ny tanoratsika manerana ny Nosy fa tsy ampy mihitsy.

📣 ALLO! ALLO! VAOVAO MAFANA đŸ”„

Nivoaka ny Note n°2026-1460/MEN/SG mahakasika ny Fanabeazana Ara-pananahana Feno (ECS) eny an-tsekoly.

Araka ny voalaza ao, mandritra ny fotoam-pianarana sy ireo hetsika tarihin’ny Ministera dia voarara ny FIZARANA sy ny FAMPORISIHANA ny fampiasana fomba na fitaovana fanabeazana aizana, ary voafetra ihany koa ireo hetsika mikasika ny ECS.

❓ Fa eto no mipetraka ny fanontaniana:

👉 Mitovy ve ny “MAMPAHAFANTATRA” sy ny “MAMPORISIKA”?

Raha ampianarina ny tanora hoe inona ny préservatif, contraception, IST, consentement, grossesse non désirée sy ny fomba hiarovana ny tenany

👉 Fanomezana fahalalana ve izany, sa famporisihana azy hanao firaisana ara-nofo?

Team mangina đŸ€« sa team misy feony 🔊? 😭😂 OOH
 AAH
” 😂MANINONA NY OLONA NO MANAO FEO REHEFA MANAO FIRAISANA? 👀Ary ilay fan...
11/09/2026

Team mangina đŸ€« sa team misy feony 🔊? 😭😂

OOH
 AAH
” 😂

MANINONA NY OLONA NO MANAO FEO REHEFA MANAO FIRAISANA? 👀

Ary ilay fanontaniana tena mandalo ao an-tsaina : Raha mangina be ny partenaire
 midika ve hoe tsy mahazo plaisir? 😭😂

âžĄïž Tsia.
Samy hafa ny fomba anehoan’ny olona ny plaisir sy excitation.

Misy olona spontanément vocal: rehefa mahazo aina sy mahatsapa plaisir dia mivoaka ho azy ny feo.

Misy kosa mangina, mifantoka amin’ny sensation, nefa tsy midika velively hoe tsy mankafy.

Ary eny 😅, indraindray koa mety atao volontairement ny feo: hanehoana amin’ny partenaire izay mahafinaritra, hampitomboana excitation, na noho ny antony hafa.

Izany no mahatonga ilay hoe manatombo ny prix rehefa misy feony 😂

Ny feo irery tsy porofon’ny orgasme, ary ny fahanginana koa tsy porofon’ny tsy fahazoana plaisir.

Ny tena fiable kokoa?
❀ Mifampiresaka.
“Mahafinaritra anao ve?”
“Inona no tianao?”
“Aleo tohizana sa ovaina?”

P**I SA
?“ANDRASO
 TOA NISY P**I NIVOAKA 😳💩”Mety hahamenatra ilay izy, indrindra raha tsy fantatrao hoe inona marina no ...
09/09/2026

P**I SA
?

“ANDRASO
 TOA NISY P**I NIVOAKA 😳💩”

Mety hahamenatra ilay izy, indrindra raha tsy fantatrao hoe inona marina no nitranga.

Mandritra ny firaisana dia mety hisy liquide mivoaka amin’ny vehivavy. Ary tsy voatery hitovy foana ny antony. 👀

💩 Mety hisy p**i mivoaka tsy nahy, ohatra noho ny pression amin’ny vessie na incontinence.

💩 Misy koa ny ej*******on fĂ©minine sy ilay antsoina hoe squirting. Tsy zavatra mitovy tanteraka ireo, ary ny fikarohana dia mampiseho fa amin’ny squirting, ilay liquide dia mety ahitana singa avy amin’ny vessie koa.

Ka raha nitranga taminao ilay hoe P**i ve iny sa inona? 😭
Tsy ianao irery no mety manontany an’izany 😂 ary tsy tokony hahamenatra ny miresaka momba azy.

Raha miverimberina ny fivoahan’ny p**i ka manelingelina anao, na misy fanaintainana/may rehefa mipipy, dia tsara ny manantona mpitsabo foana.

Iza no efa nieritreritra hoe zavatra iray ihany ny “squirt” sy p**i? 👀

PET VAGINALNISY “PET” NIVOAKA
 FA TSY AVY ANY AORIANA 😭😂Eo am-panaovana firaisana dia tampoka teo 
Pfffft 💹Dia samy mang...
07/09/2026

PET VAGINAL

NISY “PET” NIVOAKA
 FA TSY AVY ANY AORIANA 😭😂

Eo am-panaovana firaisana dia tampoka teo 
Pfffft 💹

Dia samy mangina 2 secondes. 👀😂
Aza mifampijery tahaka an’izany fa normal izany e!

Ilay antsoina hoe « pet vaginal na q***f » dia rivotra tafiditra ao amin’ny fivaviana ka mivoaka indray. Mety hitranga rehefa misy mouvements na changement de position, ary mety hitranga amin’ny fotoana hafa koa, ohatra rehefa manao sport (ilay tena fanatanjahantena ann)

👉 Tsy mitovy amin’ny pet avy amin’ny tsinay mivoaka any aoriana izy ity. Tena rivotra no mivoaka, fa tsy gaz intestinal.

Noho izany, raha sendra mitranga eo amin’ilay moment romantique be iny
 tsy voatery hoe simba ny ambiance. Tohizo ny fiainana 😂

⚠ Raha miaraka amin’ny fanaintainana, fofona mahery, na symptĂŽmes hafa anefa dia tsara ny manatona mpitsabo.

Efa fantatrao ve hoe rivotra fotsiny no mahatonga an’iny? 😅

4 Septambra : Andro manerantany ho an’ny fahasalamana ara-pananahana dia hiresaka an’ity lohahevitra iray ity iska 🌾 FIR...
04/09/2026

4 Septambra : Andro manerantany ho an’ny fahasalamana ara-pananahana dia hiresaka an’ity lohahevitra iray ity iska

🌾 FIRAISANA ARA-NOFO REHEFA MENOPAUSE : inona no tena miova ?

Rehefa tonga ny menopause dia mety hiova ny vatana, fa tsy midika akory izany hoe tapitra ny fiainana ara-nofo.

âžĄïž Anisan’ny fiovana mahazatra ny fahamainan’ny fivaviana noho ny fihenan’ny hormones, ka mety hahatonga ny firaisana ho tsy dia mampahazo aina na somary marary indraindray. Mety hanampy amin’izany ny lubrifiant, ny fotoana lava kokoa amin’ny prĂ©liminaires, ary raha misy fanaintainana maharitra dia tsara ny manatona mpitsabo hatrany.

✅ Misy lafiny iray koa izay mety hanamaivana ny saina ho an’ny vehivavy sasany: rehefa tena menopause tanteraka dia tsy misy intsony ny tahotra bevohoka. Izany dia mety hanampy amin’ny fahatsapana libertĂ© sy dĂ©tente kokoa eo amin’ny fiainana ara-nofo.

‌Na izany aza, zava-dehibe ny mahafantatra fa tsy miaro amin’ny IST ny menopause, ka mbola ilaina ny protection raha misy risque.

Ny menopause dia dingana vaovao amin’ny fiainan’ny vehivavy, fa tsy faran’ny dĂ©sir, ny plaisir, na ny intimitĂ©. đŸ€

💬 mba tantarao anie ny niainanareo ilay izy

Rehefa mihantitra dia tsy tokony hanana firaisana ara-nofo intsony.âžĄïžInona no tena marina ❓Tsy misy taona voafaritra hoe...
02/09/2026

Rehefa mihantitra dia tsy tokony hanana firaisana ara-nofo intsony.

âžĄïžInona no tena marina ❓

Tsy misy taona voafaritra hoe tokony hijanonan’ny olona tsy hanana fiainana ara-nofo intsony.

Mety hiova ny vatana rehefa mandeha ny taona, mety hiova koa ny libido, ny énergie, na ny fomba anehoana intimité.

Fa ny filàna fitiavana, proximité,
tendresse, ary sexualitĂ© dia mety mbola ho anisan’ny fiainan’ny olona na dia efa lehibe aza.

Ny firaisana ara-nofo rehefa mihalehibe ny taona dia mety mila adaptation bebe kokoa, fifampiresahana bebe kokoa, ary indraindray torohevitra ara-pahasalamana.

👉 Ny sexualitĂ© dia tsy “an’ny tanora ihany”. Anisan’ny maha-olombelona azy ny intimitĂ© mandritra ny dingana samihafa amin’ny fiainana.

💬 Fa maninona, araka ny hevitrao, no mbola ohatra hoe fady na mahalenatra ny miresaka sexualitĂ© rehefa miresaka olona efa lehibe taona?

Iza amin’ireo no M.M.S anareo ? 😏1. Matin – Midi – Soir? 😂 sa2. Mardi – Mercredi – Samedi?, sa 3. Mars – Mai – Septembre...
31/08/2026

Iza amin’ireo no M.M.S anareo ? 😏
1. Matin – Midi – Soir? 😂 sa
2. Mardi – Mercredi – Samedi?, sa
3. Mars – Mai – Septembre? sa ilay hoe
4. Merci ma sƓur? 😂

Fa raha resaka firaisana ara-nofo kosa, tsy misy frĂ©quence “idĂ©ale” tokana ho an’ny rehetra.

Misy couple manao matetika, misy manao indraindray, misy koa miovaova arakaraka ny fotoana iainany.

Ny tena zava-dehibe dia ny hoe samy te, samy vonona, samy mahazo aina, ary mifanaraka.

Mety hiova ny rythme noho ny havizanana, stress, asa, fahasalamana, taona, fitondrana vohoka, fiterahana, na toe-javatra hafa iainan’ny couple.

👉 Tsy concours ny firaisana ara-nofo.
👉 Tsy misy chiffre magique tokony hotratrarina.
👉 Ny “normal” dia ilay rythme mifanaraka aminareo roa.

💬 Fa ianao aloha
 M.M.S iza no anao? 1, 2, 3 sa 4?
Aza menamenatra

😭 Masque sperme hono mahatsara tarehy 
Iza no nanomboka an’io resaka io e? đŸ˜‚đŸ„‘ avocat = masque🍯 miel = masqueđŸ„’ concombre ...
28/08/2026

😭 Masque sperme hono mahatsara tarehy 
Iza no nanomboka an’io resaka io e? 😂

đŸ„‘ avocat = masque
🍯 miel = masque
đŸ„’ concombre = masque
💩 sperme = 
 STOP EO ALOHA đŸ˜­đŸ€Ł

Ny valiny ara-tsiantifika : tsy misy porofo solide hoe mahatsara hoditra ny sperme.

Eny, misy protĂ©ines sy molĂ©cules samihafa ao anatiny
 Fa izay hoe “misy protĂ©ines” izay dia tsy midika hoe skincare an! 😂

Tsy voaporofo hoe:
❌ manala boutons
❌ mampatanora tarehy
❌ mampamirapiratra hoditra

Ary mety aza hahatonga irritation na rĂ©action allergique amin’ny olona sasany.

Raha te hi-glow no tadiavina: hydratation + crÚme solaire + skincare adapté.
Aleo sĂ©rum tena sĂ©rum fa tsy ilay “sĂ©rum fait maison” iny e 😭😂

💬 Iza no efa nilazana hoe “mahatsara tarehy io” taloha? 👀

Alefaso aty ny mythes hafa fa hojerentsika tsirairay 😂

Address

Antananarivo

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Advocacy For Youth Madagascar posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share