Pejy Pot'enciel Organizing

Pejy Pot'enciel Organizing L'association Pot'enCiel Organizing ou PCO a comme objectif d'assurer le bien être communautaire (volets: Education - Sociale - Recherche scientifique)

👉 Beazo re ny zaza◼️ Ny biby raha ompianaDia tsy dia ahianaFa avoaka ny marainaVokisana tsy halaina.◼️ Ampidirina ny har...
05/07/2026

👉 Beazo re ny zaza

◼️ Ny biby raha ompiana
Dia tsy dia ahiana
Fa avoaka ny maraina
Vokisana tsy halaina.

◼️ Ampidirina ny hariva
Ny masoandro efa iva.
Tsaboina raha marary
Dia izay hatrany hatrany.

👉 Ny zanatsika kosa
Tsy biby re fa olona
Tsy velomina dia izay
Fa beazina hahay.

🔷 Hahalala ny ratsy sy ny tsara,
Ny tsy mety, ny voarara.
Hahay ny fomba sy ny fady,
Handray andraikitra sahady.

🔷Toroina sy anarina
Ho zaza tena vanona.
Tefena sy ofanina
Mba ho lasa olom-banona.

📝 Pot'enCiel Organizing (PCO)

⚡Raha sendra...,Toa manjavozavo ve ny tontolo misy anao?Misy aloka eo akaiky; ny raho-mainty mitatao?🌼 Be dia be ireo so...
28/06/2026

⚡Raha sendra...,

Toa manjavozavo ve ny tontolo misy anao?
Misy aloka eo akaiky; ny raho-mainty mitatao?

🌼 Be dia be ireo soa sy tsara ao aminao
📝 Etsy ange mba tanisao
🍁 Fa tara-baliaka hampisondrotra avo anao!

25/06/2026

➡️673 ny isan'ireo trangan'ny fanolanana ofisialy navoakan'ny Ministeran'ny Fitsarana ny taona 2023,
➡️Vehivavy 4 isan'andro no nitory fa voaolana teny anivon'ny Fitsarana, ankizy tsy ampy taona ny ankamaroany ny fiandohan'ny taona 2024,
➡️Fianakaviana akaiky ny ankamaroan'ny mpanolana,
➡️75% ny vehivavy tratran'ny herisetra koa anefa no tsy manao fitarainana na mangataka fitsaboana fa menatra ny fiarahamonina 🥹 (FNUAP).
🚫Raha tena mitaraina daholo izany ny vehivavy sy ny tovovavy, zazavavikely rehetra voaolana dia mety ho firy ny isa marina?
🚫Efa misy tovolahy sy zazalahy koa aza ankehitriny.
🚫 Simba ny fiarahamonina sy ny fianakaviana :
❌ mifampiafinafina,
❌ mifampiaro @ ratsy,
❌ mitondra ratra am-po ny vehivavy sy tovovavy kely maro tsy afaka miteny 😭
Laingo Razafiarison

Sary nindramina

21/06/2026
18/06/2026

🙏🙏Tsy dokotera aho tompoko, tsy manam-pahaizana momba ny fiarahamonina,
fa mahatsikaritra ny fahamarinan'ireto antotan'isa voalaza manaraka ireto =
➡️75% ny tanora eo anelanelan'ny 15 ka h@ 19 taona no misotro toaka eto Madagasikara
➡️ 40 ka h@ 55 taona no maty ny ankamaroan'ny olona nanomboka nisotro toaka t@ fahatanorany,
➡️ olona 400 tapitrisa maneran-tany no misy fahavoazana ara-tsaina na ara-batana noho ny toaka.
➡️ maherin'ny 4000 isan-taona izany hoe 333 isam-bolana ny olona matin'ny lozam-pifamoivoizana noho ny fahamamoan'ny mpitondra (fiara na moto) eto Madagasikara.
Etsy ankilany anefa,
❌ maherin'ny 60% ny vahoaka malagasy no latsakin'ny 25 taona.
🙏 Ho aiza izany ny firenentsika, raha ny antsasamanilan'ilay vahoaka ao aminy no SANATRIA zara raha hahatratra 55 taona?
❌ Na olona mety marary vavony, tosidra, aty, homamiadana, marary saina sns noho ny toaka?

(Allafrica.fr, 2424mg, revue-irs.com, www.ouest-france.fr, OMS, ratio données Ministère du transport, INSTAT )

🍀 Etsy ange,🍀 Ho antsika izay mijeryIrianay mba tsy ho veryNy fandalovana etoKa tsiahivinay ireto:🍀 Santionan'ireo asaIf...
13/06/2026

🍀 Etsy ange,

🍀 Ho antsika izay mijery
Irianay mba tsy ho very
Ny fandalovana eto
Ka tsiahivinay ireto:

🍀 Santionan'ireo asa
Ifantohanay ka ... asa?
Raha misy mahaliana anao
Eto z'hay handray anao.

🍀 Fanabeazana ny ankizy
Mba hahaizany mifidy
Izay tsara sy mety aminy
Hanomanany ny ho aviny.

🍀 Fampiofanana tanora
Tonga taona, tonga ora
Ka hanorin-tokantrano
Tena izy fa tsy angano.

🍀 "PCO" ilay fikambananay
Te hizara izay kely anananay
Ho antsika rehetra, na tanora na lehibe
Manasa anao hatrany àry hanaraka ny Pejy e!

👉 Misy vokany daholo na tsara na ratsy ny fahazarana volentsika isan'andro.👉 Tompon-tsafidy isika amin'izay ataontsika.
07/06/2026

👉 Misy vokany daholo na tsara na ratsy ny fahazarana volentsika isan'andro.

👉 Tompon-tsafidy isika amin'izay ataontsika.

👪 Ankohonana 👪🔸"Fitambaran'ny ray sy ny reny ary ny zanaka no atao hoe ankohonana". 🔸Natao hifameno tokoa ireo ao an-tok...
25/05/2026

👪 Ankohonana 👪

🔸"Fitambaran'ny ray sy ny reny ary ny zanaka no atao hoe ankohonana".

🔸Natao hifameno tokoa ireo ao an-tokantrano ary tena samy manana ny lanjany:

🔸N'inon'inona ady sarotra,
na ny tampoka tsy ferana,
dia ny ray no vahaolana,
ilay "Andry ianteherana".

🔸Ny vehivavy indray
ilay hoe "Ravaky ny tokantrano"
dia mampody tsikitsiky,
ianao iny kamokamo.

🔸Ny ray aman-dreny
Ilay "Masoandro amam-bolana":
Mitondra hazavana
ka mamelom-panantenana,
na dia haizina aza
no sendra ireto zaza.

🔸Ireo "Silaky ny aina"
"Kiady sy rehareha"!
Mamelom-panantenana
N'aiza n'aiza no aleha.

🔵 ATSIPY NY TENY ...🔵 Toe-tsaina mahavoa!Ny miandry ny hafa hanao soa Miandry ny hafa mba hitsetraDia mipetra-dava tsisy...
03/05/2026

🔵 ATSIPY NY TENY ...

🔵 Toe-tsaina mahavoa!
Ny miandry ny hafa hanao soa
Miandry ny hafa mba hitsetra
Dia mipetra-dava tsisy fetra.

🔵 Toe-tsaina mampahantra!
Ny miandry ny hafa mba hiantra
Fa tsy miezaka mitady
Mba mifofotra sy miady.

🔵 Toe-tsaina mampahory!
Ny fisafidianana hatory
Manoloana ny aretina
Ka Tsy tsaboina fa iaretana!

🔵 Toe-tsaina mampietry
Raha hakanosana no asetry
Ny fahavalo midingin-drambo
Mitondra loza sy antambo.

Pot'enciel Organizing (PCO)

Address

Antananarivo
102

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Pejy Pot'enciel Organizing posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Pejy Pot'enciel Organizing:

Shortcuts

Share