Malagasy Youth for Sustainable Development (MY SD)

Malagasy Youth for Sustainable Development (MY SD) Youth power toward Resilience and Disaster Risk Reduction Voafaritra ao anatin’izany ny sehatra socialy, ekonomika ary ny tontolo iainana.

Maro ireo mailaka voarainay manontany mahakasika ity Malagasy Youth for Sustainable Development (MY SD) na Ny Tanora Malagasy ho an’ny Fampandrosoana Maharitra ity. Ny MY SD dia vondrona na vovonana tanora, fikambanana tanora Malagasy maniry na miasa ho an’ny fampandrosoana maharitra an i Madagasikara. Ny tanjon’ny MY SD dia ny hampiseho fa afaka ho tompon’andraikitra feno ho an’ny fampandrosoana

ny Tanora Malagasy. Hahatontosa izany dia mikatsaka hatrany ny MY SD ny hampahafantatra ny Tanora Malagasy ireo fiofanana na eto antoerana na any ivelany, hanamafy ny fahaizana sy ny fahalalan’ny Tanora Malagasy, hizara ireo tambazotra afaka mamatsy vola ny tetikasan’ny fikambanan’ny Tanora , hampafantatra ny fikambanana tanora eto Madagasikara ahafahana miditra ho mpikambana, hizara ireo traikefan’ny samy fikambanan’ny Tanora eto Madagasikara, ary hampifandray ny Tanora Malagasy amin’ny vovonana tanora any ivelany. 60% n’ny mponina eto Madagasikara dia Tanora avokoa, ny MY SD dia mino fa Tanora manana ny mahaizy azy avokoa ireo ary afaka mandroso sy mampandroso an i Madgasikara. Matetika anefa dia hodian-tsihita na takona ny hetsika sy ny herin’ny tanora ka ity MY SD ity dia sehatra anehoana ny herin’ny Tanora Malagasy amin’ny Fampandrosoana Maharitra. Raha mbola misy ny fanontaniana dia alefaso amin’ny mailaka [email protected]. Izay tanora manam-pikasana iditra ho mpikirakira ity MY SD ity dia raisina antanan-droa n’aiza n’aiza ny faritra misy anao eto Madagasikara. Misy Komity maromaro afaka idirana ato toy ny : fifandraisana “Communication”, fiaraha-miasa sy fitadiavam-bola “Partenariat et recherche financement”, Fiofanana « renforcement de capacité et formation » ary ny koltoraly « culturel ». Alefaso amin’ny mailaka [email protected] ny anarana sy ny laharana ahazoana anao.

Address

BM 128 Ter Ampitatafika
Antananarivo
102

Opening Hours

Monday 09:00 - 17:00
Tuesday 09:00 - 17:00
Wednesday 09:00 - 17:00
Thursday 09:00 - 17:00
Friday 09:00 - 17:00
Saturday 09:00 - 17:00

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Malagasy Youth for Sustainable Development (MY SD) posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Malagasy Youth for Sustainable Development (MY SD):

Share