09/03/2026
MWE x TANINJANAKA
🇲🇬 8 Martsa : Manome lanja ireo hadino amin’ny tolona
Efa taona vitsivitsy izao no nisafidianan’ny MWE ny tsy hanao velakevitra na atrikasa mahazatra intsony isaky ny 8 Martsa. Ireo karazana hetsika ireo mantsy dia matetika natokana ho an’ny sokajin’olona efa nahatafita fianarana sy manana fitaovana ary fahafahana miditra amin’izany.
Tamin’ity asabotsy 7 Martsa ity, niara-niasa tamin’ny Taninjanaka sy ny fokontany 67ha Atsimo, nanao atrikasa fanabeazana ho an’ny rehetra izahay mikasika ny zon’ny vehivavy amin’ny maha olom-pirenena azy. Nisy ihany koa ny sary lehibe sy fandokoana natokana ho an'ny ankizy, mba hahafahan’ireo ray aman-dreny mandray anjara am-pitoniana amin’ireo lalao sy fifanakalozana samihafa.
Tanjonay ny hampitombo hatrany ireto atrikasa ireto mba hampirisihana ny fandraisana anjaran'ireo ankohonana matetika voailika sy adino amin'ny fiainam-pirenena.
🇫🇷 8 mars : célébrer les oublié·es des luttes
Depuis plusieurs années, MWE a choisi de ne plus organiser de conférences ou d'ateliers conventionnels le 8 mars. Ces formats sont, le plus souvent, conçus pour une classe sociale déjà sensibilisée et bénéficiant d'un accès facilité à ces ressources.
Ce samedi 7 mars, en collaboration avec Taninjanaka et le fokontany de 67ha Ouest, nous avons privilégié une démarche d'éducation populaire autour des droits civiques des femmes. Afin de permettre une pleine implication des parents, un espace créatif (fresque et coloriage) était dédié aux enfants, transformant ainsi l'événement en un moment inclusif pour toute la famille.
Notre priorité reste de multiplier ces initiatives de proximité pour encourager la participation citoyenne des foyers trop souvent laissés en marge des débats publics.
Photos : Nomena Johnson