AllianceVoahary Gasy

AllianceVoahary Gasy Plate-forme des Organisations de la Société Civile Malagasy œuvrant pour la Justice
Environnementale

FANAMBARANA MOMBA NY TATITRY NY FITSARANA MOMBA NY KAONTY.- Mankasitraka ary midera ny fahasahiana lehibe noraisin’ny fi...
09/04/2026

FANAMBARANA MOMBA NY TATITRY NY FITSARANA MOMBA NY KAONTY.
- Mankasitraka ary midera ny fahasahiana lehibe noraisin’ny fitsarana momba ny kaonty tamin’ny namoahany ireny tatitra ireny izahay.
- Dingana lehibe eo amin’ny fangaharahana eo amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana ireny, ary indrindra fandresena ho an’ny fahazoam-baovao ho an’ny daholobe.
- Isaorana noho izany ireo rehetra, tompon’andraikim-panjakana, tompon’orinasa, mpanome vaovao izay nanokatra ny varavaran’ireo sampandraharaham-panjakana nanaovana fitsirihana.
- Mankasitraka sy mankahery ny filohan’ny fanavaozana ny Repoblika sy ny Praiministra ny amin’ny hanenjehana ary ny hanasaziana hentitra ireo tompon’andraikitra nahatonga ny fahavoazana rehetra.
- Angatahanay ny hirosoana amin’ny famerenana ireo volam-bahoaka sy fananam-bahoaka, ary ny fanonerana ny fahavoazan’ny fitondrampanjakana.
- Manainga antsika malagasy ihany koa ny firaisamonim-pirenena mba hanome hasina ny maha olompirenena antsika ka tsy hanaiky ny fanaovana gaboraraka sy tantely afa-drakotra ny fitantanam-panjakana.
- Manome tolo-tanana izahay firaisamonim-pirenena amin’ny ady amin’ny kolikoly sy ny tsimatimanota.

🌿🌵𝗙𝗶𝗮𝗿𝗼𝘃𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝘁𝗼𝗻𝘁𝗼𝗹𝗼 𝗶𝗮𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮 : 𝗠𝗮𝗻𝗮𝗺𝗮𝗳𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗺𝗽𝗶𝗵𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 “𝗧𝗼𝗹𝗲́𝗿𝗮𝗻𝗰𝗲 𝘇𝗲𝗿𝗼” 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗶𝘇𝗮𝘆 𝘁𝗿𝗮𝘁𝗿𝗮 𝗺𝗮𝗻𝗮𝗼 𝗳𝗶𝘁𝗿𝗮𝗻𝗱𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 ...
01/04/2026

🌿🌵𝗙𝗶𝗮𝗿𝗼𝘃𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝘁𝗼𝗻𝘁𝗼𝗹𝗼 𝗶𝗮𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮 : 𝗠𝗮𝗻𝗮𝗺𝗮𝗳𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗺𝗽𝗶𝗵𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 “𝗧𝗼𝗹𝗲́𝗿𝗮𝗻𝗰𝗲 𝘇𝗲𝗿𝗼” 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗶𝘇𝗮𝘆 𝘁𝗿𝗮𝘁𝗿𝗮 𝗺𝗮𝗻𝗮𝗼 𝗳𝗶𝘁𝗿𝗮𝗻𝗱𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗻-𝘁𝘀𝗼𝗸𝗼𝘀𝗼𝗸𝗼 𝗵𝗮𝗿𝗲𝗻𝗮 𝘃𝗼𝗮𝗷𝗮𝗻𝗮𝗵𝗮𝗿𝘆 𝗻𝘆 𝗠𝗘𝗗𝗗 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗙𝗶𝗿𝗮𝗶𝘀𝗮𝗺𝗼𝗻𝗶𝗺-𝗽𝗶𝗿𝗲𝗻𝗲𝗻𝗮

📍𝘈𝘯𝘵𝘴𝘢𝘩𝘢𝘷𝘰𝘭𝘢, 📅01 𝘢𝘱𝘳𝘪𝘭𝘺 2026

🌳🐢Nihaona tamin’Andriamatoa 𝗠𝗶𝗻𝗶𝘀𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗔𝗡𝗗𝗥𝗜𝗔𝗧𝗦𝗜𝗛𝗔𝗟𝗔 𝗡𝗼𝗹𝗮𝘃𝗲 𝗟𝘂𝗰𝗸 𝗔𝗿𝗶𝘀𝘁𝗶𝗱𝗲 ny 𝗔𝗹𝗹𝗶𝗮𝗻𝗰𝗲 𝗩𝗼𝗮𝗵𝗮𝗿𝘆 𝗚𝗮𝘀𝘆 ( #𝗔𝗩𝗚), notarihan’ny Filohany Andriamatoa 𝗥𝗔𝗭𝗔𝗞𝗔𝗠𝗔𝗡𝗔𝗥𝗜𝗡𝗔 𝗡𝗱𝗿𝗮𝗻𝘁𝗼, nanamafy ny hitohizan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny Minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy ( ) amin’ny fikajiana ny tontolo iainana, indrindra ny fampiharana ny “𝘁𝗼𝗹𝗲𝗿𝗮𝗻𝗰𝗲 𝘇𝗲𝗿𝗼” amin’ireo mpanondrana an-tsokosoko ny harena voajanahary arovana eto Madagasikara.

🌿☘️Araka ny lahatenin’Andriamatoa Minisitra nandritra ny fotoana nandraisany ny andraikitra teto anivon’ny MEDD, dia nanamafy ny tenany fa ho atao 𝗹𝗮𝗵𝗮𝗿𝗮𝗺-𝗽𝗮𝗵𝗮𝗺𝗲𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗮𝗱𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗶𝘁𝗿𝗮𝗻𝗱𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗻-𝘁𝘀𝗼𝗸𝗼𝘀𝗼𝗸𝗼 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗮𝗱𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗸𝗼𝗹𝗶𝗸𝗼𝗹𝘆. Nahitam-bokany sahady izany satria dia vao omaly 31 martsa 2026 dia voasambotra teny Ivato ny iray amin’ireo lohandohany mpanao trafika harena voajanahary sy sokatra eto Madagasikara.

🌳🤝Nanamafy ny sy ny ny hanomezana sazy henjana ireo rehetra izay tratra manao fitrandrahana an-tsokosoko harena voajanahary. Hifanome tanana amin’ny fandravana ireo tambazotra ireo arak’izany ny Minisitera sy ny Firaisamonim-pirenena, eo ihany koa ny fanamafisana ny fiarovana ny tontolo iainana.

🔹️🔹️🔹️🔷️🔷️

🌿🌵𝗟𝘂𝘁𝘁𝗲 𝗰𝗼𝗻𝘁𝗿𝗲 𝗹'𝗲𝘅𝗽𝗹𝗼𝗶𝘁𝗮𝘁𝗶𝗼𝗻 𝗶𝗹𝗹𝗲́𝗴𝗮𝗹𝗲 𝗱𝗲𝘀 𝗿𝗲𝘀𝘀𝗼𝘂𝗿𝗰𝗲𝘀 𝗻𝗮𝘁𝘂𝗿𝗲𝗹𝗹𝗲𝘀 : 𝗟𝗲 𝗠𝗘𝗗𝗗 𝗲𝘁 𝗹'𝗔𝗩𝗚 𝗿𝗲𝗻𝗳𝗼𝗿𝗰𝗲𝗻𝘁 𝗹𝗮 𝗽𝗼𝗹𝗶𝘁𝗶𝗾𝘂𝗲 𝗱𝗲 "𝘁𝗼𝗹𝗲́𝗿𝗮𝗻𝗰𝗲 𝘇𝗲́𝗿𝗼" 𝗳𝗮𝗰𝗲 𝗮𝘂𝘅 𝘁𝗿𝗮𝗳𝗶𝗾𝘂𝗮𝗻𝘁𝘀

📍𝘈𝘯𝘵𝘴𝘢𝘩𝘢𝘷𝘰𝘭𝘢, 📅1𝘦𝘳 𝘢𝘷𝘳𝘪𝘭 2026

🌵🌵Dans une rencontre marquante à Antsahavola, le 𝗠𝗶𝗻𝗶𝘀𝘁𝗿𝗲 𝗱𝗲 𝗹'𝗘𝗻𝘃𝗶𝗿𝗼𝗻𝗻𝗲𝗺𝗲𝗻𝘁 𝗲𝘁 𝗱𝘂 𝗗𝗲́𝘃𝗲𝗹𝗼𝗽𝗽𝗲𝗺𝗲𝗻𝘁 𝗗𝘂𝗿𝗮𝗯𝗹𝗲 ( #𝗠𝗘𝗗𝗗), 𝗔𝗻𝗱𝗿𝗶𝗮𝘁𝘀𝗶𝗵𝗮𝗹𝗮 𝗡𝗼𝗹𝗮𝘃𝗲 𝗟𝘂𝗰𝗸 𝗔𝗿𝗶𝘀𝘁𝗶𝗱𝗲, a accueilli le 𝗣𝗿𝗲́𝘀𝗶𝗱𝗲𝗻𝘁 𝗱𝗲 𝗹'𝗔𝗹𝗹𝗶𝗮𝗻𝗰𝗲 𝗩𝗼𝗮𝗵𝗮𝗿𝘆 𝗚𝗮𝘀𝘆 ( #𝗔𝗩𝗚), 𝗥𝗮𝘇𝗮𝗸𝗮𝗺𝗮𝗻𝗮𝗿𝗶𝗻𝗮 𝗡𝗱𝗿𝗮𝗻𝘁𝗼. Cette réunion visait à réaffirmer la coopération continue entre le Ministère et la Société Civile pour la préservation de l'environnement à Madagascar, en particulier en ce qui concerne la politique de "𝘁𝗼𝗹𝗲́𝗿𝗮𝗻𝗰𝗲 𝘇𝗲́𝗿𝗼" contre le 𝘁𝗿𝗮𝗳𝗶𝗰 𝗱𝗲 𝗳𝗮𝘂𝗻𝗲 𝗲𝘁 𝗱𝗲 𝗳𝗹𝗼𝗿𝗲 𝗽𝗿𝗼𝘁𝗲́𝗴𝗲́𝗲𝘀.

🌳🐢Lors de la cérémonie de passation entre le Ministre entrant et sortant du MEDD, le Ministre Andriatsihala Nolave Luck Aristide a souligné l’importance essentielle de la lutte contre l’exploitation illégale des ressources naturelles, la qualifiant de 𝗽𝗿𝗶𝗼𝗿𝗶𝘁𝗲́ 𝗮𝗯𝘀𝗼𝗹𝘂𝗲 𝗱𝘂 𝗴𝗼𝘂𝘃𝗲𝗿𝗻𝗲𝗺𝗲𝗻𝘁. Il a mis en avant les progrès réalisés, notamment l’arrestation, le 31 mars 2026, d'un des principaux trafiquants de tortues et de ressources naturelles protégées à Ivato.

🌵🌱Cette arrestation constitue un succès tangible pour les autorités malgaches, renforçant leur engagement à sévir contre ces réseaux illégaux. Le et l' ont réaffirmé leur détermination à imposer des sanctions sévères aux auteurs d'infractions liées à l'exploitation illégale des ressources naturelles. Les deux entités ont également promis de renforcer leur collaboration pour démanteler ces réseaux criminels tout en assurant une meilleure protection de l'environnement.

🤝🌿La rencontre souligne donc une volonté partagée de poursuivre la lutte contre les trafiquants et de protéger les richesses naturelles uniques de Madagascar pour les générations futures.

ASSISE NATIONALE SUR L'ENVURONNEMENTNandray anjara feno tamin'ny fanokafana ny assise sur l'environnement ny Alliance Vo...
05/03/2026

ASSISE NATIONALE SUR L'ENVURONNEMENT
Nandray anjara feno tamin'ny fanokafana ny assise sur l'environnement ny Alliance Voahary Gasy. Nandritra ny fandraisana fitenenana sy famelabelarana nataony dia nanamafy Atoa Ndranto Razakamanarina, filohan'ny avg fa :

1- tokony faizina araka ny tokony ho izy ireo olomboafidy na manampahefana voarohirohy tamina trafika na kolikoly mahakasika ny harena voajanahary. Apetraka noho izany ny ady amin’ny tsimatimanoka fa tsy haravina any ambadika any fotsiny ny fitsarana azy ireo

2- resy lahatra ary mahatoky ny AVG fa handroso malaky i Madagasikara raha hakarina ho vice primature ny ministeran'ny tontolo iainana sy ny harena voajanahary.

Ireo teboka roa ireo dia mbola fanamafisana hatrany ireo antso efa nataon’ny firaisamonim-pirenena hatrizay hatrizay ary tokony hirosoana ao anatin'iao vanimpotoanan'ny fanavaozana izao.

Ny assise nationale sur l’environnement moa dia hisy fihaonana isan'ambaratonga miainga avy any amin’ny faritra rehetra. Hanatrika sy hitondra ny traikefany noho izany ny AVG ary manentana ireo vondron’ny firaisamonim-pirenenea mpikambana ao aminy sy ireo miray tanjona aminy koa hanao izany.

Manentana hatrany koa ny amin’ny hisian’ny vina iraisana. Mahavelom-panantenana noho izany ny fisian'ity assise nationale ity izay midika fahavononana hitady izay tombotsoan’ny tontolo iainana, antony nanatrehan'ny AVG ity fivoriana notarihin'ny praiministra sy ny Filohan'ny repoblikan'ny fanavaozana ity.

FIHAOANNA AVG/MEDDNitsidika ny ministry ny Tontolo iaianana sy ny fandrosoana lovainjafy, Atoa Rafanomezantsoa Michaël M...
25/02/2026

FIHAOANNA AVG/MEDD

Nitsidika ny ministry ny Tontolo iaianana sy ny fandrosoana lovainjafy, Atoa Rafanomezantsoa Michaël Manesimanana ny avy eto amin’ny Alliance Voahary Gasy ny fiandohan’ny volana febroary lasa teo. Ankoatry ny fiarahabana azy sy firariantsoa amin’ny andraikitra lehibe izay sahaniny dia nanolotra fisaorana sahady amin’ny fihainoany ireo firasamonim-pirenena izay tena miasa amin’ny fomba hitanantanana ny sehatry ny tontolo iainana eto Madagasikara. Nohamafisin’ny AVG tamin’izany ny fanohanany ny politikan’ny Tsy fandeferana, na Tolérance Zéro izay tarihin’ny ministera amin’ny fanimbana ny zavaboahary eto Madagasikara.

Vonona hifanampy ara-kevitra, hampiasa ireo fitaovana eo an-tanany toy ny laharana maitso 512, ireo mpanome vaovao marim-pototra miisa 4000 manerana ny nosy ka nahafahana nahazoana porofo miisa 644. Ireo rehetra ireo dia nahafahana nametrahana fotoriana sy fanenjehana 21 hatramin’ny taona 2021.

Eo ihany koany fisian’ny « clinique juridique » 5, ireo mpahay lalàna 10 ary ireo manampahaizana amin’ny adisisika miisa 3. Miasa isan’andro ireo ary ahazoana vokatra azo tsapain-tanana avy hatrany.

Azo atao araka izany ny mametraka fifanarahana fiaraha-miasa AVG/MEDD eo amin’ny ady amin’ny kolikoly ao anatin’ny ministera sy ireo heloka ara-tontolo iainana, izay ananan’ny AVG traikefa. Marihina manokana nefa fa tsy mitady toerana anaty ministera na mihevitra ny hisalovana ny asan’ny ministera ny AVG fa manao ny asa maha firaisamonim-pirenena azy.

Fomba fiasa azo entina avy hatrany ohatra araka izany ny fametrahana ny « Boussole de la bonne gouvernance GPS (Gouvernement- Privé -Société civile) » amin’ny alalan’ny ONE/HENIKA arak’ireo adisisika 9 efa nirosoana hatramin’ny taona 2021.

Maika amin’ireo adisisika ireo
- Ny fanasaziana ireo mpanao politika izay fantatra ary efa ananana porofo fa nanao trafika ny harena voajanahary nefa mbola mirihariha an-kalalahana.
- Ny fampiatiana ireo vondron’ny firaisamonim-pirenena izay tena manana traikefa sy mahalala ny zava-misy marina eny ifotony amin’ny fitantanana ireo tahirin’andramena izay misy mikasa hanodokodina.
- Ny ny hampiakarana ny tetibolan’ny Ministera ho farafahakeliny 5% amin’ny tetibolam-panjakana raha 0,9% monja izany ankehitriny.
- Ny hametrahana ny « Chaîne de justice judiciaire environnementale » ahitana ny ministeran’ny fitsarana, ireo OPJ, ny avy ao amin’ny MEDD ary miampy ny firaisamonim-pirenena mba hanafainganana sy fanasaziana ary hanenjanana izany ho an’ireo mpanao heloka ara-tontolo iainana.
- Ny hampiharana ny lalàna ka hanaovana ny EESS (Evaluation Environnementale et Sociale Stratégique), ny hamiharana araka ny tokony ho izy ny MECIES, ny fakàna marina ny hevitry ny mponina amin’ireo asa fampandrosoana ka mahakasika ny tontolo iaianana mba hampiatiana ireo vondron’olona eny ifotony amin’ny ady amin’ny kolikoly izay matetika mahatonga savorovoro ami’ny fanatanteraha ireny asa ireny. Fa eo ihany koa ny fanenjehana ireo mpiasan’ny ministera izay ananana porofo fa manao kolikoly ka manimba ny asan’ny fanjakana eo amin’ny sehatry ny fikajiana ny tontolo iainana.
- Tsy adinoina ny ady sisika amin’ny fametrahana amin’izay ny Conseil Economique, Social et Cultutrel CESC araka izay voalaza ao amin’ny lalam-panorenana, andininy fah-a -105). Toy izany koa ny hamoahana amin’izay ilay lalàna miaro ireo mpiaro ny zon’olombelona sy ireo mpisintona lakolosy, « Loi pour la protection des défenseur des droits humains et des lanceurs d’alerte (DDH/LA) » izay miodikodina any anaty andrim-panjakana any hatramin’izao.
- Nasiana fanamarihana manokana ny tokony hanavahana ireo ONG internationale sy ny ONG/OSC malagasy eo amin’ny fiaraha-miasa amin’ny ministera ka hanomezan-danja kokoa ireo manam-pahaizana malagasy sy ny hiainoana azy ireo mba tsy hahatonga azy ireo ho tompotrano mihono.

ADY AMIN'NY KOLIKOLY.Ny sehatry ny tomtolo iainana dia anisan'ireo tena hanjakann'y kolikoly. Ho jerena manokana noho iz...
20/02/2026

ADY AMIN'NY KOLIKOLY.
Ny sehatry ny tomtolo iainana dia anisan'ireo tena hanjakann'y kolikoly. Ho jerena manokana noho izany ny fomba hiarahana miasa mba hahafahana mamongotra izany fomba izany ka hahatonga ity sehatra ity ho tena fanohitra ho an'ny fampandrosoana lovain-jafy.
Nandray anjara mavitrika tamin'ny fifampidinihana ity noho izany ny Alliance Voahary gasy noho ny traikefa ananany eo amin'izany ka nizarana ireo vina sy asa ary dingana efa notanterahana hatrizay.

https://www.facebook.com/share/p/18JRBmF7X9/

CONFERENCE DÉBAT : Quid de la loi des finances 2026?En quoi elle traduit-elle la refondation? Venez nombreux ! Conférenc...
16/12/2025

CONFERENCE DÉBAT :
Quid de la loi des finances 2026?
En quoi elle traduit-elle la refondation?

Venez nombreux ! Conférence ouverte au public !
https://www.facebook.com/share/1FK9JS6Vvf/

📢 CONFERENCE DEBAT-LOI DES FINANCES 2026

👉 En quoi la Loi des Finances 2026 traduit-elle la refondation nationale ??
👉 Quels changements dans le processus budgétaire ?
👉 Quels mécanismes pour plus de transparence et de redevabilité ?

Dans le cadre de la refondation nationale, venez participer à unconférence/débat public ouvert autour du thème:
🗣️ « Refondation nationale : quels changements dans le processus budgétaire / qu’est ce qui doit être prioritaire ?»

📅 Date : 17 décembre 2025
🕜 Heure : 13h30
📍 Lieu : Amphithéâtre-B- FAC EGS -Ankatso
📻 FM 106 MHz – SIOKA

👉 Citoyens, étudiants, OSC, acteurs publics et privés : Votre voix compte !

--
Cette activité est financée par l' Délégation de l'Union européenne à Madagascar et en Union des Comores et International Budget Partnership

𝐅𝐀𝐍𝐀𝐌𝐁𝐀𝐑𝐀̀𝐍𝐀𝐅𝐢𝐫𝐚𝐢𝐬𝐚𝐦𝐨𝐧𝐢𝐦-𝐩𝐢𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 𝐌𝐚𝐥𝐚𝐠𝐚𝐬𝐲, 𝐧𝐲 𝐤𝐨𝐥𝐞𝐤𝐭𝐢𝐟𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐡𝐞𝐭𝐬𝐢𝐤𝐚 𝐆𝐞𝐧 𝐙 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚 𝐚𝐫𝐲 𝐡𝐞𝐫𝐲 𝐯𝐞𝐥𝐨𝐧𝐚 𝐡𝐚𝐟𝐚𝑭𝒐𝒎𝒃𝒂 𝒇𝒊𝒋𝒆𝒓𝒚...
10/12/2025

𝐅𝐀𝐍𝐀𝐌𝐁𝐀𝐑𝐀̀𝐍𝐀
𝐅𝐢𝐫𝐚𝐢𝐬𝐚𝐦𝐨𝐧𝐢𝐦-𝐩𝐢𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 𝐌𝐚𝐥𝐚𝐠𝐚𝐬𝐲, 𝐧𝐲 𝐤𝐨𝐥𝐞𝐤𝐭𝐢𝐟𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐡𝐞𝐭𝐬𝐢𝐤𝐚 𝐆𝐞𝐧 𝐙 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚 𝐚𝐫𝐲 𝐡𝐞𝐫𝐲 𝐯𝐞𝐥𝐨𝐧𝐚 𝐡𝐚𝐟𝐚
𝑭𝒐𝒎𝒃𝒂 𝒇𝒊𝒋𝒆𝒓𝒚 𝒊𝒐𝒎𝒃𝒐𝒏𝒂𝒏𝒂 𝒔𝒚 𝒂𝒏𝒕𝒔𝒐 𝒉𝒐 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒏𝒅𝒓𝒂𝒊𝒔𝒂𝒏𝒂 𝒂𝒏𝒅𝒓𝒂𝒊𝒌𝒊𝒕𝒓𝒂
Izahay firaisamonim-pirenena sy ny Gen Z Madagasikara dia mankasitraka ny hetsika hanombohana ny fifampidinihana nasionaly ho amin’ny Fanavaozana ny Repoblika. Na izany aza anefa dia marihinay fa hatramin’ny 14 oktobra 2025, daty nandraisan’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, dia tsy mbola nisy rafitra mazava napetraka handaminana ny fitantanana ny tetezamita.
Manoloana an’io fahabangan’ny rafitra mazava sy hifanaran’ny rehetra io, izahay dia manao antso avo amin’ny PRRM, ny Governemanta, ny Minisiteran’ny Refondation ary ny FFKM, mba hanao laharam-pahamehana ny fomba fitantanana ny tetezamita, izay dingana voalohany hankatoavan’ny rehetra ny fizotran’ny tetezamita mialoha ny hirosoana amin’ny fifampidinihana nasionaly mikasika ny fanavaozana.
𝐃𝐢𝐧𝐠𝐚𝐧𝐚 𝟏 : 𝐅𝐚𝐦𝐨𝐥𝐚𝐯𝐨𝐥𝐚𝐧𝐚 𝐒𝐚𝐭𝐚 𝐦𝐢𝐟𝐞𝐡𝐲 𝐧𝐲 𝐓𝐞𝐭𝐞𝐳𝐚𝐦𝐢𝐭𝐚
Fifampidinihana mampandray anjara ny rehetra hamolavolana ny Sata mifehy ny Tetezamita sy ny tondrozotra mifandraika amin’izany, izay tsy maintsy mamaritra:
i. Ny antony sy ny tanjon’ny tetezamita ;
ii. Ny faharetany;
iii. Ny fomba fiasan’ny tetezamita ;
iv. Ny arofanina sy antoka ara-demokratika ;
Tsy maintsy hodinihana amin’izany ihany koa ny fepetra hanamafisana sy hiantohana ny tsy fitongilanan’ny andrim-panjakana ankehitriny, indrindra ny Antenimieram-pirenena, ny Antenimierandoholona, ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana (CENI), ny Fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana (HCC), mba hiantohana ny fampifanarahana amin’ny fepetra takian’ny tetezamita sy hamerenana ny fitokisan’ny olompirenena.
Vita izay dingana voalohany izay vao miditra amin’ny fifampidinihana manaraka.
𝐃𝐢𝐧𝐠𝐚𝐧𝐚 𝟐 : 𝐏𝐚𝐢𝐤𝐚𝐝𝐢𝐦-𝐩𝐢𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 𝐡𝐨 𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐧𝐚𝐯𝐚𝐨𝐳𝐚𝐧𝐚
Fifampidinihana misokatra amin’ny rehetra, mampandray anjara ny sokajin’olona rehetra miainga avy any amin’ny fokontany ka hatramin’ny ambaratonga rehetra, izay hiteraka paikadim-pirenena ho an’ny Fanavaozana, miorina amin’ny zava-misy eny ifotony ary mivoaka avy amin’ny hery velona rehetra eto amin’ny firenena.
Ireo fifampidinihana in-droa miantoana ireo dia tsy maintsy miorina amin’ny fomba fiasa hentitra, voarindra ary mampiaty, mba hahazoana antoka ny fitoniana eto amin’ny firenena sy ny fandraisana anjaran’ny rehetra.
Ny firaisamonimpirenena sy ny Gen Z Madagasikara ary ireo vondrona hafa miaraka aminy dia vonona hanolotra an-tsitrapo ny fahaiza-manaony ary hanome tantsoroka ireo mpisehatra rehetra mandray anjara amin’ity zotra ity mba hanatanterahana tetezamita mahomby sy mampandray anjara ary eken’ny rehetra.
________________________
𝐂𝐎𝐌𝐌𝐔𝐍𝐈𝐐𝐔𝐄́ 𝐃𝐄 𝐏𝐑𝐄𝐒𝐒𝐄
𝐎𝐒𝐂 𝐌𝐚𝐥𝐚𝐠𝐚𝐬𝐲 𝐞𝐭 𝐂𝐨𝐥𝐥𝐞𝐜𝐭𝐢𝐟 𝐝𝐮 𝐌𝐨𝐮𝐯𝐞𝐦𝐞𝐧𝐭 𝐆𝐞𝐧 𝐙 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚
𝑷𝒐𝒔𝒊𝒕𝒊𝒐𝒏 𝒄𝒐𝒎𝒎𝒖𝒏𝒆 𝒆𝒕 𝒂𝒑𝒑𝒆𝒍 𝒂̀ 𝒍’𝒂𝒄𝒕𝒊𝒐𝒏
Nous saluons l’initiative de lancer une concertation nationale en vue de la refondation. Cependant, face à l’absence de cadrage clair et consensuel de la transition jusqu’à ce jour, nous exhortons le PRRM, le Gouvernement, le Ministère chargé de la Refondation ainsi que la FFKM à accorder la priorité absolue à l’encadrement de la transition, étape cruciale pour garantir la légitimité du processus avant d’engager les concertations nationales relatives à la refondation.
𝐀𝐜𝐭𝐞 𝟏 - 𝐄́𝐥𝐚𝐛𝐨𝐫𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐝𝐞 𝐥𝐚 𝐂𝐡𝐚𝐫𝐭𝐞 𝐝𝐞 𝐥𝐚 𝐓𝐫𝐚𝐧𝐬𝐢𝐭𝐢𝐨𝐧
Une concertation inclusive visant à élaborer la Charte de la Transition et sa feuille de route, qui devra définir :
i. L’objet et les finalités de la transition ;
ii. Sa durée ;
iii. Le mode opératoire ;
iv. Les balises et garanties démocratiques ;
Elle devra également examiner et proposer des mesures de rationalisation et d’impartialité des institutions actuelles, notamment l’Assemblée nationale, le Sénat, la CENI et la HCC, afin d’assurer leur cohérence avec les exigences de la transition et de restaurer la confiance citoyenne.
Une fois ce cadre établi, un second niveau de concertation devra être engagé.
𝐀𝐜𝐭𝐞 𝟐 - 𝐒𝐭𝐫𝐚𝐭𝐞́𝐠𝐢𝐞 𝐍𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧𝐚𝐥𝐞 𝐝𝐞 𝐑𝐞𝐟𝐨𝐧𝐝𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧
Une concertation élargie, associant toutes les composantes de la société jusqu’au niveau des fokotany, débouchant sur une Stratégie Nationale de Refondation ancrée dans les réalités locales, portée et soutenue par l’ensemble des forces vives du pays.
Ces deux concertations doivent s’appuyer sur une méthodologie rigoureuse, structurée et inclusive, afin de garantir l’apaisement national et la participation effective de toutes les parties prenantes.
Nous nous portons volontaires pour mettre à disposition notre expertise et accompagner l’ensemble des acteurs dans ce processus, en vue d’une transition légitime, inclusive et réussie.

SAMIA MAILO!Hita fa miha mirongatra indray ny fanondranana an-tsokosoko sokatra satria mifarana ny taona ary anaty vanim...
05/12/2025

SAMIA MAILO!

Hita fa miha mirongatra indray ny fanondranana an-tsokosoko sokatra satria mifarana ny taona ary anaty vanim-potoana pôlitika mafana isika. Iangaviana sy entanina ary ampirisihina ny fitondrampanjakàna mba ho hentitra amin'ny famaizana izay tratra fa indrindra koa tsy ho sodokan'ny mpanao pôlitika mpanao trafika (izay tokony mbola misy samborina).

Aoka ihany koa tsy ho resy lahatra amin'ireo tetika hanondrana ireo tahirin'andramena tapaka misy (izay mbola tsy vita inventaire mazava) .

Fantaro fa tsy mbola manana quota d'exportation CITES isika Malagasy hatreto : raha mivarotra ireo isika dia maro ireo fifanarahana iraisam-pirenena ho voadikantsika sy famatsiambola ho tapaka, tsy ho voafehy ny fanapahana kakazo vaovao (izay any anaty faritra arovana sisa misy azy), ho ringana tanteraka ireo vondron'ala sy tandavan'ala sisa tavela ka hisy fiantraikany avy hatrany (toy ny tamin'ny 2009-2011) amin'ny tontolo iainana sy ny rano, iankinan'ny fambolena sy ny angovo ilain'ny Malagasy rehetra sy ny taranany.

ANDAO HO DINIHINA TSARA IZAY HO ATAO SATRIA HO TSARAIN'NY TANTARA ISIKA

Sary fanehoana ireo andramena nisy nnaondrana an-tsokosoko ka tra-tehaky ny mpitandro filaminana.

Androany 25 oktobra 2025 dia nanatitra taratasy misokatra ho an'ny FILOHAN’NY FANAVAOZANA NY REPOBLIKAN’I MADAGASIKARA i...
25/10/2025

Androany 25 oktobra 2025 dia nanatitra taratasy misokatra ho an'ny FILOHAN’NY FANAVAOZANA NY REPOBLIKAN’I MADAGASIKARA ireo firaisamonim-pirenena sy mpisehatra eo amin'ny tontolo iainana.
Izany taratasy izany dia ahitana ireo heverin'ny firaisamonim-pirenena sy mpisehatra ireo fa fototra sy andry tokony hiaingan'ny fanavaozana eto Madagasikara : ny tontolo iainana sy ny fitantanana maharitra ny harena voajanahary.
Misy teboka 11 ity taratasy misokatra ity, ary mitaky fandraisan'andraikitry ny tsirairay. Efa vonona amin'izany ary manolo-tanana ho amin'izany ny firaisamonim-pirenena sy mpisehatra eo amin'ny tontolo iaianana.

QUATRIEME DECLARATION DES LA SOCIETE CIVILE.saluant la mobilisation citoyenne ayant permis la fin de la répression et ex...
16/10/2025

QUATRIEME DECLARATION DES LA SOCIETE CIVILE.
saluant la mobilisation citoyenne ayant permis la fin de la répression et exprimant sa compassion envers les victimes.
Elle alerte toutefois sur les dérives possibles d’une transition mise en place sans concertation nationale depuis le 14 octobre 2025. Les 356 OSC signataires de cette déclaration émettent également leur recommandation pour une transition inclusive et légitime.

FANAMBARANA FAHA-4 AVY AMIN4NY FIRAISAMONIM6PIRENENA manoloana ny toe-draharaha lalovan'i madagasikara ankehitriny.Miton...
16/10/2025

FANAMBARANA FAHA-4 AVY AMIN4NY FIRAISAMONIM6PIRENENA manoloana ny toe-draharaha lalovan'i madagasikara ankehitriny.
Mitondra soso-kevitra ihany koa ny firaisamonim-pirenena 356 isa nikondoha manao sonia ity fanambarana ity.

Address

Lot II Y 53 FQ Andrainarivo
Antananarivo

Opening Hours

Monday 08:00 - 17:00
Tuesday 08:00 - 17:00
Wednesday 08:00 - 17:00
Thursday 08:00 - 17:00
Friday 08:00 - 17:00

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when AllianceVoahary Gasy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to AllianceVoahary Gasy:

Share