31/03/2026
VONINAHITRA HO AN’ANDRIAMANITRA IRERY IHANY 🙏
Feno fankasitrahana tanteraka izahay GAEM taorian’ny fanatanterahana ny fanokafana amin’ny fombam-piagonana ny fanamarihana ny faha-15 taona nijoroanay, izay notanterahina ny Alahady 29 Martsa 2026 tao amin’ny FJKM Ankadindambo Famonjena.
Voalohany indrindra, misaotra sy manome voninahitra an’Andriamanitra izahay noho ny fitantanany sy ny fitahiany nandritra izay 15 taona izay. Raha jerena tokoa, 15 taona dia dingana lehibe – fotoana iovàna, fotoana itomboana, ary fotoana handraisana andraikitra bebe kokoa. Tahaka ny tanora miditra amin’ny fahaleovantena, izahay koa dia mbola mitombo sy mianatra, ary mbola mila ny fanohanana sy fitarihan’ireo zoky sy ray aman-dreny.
Maneho fisaorana manokana: – Ny Mpitandrina sy ny fiangonana iray manontolo
– Ny maintimolaly sy ireo RAD GAEM rehetra, izay mitarika sy manohana hatrany
– Ny RAD mpanohana sy ireo mpiara-miasa akaiky rehetra hatrizay (mpamorona hira, mpitendry, teknisiana, sns)
– Ny sampana sy rantsana ary sampan’asa rehetra eto amin’ny fiangonana, niara-niasa sy nifampahery taminay tamin’ny fotoana rehetra
– Ny Filohan’ny STK sy ny birao mpiara-miasa aminy
– Ireo vahiny nasaina rehetra tonga nanotrona, ary ireo tsy tonga kanefa manohana anay hatrany
– Ary ireo rehetra nandray anjara tamin’ny fikarakarana, anisan’izany ny mpanjaitra ny fanamiana
Tsy fankalazana tsotra izao no tanjona, fa fanamarihana sy fijerena lavitra. Anisan’ny tetikasa lehibe ho amin’izao faha-15 taona izao ny famoahana ny album voalohany, izay ho tsangambato ho fahatsiarovana sy ho vavolombelon’ny dianay.
Raha misy tsy voatonona anarana, dia ialàna tsiny indrindra. Fantatray fa maro ianareo no nandray anjara tamin’ny fomba samihafa, ary sarobidy aminay izany rehetra izany.
Mankasitraka indrindra anareo rehetra tamin’ny fanohanana, ny fitiavana ary ny fiarahana mandrakariva. Manantena hatrany ny hiara-dalana aminareo amin’ny dingana manaraka izahay.
VONINAHITRA HO AN’ANDRIAMANITRA IRERY IHANY 🙏