GAEM sampana tanora Kristiana Rantsana Groupe Artistique évangélique Miantso ❣️

04/09/2026

📖 Salamo 23:1 « Jehovah no Mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho. »

🙏 FIADANANA E! ANDAO HAMORONA HIRA

Ny anareo kosa, manao ahoana rehefa miketrika hira vaovao? 😂🎶

Eto aminay, tsy maintsy misy andrana, sosokevitra, fanitsiana ary ady hevitra kely hoe:
“izao ve sa izao?” 😅🤣

Hira vaovao indray no ketrehana amin’izao fotoana izao… mbola andrana fotsiny ity, fa mba omeo écoute kely aloha e! 👀🎤🎶

Ahoana ny fahenoanareo azy? 😁👇

Fiadanana ho amintsika rehetra ✨Izaho no voaloboka, ianareo no sampany. Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be ...
19/07/2026

Fiadanana ho amintsika rehetra ✨

Izaho no voaloboka, ianareo no sampany. Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy; fa raha misaraka amiko kosa ianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona.

— Jaona 15 : 5

Inona amin'ny hiran'ny GAEM no tianareo ho avoaka atoato? Dia rahoviana no tianareo hivoaka? 😁

Araho hatrany ny pejintsika

23/06/2026

🙏"Ary mamelà ny helokay; fa izahay koa mamela izay rehetra meloka aminay." Lioka 11 : 4

Entinay ianareo androany hiaraka aminay manao famerenana miaraka amin'ireto ankizy sy mpitendry ireto😉
Mpanota izahay - GAEM

28/05/2026

Ary mamelà ny helokay tahaka ny namelanay izay meloka taminay.

— Matio 6 : 12

10/05/2026

"Misaora an'i Jehovah ry fanahiko, Izay rehetra ato anatiko misaora ny anaraNy masina " Sal 103: 1 ❤
Indro misy "extrait vidéo" atalotra am-pitiavana be amin'ity Alahady ity 🥰
P.S: Henoy @ écouteur 🎧

Ela ela izay e ?😁Ho avy tsy ho ela ny fotoana iarahantsika fa izao aloha dia ireto ny sary omaly fanomanana ny ivon'ny 1...
09/05/2026

Ela ela izay e ?😁
Ho avy tsy ho ela ny fotoana iarahantsika fa izao aloha dia ireto ny sary omaly fanomanana ny ivon'ny 15ème anniversaire GAEM 🥰
Fanontaniana: Oviana ary moa ilay daty ivon'ny fankalazana an'Andriamanitra noho ny faha-15 taonan'ny GAEM? 💗

"Kanefa raha izaho, dia fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy" Joba 19: 25aNy GAEM dia mirary p***a fandresena ho antsika...
05/04/2026

"Kanefa raha izaho, dia fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy" Joba 19: 25a
Ny GAEM dia mirary p***a fandresena ho antsika rehetra ❤✨

VONINAHITRA HO AN’ANDRIAMANITRA IRERY IHANY 🙏Feno fankasitrahana tanteraka izahay GAEM taorian’ny fanatanterahana ny fan...
31/03/2026

VONINAHITRA HO AN’ANDRIAMANITRA IRERY IHANY 🙏

Feno fankasitrahana tanteraka izahay GAEM taorian’ny fanatanterahana ny fanokafana amin’ny fombam-piagonana ny fanamarihana ny faha-15 taona nijoroanay, izay notanterahina ny Alahady 29 Martsa 2026 tao amin’ny FJKM Ankadindambo Famonjena.

Voalohany indrindra, misaotra sy manome voninahitra an’Andriamanitra izahay noho ny fitantanany sy ny fitahiany nandritra izay 15 taona izay. Raha jerena tokoa, 15 taona dia dingana lehibe – fotoana iovàna, fotoana itomboana, ary fotoana handraisana andraikitra bebe kokoa. Tahaka ny tanora miditra amin’ny fahaleovantena, izahay koa dia mbola mitombo sy mianatra, ary mbola mila ny fanohanana sy fitarihan’ireo zoky sy ray aman-dreny.

Maneho fisaorana manokana: – Ny Mpitandrina sy ny fiangonana iray manontolo
– Ny maintimolaly sy ireo RAD GAEM rehetra, izay mitarika sy manohana hatrany
– Ny RAD mpanohana sy ireo mpiara-miasa akaiky rehetra hatrizay (mpamorona hira, mpitendry, teknisiana, sns)
– Ny sampana sy rantsana ary sampan’asa rehetra eto amin’ny fiangonana, niara-niasa sy nifampahery taminay tamin’ny fotoana rehetra
– Ny Filohan’ny STK sy ny birao mpiara-miasa aminy
– Ireo vahiny nasaina rehetra tonga nanotrona, ary ireo tsy tonga kanefa manohana anay hatrany
– Ary ireo rehetra nandray anjara tamin’ny fikarakarana, anisan’izany ny mpanjaitra ny fanamiana

Tsy fankalazana tsotra izao no tanjona, fa fanamarihana sy fijerena lavitra. Anisan’ny tetikasa lehibe ho amin’izao faha-15 taona izao ny famoahana ny album voalohany, izay ho tsangambato ho fahatsiarovana sy ho vavolombelon’ny dianay.

Raha misy tsy voatonona anarana, dia ialàna tsiny indrindra. Fantatray fa maro ianareo no nandray anjara tamin’ny fomba samihafa, ary sarobidy aminay izany rehetra izany.

Mankasitraka indrindra anareo rehetra tamin’ny fanohanana, ny fitiavana ary ny fiarahana mandrakariva. Manantena hatrany ny hiara-dalana aminareo amin’ny dingana manaraka izahay.

VONINAHITRA HO AN’ANDRIAMANITRA IRERY IHANY 🙏

J - 6 🥳Amin'ny Alahady ho avy izao ny fotoanantsika ❤@ 9 ora maraina no fidiran'ny fiangonana💟 Hanasana antsika rehetra,...
23/03/2026

J - 6 🥳
Amin'ny Alahady ho avy izao ny fotoanantsika ❤
@ 9 ora maraina no fidiran'ny fiangonana
💟 Hanasana antsika rehetra, ny mpikambana teo aloha rehetra sy ny RAD, ary isika vahoakan'Andriamanitra rehetra
✨

SOUVENIR GAEM 2015 ❤
19/03/2026

SOUVENIR GAEM 2015 ❤

Address

FJKM Ankadindambo Famonjena Ambohimangakely
Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when GAEM posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share