IPA Madagascar

IPA Madagascar "Fiompiana akoho mivoatra sy voafehy"

🐔 MIZARA MAHAFANTATRA | Fiompiana akohoTsy mitovy ny fiompiana akoho fakana nofo sy akoho manatody.Ny karazana akoho tsi...
11/08/2026

🐔 MIZARA MAHAFANTATRA | Fiompiana akoho

Tsy mitovy ny fiompiana akoho fakana nofo sy akoho manatody.

Ny karazana akoho tsirairay dia mila fomba fiompiana sy fikarakarana mifanaraka aminy. 🐓🥚

👉 Rehefa fantatra tsara ny filàn’ny akoho, mora kokoa ny mandrindra ny fiompiana.

Mizara fahalalana ho fampandrosoana ny fiompiana.

🥚 Atody sy henan’akoho, sakafo ara-pahasalamana ho an’ny rehetra! 🍗Ny fananana vatana salama dia manomboka amin’ny sakaf...
07/08/2026

🥚 Atody sy henan’akoho, sakafo ara-pahasalamana ho an’ny rehetra! 🍗

Ny fananana vatana salama dia manomboka amin’ny sakafo tsara. Ny atody sy ny henan’akoho dia manankarena proteina, manampy amin’ny fanamafisana ny vatana sy ny fitomboana ary mety ho an’ny ankizy, tanora, olon-dehibe ary zokiolona.

Ao amin’ny IPA Madagascar, dia vonona ireo mpikambana rehetra hanome atody sy henan’akoho azo antoka, mba hahafahan’ny Malagasy rehetra misitraka sakafo ara-pahasalamana isan’andro.

💬 Zarao aminay:
Impiry isan-kerinandro ianao no mihinana atody na henan’akoho?

📢 Ny hevitrao no zava-dehibe aminay!Te hahafantatra ny hetahetanao sy ny filànao ny IPA mba hahafahana manomana hetsika ...
04/08/2026

📢 Ny hevitrao no zava-dehibe aminay!

Te hahafantatra ny hetahetanao sy ny filànao ny IPA mba hahafahana manomana hetsika mahasoa ho an'ny sehatry ny fiompiana akoho.

💬 Inona avy ireo hetsika tianao hokarakarain'ny IPA?

Na fiofanana, fitsidihana ara-teknika, fihaonana, na hetsika hafa, dia soraty ao amin'ny fanehoan-kevitra ny soso-kevitrao.

🤝 Miara-manangana sehatry ny fiompiana akoho matanjaka sy maharitra isika!

🐔📚 Inona no antony ikarakaran'ny IPA fiofanana ho an'ny mpikambana ao aminy?Satria ny tanjonay dia ny hahazoan'ny mpanji...
31/07/2026

🐔📚 Inona no antony ikarakaran'ny IPA fiofanana ho an'ny mpikambana ao aminy?

Satria ny tanjonay dia ny hahazoan'ny mpanjifa akoho sy atody ampy, tsara kalitao ary ara-pahasalamana 🥚🍗.

Mba hahatratrarana izany dia ilaina ny fanamafisana ny fahaiza-manaon'ireo mpiompy amin'ny alalan'ny:
✅ teknika maoderina amin'ny fiompiana,
✅ fitantanana tsara ny toeram-piompiana,
✅ fanajana ny fepetra ara-pahasalamana sy biosecurité,
✅ ary fanatsarana hatrany ny kalitaon'ny vokatra.

Ny fiofanana dia fampiasam-bola ho an'ny hoavin'ny sehatry ny fiompiana akoho eto Madagasikara. 🇲🇬

👉 Mpiompy ve ianao? Midira ho mpikambana ao amin'ny IPA ary araho akaiky ny fiofanana sy ireo hetsika ho fanohanana ny fampandrosoana ny fiompianao! 🤝🐓

🎉 Tontosa soa aman-tsara ny fiofanana nokarakarain’ny IPA Madagascar tao Tanjombato! 🐔Isaorana manokana ireo mpiompy sy ...
28/07/2026

🎉 Tontosa soa aman-tsara ny fiofanana nokarakarain’ny IPA Madagascar tao Tanjombato! 🐔

Isaorana manokana ireo mpiompy sy mpandray anjara rehetra tonga nanatrika sy nandray anjara mavitrika. Manantena izahay fa hitondra fandrosoana sy fanatsarana eo amin’ny fiompiana akoho fakana nofo ny fahalalana sy fahaiza-manao azo nandritra ity fiofanana ity.

📢 Ny fotoanantsika manaraka

📅 29 Jolay 2026
📍 Salle d’Œuvre Catholique – Imerintsiatosika

📅 31 Jolay 2026
📍 Tranompokonolona Mahitsy

🕘 Ora: 09:00 – 12:00

🤝 Andao hiara-hampandroso ny sehatry ny fiompiana akoho eto Madagasikara!

21/07/2026

🐔 FIOFANANA KARAKARAIN'NY IPA

Te hanatsara ny fahaizanao amin'ny fiompiana akoho fakana nofo ve ianao? Avia manatevin-daharana ny fiofanana karakarain'ny IPA, fahalalana azo ampiharina avy hatrany.

📍 28 Jolay 2026 – Analamanga Hôtel Tanjombato
📍 29 Jolay 2026 – Salle d'œuvre Catholique Imerintsiatosika
📍 31 Jolay 2026 – Tranompokonolona Mahitsy
🕘 09:00 – 12:00

👉 Tongava maro ary aza adino ny mizara ity fanasana ity amin'ireo mpiompy manodidina anao! 🐓

"Fiompiana akoho mivoatra sy voafehy"

🥚 Derrière l’œuf et le pouletSamy manana ny toerana hividianany atody sy akoho isika. 😊📍 Ary ianao, aiza no fividiananao...
17/07/2026

🥚 Derrière l’œuf et le poulet

Samy manana ny toerana hividianany atody sy akoho isika. 😊

📍 Ary ianao, aiza no fividiananao atody sy akoho matetika?
🔸 Eny an-tsena?
🔸 Any amin’ny mpivarotra akaiky?
🔸 Any amin’ny supermarché?
🔸 Sa mivantana any amin’ny mpiompy?

💬 Zarao aminay ao amin’ny commentaires ny valinteninao! Mahaliana anay ny mahafantatra ny fahazaranao amin’ny fividianana.

👇 Tag-o koa ny namanao dia andao hifampizara traikefa!

🥚 AO AMBADIKY NY ATODY SY NY AKOHO🤔 MARINA sa DISO?Andao hojerentsika raha tena mahafantatra ny momba ny atody ianao!1️⃣...
14/07/2026

🥚 AO AMBADIKY NY ATODY SY NY AKOHO

🤔 MARINA sa DISO?
Andao hojerentsika raha tena mahafantatra ny momba ny atody ianao!

1️⃣ Ny atody volontany dia mahavelona kokoa noho ny atody fotsy.
🟢 Marina sa 🔴 Diso?

2️⃣ Afaka mihinana atody isan’andro ny olona salama.
🟢 Marina sa 🔴 Diso?

3️⃣ Ny atody dia loharanon-proteinina tsara kalitao.
🟢 Marina sa 🔴 Diso?

4️⃣ Tsy azo tehirizina ao anaty vata fampangatsiahana ny atody.
🟢 Marina sa 🔴 Diso?

5️⃣ Ny haben’ny atody no mamaritra ny kalitaony.
🟢 Marina sa 🔴 Diso?

💬 Firy tamin’ireo fanontaniana 5 ireo no voavalinao tsara? Soraty ao amin’ny commentaire ny valinteninao (ohatra: 1D, 2M, 3M, 4D, 5D) ary jereo ao amin’ny carrousel raha marina ianao!

👍 Zarao amin’ny namanao ity lahatsoratra ity mba hizahan-toetra ny fahalalany ihany koa!

🎉 Dingana lehibe ho an’ny IPA! 🐔🥚Tontosa soa aman-tsara ny fifidianana ireo solontenan’ny Filankevi-pitantanana (CA) isa...
10/07/2026

🎉 Dingana lehibe ho an’ny IPA! 🐔🥚

Tontosa soa aman-tsara ny fifidianana ireo solontenan’ny Filankevi-pitantanana (CA) isaky ny kolejy.

✅ Solontena 1 no voafidy hisolo tena ny Kolejin’ny Mpivarotra (Revendeurs).
✅ Solontena 3 kosa no voafidy hisolo tena ny Kolejin’ny Mpiompy (Éleveurs).

Ity fifidianana ity dia dingana lehibe eo amin’ny fanamafisana ny fitantanana mangarahara sy ny fiaraha-miasa eo amin’ireo mpisehatra rehetra ao anatin’ny Interprofession Avicole.

Arahabaina ireo voafidy, ary mirary fahombiazana amin’ny andraikitra hotanterahiny ho fampandrosoana ny sehatry ny fiompiana akoho eto Madagasikara. 🤝🇲🇬

👋🏼Salama e. Samia mifampitaona amin'ity fotoanantsika manaraka ity ô
07/07/2026

👋🏼Salama e. Samia mifampitaona amin'ity fotoanantsika manaraka ity ô

Address

368 MB Ambatotokana/Mandrosoa Ivato
Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when IPA Madagascar posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share