Jesosy Kristy irery ihany

Jesosy Kristy irery ihany Vondrom-bavakan'ny FIFOHAZAN'NY MPINO KRISTIANINA AO AMIN'I KRISTY JESOSY

TAHIN'I JESOSY DAHOLO :RY HA ANA MALALA AO AMIN'NY TOMPOFADIONTSIKA MPITONDRA FIANGONANA NY HISARIKA NY OLONA INDRINDRA ...
04/11/2024

TAHIN'I JESOSY DAHOLO :RY HA ANA MALALA AO AMIN'NY TOMPO

FADIONTSIKA MPITONDRA FIANGONANA NY HISARIKA NY OLONA INDRINDRA FA NY MPINO HO AMIN'NY ZAVATRIN'NY NOFO EO ANIVON'NY FIANGONANA ALIN'NY FANATANTERAHANA NY ASAN'ANDRIAMANITRA, FA AOKA TENA HO AMIN'NY FAMONJENA NY FANAHY TOKOA, ARAK'IZAY EFA NAHAFOIZAN'ANDRIAMANITRA NY ZANANY LAHITOKANA HO FATY MBA HAHATANTERAHAKA IZANY FAMONJENA IZANY, MBA TENA HO OLOM-BOAVONJY TOKOA ISIKA.

RAHA MAMPIASA FOMBA ARA-NOFO (VOLA, FANOLEZANA, SNS...) IANAO MBA HISARIHANA NY OLONA HO ANY AM-PIANGONANA, DIA HISARIKA NY OLONA HANDEHA ANY AM-PIANGONANA NOHON'NY AMIN'NY NOFONY IHANY, ARY MPINO NA OLONA ARAKA NY NOFO IHANY NO HAMENO NY FIANGONANA AMIN'IZAY FITOANA IZAY.
IZAO ANEFA NO ATAOVINTSIKA AO AN-TSAINA FA MAMPIRISIKA NY OLONA TSY HITADY AN'I JESOSY KIRTSY AMIN'NY FO MARINA TOKOA ISIKA RAHA MANAO TOY IZANY, FA LASA MAMPORISIKA AZY IREO HIFIKITRA AMIN'NY FAMPANANTENANA ARA-NOFO IZAY MITONDRA MANAKANY AMIN'NY FAHAVEREZANA, ARY IZAO NO ZAVA-DOZA TSY MAINTSY HANOHY HAMPIASA FOMBA ARA-NOFO BEBE KOKOA HIANAO RAHA MANAO TOY IZANY MBA HITAZOMANA NY MPINO SY NY OLONA EO ANIVON'NY FIANGONANA.

TSY TSARA IZANY. ARY FAHAVETAVETANA EO ANATREHAN'ANDRIAMANITRA SY JESOSY KRISTY TOMPO. AO NY TENIN'NY FAHAMARINANA ARAKA NY FILAZANTSARA IZAY EFA NOMENA ANTSIKA NO HOTORIANA SY HAMBARA ARY HAMPIANARINA NY OLONA SY NY MPINO, MBA HAMPAHERY SY HAMPAHATANJAKA NY MPINO SY NY OLONA MBA HAHATONGA NY TSIRAIRAY AMIN'Y FANAVAOZANA NY SAINA HAHAFANTARAN'NY TSIRAIRAY MARINA SITRAPON'ANDRIAMANITRA (ROMANA 12 : 2) HANANAN'NY TSIRAIRAY TOE-PO, TOE-TSAINA SY TOE-PANAHY ARAKA NY FANAHY MASINA.

FA NY ZAVATRA N'Y NOFO DIA NY JENTILISA NO FATRA-PIKATSAKA AZY FA ISIKA ZANAK'ANDRIAMANITRA AO AMIN'I JESOSY KRISTY TOMPO DIA TADIDIO TSARA FA I JEOSSY TENANY NO NILAZA : FA NA DOA MBOLA TSY MANGATAKA AZA HIANAREO, DIA FANTATRIN'NY RAINSIKA IZAY AO AN-DANITRA FA TOKONY HO ANTSIKA IZANY. FA KATSAHO ALOHA NY FANJAKANY SY NY FAHAMARINANY, DIA HANAMPY HO ANAREO IZANY RHETRA IZANY. MATIO 6 : 31 - 33.

KOA TANDREMO NY FOMBAFOMBA FANONTSIKA MBA HIVIDIANA NY FANAHIN'NY OLONA HO FAMPIVILIANA NY FANAHINY HOAN'NY MAMOANA FA FAHAVETAVETANA EO IMASON'ANDRIAMANITRA IZANY. FA MAMPIANARA NY OLONA HATOKY SY HIFIKITRA AMIN'I JESOSY KRISTY ILAY ZANAK'ANDRIAMANITRA VELONA MANANKERY AVY ANY NOHIN'NY AMINNY FAMONJENA VITANY.

HOAN'ANDRIAMANITRA IRERY IHANY NY VONINAHITRA IZAY EFA AZY HATRAMIN'NY TALOHA INDRINDRA KA HO MANDRAKIZAY AMINY ANARAN'I JESOSY KRISTY TOMPONTSIKA... AMEN

JESOSY KRISTY IRERY IHANY

Tahin'i Jesosy daholo ry havako Malala ao amin'ny Tompo.Salamo 37 : 3 - 5 indray no anjara sahaza antsika androany. Andr...
24/05/2024

Tahin'i Jesosy daholo ry havako Malala ao amin'ny Tompo.

Salamo 37 : 3 - 5 indray no anjara sahaza antsika androany.

Andriamanitra mampianatra antsika amin'ny alalan'ny Salamo izay nosoratany Davida mpanompony, mba hananantsika faharetana amin'ny lalana itondrany antsika satria Izy mahalala tsara ny hevitra izay iheverany antsika.

Indraindray manko isika olombelona rehefa mandalo ady sarotra na sedra mahamay (aretina, olana maro isan-karazany), na koa misy zavatra irin'ny fontsika lalina nangatahantsika amin'Andriamanitra nefa toa mbola tsy mety tonga ihany, dia alaim-panahy handeha hivily amin'ny lalana tsy izy mba hahazoantsika ny zavatra irintsika (mandeha amin'ny lalana manapaka na koa amin'ny teny vahiny hoe manka raccourci) satria mahita ny hafa tafita alohantsika ka mahatonga antsika tsy manana faharetana amin'ilay fotoana tsara indrindra izay hanomezan'Andriamanitra ny valim-bavaka izay andrasantsika.

Izany fomba fanao izany anefa dia fomba tsy mifanaraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra satria betsaka amintsika no lasa mandoto ny tenantsika izay tempolin'Andriamanitra, satria eo ny sahy mamitaka, mamono, mivaro-tena (amin'ny lehibeny mba hahazoana toerana tsaratsara ao amin'ny toeram-piasana), misy ny manararaom-pahefana mba hahazoana izay irina amin'ny hafa. Misy ny milona amin'ny fanompoan-tsampy izay fady indrindra eo anatrehan'Andriamanitra mba hahita fahombiazana malaky na mba hahita fahombiazana. Izany rehetra izany anefa dia tena tsy ankasitrahan'Andriamanitra avokoa satria manosihosy sy mametaveta ny fahamasinany ary mampirehitra ny fahatezerana satria efa nilaza Izy hoe : Aoka ho masina ianareo, satria masina Aho, Jehovah Andriamanitrareo. Levitikosy 19 : 2 ka izay mbola mitoetra amin'ny faharatsiana dia mazava ho azy fa tsy maintsy hiharannny fahatezeran'Andriamanitra ka ratsy no hiafaran'izay satria fahafatesana no tambin'ny ota. Romana 6 : 23a.

Io voka-dratsy izay aterakin'ny zavatra tsy mifanaraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra io no nahatonga Azy mananatra antsika ao amin'ny bokin'ny Ohabolana hoe : aza tezitra raha ambinina amin'ny lalany ny ratsy fanahy. Teneniny izany satria tsy fantantsika amin'ny fomba ahoana no nahazoany n'y zavatra hitantsika eo am-pelatanan' ireny, ary ratsy ny iafaran'izy ireny koa : aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao noho ny amin'ny mpanao ratsy; Ary aza mialona ny mpanao meloka; Fa hojinjana faingana tahaka ny ahitra izy ka halazo tahaka ny ahi-maitso. — Salamo 37 : 1 - 2 io no efa manambara mazava sahady fa tsy misy olona ho afaka amin'ny fitsarana marin'Andriamanitra satria marina mandrakariva ny fitsarany ary tsy mitanila velively Izy satria Andriamanitra tsy mba mandray kolikoly fa izay afafintsika ihany no honjinjaintsika Ary arak'izay ataontsika ihany no hamaliana antsika. Midika izany fa raha ratsy ny ataonao Dia ho ratsy koa n'y valin'izany, ary raha tsara no ataonao Dia ho tsara kosa ny valin'izany.

Koa izao ary, mitoera amin'ny finoana ary matokia an'i Jehovah ary manaova soa ka mandehana amin'ny fahamarinana mandrakariva mba hahafahantsika honina sy hifaly ao Aminy na dia mbola ety ambonin'ny tany aza fa ao anatin'izany fifalinatsika ao amin'ny Jéhovah izany n'a dia mandalo ady sarotra aza no hahazoantsika izay irin'ny fontsika raha mitady Azy marina amin'ny fontsika rehetra tokoa isika.

koa izao ry havako. Ankino amin'ny Jéhovah ny lalanao Ary matokia Azy, manana faharetana fa aza maika hanenjika ny fiainan'ny hafa fa hainy ny manatanteraka izany lalanao izany raha mifanaraka amin'ny sitrapony. Fa katsaho aloha ny fanjakana sy ny fahamarinany fa hanampy ho antsika rehetra izany. Lioka 12 : 31 araka ny voalazan'i Jesosy Kristy taminnny mpianatra izay niatrika Azy.

Ambarako eto anefa fa amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika irery ihany no ahafahantsika mikatsaka izany fanjakan'Andriamanktra Ray izany eo ambany fitarihan'ny Fanahy Masina. Koa raha manameloka antsika ny fontsika nohon'ny fahotana maro izay vitantsika teo anatrehan'Andriamanitra, dia aoka hangataka ny Fanahy Masina isika mba hampiaiky antsika ny fahotantsika eo anatrehan'Andriamanitra ka hahatonga antsika hibebaka ka handray famelan-keloka amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika hahafahantsika manantona an'Andriamanitra indray satria mazava tsara ny tenin'ny Tompo hoe : Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako. — Jaona 14 : 6

Koa raha te hahita soa sy te hahazo valim-bavaka amin'izay iriny fontsika isika dia aoka hanana faharetana ka hitoetra tsara amin'ny finoana sy fahatokiana ary fanantenana an'Andriamanitra aminy alalan'ilay efa tia antsika hatr'izay dia Jesosy Kristy Tompontsika zanak'Andriamanitra velona manan-kery avy any Nazareta irery ihany, Dia hitoetra ao an-tranonao ny fiadanany sy ny fahasoavany... Hoan'Andriamanitra irery ihany ny voninahitra hatramin'ny taloha indrindra, anio ary ho mandrakizay...Amen.

JESOSY KRISTY IRERY IHANY.

Address

Tsiadana
Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Jesosy Kristy irery ihany posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share