Union des Jeunes Patriotes Malagasy - UJPM

Union des Jeunes Patriotes Malagasy - UJPM FIOMBONAN'NY TANORA MALAGASY TIA TANINDRAZANA 🇲🇬

TARATASY MISOKATRA HO AN'NY FILOHAM-PANJAKÀNA, MANOLOANA NY RAHARAHAM-PIRENENA, ARY FANOLORANA SOSON-KEVITRA AMIN'NY FAN...
19/10/2025

TARATASY MISOKATRA HO AN'NY FILOHAM-PANJAKÀNA, MANOLOANA NY RAHARAHAM-PIRENENA, ARY FANOLORANA SOSON-KEVITRA AMIN'NY FANARENANA NY FIRENENA SY NY REPOBLIKA MALAGASY 🙏🇲🇬🇲🇬🇲🇬.

TSY MIJANONA EO AMIN'NY FITAKIANA IANY NY FIKAMBANANA, FA MANDROSO HEVITRA IANY KOA AHAFAHANA MANATANTERAKA NY FANOVAN-DRAFITRA IZAY NOTAKIANA TENY AN-KIANJA ✊✊📢🗣️🇲🇬🇲🇬🇲🇬.




📢📢📢🗣️🗣️🗣️🚨🚨🚨⚠️⚠️⚠️⚠️✊✊🇲🇬🇲🇬🇲🇬🇲🇬Nanomboka ny 25 Septambra 2025 Dia efa nihatrana teny AN-KIANJA, Ary nandray anjàra tamin'...
05/10/2025

📢📢📢🗣️🗣️🗣️🚨🚨🚨⚠️⚠️⚠️⚠️✊✊🇲🇬🇲🇬🇲🇬🇲🇬
Nanomboka ny 25 Septambra 2025 Dia efa nihatrana teny AN-KIANJA, Ary nandray anjàra tamin'ny hetsi-bahoaka notarihin'ny Tanora maro ny Fikambanana Union des Jeunes Patriotes Malagasy - UJPM, noho ny fahatsapàny fa :

1- Tsy zarizary, ary tsy ahafahana manomana hoavy mazava ny rafitra iainana eto Madagasikara, na eo amin'ny sehatry ny Fanabeazana, na ny Fahasalamàna, na koa ny sehatry ny asa, sy ny fandraharahàna ;
2- Potiky ny Kolokoly, fitiavan-tena, sy ny kitrano an-trano ny fahafahan'ny Tanora Malagasy misitraka ireo tombontsoa maro eto amin'ny Firenena ;
3- Tsy misitraka ny Zo fototra maha olona (Jiro, Rano, ...) ny Malagasy maro an'isa ;
4- Mikorosofahana noho ny tsy fahaiza-mitantana ataon'ireo Mpitondra i Madagasikara ;
5- Very tanteraka ny ambopom-pirenena sy ny maha izy azy an'i Madagasikara ;
6- VOAHITSAKITSAKA TANTERAKA NY FAHALALÀHANA MITENY SY MANEHO HEVITRA, ARY MARO IREO HERISETRA, SY FAMORETANA MIANJÀDY AMIN'IREO VAHOAKA, INDRINDRA FA IREO TANORA MIJORO HO AN'NY TANINDRÀZANA.

Ka noho izany, NDEHA TSY HO AVELANTSIKA RAHA TSY AFAKA TANTERAKA I MADAGASIKARA ✊🇲🇬

NDEHA HO TOHIZANA HATRANY NY TOLONA, HANAPOROFOINA FA TSY VAHOAKA VOAZIOGA ISIKA, ARY MÀNANA TANORA AFAKA HANARINA AZY INDRAY I MADAGASIKARA ✊🇲🇬

AN'NY MALAGASY I MADAGASIKARA, ARY REVOLISIONA TENA HANOVA NO ILAIN'NY MALAGASY 📢🗣️⚠️🚨🚨.

RY TANORA, MITSANGÀNA HO AN'NY TANINDRÀZANA !!! ✊🇲🇬🇲🇬







Address

Logement 531 Cité Ampefiloha
Antananarivo
101

Telephone

+261345512125

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Union des Jeunes Patriotes Malagasy - UJPM posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Union des Jeunes Patriotes Malagasy - UJPM:

Share