01/07/2026
🎮 TOURNOIS GAMING & ECHECS – STK CENHOSOA (Sokajin'asa FAFI) 🏁
🌟 Herinandrom-bokatry ny Sokajin'asa FAFI STK – Fiombonana sy Fialamboly masina ao amin'ny Tompo!
Miarahaba antsika tanora sy mpankafy lalao rehetra amin'ny anaran'ny Tompo! Ao anatin'ny fankalazana ny Fotoambokatry ny Sokajin'asa FAFI STK, ny mpikarakara dia faly manasa antsika rehetra hiray hina, hifankahita, ary haneho ny fahaizana amin'ny alalan'ny fifaninanana masina sy feno fitiavana.
Fotoana iray hanehoana fa ny tanora kristianina koa dia mahay mifaly, mifaninana am-pilaminana, ary miara-mientana ho fampandrosoana ny asan'Andriamanitra sy ny Fiangonana!
Indro ny antsipiriany rehetra momba ny hetsika :
📍 Ny Toerana:
Akany Aumônerie Protestante FJKM Cenhosoa
📅 Ny fotoana:
Andro: Sabotsy 11 Jolay 2026
Ora: Manomboka amin'ny 8 ora maraina
🏆 Ireo lalao hifaninana sy ny PAF:
⚽ E-FOOTBALL 2022 (Patché 2026): 7 000 Ar / Pers
🥊 TEKKEN 7: 7 000 Ar / Pers
♟️ ECHEC: 5 000 Ar / Pers
🎁 Loka:
Hisy ny fankasitrahana sy valisoa ho an'ny 3 voalohany isaky ny sokajy!
📝 Fisoratana anarana:
Andao hifanome fotoana, ento ny namanao rehetra mba hiara-hifaly, hifandray tanana, ary hanohana ny Fotoambokatra! Misorata anarana dieny izao amin'ireto laharana ireto:
📞 +261 34 19 154 85
📞 +261 38 12 342 37
"Na mihinana na misotro hianareo, na inona na inona ataonareo, ataovy ho voninahitr'Andriamanitra ny zavatra rehetra." (1 Korintiana 10:31). Miandry anao am-pitiavana ny mpikarakara! ✨