26/06/2025
Fanombohana nahomby ho an’ny CLIC Zara Hasina ao Fihaonana
Fihaonana, 24 jona 2025
Nifandimbiasan’ny hafaliana, fientanentanana ary rehareha ny lanonam-panolorana amin’ny fomba ofisialy ny CLIC Zara Hasina ao Fihaonana, notanterahina ho fankalazana ny volan’ny ankizy. Nentina tamin’ny lohahevitra manan-danja hoe : « Ny ankizy sy ny zony » io hetsika manamarika io.
Maherin’ny 100 ny ankizy nandray anjara mavitrika tamin’ireo fifaninanana maro nokarakaraina nandritra ny tontolo andro : tononkalo, kabary, sary ary dihy. Nanjary sehatra ho an’ny tanora rehetra ireo hanehoany malalaka ny heviny momba ny zony, sady nampiroborobo ny kolontsaina sy ny zava-kanto malagasy.
Nomen-danja manokana ihany koa ny hetsika satria niatrika izany ny Ben’ny Tanàna ao Fihaonana, ireo solontenan’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena toa ny Lehiben’ny CISCO sy ny Lehiben’ny ZAP, ary ireo manam-pahefana ara-panjakana sy ara-miaramila maro avy ao amin’ny Kaominina. Maneho mazava ny maha-zava-dehibe ny tanora, ny kolontsaina ary ny fanabeazana ao anatin’ny paikady fampandrosoana ifotony izany fandraisana anjara matanjaka izany.
Manamarika fidirana amin’ny dingana vaovao ho an’ny tanànan’i Fihaonana ity fanombohana ity, izay ankehitriny dia efa manana CLIC miroborobo, toerana hanomezana fahafahana miditra amin’ny boky, kolontsaina ary nomerika ho an’ny ankizy sy ny tanora. Ity fotodrafitrasa ity dia ho ivon-toerana iray lehibe hanohanana ny fanabeazana ho an’ny rehetra sy ny fampandrosoana ifotony.
Naneho fankasitrahana manokana i Zara Hasina, mpikarakara ny tetikasa, noho ny fahombiazana tamin’ity hetsika ity, ary nankasitraka ireo mpiara-miombon’antoka rehetra izay nahafahana nanatanteraka ity androm-pifaliana ity. Amin’ny alalan’ny CLIC, manamafy ny fanoloran-tenany amin’ny fampandrosoana ny boky, ny famakiana sy ny nomerika eto Madagasikara i Zara Hasina, na dia any amin’ny faritra ambanivohitra mbola tsy misy herinaratra aza, toy an’i Fihaonana.
Fanombohana fotsiny izao, dingana voalohany amin’ny dia lavitra iray : ilay lalana hananganana ho avy mamiratra amin’ny alalan’ny fametrahana ho laharam-pahamehana ny ankizy. Ary efa naneho izany fiomanana izany i Fihaonana.
Zara Hasina - Juin 2025
🌿🌿🌿🌿
Coup d'envoi réussi pour le CLIC Zara Hasina à Fihaonana
Fihaonana, 24 juin 2025 – C’est dans une ambiance festive, empreinte d’émotion et de fierté, que s’est déroulée la cérémonie de lancement officiel du CLIC Zara Hasina à Fihaonana, à l’occasion du mois de l’enfant. Un événement marquant placé sous le thème évocateur : « Les enfants et leurs droits ».
Plus de 100 enfants ont participé activement aux différents concours organisés tout au long de la journée : poésie, kabary, dessin et danse, autant de disciplines artistiques et culturelles qui ont permis aux jeunes de s’exprimer librement sur leurs droits, tout en valorisant la richesse du patrimoine malgache.
La journée a été honorée par la présence du Maire de Fihaonana, ainsi que des représentants du Ministère de l'Éducation Nationale, notamment le Chef CISCO et le Chef ZAP, accompagnés de plusieurs autorités civiles et militaires de la Commune. Cette forte mobilisation institutionnelle témoigne de l’importance accordée à la jeunesse, à la culture et à l’éducation dans la stratégie de développement local.
Ce coup d’envoi symbolique marque une nouvelle ère pour Fihaonana, désormais dotée d’un CLIC dynamique, espace d’accès à la lecture, à la culture et au numérique pour les enfants et les jeunes. La structure jouera un rôle clé dans la promotion de l’éducation inclusive et du développement communautaire.
Zara Hasina, porteur du projet, se félicite du succès de cet événement et salue l’engagement de tous les partenaires qui ont rendu cette journée possible. À travers le CLIC, l’organisation réaffirme son engagement pour le développement du livre, de la lecture et du numérique à Madagascar, même dans les zones rurales non électrifiées comme Fihaonana.
Ce lancement est le premier pas d’un long voyage, celui d’un territoire qui choisit de miser sur ses enfants pour construire l’avenir. Et Fihaonana a su répondre présent.
Zara Hasina -Juin 2025
www.zarah.mg
Hanta Nirina Raonison Maherison Tojo Ralaiaritrimo