PPC Madagascar

PPC Madagascar Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from PPC Madagascar, Antananarivo.

Mirary fetin'ny Ray sambatra ho an'ny ray rehetra!Anio dia andro manokana hankalazana anareo ray, izay mijoro ho andry i...
21/06/2026

Mirary fetin'ny Ray sambatra ho an'ny ray rehetra!
Anio dia andro manokana hankalazana anareo ray, izay mijoro ho andry iankinan'ny fianakaviana, mpanabe, mpiaro ary mpitari-dalana. Mankasitraka ny fitiavana, ny fahafoizan-tena ary ny ezaka ataonareo isan'andro izahay.
"Ny marina mandeha amin'ny fahitsiana; sambatra ny zanany mandimby azy." — Ohabolana 20:7
Enga anie Andriamanitra hitahy sy hanome hery anareo hatrany amin'ny andraikitra masina iantsorohanareo. Ho feno fahasalamana, fahendrena ary fiadanana anie ny fiainanareo sy ny ankohonanareo.
Mirary Fetin'ny Ray sambatra! 🙏❤️👔
Miarahaba manokana ireto akipan'ny PPC Madagascar ireo 😘😘
miarahaba manokana ihany anao Ray fans

LASONA 03: Ny TANYIalana tsiny ny tsy nahateo elaela🌍 Ny Tany: Ny Fototry ny Fambolena sy ny Tontolo IainanaMba hahazoan...
16/06/2026

LASONA 03: Ny TANY
Ialana tsiny ny tsy nahateo elaela

🌍 Ny Tany: Ny Fototry ny Fambolena sy ny Tontolo Iainana
Mba hahazoana vokatra tsara sy hiarovana ny tontolo iainana, dia misy antony maromaro tokony ho fantatra mikasika ny firafitry ny tany (structure sy composition). Ireto ny antsipiriany sy ny zavatra tsara ho fantatra indrindra:
1. Ireo Singa Mandrafitra ny Tany (Composition) 🧪
Ny tany lonaka sy tsara dia matetika ahitana ireto singa efatra ireto:
🪨 Singa mineraly: Avy amin'ny vato potika rehefa nandeha ny fotoana (fasika, vovon-tany na limon, ary tanimanga).
🍂 Zavatra maty sy lo (Matière organique): Avy amin'ny ravinkazo, faka, sisan-javamaniry, na taina biby lo. Io no loharanon'ny humus izay manome hery sy tena mamelona ny tany.
💧 Rano: Mitondra fahavelomana sy ny manaparitaka ireo sakafo (nutriments) ho any amin'ny fakan-javamaniry.
💨 Rivotra: Ilain'ny fakan-javamaniry sy ireo biby kely miaina ao anaty tany (kankana, bakteria) mba hifohana rivotra sy ampitsikerakeraka ny tany.

2. Ny Firafitry ny Tany (Texture)
Ireo singa mandrafitra ny tany dia tanimanga, fasika, ary dilatra. Ireo singa ireo dia atambatry ny dinty antsoina hoe humus (dinty avy amin’ny fahaloavan’ireo singa organika tonga eo aminy). Ny fitambarana humus maromaro no manome baingatany iray.
Miankina amin'ny habetsahan'ny fasika, vovon-tany (limon na dilatra), ary tanimanga ny karazan'ny tany. Mizara telo lehibe izany:
🏖️ Tany fasehana (Sol sableux): Tany maivana, mora miasa, ary mora entin’ ny rano haingana. Tsy mitazona rano sy zezika tsara izy, ka mila fikarakarana be mihintsy raha toa ka te amboly aminy.
🌾 Tany be dilatra (Sol limoneux): Tany malemy sy lonaka, saingy mora mivongana sy manjary mafy rehefa iharan'ny masoandro sy ny ranon'orana be (miforona ilay antsoina hoe croûte de battance).
🧱 Tanimanga (Sol argileux): Tany mavesatra, mitazona rano sy zezika tsara, saingy mafy be rehefa maina ary madity rehefa lena. Sarotra asaina raha tsy amin'ny fotoana maha-mando azy ihany.

💡 Ny tany tsara indrindra: Dia ny tany ahitana fifandanjana tsara eo amin'ireo singa telo ireo, miaraka amin'ny singa organika (matière organique) ampy tsara. Ny tany mbola manana firafitra voajanahary dia tsy mifatratra noho ny fisian’ireo faka velona sy maty ao anatiny. Ireo faka maty ireo dia lo ka lasa lalandrano sy lalandrivotra mampitsiratsiraka ny tany.

3. Inona ny Tombony Amin'ny Fahafantarana Izany? 🎯
Raha mbola amin’ny firafitra voajanahary ny tany (izany hoe tsy nasaina), dia ahitana ireo singa telo (dilatra, fasika, tanimanga) izay fonosiny humus. Io tany io dia:
📈 Manana taha fitsihifan’ny rano ambony.
💨 Ahitana lalandrivotra ilaina hamelomana ny faka sy ireo bibikely mpandevona akora organika.
🏪 Ny fisian’ny humus sy ny tanimanga dia miasa toy ny "vavony" mandevona sy mitahiry ireo sakafo ilain’ny fambolena (tahaka ny Azote, Potassium, Phosphore).
4. Ny Zavatra Tsara ho Fantatra Indrindra 🌟
🧪 Ny momba ny pH-n'ny tany (Asidra, Basika, na Neutre): Ny ankamaroan’ny tany eto Madagasikara dia manana pH asidra. Ny tany asidra loatra dia manakana ny zava-maniry tsy handray tsara ny zezika. Azo amboarina izany amin'ny alalan'ny fanampiana lavenona na chaux agricole (na dolomie).
🪱 Ny fiainana ao anaty tany (Biodiversité): Ny kankana, ny holatra (champignons), ary ny bakteria ao amin'ny tany dia tena mpiara-miasa amin'ny mpamboly. Izy ireo no manodina ny zezika ho lasa sakafo fihinan'ny zava-maniry sy manasavaka ny tany mba hidiran'ny rivotra.
🛡️ Ny fiarovana ny tany (Conservation du sol): Mba tsy ho simba ny firafitry ny tany, tsara ny misoroka ny fahasimbana amin'ny alalan'ny:
❌ Tsy fanaovana doro tanety.
🌱 Fampiasana rakotra (paillage): Mba hiarovana ny tany amin'ny hainandro sy ny riaka mitondra ny tany lonaka.
🚜 Tsy fiasana tany (non-labourage na fambolena manaja ny sosona): Mba tsy hanakorontanana ny tranon'ireo biby kely mahasoa ao anaty tany.

11/06/2026

Tanisao anaty commentaires ireo fitsipika 04 ahazoana tombony araka ny technique Pfumvudza
⬇️⬇️⬇️⬇️

TANTERAKA SOAMANTSARA NY FIOFANANA TEKNIKA PFUMVUDZA! 🌱📅 09 – 11 JionaNifarana soa aman-tsara ny fiofanana momba ny tekn...
11/06/2026

TANTERAKA SOAMANTSARA NY FIOFANANA TEKNIKA PFUMVUDZA! 🌱
📅 09 – 11 Jiona
Nifarana soa aman-tsara ny fiofanana momba ny teknika Pfumvudza, izay nahafahan'ireo mpandray anjara nahazo fahalalana sy fahaiza-manao vaovao ho fanatsarana ny fambolena sy ny fari-piainana.
🙏 Fisaorana lehibe no atolotra ireo rehetra nandray anjara:
✅ Mpamboly sy olontsotra
✅ Techniciens Agricoles
✅ Solontena avy amin'ny Association des Étudiants Faritra Vatovavy Fitovinany
✅ Solontena avy amin'ny Fiangonana AFF
✅ Solontena avy amin'ireo fikambanana sy fiangonana samihafa
👏 Misaotra manokana ny MIABO tamin'ny fanohanana sy ny fiaraha-miasa nahafahana nanatanteraka ity fiofanana ity.
👨‍🏫 Mpanofana :
🔹 Mamy Razanakolona
🔹 Satija Jimmy
Nandritra ireo telo andro ireo dia maro ny fahalalana sy teknika vaovao nozaraina. Naneho fahafaham-po ireo mpandray anjara ary samy nahatsapa fa nahazo fitaovana sy fahaiza-manao vaovao azo ampiharina avy hatrany eny an-tsaha.
🌱 Ny fiofanana dia tsy fiafarana fa fiandohan'ny fanovana. Ny fahalalana ampiharina no mitondra vokatra sy fanatsarana ny fiainana.
"Mianatra sy Mampihatra amin'ny Fomba sy Toetra Vaovao."
🌾🌿

RAHA MAHOMBY ATY RWANDA?  NAHOANA NO TSY METY ETO AMINTSIKA? 🌾🇷🇼Mahavelombolo sy manome fanantenana lehibe ny zava-misy ...
11/06/2026

RAHA MAHOMBY ATY RWANDA? NAHOANA NO TSY METY ETO AMINTSIKA? 🌾🇷🇼
Mahavelombolo sy manome fanantenana lehibe ny zava-misy aty Rwanda ankehitriny!

Tokatrano maherin'ny 80 000 eo no efa mampihatra ny tetikasa FfF (Foundations for Farming) amin'ny alalan'ny teknika Pfumvudza. Vokatr'izany, olona manodidina ny 400 000 no efa miaina sy mizotra tanteraka mankany amin'ny FAHALEOVANTENA ARA-TSAKAFO! 🍲✨

Ny Pfumvudza dia tsy teknika fotsiny, fa vahaolana mivaingana manatsara ny fari-piainan'ny tantsaha:
🌱 Tsy mila velaran-tany midadasika nefa mampitombo avo 2 heny ny vokatra.
💧 Miaro ny hamandoana sy ny fahasalaman'ny tany
💰 Mampihena ny fandaniana satria miankina amin'ny zezika natoraly.

🤔 Nahoana no tsy hiezahana koa isika?
Raha jerena ny sary sy ny zava-misy, mitovitovy tsy misy valaka ny toe-tany sy ny fomba fiainan'ny tantsaha any Rwanda sy ny eto amintsika. Raha natosiky' y hery sy ny finiavana no nahatontosana izany tany 🇷🇼, nahoana no tsy ho vitantsika eto 🇲🇬?

Manana ny tany isika, manana ny olona isika, ary manana ny fahaiza-manao! 💪

📢 AKORY NY FANANTENANAY NAHITA MASO, NDEHA ISALAHY ISIKA RY MALAGASY NAMAKO! 🤝
Tena fambara tsara ho an'ny firenena iray ny fahitana tokatrano maro miaina ao anatin'ny fahaleovantena ara-tsakafo. Rehefa manomboka ny maro, dia tsy ho ela dia ny vahoaka manontolo no hiala amin'ny fahasahiranana!

Omeo hery ny tantsaha, aparitaho ny teknika, ary sahia manova fomba fiasa! 🚀.
Fijoroana vavolombelona tianay ho zaraian aminareo izao dia anay izao. Ary ialana tsiny ny tsy nitoizan'ny lasontsika noho izay fotoana tsy naha teto izay.

La semaine dernière, s'est tenue avec succès au Rwanda une rencontre d'échange d'expériences entre le Rwanda et Madagasc...
08/06/2026

La semaine dernière, s'est tenue avec succès au Rwanda une rencontre d'échange d'expériences entre le Rwanda et Madagascar, en tant que pays appliquant tous deux la FfF. C'est ainsi avec une immense joie qu'ils ont invité des représentants de PPC Madagascar. Les échanges ont été particulièrement encourageants, ravivant notre espoir que la mise en œuvre de la FfF constitue une voie essentielle vers notre souveraineté alimentaire. »
Foundations for Farming International

fans

🌱 VONONA 234 WAOW : Miroso hatrany amin’ny fahombiazana! 🌱Nahatanteraka fiofanana indray ny PPC Madagascar tamin’ity her...
06/06/2026

🌱 VONONA 234 WAOW : Miroso hatrany amin’ny fahombiazana! 🌱

Nahatanteraka fiofanana indray ny PPC Madagascar tamin’ity herinandro voalohany amin’ny volana Jiona ity.
🎓 30 ireo mpandray anjara tonga nanaraka ny fiofanana, izay mitondra ny anaran’ny promotion "VONONA 234 WAOW".
📚 Lohahevitra niofanana :
✅ Technique Pfumvudza
✅ Money Map
🌾 Nampiofanina momba ny Pfumvudza, teknika fambolena maharitra izay tsy mifototra amin’ny fangadiana be ny tany, nefa manampy amin’ny fahazoana vokatra tsara kokoa sy fiarovana ny firafitry ny tany.
💰 Nianatra ihany koa ny Money Map, fitaovana manampy amin’ny fandrindrana ny vola sy ny fanomanana ny hoavy ara-bola.
👏 Miarahaba sy mankasitraka ireo mpiofana rehetra ao amin’ny promotion VONONA 234 WAOW noho ny fahavononany hianatra sy hampihatra ireo fahalalana vaovao ho fampandrosoana ny tenany, ny fianakaviany ary ny fiarahamonina.
✨ Ny fahalalana ampiharina no mitondra fiovana.
✨ Vonona hianatra, vonona hampihatra, vonona handroso!
PPC Madagascar
🌱🇲🇬

05/06/2026

Urgent : mbola misy place 30 disponible mandefa message 0380810183 anio misy no farany fisoratana anarana.

FORMATION EXCEPTIONNELLE & GRATUITE : TECHNIQUE PFUMVUDZA 🌾Vous souhaitez augmenter vos rendements agricoles et maîtrise...
01/06/2026

FORMATION EXCEPTIONNELLE & GRATUITE : TECHNIQUE PFUMVUDZA 🌾
Vous souhaitez augmenter vos rendements agricoles et maîtriser l'agriculture de conservation ? C'est le moment de vous lancer !

Participez à 03 JOURS de formation intensive pour découvrir et appliquer la méthode révolutionnaire Pfumvudza. Une opportunité unique pour transformer vos techniques de culture et sécuriser vos récoltes.

📅 INFOS PRATIQUES
📅 Dates : Du mardi 09 au jeudi 11 juin 2026

🕒 Horaires : De 07h30 à 15h00

📍 Lieu : Ambatobe

💰 Frais de participation : 100% GRATUIT !

🚨 ATTENTION : PLACES STRICTEMENT LIMITÉES !
⚠️ IMPORTANT : Pour garantir la qualité de l'apprentissage et un suivi optimal de chaque participant, LES PLACES SONT LIMITÉES À 50 PERSONNES UNIQUEMENT !

Les premiers inscrits seront les premiers servis. Dès que le quota de 50 participants est atteint, les inscriptions seront closes.

📲 COMMENT S'INSCRIRE ?
Réservez votre place dès maintenant en envoyant un message ou en appelant le :

📞 Téléphone : 038 08 101 83

🚀 Ensemble, cultivons l'avenir de notre agriculture. Partagez l'information autour de vous !

FENO NY TOERANA!Misaotra antsika rehetra naneho fahalianana amin'ny Fiofanana Pfumvudza ho avy izao. Ampahafantarina ant...
29/05/2026

FENO NY TOERANA!

Misaotra antsika rehetra naneho fahalianana amin'ny Fiofanana Pfumvudza ho avy izao. Ampahafantarina antsika fa efa feno tanteraka ny toerana misy ankehitriny, ka akatona ny fisoratana anarana.
Ho antsika nandefa anarana efa voaray avokoa , ka mampiofana antsika hainga manarina any antrano fa bacc Français amin'ny herinandro ka ho sarotra ny bus
Miditra amin'ny 7:30 maraina isika mirava 15h hariva .

Ho an'ireo tara sy mbola liana, aza malahelo fa mbola hisy ny andiany manaraka! Araho hatrany ny pejy hahazoanao ny vaovao farany
Volana Jolay indray raha sitrapony🥰😍

Address

Antananarivo

Opening Hours

Monday 08:00 - 16:00
Tuesday 08:00 - 16:00
Wednesday 08:00 - 16:00
Thursday 08:00 - 16:00
Friday 08:00 - 16:00

Telephone

+261380810183

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when PPC Madagascar posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to PPC Madagascar:

Share