PPC Madagascar

Call Website Contact the organization

PPC Madagascar Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from PPC Madagascar, Antananarivo.

🎉🎂 HAPPY BIRTHDAY, CRAIG! 🎂🎉The PPC Madagascar Team warmly wishes you a very happy birthday!May God bless you abundantly...
25/09/2026

🎉🎂 HAPPY BIRTHDAY, CRAIG! 🎂🎉
The PPC Madagascar Team warmly wishes you a very happy birthday!
May God bless you abundantly, grant you good health, wisdom, success, and prosperity. May Jesus Christ continue to guide you, strengthen you, and bless your life and your work.
🙏 “The Lord bless you and keep you.” — Numbers 6:24
From the entire PPC Madagascar Team, we wish you a blessed and joyful birthday, Craig! 🎉🙏
Happy Birthday! 🎂🎊
🇲🇬 PPC Madagascar Team

Wishing our Foundations for Farming International CEO, Craig Deall a blessed and happy birthday today 🙌💚.

Tontosa soa amantsara ny fanombohana ny fampiofanana eto amin'ny Fokontany Marotandrano, Kaominina Mandritsara! Région S...
24/09/2026

Tontosa soa amantsara ny fanombohana ny fampiofanana eto amin'ny Fokontany Marotandrano, Kaominina Mandritsara! Région SOFIA 🌾🌱
​Ravoravo sy faly izahay ao amin’ny PPC Madagascar mampita sy mizara ny teknika Pfumvudza amin’ireo tantsaha ety ifotony. 🤝✨
​Mankasitraka sy feno fankasitrahana ny fikambanana PDF ary ireo Fiangonana aty an-toerana tamin'ny fiaraha-miasa akaiky, izay nahafahana nitondra izao fanampiana ho an'ny tantsaha malagasy izao. Ny tanjona dia ny hanatsarana sy fampitomboana ny voka-pambolena, mba hampandrosoana ny fiveloman'ireo tantsaha Malagasy namana. ??💚
​
fans

NANOMBOKA ANIO NY FIOFANANA TEKNIKA PFUMVUDZA TETO ANIVORANO NORD – DIEGO ! 🇲🇬🌱Nanomboka androany tao amin’ny CEG Anivor...
16/09/2026

NANOMBOKA ANIO NY FIOFANANA TEKNIKA PFUMVUDZA TETO ANIVORANO NORD – DIEGO ! 🇲🇬🌱
Nanomboka androany tao amin’ny CEG Anivorano Nord ny fiofanana teknika momba ny Pfumvudza sy Money Map, izay karakarain’ny ONG PpC Madagascar, niarahana tamin’ny Association 3FN tarihin'i Mr Henry Ratsimbazafy izay nikarakara sy nanomana ireo fitaovana ilaina amin’ny fanatanterahana ny fiofanana.
👨‍🏫 Mamy Razanakolona sy Nahalia, mpampiofana avy amin’ny ONG PpC Madagascar, no mizara ny fahalalana sy ny teknika amin’ireo mpiofana.
🌾 Zava-baovao tanteraka ho an’ireo mpiofana maro ny teknika Pfumvudza sy Money Map. Hita sahady anefa ny fahalianana sy ny fahavononana hampihatra ireo teknika vaovao.
🌱 Eto Anivorano, izay mbola manana tany midadasika sy manana fahafaha-mamokatra, dia antenaina fa hanampy ireo tantsaha hanatsara ny fomba fambolena sy hahazo vokatra tsara kokoa ny fampiharana araka ny tokony ho izy ireo teknika ianarana.
🙏 Velom-pisaorana ny ONG PpC Madagascar izay manolotra maimaim-poana ity fiofanana ity ho an’ireo mpiofana.
🤝 Misaotra ihany koa ny Association 3FN tamin’ny fiaraha-miasa sy ny fanomanana ireo fitaovana ilaina.
📍 CEG Anivorano Nord – Diego
📅 Fiofanana mitohy hatramin’ny zoma.
🙏 Misaotra an’Andriamanitra noho ny fahafahana manatanteraka izao fiofanana izao. Enga anie hitondra vokatra sy fiovana tsara ho an’ny tantsaha ny fahalalana azo.
🌾 Pfumvudza : teknika, faharetana ary vokatra.
🇲🇬 Fambolena mamokatra ho an’ny hoavin’ny tantsaha.

🙏🙏Ny fifalianay mpampianatra lehibe indrindra dia ny mahita ireo mpihofana mampihatra tokoa ny fahaizana azony! 🌾✨Ireo f...
15/09/2026

🙏🙏Ny fifalianay mpampianatra lehibe indrindra dia ny mahita ireo mpihofana mampihatra tokoa ny fahaizana azony! 🌾✨

Ireo fijoroana vavolombelona mahafinaritra avy amin’izy ireo no porofo mivaingana fa tsy maty antoka mihitsy izay nihofana. Azo atao tsara ary mitondra vokatra be eto amintsika ny teknika Pfumvudza, na ho an’ireo manana velaran-tany lehibe 🚜 na ho an’ireo mikarakara velaran-tany kelikely! 🌱

Teto izao, misy ray amandreny nihofana vao tsy ela akory,tao Moramanga. Resy lahatra tanteraka amin’ny fiovana hitany sahady ny tao amin'ny saha iay nanaovany fambolena hatrizay 🌽👏

Mirary soa sy fahombiazana lehibe ho anareo rehetra ao Moramanga! 💚 Mamporisika anareo hatrany izahay mba hanohy ny ezaka sy ho fanoitra ho an’ny fampandrosoana! 🇲🇬💪💚

fans

ANIVORANO NORD – DIEGOEfa tonga eto Anivorano Nord, Diego ny ekipan’ny PPC Madagascar! 🇲🇬🌱📅 16 – 18 Septembre 2026📍 CEG ...
14/09/2026

ANIVORANO NORD – DIEGO
Efa tonga eto Anivorano Nord, Diego ny ekipan’ny PPC Madagascar! 🇲🇬🌱
📅 16 – 18 Septembre 2026
📍 CEG Anivorano Nord
Hisokatra mandritra ireo 3 andro ireo ny formation PPC/Pfumvudza, miaraka amin’ny fampianarana sy fampiharana mivantana momba ny fambolena maharitra. 🌱🌽🥜
🎯 Tanjona: hampitombo ny vokatra, hampihenana ny fandaniana ary hanampy ny tantsaha hanana fambolena mahomby sy maharitra.
PPC Madagascar – Manao zavatra araka ny fenitra, amin’ny fotoana, tsy mandanilany foana ary amin’ny fifaliana! 🌱💪🇲🇬

Ny tiana tokoa tsy lahalavi-tany! 🏍️💨🤗​Na dia aty am-bohitra lavitra aty aza no misy anareo tantsaha, raha vao vonona ha...
10/09/2026

Ny tiana tokoa tsy lahalavi-tany! 🏍️💨🤗
​Na dia aty am-bohitra lavitra aty aza no misy anareo tantsaha, raha vao vonona handray ny Pfumvudza ianareo dia tonga hatrany izahay PPC Madagascar! 💪🌾
​Lalana adin'ny roa amin'ny moto, miala eo Fanjakamandroso no makany Amparihivato... Tsy misy sakana mihitsy rehefa ny fampandrosoana ny tantsaha no tanjona! 🛣️🔥 Teto amin'ny FJKM Amparihivato indray no nanatontosana ny fihofanana tamin'ity kosa.
​✨ Ny vokany?
​Tantsaha tena liana sy velom-panantenana! 🌟
​Fahaiza-manao vaovao hanatsarana sy hampitomboana ny vokatra! 🌾📈
​Amby ampy rehetra: Nampitambarana tamin'ny Éducation Financière (Fitantananam-bola) mba ho tombony lehibe ho an'ny rehetra! 💰🧠
​Aza miandry ela intsony! Ndao hiditra amin'ny fampandrosoana vaovao! 🚀🌱
​👉 Aza tara fa ndao hiaraka hiasa amin'ny PPC ! 🤝✨

📢 FILAZANA – FIOFANANA PFUMVUDZA 🌱Maniry hisitraka fiofanana PFUMVUDZA ve ianao na ny fikambanana misy anao? 👩‍🌾👨‍🌾👉 Rah...
09/09/2026

📢 FILAZANA – FIOFANANA PFUMVUDZA 🌱

Maniry hisitraka fiofanana PFUMVUDZA ve ianao na ny fikambanana misy anao? 👩‍🌾👨‍🌾

👉 Raha feno 50 ireo olona vonona hiofana, dia azo karakaraina eto Antananarivo ny fiofanana.

👉 Ho an’ireo Association na Fiangonana izay manana olona 50 farafahakeliny vonona hiofana, ary afaka manomana ny toerana, fitaovana ary ireo zavatra ilaina mandritra ny fiofanana, dia afaka miara-mikarakara sy mandamina ny fiofanana miaraka aminay.

🌱 Tanjona: Hanamafy ny fahaiza-manao amin’ny fambolena sy hampiroborobo ny famokarana maharitra.

📲 Raha liana na vonona hiofana ianao, mifandraisa aminay avy hatrany amin’ireto laharana ireto :

☎️ 038 08 101 83
📱 038 73 103 29 – WhatsApp

📌 Aza miandry ela! Raha misy vondrona 50 olona vonona hiofana, dia mifandraisa aminay dieny izao mba handaminana ny fiofanana.

🙏 Misaotra betsaka amin’ny fahalianana sy ny fiaraha-miasa.

🌾 PFUMVUDZA – Mianatra • Mamboly • Mamokatra • Mandresy 🌱

PFUMVUDZA 🌱Efa Septambra izao. Fotoana izao hifantohana amin’ny FIOMANANA, satria ny tanjontsika dia ny hanomboka ny fam...
09/09/2026

PFUMVUDZA 🌱
Efa Septambra izao. Fotoana izao hifantohana amin’ny FIOMANANA, satria ny tanjontsika dia ny hanomboka ny fambolena amin’ny volana NOVAMBRA 2026. 🌧️🌱
Tsy miandry ny orana vao manomboka miomana isika!
✅ Fanomanana ny tanimboly
✅ Fandrefesana sy fandaminana ny parcelle
✅ Fanomanana ny lavaka na soritra
✅ Fanangonana sy fametrahana rakotra
✅ Fanomanana compost sy zezika organika
✅ Fifantenana sy fanomanana masomboly
✅ Andrana ireo Fitaovana ampiasaina sy famerenana ireo fiofanana natao
✅ Fandaminana ny asa sy ny fitaovana
🎯 Tanjona: rehefa tonga ny fotoam-pambolena dia EFA VONONA ISIKA.
SEPTAMBRA = MIOMANA
OKTOBRA = MAMITA NY FANOMANANA
NOVAMBRA = MAMBOLY 🌱
💪 Andao isika hiezaka, hiara-hiasa ary hanatratra ny tanjona!
“Aza miandry ny fotoam-pambolena vao miomana. Ny vokatra tsara dia manomboka amin’ny fiomanana tsara.”
🌱 PFUMVUDZA – Mamboly am-pahendrena, mamokatra bebe kokoa.

👍Marina loatra izany! :Ny fanaovana ny asa amin'ny fotoana mety no antoky ny vokatra tsara sy manaraka ny teknika rafitr...
02/09/2026

👍Marina loatra izany! :Ny fanaovana ny asa amin'ny fotoana mety no antoky ny vokatra tsara sy manaraka ny teknika rafitra. Na dia mbola miandry ny ranonorana amin'ny fomba ofisialy aza ny eto Antananarivo sy ny manodidina (Analamanga/Ampovoantany), dia izao indrindra no fotoana volamena hiomanana mba tsy ho tara eo am-pahatongavan'ny orana voalohany.

Jereo ireto asa mirindra sy mitohy tokony hatao dieny izao hahatsara ny taonam-pambolena 2026-2027:

🌱 Ireo Asa Mirindra sy Stratejika ho an'ny Taonam-pambolena ho avy io:

📐 Fandrefesana sy Famaritana ny Tany (Piquetage)

Fandrefesana marina ny elanelan'ny zavamaniry sy fametrahana ny tsatoka handrindrana ny tanimboly.

🕳️ Fandavahana ho an'ny voly katsaka (Trous de plantation)

🍃 Fanomanana sy Fampidirana Zezika sy ny lavenina.

🌾 Fantenana sy Fikarakarana ny Masomboly Masaka

Fifantenana ireo masomboly tsara kalitao sy fikarakarana azy mba ho vonona sy hanana taham-pitsimhana ambony.

🌧️ ho avy tsy hoe ela io orana io fa izay tsara fiomanana ihany no tsy tampohanan'ny surprise😂

FIANARANA PFUMVUDZA – ASSOCIATION TSINJO AINA 🌱Faly izahay mizara aminareo fa ny Association Tsinjo Aina, fikambanana ir...
27/08/2026

FIANARANA PFUMVUDZA – ASSOCIATION TSINJO AINA 🌱
Faly izahay mizara aminareo fa ny Association Tsinjo Aina, fikambanana iray ao amin’ny EKAR, indray no nisitraka ny fiofanana momba ny teknika fambolena Pfumvudza tetsy Soamandrakizay, ny 24 hatramin’ny 27 Aogositra.
👩‍🌾 Animateurs paysans 21 sy tantsaha maro no nandray anjara tamin’ity fiofanana ity.
Nifantoka tamin’ny: 🌱 Teknika fambolena Pfumvudza 💰 Éducation financière – Money Map 🤝 Fifampizarana traikefa sy fahalalana
Nisy ihany koa ny fitsidihana sy fampiharana teny an-toerana, tao amin’ny toerana fanaovana pratique teny Arivonimamo. Tena nanampy ireo mpiofana izany satria nahafahan’izy ireo nahita sy niaina mivantana fa tsy voatery avadika na asaina ny tany vao afaka mamokatra. 🌾
🙏 Fiderana, fifampizarana, vavaka ary fifaliana no nameno ireo andro niarahana.
Maro tamin’ireo mpiofana no avy lavitra, anisan’izany ireo avy any Anjozorobe, Antanetibe Anativola, Ankazondandy ary ireo toerana maro hafa. ❤️
🌿 Maniry hiofana Pfumvudza ve ianao?
📅 Manomboka ny Alatsinainy izao ny fiofanana eny Ambohimalaza.
📅 15 - 16 - 17 Septambra kosa eny Manazary Ilafy.
🎓 GRATUIT HATRANY!
📞 Fisoratana anarana : 038 08 101 83
👉 Aza misalasala misoratra anarana ary andao hianatra teknika vaovao hahafahana mamokatra bebe kokoa, mitsitsy ary mikajy ny tany. 🌱💚

Address

Antananarivo

Opening Hours

Monday 08:00 - 16:00
Tuesday 08:00 - 16:00
Wednesday 08:00 - 16:00
Thursday 08:00 - 16:00
Friday 08:00 - 16:00

Telephone

+261380810183

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when PPC Madagascar posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to PPC Madagascar:

Shortcuts

Share