INDRI - Réussir le changement à Madagascar

INDRI - Réussir le changement à Madagascar Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from INDRI - Réussir le changement à Madagascar, Nonprofit Organization, Villa Mon Rêve, Cité Planton, Ambaranjana, Antananarivo.

Initiative pour le Développement, la Restauration écologique et l’Innovation : centre d’expertise, d’intelligence collective et de plaidoyer pour un avenir viable à Madagascar

🐢 Fa maninona ny sokatra malagasy no isan’ny biby tandindomin-doza indrindra eran-tany ?👉 En français 🇫🇷 : https://www.f...
17/04/2026

🐢 Fa maninona ny sokatra malagasy no isan’ny biby tandindomin-doza indrindra eran-tany ?

👉 En français 🇫🇷 : https://www.facebook.com/share/p/1CdnSwpi9F/

Mihevitra ve ianao fa tsy misy ilàna azy ny sokatra ?

Mifanohitra amin’izany no tena izy ! Manana anjara toerana lehibe eo amin’ny tontolo iainana izy ireo : fanaparitahana voa, fanarenana ny ala… ary fandraisana anjara amin’ny fizahantany ara-tontolo iainana.

Madagasikara dia ahitana karazany tsy fahita maneran-tany, toy ny Sokake (tortue radiée), sokatra Angonoka (tortue à soc), sokatra Kapidolo (tortue à queue platte) sy ny Sokabato (tortue araignée).

Tsy misy any an-kafa ireo ! Ankehitriny anefa dia voasokajy ho “tandindomin-doza mafy ho lany tamingana” izy ireo, araka ny IUCN, ary ahiana tsy hisy eny amin’ny tontolo voajanahary intony ato anatin’ny 20 taona ho avy, raha tsy misy fepetra raisina haingana.

👉 Fa inona no mahatonga izany ? Tsindry maro avy amin’ny olombelona :

❎ Varotra sy fanondranana tsy ara-dalàna : maherin’ny 32 000 isa ireo sokatra efa nogiazana nanomboka tamin’ny 2018. Teny amin’ny seranam-piaramanidin’Ivato dia nisy ireo hita tao anaty valizy, kasaina halefa any Azia, hohanina na hotehirizina ho biby velona, na dia voararan’ny fifanarahana iraisam-pirenena (CITES) aza izany.

❎ Fahapotehan’ny fonenany : tena simba ny ala maina any atsimo (Androy, Atsimo-Andrefana) noho ny doro tanety, ny tavy ary ny fitrandrahana hazo. Ireo zavaboahary ireo anefa no iankinan’ny fiainan'ny sokatra any anaty tontolo voajanahary.

❎ Fahantrana sy fivelomana : any amin’ny faritra sasany, ny tsindry ara-toekarena dia manosika ny olona haka sokatra amin’ny fomba tsy ara-dàlana any anaty natiora, hamatsiana ireo tambajotran’ny varotra tsy ara-dalàna na ho sakafo (hena na atody), na dia eo aza ny lalàna sy ny Dina.

⚠️ Raha te hahatratra ny fanamby ho amin’ny fampandrosoana maitso sy mampiaty eto Madagasikara isika, dia mila miaro ny sokatra sy mitahiry ny fifandanjana misy eo amin’ny tontolo iainana.

Miaraka amin’ny TSA Madagasikara, izay mpiara-miombon’antoka aminay, izahay dia manamafy ny fanentanana sy ny hetsika ho fiarovana ireo karazana zava-manan’aina tandindomin-doza.

INDRI – Initiative pour le Développement, la Restauration écologique et l’Innovation
Ivontoeram-pahaiza-manao sy fiaraha-misaina ary adisisika eto Madagasikara 🌱

🐢 Pourquoi les tortues malgaches sont parmi les plus menacées au monde ?👉 Amin'ny teny malagasy 🇲🇬: https://www.facebook...
17/04/2026

🐢 Pourquoi les tortues malgaches sont parmi les plus menacées au monde ?

👉 Amin'ny teny malagasy 🇲🇬: https://www.facebook.com/share/p/17uKbspTJR/

Vous pensez que les tortues ne servent à rien ?

Au contraire ! Elles jouent un rôle essentiel dans les écosystèmes : dispersion des graines, régénération des forêts… et contribution à l’écotourisme.

Madagascar abrite des espèces uniques au monde, comme la tortue radiée (Sokake), la tortue à soc (Angonoka), la tortue à queue platte (Kapidolo) ou encore la tortue araignée (Sokabato).

Elles n'existent NULLE PART ailleurs ! Aujourd’hui, elles sont classées "danger critique d'extinction" par l'UICN, elles pourraient disparaître en 20 ans à l’état sauvage sans action urgente.

👉 Pourquoi cette situation ? Plusieurs pressions d’origine humaine :

❎ Trafic illégal international et commercialisation : plus de 32 000 tortues saisies depuis 2018. À l’aéroport d’Ivato, certaines sont retrouvées dans des valises, destinées à l’exportation vers l’Asie, pour la consommation ou la détention d’animaux vivants, malgré la Convention sur le commerce international des espèces menacées (CITES).

❎ Destruction de leur habitat : les forêts sèches du sud (Androy, Atsimo Andrefana) sont fortement dégradées par les feux, le tavy et l’exploitation du bois. Or, ces tortues dépendent directement de ces écosystèmes pour survivre à l’état sauvage.

❎ ⁠⁠Pauvreté et survie : dans certaines zones, la pression économique favorise le prélèvement illégal des tortues dans la nature pour l’alimentation des réseaux de trafic, à la consommation des tortues (viande ou œufs), malgré les lois nationales et les règles communautaires comme le Dina.

⚠️ Pour réussir le pari d’une croissance verte et inclusive à Madagascar, nous devons préserver les tortues et préserver l’équilibre de nos écosystèmes.

Aux côtés de notre partenaire TSA Madagasikara, nous nous engageons à renforcer la sensibilisation et les actions en faveur de la protection des espèces menacées.

INDRI – Initiative pour le Développement, la Restauration écologique et l’Innovation
Centre d’expertise, d’intelligence collective et de plaidoyer à Madagascar 🌿

Ireo orinasa madinika misy fiantraikany ara-tsosialy sy ara-tontolo iainana : topimaso ny 2 taona niarahana tamin’i INDR...
15/04/2026

Ireo orinasa madinika misy fiantraikany ara-tsosialy sy ara-tontolo iainana : topimaso ny 2 taona niarahana tamin’i INDRI – tapany 1💡

👉 En français 🇫🇷 : https://www.facebook.com/share/p/1CiKkzK6rw/

Izahay ato amin’ny INDRI dia mino fa ny fandraharahana dia hery lehibe mitondra fiovana.

Hatramin’ny taona 2024, ao anatin’ny fiaraha-miasa miaraka amin’i Miarakap sy Kinomé, izahay dia manohana orinasa madinika 13 eto Madagasikara, mba hanamafisan’izy ireo ny fiantraikany ara-tsosialy, ara-toekarena ary ara-tontolo iainana.

Ohatra 3 ankehitriny :
• Honey of Madagascar
• Ecta (EKA)
• Soanay Fruits séchés

✨ Ireo orinasa vao misandratra ireo dia manaporofo fa azo atao tsara ny mamorona harena no sady miaro ny tontolo iainana sy manohana ny fiarahamonina eny ifotony.

Tena faly izahay ato amin’i INDRI niara-niasa tamin’ireo mpitarika tetikasa ireo. Maneho herim-po lehibe izy ireo ao anatin’ny toe-javatra sarotra. Arahabaina izy rehetra !

Ity asa ity dia tanteraka noho ny fanohanan’ny Critical Ecosystem Partnership Fund(CEPF). Araho hatrany ny pejinay, mbola hampahafantarinay tsy ho ela ireo orinasa madinika hafa, izay mahaliana ihany koa.

INDRI – Initiative pour le Développement, la Restauration écologique et l’Innovation
Ivontoeram-pahaiza-manao sy fiaraha-misaina ary adisisika eto Madagasikara 🌱

Les startups à impact social et écologique : zoom sur 2 ans d’accompagnement par INDRI - partie 1 💡👉 Amin'ny teny malaga...
15/04/2026

Les startups à impact social et écologique : zoom sur 2 ans d’accompagnement par INDRI - partie 1 💡

👉 Amin'ny teny malagasy 🇲🇬 : https://www.facebook.com/share/p/1DDwEPuTgT/

Chez INDRI, nous croyons que l’entrepreneuriat est un puissant moteur de changement.

Depuis 2024, dans le cadre d’un consortium avec Miarakap et Kinomé, nous accompagnons 13 startups à Madagascar, pour renforcer leur impact social, économique et environnemental.

Aujourd’hui, 3 exemples :
• Honey of Madagascar
• Ecta (EKA)
• Soanay Fruits séchés

✨ Ces jeunes entreprises prouvent qu’il est possible de créer de la valeur tout en protégeant l’environnement et en soutenant les communautés locales.

Chez INDRI nous avons adoré accompagner ces porteurs de projets. Ils•elles font preuve d’un grand courage dans un contexte complexe. Bravo à eux•elles !

Ce travail est rendu possible grâce au soutien du Critical Ecosystem Partnership Fund

Restez connecté•es, nous vous présenterons bientôt les autres startups, tout aussi passionnantes.

INDRI – Initiative pour le Développement, la Restauration écologique et l’Innovation
Centre d’expertise, d’intelligence collective et de plaidoyer à Madagascar 🌱

10/04/2026

🎥 Le charbon de bois à Madagascar : cuire sans détruire – Documentaire inédit produit par INDRI

🇲🇬 Teny Malagasy eo ambany ⬇️

Ne ratez pas cette vidéo, qui donne la parole aux acteurs de terrain, avec beaucoup de positif et d’espoir !

À Madagascar, le charbon de bois est au cœur du quotidien.

Mais la production de charbon de bois est une grande cause de déforestation. Et quand il n’y aura plus de forêt, comment fera-t-on ?

Il faut une transition vers des solutions durables.

“Le charbon de bois à Madagascar : cuire sans détruire” est un documentaire tourné dans le nord de Madagascar, à Bobaomby et Antsiranana, au plus près des réalités locales. Il met en lumière le quotidien des usagers et des solutions concrètes : fatana mitsitsy, charbons verts, charbons écologiques…

Des alternatives qui montrent qu’il est possible de concilier besoins quotidiens et préservation des écosystèmes.

👉 Regarder la vidéo intégrale ici : https://youtu.be/_W9brSdn_0Q

Un grand merci à l’ONG Madagasikara Voakajy pour la collaboration, ainsi qu’à l’ AFD - Agence Française de Développement, Maliasili, la Fondation Mulago et Excelsior Impact Fund pour leur soutien.

---
🎥 Ny arina fandrehitra eto Madagasikara : mahandro nefa tsy manimba – Horonantsary fanadihadiana navoakan’i INDRI

Araho ity horonantsary ity, izay manome feo ny mpisehatra eny ifotony, miaraka amin’ny hafatra miabo sy feno fanantenana !

Eto Madagasikara, ny arina fandrehitra dia tena ivon’ny fiainana andavanandro.

Saingy anisan’ny antony lehibe mahatonga ny fahapotehan’ny ala ny famokarana arina. Ka rehefa tsy hisy intsony ary ny ala dia ahoana no hataontsika ?

Ilaina ny fiovàna mankany amin’ny vahaolana maharitra.

“Ny arina fandrehitra eto Madagasikara : mahandro nefa tsy manimba” dia horonantsary fanadihadiana notontosaina tany avaratr’i Madagasikara, tany Bobaomby sy Antsiranana, tany amin’ny zava-misy ifotony. Izy io dia mampiseho ny fiainan’ny mpampiasa arina fandrehitra sy ireo vahaolana azo ampiharina : fatana mitsitsy, arina maitso, arina ekolojika…

Vahaolana izay mampiseho fa azo atao tsara ny mampifanaraka ny filàna andavanandro amin’ny fiarovana ny tontolo iainana.

Fisaorana lehibe ho an’ny ONG Madagasikara Voakajy tamin’ny fiaraha-miasa, sy ho an’ny Agence Française de Développement, Maliasili, Fondation Mulago ary Excelsior Impact Fund tamin’ny fanohanana.

INDRI – Initiative pour le Développement, la Restauration écologique et l’Innovation
Centre d’expertise, d’intelligence collective et de plaidoyer à Madagascar 🌱

🌊 Rehefa ripaka ny ala… dia sempotra ny haran-dranomasina – Ny hetsika fanarenana ataon’ny fikambanana Régénération Kora...
07/04/2026

🌊 Rehefa ripaka ny ala… dia sempotra ny haran-dranomasina – Ny hetsika fanarenana ataon’ny fikambanana Régénération Koraï

👉 En français 🇫🇷 : https://www.facebook.com/share/p/1HnoQo56EG/

Anisan’ny harena voajanahary sarobidy indrindra nefa tena tandindomin-doza ny haran-dranomasina. Kanefa, matetika dia avy lavitry ny ranomasina ny antony mahatonga ny fahasimban’izy ireo.

Rehefa ripaka ny ala dia marefo ny nofontany. Rehefa avy ny orana dia kahon’ny rano ny tany ka midina any amin’ny renirano, ary avy eo tonga any an-dranomasina. Izany no miteraka ilay antsoina hoe “fahatotoran’ny atsanga ny haran-dranomasina”.

Rehefa ao anaty rano dia tonga mipetraka eo ambonin’ny harana ireo atsanga ireo, toy ny oram-potaka :
🔸 sempotra ny haran-dranomasina,
🔸 manjary manjavozavo ny rano,
🔸 tsy tafiditra intsony ny hazavana ka tsy afaka manao “photosynthèse” ireo lomotra madinika mamelona azy.

Maty tsikelikely avy eo ireo harana.

Kanefa, ny haran-dranomasina dia mitahiry eo ho eo amin’ny 25 %-n’ny zavamananaina an-dranomasina eran-tany, miaro ny morontsiraka amin’ny herin’ny onja ary manohana ny jono sy ny fizahantany.

Any Nosy Be, ny fikambanana Régénération Koraï dia manentana ny vahoaka momba ny fifandraisan’ny fahapotehan’ny ala sy ny fahasimban’ny harana. Lohahevitra lehibe izany ao Nosy Be, izay toerana ahitana fihenany ny ala nohon’ny tsindry avy amin’ny fizahantany sy ny fambolena. Misy ny hetsika fanentanana ataon’izy ireo eny amin’ny sekoly, amin’ny vondron’olona eny ifotony ary amin’ny mpitsidika.

Raharaha fototra ataon’io fikambana io ny asa fanarenana haran-dranomasina. Mametraka toeram-pamelomana harana ao anaty rano ny ekipany : maka sombin-karana, afindra amin’ny rafitra manokana, arahina ara-tsiansa ary karakaraina tsy tapaka mba hampihenana ny fiantraikan’ny fotaka.

Dayda Rakotomahatsiaro, tompon’andraikitra amin’ny fanarenana haran-dranomasina ao amin’ny Régénération Koraï, dia manamafy hoe :

« Mifamatotra ny ranomasina sy ny tany. Raha te hamonjy ny haran-dranomasina isika, dia tsy maintsy ho mpiaro ny tontolo iainana avokoa, manomboka any an-tendrombohitra ka hatrany an-dranomasina. »

INDRI – Initiative pour le Développement, la Restauration écologique et l’Innovation
Ivontoeram-pahaiza-manao sy fiaraha-misaina ary adisisika eto Madagasikara 🌱

📷 (1) Nano Banana by Gemini (2) (3) ©Mathias underwater (4) © Koraï

🌊 Quand la forêt disparaît… les coraux suffoquent - Les actions de restauration de l’association Régénération Koraï👉 Ami...
07/04/2026

🌊 Quand la forêt disparaît… les coraux suffoquent - Les actions de restauration de l’association Régénération Koraï

👉 Amin'ny teny malagasy 🇲🇬 : https://www.facebook.com/share/p/1E42REPAb1/

Les récifs coralliens comptent parmi les écosystèmes les plus précieux et les plus menacés. Pourtant, une grande partie de leur dégradation commence… loin de la mer.

Lorsque les forêts disparaissent, les sols deviennent vulnérables. Sous l’effet des pluies, la terre est entraînée vers les rivières, puis vers l’océan. Ce phénomène provoque “ l’envasement des coraux ”.

Dans l’eau, les sédiments se déposent sur les récifs comme une pluie de boue :
🔸 les coraux s’asphyxient,
🔸 l’eau devient trouble,
🔸 la lumière ne pénètre plus, empêchant la photosynthèse des micro-algues qui vivent en symbiose avec les coraux et leur fournissent leur énergie vitale.

Peu à peu, le récif dépérit.

Pourtant, les récifs coralliens abritent près de 25 % de la biodiversité marine mondiale, protègent les côtes contre la force des vagues et soutiennent la pêche ainsi que le tourisme.

À Nosy Be, l’association Régénération Koraï sensibilise la population sur ce lien entre déforestation et corail. C’est un sujet majeur à Nosy Be où les forêts reculent sous la pression du tourisme et des cultures. Des actions de sensibilisation sont menées auprès des écoles, des communautés locales et des visiteur•euses.

L’activité principale de l’association est de mener des opérations de restauration corralienne. Leurs équipes installent sous l’eau des pépinières de coraux : des fragments récupérés dans la nature sont transplantés sur des structures adaptées, suivis scientifiquement et entretenus régulièrement pour limiter l’impact des sédiments.

Dayda Rakotomahatsiaro, Coral Restoration Manager à l’association Régénération Koraï, rappelle :
« L’océan et la terre sont liés. Pour sauver les coraux, nous devons tous devenir des gardiens de la nature, de la montagne jusqu’à la mer. »

INDRI – Initiative pour le Développement, la Restauration écologique et l’Innovation Centre d’expertise, d’intelligence collective et de plaidoyer à Madagascar 🌱

📷 (1) Image générée par IA - Nano Banana by Gemini (2) (3) ©Mathias underwater (4) © Koraï

📙 Où en est INDRI ? 2025 a été une année marquante.Notre rapport annuel vous donnera un beau tour d’horizon, entre confé...
31/03/2026

📙 Où en est INDRI ? 2025 a été une année marquante.

Notre rapport annuel vous donnera un beau tour d’horizon, entre conférence sur le pari du développement, réussites en plaidoyer, et nouvelles initiatives.

Nous espérons que vous ressentirez aussi en le parcourant l’énergie et la motivation de notre équipe, et de tous les acteur•rices avec qui nous avons le plaisir de travailler. 🫶🏽

👉 Découvrez le rapport complet ici : https://tinyurl.com/7v3ab6w5

Ce rapport est le fruit d’un travail collectif. Nous adressons nos sincères remerciements à :

🔸 L’équipe de Maliasili, pour son accompagnement et ses recommandations
🔸 Nos partenaires clés de 2025, pour leur confiance et leur collaboration continue
🔸 Critical Ecosystem Partnership Fund, Fondation Mulago, Darwin Initiative - UK international development, AFD - Agence Française de Développement, Forward Global, Maliasili, Re:wild, Excelsior Impact Fund, Swiss Agency for development and cooperation SDC, Swiss National Science Foundation, pour leur soutien essentiel au déploiement de nos actions
🔸 Toute l’équipe d’INDRI, pour son engagement et son rude labeur 🙏

INDRI – Initiative pour le Développement, la Restauration écologique et l’Innovation
Centre d’expertise, d’intelligence collective et de plaidoyer à Madagascar 🌿

--------------------------------------------

📙 Aiza ho aiza ny INDRI? Ny 2025 dia taona iray tena nanamarika manokana.

Ny tatitra isan-taonanay dia hanome topy maso feno anareo, na tamin’ny fihaonambe momba ny fanamby ho amin’ny fampandrosoana, na ny fahombiazana amin’ny adisisika, na ny hetsika vaovao.

Manantena izahay fa ho tsapanareo ihany koa, rehefa mamaky azy, ny hery sy ny fahavononan’ny ekipanay sy ireo mpiantsehatra rehetra izay iarahanay miasa am-pifaliana. 🫶🏽

👉 Jereo ato ilay tatitra feno :https://tinyurl.com/7v3ab6w5

Vokatry ny fiaraha-miasa ity tatitra ity. Koa dia maneho fisaorana feno izahay ho an’ireto manaraka ireto :

🔸 Ny ekipan’i Maliasili, tamin’ny fanohanana sy ny torohevitra nomeny
🔸 Ireo mpiara-miombon’antoka fototra tamin’ny taona 2025, noho ny fitokisana sy ny fiaraha-miasa mitohy
🔸 Critical Ecosystem Partnership Fund, Fondation Mulago, Darwin Initiative - UK international development, AFD - Agence Française de Développement, Forward Global, Maliasili, Re:wild, Excelsior Impact Fund, Swiss Agency for development and cooperation SDC, Swiss National Science Foundation, noho ny fanohanana lehibe avy amin’izy ireo tamin’ny fanatanterahana ny asa ataonay
🔸 Ny ekipan’ny INDRI manontolo, noho ny fanoloran-tena sy ny ezaka goavana nataon’izy ireo 🙏

INDRI – Initiative pour le Développement, la Restauration écologique et l’Innovation
Ivontoeram-pahaiza-manao sy fiaraha-misaina ary adisisika eto Madagasikara 🌱

Nous partageons l'avis de M. Razanadahy Bonaventure Thomas, Président de l’association Toteny Tanosy, sur l’importance d...
16/03/2026

Nous partageons l'avis de M. Razanadahy Bonaventure Thomas, Président de l’association Toteny Tanosy, sur l’importance de donner la parole et d'écouter les communautés locales pour la réussite projets de reboisement.

Suivez la page Demand4Restoration - Madagascar pour ne rien rater. 🔥

« Nous avons pu être entendus et partager nos points de vue. »
C’est ce qui a marqué M. Razanadahy Bonaventure Thomas, Président de l’association Toteny Tanosy, à l’issue de l’atelier régional du projet Demand4Restoration le 11 février 2026 à Fort-Dauphin.

Lors de cet atelier, les participants ont pu échanger sur les enjeux liés à la préservation des forêts existantes et à la restauration des zones dégradées.

Pour les acteurs de terrain engagés dans la protection de l’environnement, ces espaces de dialogue sont essentiels. Ils permettent d’exprimer librement les réalités vécues, les difficultés rencontrées, mais aussi les solutions concrètes imaginées au plus près des communautés.

Les mots de M. Razanadahy Bonaventure Thomas, qui est également la plus haute autorité traditionnelle de la région Anôsy rappelle une évidence : la réussite des actions de restauration passe par l’implication des communautés et par la prise en compte de leurs connaissances, de leurs besoins et de leurs propositions.

Inona ny INDRI ?👉 en français : https://www.facebook.com/share/p/185o7XXPDR/ INDRI dia vondrona tsy miankina amin’ny fan...
12/03/2026

Inona ny INDRI ?

👉 en français : https://www.facebook.com/share/p/185o7XXPDR/

INDRI dia vondrona tsy miankina amin’ny fanjakana (ONG) nasionaly natsangana tamin’ny taona 2020. Ivon-toerana momba ny fahaiza-manao, ny fiaraha-misaina ary ny adisisika izy.

🌱 Ny tanjonay : hanamora ny vahaolana ara-tontolo iainana, ara-toekarena ary ara-tsosialy eny amin’ny tontolo an-tanety, an-dranomasina ary an-tanàn-dehibe.

💡 Tsotra ny faharesen-dahatray : manana ny antontan-kevitra sy ireo mpisehatra ilaina hahombiazana i Madagasikara, saingy mbola miparitaka loatra ny ezaka.

🤝 Ao amin’ny INDRI, izahay dia mampivondrona ny mpisehatra sy ny hevitra, mizara vaovao, manamafy ny adisisika ary manandratra avo ny feon’ireo miasa ho amin’ny vahaolana maharitra, mifototra amin’ny zava-misy eto amin’ny firenena.

Ny vinanay : fivoarana maitso sy mampiaty, izay ahazoan’ny vahoaka manontolo tombony ary manarina ny tontolo iainana.

🔎 Raha te hahalala bebe kokoa, tsidiho ny : http://www.indri.solutions

📲 Araho izahay ao amin’ny Facebook, Instagram ary LinkedIn.

INDRI – Initiative pour le Développement, la Restauration écologique et l’Innovation 🌱

INDRI, c’est quoi ?👉 Amin'ny teny malagasy : https://www.facebook.com/share/p/1DGpZbx52s/ Créé en 2020, INDRI a le statu...
12/03/2026

INDRI, c’est quoi ?

👉 Amin'ny teny malagasy : https://www.facebook.com/share/p/1DGpZbx52s/

Créé en 2020, INDRI a le statut d’ONG nationale. C’est un centre d’expertise, d’intelligence collective et de plaidoyer.

🌱 Notre objectif : faciliter des solutions écologiques, économiques et sociales dans les paysages terrestres, marins et urbains.

💡 Notre conviction est simple : Madagascar dispose de toutes les données et acteur•rices nécessaires pour réussir, mais les efforts sont trop éparpillés.

🤝 Chez INDRI, nous rassemblons les acteur•ices et les idées, partageons l’information, renforçons le plaidoyer et amplifions les voix qui œuvrent pour des solutions durables, ancrées dans les réalités du pays.

Notre vision : une croissance verte et inclusive qui bénéficie à toute la population et restaure l’environnement.

🔎 Pour en savoir plus : http://www.indri.solutions

📲 Suivez-nous sur Facebook, Instagram et LinkedIn.

INDRI – Initiative pour le Développement, la Restauration écologique et l’Innovation 🌱

🌿 8 martsa – Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny VehivavyINDRI dia manome voninahitra ireo rehetra miasa ho an’ny zon...
08/03/2026

🌿 8 martsa – Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny Vehivavy

INDRI dia manome voninahitra ireo rehetra miasa ho an’ny zon’ny vehivavy, sy ny vehivavy rehetra izay mandray anjara amin’ny fananganana tontolo tsara kokoa.

Teo amin’ny tantaran’ny adisisika ho an’ny tontolo iainana dia maro ireo vehivavy no nanokatra làlana sy nanome ohatra ho an’ny taranaka maro.

Wangari Maathai, mpanorina ny hetsika Ceinture Verte tany Kenya, dia nampiseho hoe toy ahoana ny fandraisan’andraikity ny olom-pirenena amin’ny fiarovana ny ala sy ny fambolen-kazo rehefa manamafy ny tontolo iainana, ny demokrasia ary ny zon’olombelona.

Taty aoriana dia feo maro tahaka an’i Greta Thunberg, Vanessa Nakate ary Wanjira Mathai (zanak’i Wangari Maathai ka mandray indray ny faneva amin’ny fanoloran-tena ho an’ny tontolo iainana) no nampahatsiahy an’izao tontolo izao ny maha-maika ny hetsika manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro.

Tsara vintana izahay ato amin’ny INDRI fa miara-miasa amina vehivavy feno fanoloran-tena, izay manome ny heriny, ny fahaizany ary ny fahavononany hanampy amin’ny fanolorana vahaolana maharitra ho an’ny fampandrosoana an’i Madagasikara.

Amin’ity andro ity izahay dia mankasitraka ny fanoloran-tenan’izy ireo, ary manamafy indray ny fanohananay ny tolona ho an’ny zo sy fitovian-jon’ny vehivavy.

INDRI – Initiative pour le Développement, la Restauration écologique et l’Innovation
Foibem-pahaiza-manao sy fiaraha-misaina ary adisisika eto Madagasikara 🌱

Address

Villa Mon Rêve, Cité Planton, Ambaranjana
Antananarivo
101

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when INDRI - Réussir le changement à Madagascar posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to INDRI - Réussir le changement à Madagascar:

Share