Animal Voice Madagascar

Call Website

Animal Voice Madagascar Chacun a le pouvoir d'agir face à la détresse animale pour leur offrir une vie meilleure.

30/09/2026

Salama e,

🚨NY VALINKASASARANAY DIA NY MAHITA FA MIADANA IREO ZANAKA KELY NAVOTANAY 🥲🙏 🚨

Tadidinareo ve i GUSGUS ?

Lasa CHANEL no anarany any amin'ny famille 'ny izao.

Tsy mba asa handraisambola, tsy mba asa handraisan-karama;
Fa miasa mafy, miasa tsara hoan'ireo aina kely rehetra avotana.

Tsy tontosa izao raha tsy teo ianareo ;
Misaotra foana, misaotra misy.

Ianao koa avia manavotra, avia manova fiainana miaraka aminay

Manantena anareo ❤️‍🩹 🙏

- MVola: 034 62 782 24 ANIMAL VOICE MADAGASCAR

- Orange Money: 037 99 405 43 Rakotoalivao

- PayPal : https://www.paypal.me/AnimalVoiceMdgscr

- Pejy Instagram :
https://www.instagram.com/animal_voice_madagascar?igsh=NHVmcGk3M2RmNGpt

Salame e, 🚨 IZAHO ILAY RENY TERAKA TEO AMIN'NY SISINA FASAN'OLONA ANDRO MARO LASA IZAY🚨Reny aho, ary avy nandalo ny mafy...
29/09/2026

Salame e,

🚨 IZAHO ILAY RENY TERAKA TEO AMIN'NY SISINA FASAN'OLONA ANDRO MARO LASA IZAY🚨

Reny aho, ary avy nandalo ny mafy izahay mianakavy kely.
Tao anaty ny mangidy no nanomezako aina.
Tao anaty fihafiana no nahitan'ireo zanako kely masoandro voalohany.

Tsy mba manana trano, fonenana fa rehefa noteren'ny fanaintainana aho dia teo no hitako mba takotakona.
Mifona aminareo aho raha nanafitohana anareo izay fa tsy fidiny ho ahy re.
Tiako ireo zanako, ho arovako na anomezako ny aiko aza.
Reny mahantra aho, voahilikilika fa anefa be fitiavana.

Lotika ny foko nahita anareo zanako mena vava nanipitsipy..
Lotika ny foko naheno ny kikiakan'izy ireo, mbola mena vava loatra anefa tsy niantranareo.
Lotika ny foko satria nisy maty izy ireo fa tsy nahazaka an'ilay nitontona mafy loatra.

Tiako ireo zanako, ho arovako na dia hanomezako ny aiko aza.
Mifona aho zanako fa tsy naharo anareo, mbola vizana niteraka Neny dia tsy afaka niaro 😭

Anio izahay efa aty amin'ny refuge, mba nahazo fitoerana Kely izahay mianakavy kely, alavitrin'ny fitaitainana, alavitrin'ny tahotra.

Mitodika aminareo izahay dimy satria lasa tsy dia ampy nono aho : Raha misy manana ronono, lamba mafana , sakafo ho anay fa tsy ampy ny entimanan'ny refuge dia samy mihinana kely daholo izahay rehetra aloha.

Manantena anareo ❤️‍🩹 🙏

- MVola: 034 62 782 24 ANIMAL VOICE MADAGASCAR

- Orange Money: 037 99 405 43 Rakotoalivao

- PayPal : https://www.paypal.me/AnimalVoiceMdgscr

- Pejy Instagram :
https://www.instagram.com/animal_voice_madagascar?igsh=NHVmcGk3M2RmNGpt

💔TENA TOROVANA NY FOKO, TENA MATIN'NY HALAHELO AHO RI NAMAKO 💔 Basy atifikavana tsy afenina fa harangaranga 😠Misy isika ...
28/09/2026

💔TENA TOROVANA NY FOKO, TENA MATIN'NY HALAHELO AHO RI NAMAKO 💔

Basy atifikavana tsy afenina fa harangaranga 😠

Misy isika olombelona dia ratsy fanahy,
Misy isika olombelona tena tsy fanao ianao,
Misy isika olombelona tena tsy mendrika ny ahita mangirana amin'ny fiainana.

Tia manambany ny malemy noho izy,
Tia manao tsinotsinona an'ireo izay tsy afaka mamaly.
Tia hetraketraka, mivelona sy mifaly amin'ny fahorian'ny hafa.

Anio : nahavoaray signalement izahay fa misy alika tapa-tanana eo amoron'ny tetezana, tsy afaka mihetsika, very rà be.

Niangavy tamin'ilay olona nanao signalement hoe amoron'ny tetezana loatra no misy fa mba akisao alavidavitra sao sanatria voatosika ka latsaka any anaty rano.

Tsy niandry izahay fa lasa nandeha tena hoe hanavotra azy satria tsy zaka ny nahita azy tamin'ny sary.
Hita fa tena mangirifiry, miketrona ny fijeriny, miharitra hirifiry izy.

Tsy ampy 30 minitra akory dia tonga teny ny bénévole haka azy, inona hoy ianao fa tsy taitra akory ireo biskleta nijoro teo nilaza hoe : "EHHH TARA KELY NAREO FA NATSIPIN'ZALA AO ANATY RANO AO LE ALIKA TEO "

Fa dia maninona loatra no manao toetra toa izany!???
Hainao tsara fa tapaka ny tanany, tsy ahavita hilomano izy anefa dia nalatsakao tsotra izao ihany !!!!

Dia ity no hafatra homeko anao ri ilay tsy mataho-tody nanipy azy tao :

- Efa matin'ny fatahorana izy nitoloko teo amin'ny sisiny teo,
- Tao anaty hirifiry lalina izy iny nioson-drà teo iny.
- Tao anaty tahotra tanteraka izy nahita anao nandrahona azy.
- Tsy afaka nitsoka, tsy afaka namaly fa nanaiky izay ho ataonao fotsiny.
- Nihorohoro, sady narary izy nilatsaka avy eny ambony eny.
- Nijalijaly izy niady aman'aina tao anaty rano tao vao maty.
- Diso fanantenana tanteraka izy satria olona hantenainy mba hanavotra azy ianao anefa dia novadihanao tsotra izao izy.

Biby tsy manantsiny no nampitondrainao hirifiry sy tahotra alohan'ny hafatesany.
Ny azy efa vita, Kely noho ianao izy, resinao izy.

Fa ny anao !? Hiaina ny niainany rehetra anie ianao mba ho tsapanao tsara ny tahotra noentiny.
Tsy ahita mangirana amin'ny fiainana, hikoroso fahana ary ho feno nenina mandrakizay ianao.
Ao anatin'ny fahorianao dia iny alika nampijalinao iny no hosaininao tsara.

Ento dia miangavy antsika tia biby, aza faly manao signalement fotsiny : rehefa mahita biby mijaly ianao, ataovy aloha izay mba tandrify anao fa ianao no efa eo : Arovy izy; apangalao sisiny izy; ataovy amin'ny toerana tsy tokony hapa voadona azy izy; omeo sakafo, tolory rano.

Mbola hianatra, mbola hiasa, mbola maika fa tsarovy fa 3 minitra omenao azy dia efa mety hanavotra ny ainy.
Raha tsy sahy manantona azy : manakaramà olona fa misy vonona foana eo hifanampy aminao : aina anie io ezahina avotana io e, manantena anao izy .

Betsaka ireo marary ato amin'ny refuge, manentana antsika hisalahy fa mandalo ady sarotra ny refuge tompoko.

- MVola: 034 62 782 24 ANIMAL VOICE MADAGASCAR

- Orange Money: 037 99 405 43 Rakotoalivao

- PayPal : https://www.paypal.me/AnimalVoiceMdgscr

- Pejy Instagram :
https://www.instagram.com/animal_voice_madagascar?igsh=NHVmcGk3M2RmNGpt

28/09/2026

Salama e

🎀 MINIS DÉESSES EN VUE 🎀

Nitombo taiza izy dimy vavy kely, niampy namana Kely iray indray dia lasa 6 🥹

Mamonjy - Manavotra - Manome chance - Manova fiainana ny fisiantsika.
Mankasitraka 🙏🥲

Entina hitondra tsiky hiatrehina an'ity herinandro vaovao ity ny vidéo mamy Kely ity.

Mirary herinandro sambatra ho antsika rehetra. 🌱🍀

Samy ho tahiana tompoko

🆘 URGENT / TRÈS URGENT 🆘🚨CAGNOTTE OPÉRATION SOLIDAIRE 🚨 Tena nivarahontsana ny saina dada Kely nahita anao;Tena zendana ...
09/09/2026

🆘 URGENT / TRÈS URGENT 🆘

🚨CAGNOTTE OPÉRATION SOLIDAIRE 🚨

Tena nivarahontsana ny saina dada Kely nahita anao;
Tena zendana ny saina mieritreritra izay nanjo anao.
Mba olombelona manao ahoana re no hany mahavita an'izao?
Dia mba mandry ve ny sainy any izao, mieritreritra ny mba hirifirinao?

Nokendaina tamin'ny tady ianao, nivonto hatramin'ny lohanao;
Nokendaina tamin'ny tady ianao, saika nivoaka hatramin'ny masonao.
Feno dian'antsy ny lohanao, toa nokapakapaina.
Tsapa hoe milempona vaky ny lohanao, mafy ny kapoka natao taminao.
Dia mbola tsy nijanona fa angamba hoy aho, nodakana ny mahalehilahy anao : tena kapoka, daka tena mafy vao mahavita mampiakatra ny tranon'aina (testicules ) hiakatra aty amin'ny kibo izany.

Tena nijaly ianao, tena mbola fahagagana ny mbola mampa eo anao izao.

Anio efa natao haingana aloha ny radio mba ahafahana mamerina haingana ny mahalehilahiny.
Vao ny radio izay no vita.
Mbola mila radio iray hafa koa ny lohany satria tsy fantatra izay taolana vaky ao anatiny, tsy fantatra sao misy taolana potika mila esorina.

Mitodika aminareo izahay amin'ny fitsaboana azy,
Tena efa niharitra izy hatreto, tena te ho sitrana izy matoa mbola miady foana hatramin'izao.

Andao hifanampy amin'ny famonjena ny ainy, tsy hijanona ny hirifiriny raha tsy vita ny opération famerenana ny filahiny 😢

Andao hifanampy hanatsahatra ny hirifiriny re tompoko 😢

- MVola: 034 62 782 24 ANIMAL VOICE MADAGASCAR

- Orange Money: 037 99 405 43 Rakotoalivao

- PayPal : https://www.paypal.me/AnimalVoiceMdgscr

- Pejy Instagram :
https://www.instagram.com/animal_voice_madagascar?igsh=NHVmcGk3M2RmNGpt

🚨 SAUVETAGE 28 AOÛT 2026🚨🆘 FLOCON NO NATAO ANARANY, MILA FITSABOANA SY RADIO ILAY NAMANTSIKA 🆘Betsaka isika no nahita ny...
03/09/2026

🚨 SAUVETAGE 28 AOÛT 2026🚨

🆘 FLOCON NO NATAO ANARANY, MILA FITSABOANA SY RADIO ILAY NAMANTSIKA 🆘

Betsaka isika no nahita ny signalement an'ity alika kely voadonan'ny fiara 2 nisesy teny amin'ny Lac Iarivo ity.

Raha ny fitantaran'ireo nanatri-maso dia niaraka niampita tamin'ny namany izy, ny iray tafita soa amantsara fa izy taraiky satria tena mandeha mafy ny fiara eny, ny lalana koa midadasika.
Voadonan'ilay fiara voalohany izy ka nipitika, tafatsangana nitsoka sy nitomany dia voadonan'ilay 4x4 indray.
Mafy hoy izy ireo ny choc nahazo azy satria nahodin'ny pneus mihintsy izy dia nikapoka tamin'ny tany.

Ontsa ny fo fa niandry niaraka taminy teo foana ilay namany kely iray, fa rehefa ny hariva izahay tonga haka azy dia nitsoka tsy teo intsony ilay namany kely; Tafasaraka izy roa.

Eto isika dia manaiky fa accident iny nahazo azy iny, teo amin'ny toerana tsy tokony halehany izy roa kely ary indraindray dia tsy afaka ny hijanona tampoka ireo fiara sao sanatria mampidi-doza.

Mbola maharary azy ny vatany, mbola mianatra mandeha izy izao.
Sitrakay ny hanao radio azy hizahana ny taolana tapaka 😢
Ka mbola mitodika aminareo izahay hanao tsipaipaika ho fitsaboana azy 🙏

Ny afaka ataontsika dia mitsabo ilay marary kelintsika fa na eo aza izany dia tsy fidiny ho azy, tsy ari-saina sy eritreritra izy ary tena mbola kely, ka tsy nahalala ny loza mety hahazo azy.

Soa fa teo ireo tanora nitsetra azy, nibata sy nametraka azy tamin'ny sisiny mba tsy ho voahitsaka.
Misaotra anareo satria tsy nitaza-potsiny ianareo, fihetsika toy izany dia efa manavotra aina.

💡Ry namako tia biby, mba hiantrao ireo namantsika tsy misy mpiahy sendra voina eny an-dalambe eny, batao amin'ny toerana tsy ho voadonan'ny fiara izy, omeo sakafo, tolory rano, rakofy lamba sao lenan'ny orana na mangatsika.

💡Ry namako tia biby, sahia mananatra, sahia miteny sy mibedy raha mahita ny tsy rariny ataon'ireo olona be siasia sy mampijaly fahatany an'ireo namana kely tsy misy mpiahy ireo. Isika no mba hany mpisolo vava sy ampinga fiarovana ho azy ireo.

- MVola: 034 62 782 24 ANIMAL VOICE MADAGASCAR

- Orange Money: 037 99 405 43 Rakotoalivao

- PayPal : https://www.paypal.me/AnimalVoiceMdgscr

- Pejy Instagram :
https://www.instagram.com/animal_voice_madagascar?igsh=NHVmcGk3M2RmNGpt

Salama e 🚨 URGENT/ TRÈS URGENT 🚨 FA TOA VERY FANAHY MBOLA VELONA NY OLOMBELONA SASANY❓⁉️ Namely indray ianao ra-olombelo...
02/09/2026

Salama e

🚨 URGENT/ TRÈS URGENT 🚨

FA TOA VERY FANAHY MBOLA VELONA NY OLOMBELONA SASANY❓⁉️

Namely indray ianao ra-olombelona,
- Tady migeja mafy tena mafy teo amin'ny tendany, na ny hety aza saika tsy naha tapaka azy;
Vokany, nivonto ny hatony, kenda tsy afa niaina intsony izy, niha- mena ny masony;
- Dian'antsy roa eo amin'ny lohany.
Fara heriny sisa no noentiny nandositra anao,
Fara heriny sisa no noentiny ka iny izy nianjera teo amin'ny sisin'ny Nanisana iny.

Alika efa tena antitra izy ;
Alika efa misy cancer ny tongony izy nohon'ny amin'ny fahanterany;
Alika tena malefaka izy ato aminay, nanaiky mora izy tamin'ny nobatainay.
Tsy namaly akory tamin'ny nodiovina ny feriny.
Asa laha mba inona no nataony dia toa izao no nanaovanareo azy : nokendaina, nofatorana, nogejaina ary nofiraina tamin'ny antsy.

Aza tia loatra mandatsakaina fa an'Andriamanitra ny aina, ary mananjina ny rà alatsaka fahatany.
Rankizy, ri- zatovo : fadio ny sangy ratsy, fadio ny mamono fahatany ireo biby namantsika, tsy aleo vé manavotra sy manasoa toa izay mamono sy mampijaly ?
Ri- ray amandreny taizao ho olona tia sy manaja ny zava-boary ireo zanatsika fa izy ireo no ho hoavin'ny firenena.

Efa vita ny premiers soins, fa mbola betsaka ny fitsaboana ilainy satria toa misy fivontosana ny tongony izay mila zahana.

Mitodika amintsika rehetra tia biby, ampio i NGIAHY be amin'izao voina mahazo azy izao fa isika irery no hany hianteherany 🙏

MVola: 034 62 782 24 ANIMAL VOICE MADAGASCAR

- Orange Money: 037 99 405 43 Rakotoalivao

- PayPal : https://www.paypal.me/AnimalVoiceMdgscr

- Pejy Instagram :
https://www.instagram.com/animal_voice_madagascar?igsh=NHVmcGk3M2RmNGpt

🍼MBA HITONDRA TSIKY HO ANTSIKA REHETRA, MBA HIZARA FIAINANA MAMY KELY 🥹🍼❤️‍🩹Enfin, nanokatra ny masony izy dimy vavy Kel...
01/09/2026

🍼MBA HITONDRA TSIKY HO ANTSIKA REHETRA, MBA HIZARA FIAINANA MAMY KELY 🥹🍼

❤️‍🩹Enfin, nanokatra ny masony izy dimy vavy Kely : LES MINIS DÉESSES ❤️‍🩹

🐶HÉRA - AURA - NALA - ATHÉNA & ARTÉMIS 🐶

Mbola mena vava tsy nisokatra maso akory dia efa niharitra ny mafy izy dimy vavy kely.
Nidiana tao anaty sachet, natsipy teny amin'ny fako, ny lohan'ny iray tamin'izy ireo tafiditra tao anaty coco..
Alavitra an'i Neny, irery manoloana ny loza rehetra hoana mena vava kely.

Anio faly izahay milaza aminareo fa efa nanokatra ny masony izy dimy kely raha mbola nisy tadi-potra izy tonga tato amin'ny refuge.

Efa nomena anarana amin'izay ihany koa : Les minis déesses 🥰
- HERA & AURA ilay mainty Kely roa
- NALA , ATHÉNA & ARTEMIS ilay kambana Kely telo marron

Eo anilan'i Neny amin'izay, eo antratran'i zoky amin'izay.
Voky tsara, madio tsara, mafana tsara🥹

Merci Château, merci les enfants ❤️💕

Raha misy mbola te hanolotra ronono ho anay, ho an'ireo mena vava hafa dia mbola raisina antanandroa foana izany

MVola: 034 62 782 24 ANIMAL VOICE MADAGASCAR

- Orange Money: 037 99 405 43 Rakotoalivao

- PayPal : https://www.paypal.me/AnimalVoiceMdgscr

- Pejy Instagram :
https://www.instagram.com/animal_voice_madagascar?igsh=NHVmcGk3M2RmNGpt

❤️‍🩹🍼 MITONIA RI RENY BE FITIAVANA, TSARA KARAKARA IREO MENAKIN'NY AINAO 🍼 ❤️‍🩹 Mitombo taiza moramora ato izy dimy vavy...
26/08/2026

❤️‍🩹🍼 MITONIA RI RENY BE FITIAVANA, TSARA KARAKARA IREO MENAKIN'NY AINAO 🍼 ❤️‍🩹

Mitombo taiza moramora ato izy dimy vavy Kely nisy nanary tany Ivato tao anaty sachet sy fako.
Mitombo taiza miaraka amin'ny ronono GOSBI 🍼☺️

Tena mbola miracle no maha mbola eto azy dimy kely. Natao tsara tohana amin'ny ronono GOSBI.

Mbola tsy vaky maso izy dimy kely, fa hita fa mitombo taiza.
Misakafo tsara, miha lehibe 🥰🥹

Tena asa be, omena ronono isakin'ny 3 hora tsy mahazo tara satria tsy eo ilay reny hanome ronono azy.
Fafana sy diovina amin'ny lingettes kely foana fa miosona sy sao marary satria efa marefo ireto zanaka kelintsika.

Misaotra ireo bénévoles tonga mifanampy amin'ny fanomezana ronono fa tena tsy arakay raha tsy teo ianareo.

Ianao koa avia hiaraka hifanolo tanana aminay, tongava mivantana aty amin'ny refuge Tanisoa Ambatobe raha manana fotoana Kely 🙏☺️

Raha misy manana ronono sy lingettes ianareo dia raisina antanandroa fa mitady ho lany ny Stock kelinay.🍼🍼

Ampitiavana tompoko, manantena anareo 🐾

MVola: 034 62 782 24 ANIMAL VOICE MADAGASCAR

- Orange Money: 037 99 405 43 Rakotoalivao

- PayPal : https://www.paypal.me/AnimalVoiceMdgscr

- Pejy Instagram :
https://www.instagram.com/animal_voice_madagascar?igsh=NHVmcGk3M2RmNGpt

💔 MIFARANA NY CROQUETTES/ SAKAFO SOLIDAIRE 💔 Misaotra antsika rehetra nifarimbona tamin'ny croquettes solidaire tompoko....
25/08/2026

💔 MIFARANA NY CROQUETTES/ SAKAFO SOLIDAIRE 💔

Misaotra antsika rehetra nifarimbona tamin'ny croquettes solidaire tompoko.
Mifarana ny adidintsika amin'ilay namana kely. 😢

Efa nitady foana vahaolana hanavotana ilay namantsika nisy namela teo antokotaniny isika.
Tena nitady ny fomba rehetra fa anio mifarana ny adidintsika.

Tonga ny tompony naka azy, ary efa lasany izy.

Niangavy azy ny fikambanana hoe ho raisina an-tanana maimaimpoana aloha izy mandra-piverin'ny ainy satria mbola reraka izy iny.
Nitalao ny fikambanana hoe omena ny soins rehetra izy fa tsy ho anay ary rehefa tomombana tsara ny fahasalamany dia afaka aterina na alainy ihany fa ny fahasalaman'ilay namana no zava-dehibe.

Tsy nanaiky ny tompony. Azy hoe ny alika ary lasa malahelo hoe izy vao tsy ho eo izy.

Rehefa nozahana ny pitsony rehetra eo anivon'ny làlana dia tena tsy afaka manao na inona isika satria azy ny alika.

Iriana mba ho tonga saina izy ary tsy hamerina intsony ireny satria raha biby tiana, namana tiana dia tsy mendrika ny hiaina fampijaliana sy hiaina anaty alahelo toa ireny.

Tsofinay rano ianao ry ilay namana kelinay.
Entinay ambavaka isanandro ianao sy ny mitaiza anao satria tsy misy tsy vitan'ny vavaka raha mbola samy eto ambany masoandro ihany.
Eny tsofinay rano ianao ry namana kelinay na dia andro vitsy aza no nifankalalantsika.

Ho tahian' ilay Nahary anie ianao any amin'izay misy anao any, ho lavitry ny hanoanana, sy ny aretina.

Mitohy ny asan'ny fikambanana, tsy ho kivy tamin'iny tranga iray iny fa vaomaika hanavotra mihoatra.
Mbola betsaka ireo mijaly eny rehetra eny, tena mila antsika izy ireny.

Andao hiaraka hanavotra aina
Andao hiaraka hanova fiainana
Andao hanavotra fa tsy hamono 🙏

MVola: 034 62 782 24 ANIMAL VOICE MADAGASCAR

- Orange Money: 037 99 405 43 Rakotoalivao

- PayPal : https://www.paypal.me/AnimalVoiceMdgscr

- Pejy Instagram :
https://www.instagram.com/animal_voice_madagascar?igsh=NHVmcGk3M2RmNGpt

Address

Antananarivo
00101

Opening Hours

Monday 09:00 - 17:00
Tuesday 09:00 - 17:00
Wednesday 09:00 - 17:00
Thursday 09:00 - 17:00
Friday 09:00 - 17:00
Saturday 09:00 - 12:00

Telephone

+261344105348

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Animal Voice Madagascar posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share