25/09/2026
⚖️ – MIARINARIVO
🚨 Mbola mitohy ny raharaha mahakasika ny ady tany ao Igararana, Miarinarivo. Efa niakatra teo anatrehan’ny fitsarana izany, ary nahazo fahafahana vonjimaika ireo ray aman-dreny voakasika, izay nilaza fa voaroba ny taniny.
Araka ny fanazavan’ireo voakasika, nisy fitoriana napetraka izay heverin’izy ireo fa tsy mitombina sy tsy ampy porofo. Efa nisy ihany koa ireo tompon’ny tany teo aloha voatana am-ponja noho ity raharaha ity, ary saika niatrika fisamborana indray.
📅 14 Oktobra 2026 — Audience ao amin’ny Tribonalin’i Miarinarivo
📅 16 Oktobra 2026 — Dingana ara-pitsarana ao amin’ny Fitsarana Anosy, Antananarivo.
👥 Nidina ifotony tany Igararana ny Mouvement Jeunesse et Citoyenneté (MJC), nijery akaiky ny zava-misy sy nihaino ireo voakasika. Hanaraka akaiky ihany koa ny fizotry ny raharaha sy ny fivoarany.
⚠️ Tsy ekena ny fandrobana fananan’olona.
⚖️ Aoka ny fahamarinana sy ny lalàna no hanjaka.
🤝 Ndao hiaraka hanorina fiaraha-monina miaina anaty fahamarinana, fanajana ny zo ary firaisankina.