18/05/2026
🎗️Fitiliana maimaimpoana ny homamiadan’ny vozon’ny tranonjaza
Ao anatin’ny tetikasa VITA CCU, Douleurs Sans Frontières, dia mikarakara hetsika fitiliana maimaimpoana ny homamiadan’ny vozon’ny tranonjaza eny amin’ny CHRD Itaosy. Hisy fandraisana an-tanana mamaimpoana ireo tranga ahiana hihombo ho homamiadan’ny vozon’ny tranonjaza aorian’ny fitiliana.
Fantaro fa io homamiadana io dia aretina misoko miadana ary tsy ahitana sorotr’aretina indraindray.
🩺 Fa maninona no manao fitiliana ?
Ny homamiadan’ny vozon'ny tranonjaza dia iray amin’ireo aretina mahafaty indrindra amin’ny vehivavy, saingy azo sorohana sy tsaboina raha voatily mialoha.
Matetika izy io dia tsy misy soritr’aretina amin’ny dingana voalohany, ka izany no maha-zava-dehibe ny fitiliana na dia salama tsara aza.
💪 Iza no voakasika izany ?
Ireo vehivavy 25 ka hatramin’ny 49 taona izay efa niroso tamin’ny fiaraisana ara-nofo na misy na tsy misy fambara mampiahiahy.
Ireo fambara mampiahiahy:
• fandehanan’ny rà ivelan’ny fadimbolana,
• fisian’ny tsiranoka mamofona,
• fanaintainana eo amin’ny kibo ambany,
• na fahatsapana marary mandritra na aorian’ny firaisana ara-nofo.
📍 Tongava ary eny amin’ny CHRD Itaosy ny 18-19-20 mey 2026
👉 Andao hiray hina hiady amin’ny homamiadan’ny vozon’ny tranonjaza!
--------
🎗️ Dépistage gratuit du cancer du col de l’utérus
Dans le cadre du projet VITA CCU, Douleurs Sans Frontières organise une campagne de dépistage gratuit du cancer du col de l’utérus au CHRD Itaosy. Une prise en charge gratuite des cas suspects de lésions précancéreuses sera également assurée après le dépistage.
Le cancer du col de l’utérus est une maladie souvent silencieuse et peut ne présenter aucun symptôme au début.
🩺 Pourquoi se faire dépister ?
Le cancer du col de l’utérus est l’un des cancers les plus fréquents et les plus graves chez les femmes. Pourtant, il peut être prévenu et traité efficacement lorsqu’il est détecté précocement.
💪 Qui est concerné ?
Toutes les femmes âgées de 25 à 49 ans, ayant déjà eu des rapports sexuels et présentant ou non des symptômes suspects.
Signes pouvant être évocateurs :
• des saignements en dehors des règles,
• des pertes vaginales malodorantes,
• des douleurs au bas-ventre,
• ou des douleurs pendant ou après les rapports sexuels.
📍 Rendez-vous au CHRD Itaosy ce 18-19-20 mai 2026
👉 Ensemble contre le cancer du col de l’utérus !