20/10/2026
🎀🩷 OKTOBRA MAVOKELY 2026 🩷🎀
🌸 “Miara-mientana isika hiady amin’ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranonjaza.” 🌸
💗 Zoma 23 Oktobra 2026 📍 Kaominina Bemasoandro Itaosy
🩺 Ho fanamarihana ny Oktobra Mavokely, dia hisy hetsika fanentanana sy tolotra ara-pahasalamana ho an’ny rehetra, ahitana:
🎀 Fanentanana sy fitiliana ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranonjaza
🩸 Fitiliana diabeta sy fandrefesana tosidrà
👨👩👧👦 Fandrindram-piterahana
💉 Fitiliana VIH sy fanentanana momba ny vaksiny HPV
👓 Fizahana maso sy tolotra ara-pahasalamana hafa.
💞 Ny fitiliana mialoha dia afaka mamonjy aina. Andao samy handray andraikitra hiaro ny fahasalamantsika!
📣 Tongava maro ary zarao amin’ny hafa ity hafatra ity!
🎀🩷 Aleo misoroka toy izay mitsabo! 🩷🎀
🎀
🩷