13/04/2022
Salama aby e, Tontosa soamantsara ny alahady 10 aprily 2022 lasa teo ny fanokafana ny faha 20 taona nijoroan'ny fikambanana BAFIAM ka isaorana izay rehetra nisalaha sy nifanampy tao anatin'ny fanantanterahana iny fankalazana iny, isaorana manokana ireto Ray aman-Dreny sy zoky ireto :
Mr RAKOTOSON Jean Laurent
Ministère ny Mesupres
Préfet Antsirabe
Chef Distrct(betafo)
Député Papasolo(faratsiho)
Député Dr Lova (betafo)
Député Miarintsoa(Ambatolampy)
Ny disciple FC
Ny président ny MITABE(Miray TAnteraka Betafo)
FITEVA(Fikambanana Ifanampian'ny TEraky VAkinakaratra)
Ny Police Nationale
Ny DRAP analamanga
Ny Gendarmerie nationale
Ny professeur amin'ny Universités avy any amin'ny district ny betafo
Mr Willy(Directeur FIFAMANOR)
Ny Président nifandimby rehetra tato anaty Bafiam indrindra ireo mpanorina sy ireo maintimolaly rehetra
MAFAMI
AJUVA(AJEA,JUNIORA, COJUA, BIRA, MAMIFARA, SEIISM)
BAFIAM fianaratsoa
Eto dia manantena hatrany ny fiarahamiasa aminareo zoky sy Ray aman-Dreny rehetra amin'ny ivon'ny fankalazana sy ireo hetsika maro be ho atao, tsy manavaka ary tsy mialonjafy ny fikambanana fa na iza na iza vonona hiaraka iasa amin'ny fikambanana dia misokatra amin'izany. Isaorana mitafotafo koa isika mpikambana rehetra tonga nanotrona iny fankalazana iny. Ialana tsiny raha nisy ny tsy fahatomombanana teo amin'ny fikarakarana Tompoko.Mankasitraka atsika rehetra ary Mirary ny soa sy ny tsara tompoko. Samia ho tahin'Andriamanitra.