10/08/2026
MiAdy Fototra....fa tsy hoe mpanabe misotro ronono ianao dia mialangalana 🔥🔥🔥
🇲🇬 ADY FOTOTRA — FANABEAZANA HO OLOM-PIRENENA VANONA
📍 Institut Supérieur de Technologie Régional Ambokala
📅 Alatsinainy 10 Aogositra 2026
🕣 8h30 – 11h00
Nandritra ny fananganan-tsaina niarahan’ny mpianatra, ny tompon’andraikitra ary ny mpiAdy Fototra, dia nohararaotina izany fotoana izany hampahatsiahivana ny hevitra sy soatoavina fonosin’ny fananganan-tsaina sy ny Hiram-pirenena.
Tsy fombafomba fotsiny mantsy ny fananganan-tsaina, fa fotoana iray mampahatsiahy antsika ny maha olom-pirenena antsika, ny andraikitsika ary ny adidintsika amin’ny firenena. 🇲🇬
Taorian’izay dia nitohy tamin’ny:
🔴 Fampahafantarana ny Hetsika ADY FOTOTRA, ny vina sy ny foto-kevitra ijoroany;
🔴 Famelabelarana ny Didy Folo Hafatra, ny hevitra fonosiny ary ny tokony ho fantatra mahakasika azy;
🔴 Fifanakalozan-kevitra mivantana tamin’ireo mpianatra, niainga tamin’ny fanontaniana sy fangataham-panazavana avy amin’izy ireo;
🔴 Fanentanana ny tsirairay mba tsy hijanona amin’ny fihainoana fotsiny, fa hiaina sy hampihatra ny Didy Folo ADY FOTOTRA amin’ny fiainana andavanandro, ary hampita ireo soatoavina ireo amin’ny manodidina azy.
Nahaliana sy nampahery ny fahavitrihan’ireo mpianatra nandritra ny fifanakalozana. Nisy tamin’izy ireo aza nangataka ny hisian’ny fihaonana manaraka, mba hahafahana mandalina bebe kokoa ireo lohahevitra sy manohy ny fifanakalozan-kevitra.
Izany indrindra no tanjon’ny ADY FOTOTRA: tsy ny hampita hafatra fotsiny, fa ny hamoha fahatsiarovan-tena, hampisy fifanakalozana ary hamporisika ny tsirairay ho olom-pirenena tompon’andraikitra sy mpandray anjara amin’ny fanorenana ny fiarahamonina.
🙏 Misaotra indrindra ny Institut Supérieur de Technologie Régional Ambokala, ireo tompon’andraikitra ary ireo mpianatra tamin’ny fandraisana sy ny fahavononana hifanakalo.
Bakoly Andrianjanaka sy ny ekipa Manakara no nanatanteraka ny fihaonana 🔥🔥🔥
🇲🇬 ADY FOTOTRA — Miainga amin’ny tena ny fanovana.
Madagasikara Mahatehonina 🔥🔥
fans
ADY Fototra