Association des Personnes Handicapés de Loharanombato A P H L

Association des Personnes Handicapés de Loharanombato A P H L Association qui promeut l'inclusion et l'autonomisation économique des personnes handicapées

10/07/2025

Miarahaba antsika indray o, ny APHL dia miantso antsika manana fahasembanana rehetra te hahay hanjaitra fa mampianatra maimaim_poana antsika izahay.
Toerana :Lycée Privé Mampitasoa Ampitatafika
Daty :21 juillet _21 Août 2025 am 8 _11 atoandro, Alatsinainy, Talata, Alarobia, Alakamisy.
Tongava maro, na lahy na vavy

"Ndao hiasa fa tsy hangataka fotsiny."

18/06/2024
Miarahaba antsika rehetra hatrany manaraka ny pejy Ankasitrahana indrindra ny fiaraha _ miasan'ny APHL sy ny Association...
18/06/2024

Miarahaba antsika rehetra hatrany manaraka ny pejy
Ankasitrahana indrindra ny fiaraha _ miasan'ny APHL sy ny Association Concrets fa tontosa soa aman_tsara ny fiofanana fambolena sy fiompiana kankana,famokarana ranonjezika Mbola miampy tantsoroka izay efa manomboka ankehitriny .Mpiofana miisa 50 no nisitraka izany izay nampiaty anay manana fahasembanana tanteraka satria hita tao avokoa ny karazana olona maro Liana tamin'izany sy maniry hihinana vokatra bio .
Noresahany ihany koa ny adisisika tokny ho tanterahina .
Hitohy hatrany ny fiaraha miasa .
Ny filoha,birao,mpikambana rehetra .

Miarahaba antsika manaraka ny pejy .Misaotra an'Andriamanitra lehibe fa vita ny fitokanana ny fanitarana ny fitandremana...
18/06/2024

Miarahaba antsika manaraka ny pejy .
Misaotra an'Andriamanitra lehibe fa vita ny fitokanana ny fanitarana ny fitandremana Ambohimamory Malala orimbato .Misaotra ny biraom_piangonana,ny filoha,ny komitin'ny fankalazana ny 150 taona fa nangataka ny filohan'ny APHL dia nahazo foto_drafitrasa natokana ho anay manana fahasembanana eto amin'ny fitandremana .Nanolotra fandraisana anjara izahay APHL sy ireo manana fahasembanana ao am fitandremana .Nampita hafatra ho an'ny foibe FJKM koa izahay tamin'ny alalan'ny Sekretera jeneraly syny solo_tenan'ny SPAA 10 ny hisitrahan'ireo namanay any amin'ny fitandremana manerana ny sahan'ny FJKM Zay voakasik'izany toy ny eto aminay ka mino izahay fa maro ireo hanara_dia ny eto Ambohimamory.
Mankasitraka indrindra tompoko ,ny Tompo hanafy Hery anareo hatrany am asa tanterahanareo .
Ho an'Andriamanitra irery ny Voninahitra .Amen

Misaotra ny Tompo fa vita ny fiofanana.22 mirahavavy mianaka no niatrika izany .19 mirahavavy no nahavita hatramin'ny fa...
27/04/2024

Misaotra ny Tompo fa vita ny fiofanana.22 mirahavavy mianaka no niatrika izany .19 mirahavavy no nahavita hatramin'ny farany Sady nahita vokatra tsara .Ny 14 amin'ireo Maniry ny Hiasa ka noraisin'ny Mihaja Crochet.
Asa izy ity fa tsy kabary.
Hitohy amin'ny fiofanana macramé indray izany afaka herinandro iray .
Mankasitraka Atoa Benny tanàna , Ramatoa Harisendra Seheno Ranarison reny mpiahy ny APHL,Ramatoa filohan'ny fokontany Loharanombato niara niasa akaiky tamin'ny lafiny rehetra.
Hiara handroso ao anaty fampiatiana,fahasamihafana isika rehetra.

Mianatra mampiasa ny fitaovana vaovao fanamboarana savony koa izahay .Vao voalohany androany .
23/04/2024

Mianatra mampiasa ny fitaovana vaovao fanamboarana savony koa izahay .
Vao voalohany androany .

Andro faharoa ny fiofanana, mahafinaritra n'y vokatra, mankasitraka marraine amin'ny fampiofanana .
23/04/2024

Andro faharoa ny fiofanana, mahafinaritra n'y vokatra, mankasitraka marraine amin'ny fampiofanana .

Natomboka androany 22 aprily 2024 ny fiofanana crochet izay karakarain'ny fikambanana APHL iarahana amin'ny mponina Amba...
22/04/2024

Natomboka androany 22 aprily 2024 ny fiofanana crochet izay karakarain'ny fikambanana APHL iarahana amin'ny mponina Ambavahaditokana.Nosokafan'ny filohan'ny fikambanana sy ny filohan'ny fokontany Loharanombato ary ny reny mpiahy ny APHL ny fotoana .
Nanome hery ireto vehivavy Tonga niofana ny fampianarana fohy nentin'ireo mpitarika ka nametrahana ny _discipline, faharetana,fahazotoana,fananana tanjona indrindra indrindra.
Vonona ary ny mpiofana miisa 20 mahery hiatrika ny herinandro .Samy manantena hahazo certificat izay mahatojo hatramin'ny farany.
Mankasitraka ny :
Mihaja crochet mampiofana maimaim_poana

Misaotra an'Andriamanitra lehibe fa tanteraka àntsakany sy andavany ny hetsika nokarakarain'ny APHL a droany asabotsy 9 ...
09/03/2024

Misaotra an'Andriamanitra lehibe fa tanteraka àntsakany sy andavany ny hetsika nokarakarain'ny APHL a droany asabotsy 9 martsa 2024.
Isaorana iany koa ireto rehetra ireto :
_ Antoko mpihira Ampifitia
_ Fjkm Ambavahaditokana fanilony i Kristy
_ Fjkm Ambohimamory Malala Orimbato
_ Fjkm Tangaina Fanantenana
_ FLM Fiadanana Ampitatafika
_ Ekar Ambohimamory
_Ekar Saint Michel Itaosy
_ EEM Anjanaminovola
_ Ny SAMPATI Ambohimamory
_ Ny Sekoly Alahady Ambohimamory
_Ny Antoko mpihira Oriela Ambohimamory
_Ny Radio Fanazavana
_ Ny Radio Teny Fiainana
_Ny RDJ (émission rivotra)
_ Isika nividy tapakila
_ Isika birao ,komity sy mpikambana
Tamin'ny fanohanana anay .
Ny Tompo hanonitra izay laninareo taminay .

Nifaly sy nifety izahay manana fahasemabana tato amin'ny APHL fa tanteraka soa amantsara ny fizarana krismasy fandaharam...
28/12/2023

Nifaly sy nifety izahay manana fahasemabana tato amin'ny APHL fa tanteraka soa amantsara ny fizarana krismasy fandaharam-potoana farany amin'ity taona 2023 ity.
Ankasitrahana tanteraka ireo fianankaviana ,tapaka sy namana nandray anjara tamin' ny operation koba,ireo fianakavina sy fikambanana nanohana ara-bola mivantana .
Tolorana fisaorana eto :
-ny fianankaviana RABEARIMANANA Tantely sy Manoa.
-ny fikambanana EZAKA ATSIMONDRANO tarihiny M Rocco sy Mme Tiana
-ny fianankaviana RANDRIASAMOELINARIVO Erilalaina sy Lanto izay efa mpanohana hatramin'izay ka hatramin'izao.
Andriamanitra manakarempahasoavana hameno ny banha tao anatin'ny kitapom-bolanareo ary hanampy izany ho avo zato heny ,omeny hery tanjaka fahasalamana ianareo hiatrehanareo ny adidinareo hatrany .
Ny filoha, birao , mpikambana rehetra .

Address

Lot Avenue 137 Ambohikely Loharanombato, Ambavahaditokana
Antananarivo
101

Telephone

+261340494399

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Association des Personnes Handicapés de Loharanombato A P H L posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share