20/03/2026
🌙 Tratry ny Alahamadibe !
Faly ny ekipan’ny ONG PIAH miarahaba antsika rehetra nahatratra izao Taom-baovao Malagasy izao. Ny Alahamadibe dia fotoana sarobidy hifampiarahabana, hifandeferana, ary indrindra hifanakalozana firariantsoa ho an’ny hoavy mamirapiratra.
Araky ny maha-izy azy ity fotoana ity dia kiririoka feno fanantenana no apetrakay ho an'ny malagasy rehetra:
Fahasalamana sy fahombiazana amin'ny asa aman-draharaha.
Firaisankina sy fifankatiavana ho an'ny fampandrosoana ny mpiara-belona.
Hery vaovao hatrany ho an'ireo marefo izay iarahantsika misantatra ny tsara kokoa.
Masoandro vao hitsidika, koa mirary antsika rehetra hanana taona feno fitahiana sy fahombiazana!
Tahian'Andriamanitra ny Malagasy! 🇲🇬