École Privée Tantely

École Privée  Tantely 32ans d'existence : "Savoir- Sagesse - Succès" compétence toujours maintenue- 32 taona "Fahalal?

12/01/2026

TOLOTRA ASA :

Ny Sekoly dia mitady mpampianatra ho an’ny kilasy faha-(CP 2/T.2)

Fepetra takiana :

-Manana traikefa amin’ny fampianarana.
-Manana mari-pahaizana BACC.
-Manana A.E (Autorisation d’Enseigner) manankery.
-Mahay miteny sy mampiasa ny teny frantsay tsara.

Ireo kandidà liana dia asaina hanatona mivantana ny biraon’ny sekoly
na hiantso ny laharana :
☎ 034 52 495 57

OFFRE D’EMPLOI :

L’Établissement scolaire recrute un(e) enseignant(e) pour la classe de 10ᵉ.
Profil requis :

-Expérience dans l’enseignement.
-Titulaire du Baccalauréat.
-Détenteur(trice) d’une Autorisation d’Enseigner (A.E).
-Bonne maîtrise de la langue française, à l’oral comme à l’écrit.

Les candidat(e)s intéressé(e)s sont invité(e)s à se présenter directement au bureau de l’établissement
ou à contacter le numéro ci-dessous :
📞 034 52 495 57

📢 FANAMBARANA HO AN’NY RAY AMAN-DRENYMikasika ny nendran-drajako (MPOX)Ray aman-dreny,➡️ Tsy alefa mianatra ny zaza raha...
07/01/2026

📢 FANAMBARANA HO AN’NY RAY AMAN-DRENY

Mikasika ny nendran-drajako (MPOX)

Ray aman-dreny,

➡️ Tsy alefa mianatra ny zaza raha misy soritr’aretin’ny nendam-boalavo an-drajako (MPOX).
➡️ Ny fiverenana an-tsekoly dia atao raha misy taratasy fanamarinana avy amin’ny mpitsabo ihany.

🏠 Fepetra tokony ho atao any an-trano hiadiana amin’ny MPOX

1️⃣ Atsaharo ny fifandraisana akaiky

Aza mifandray akaiky amin’ny hafa (famihinana, torimaso miaraka, filalaovana akaiky)

Atao misaraka efitra raha azo atao

2️⃣ Fanasana tanana sy fanaovana aro-vava

Sasao rano sy savony matetika ny tanana

na mampiasa gel hydroalcoolique

Manaova aro-vava rehefa:

mifandray amin’ny olona hafa

miresaka akaiky

mivoaka ny efitra misy ny marary

3️⃣ Aza mizara fitaovana

Aza mizara:

lamba famaohana

akanjo

bodofotsy

lovia sy sotro

4️⃣ Diovy sy sasao tsara

Sasao misaraka amin’ny hafa:

akanjon’ny marary

lambam-pandriana

Diovy isan’andro ny:

latabatra

varavarana

finday

kilalaon-jaza

5️⃣ Sarona ny fery

Raha misy mony na fery:

sarony lamba madio

aza kikisana na tsapain-tanana

6️⃣ Ampidirina rivotra madio

Sokafy matetika ny:

varavarankely

varavarana

7️⃣ Mandeha any amin’ny mpitsabo

Raha misy:

tazo

mony na fery

fihary mivonto
👉 Mandehana avy hatrany any amin’ny tobim-pahasalamana

8️⃣ Tsy miverina an-tsekoly raha tsy sitrana

Miverina mianatra raha misy taratasy avy amin’ny mpitsabo ihany

🙏 Miara-miasa isika hiarovana ny fahasalaman’ny ankizy sy ny fiarahamonina.
Misaotra anareo ray aman-dreny amin’ny fiaraha-mientana.

02/01/2026

✨ Tratry ny taona vaovao 2026 ✨

Ny Mpintantana eto amin'ny sekoly dia manolotra firariantsoa feno ho an’ny ray aman-dreny, mpianatra, mpampianatra ary ny mpikambana rehetra.

Enga anie ity taona vaovao ity hitondra fahasalamana, fahombiazana amin’ny fianarana, fifehezantena ary fandrosoana ho an’ny rehetra.

Ny sekoly dia miezaka hatrany mampianatra ny ankizy hianatra amin’ny fahamarinana, amin’ny fahazotoana mba hanao ny marina sy ny tsara foana amin’ny fianarana ataony.

🎓 Mirary taona feno fahombiazana ho an’ny rehetra !

29/09/2025

Miarahaba tompoko! Miverina mianatra ny mpianatra manomboka rahampitso. Entanina kosa ny rehetra mba hanara-baovao ary miala tsiny raha toa ka misy fiovaovana tampoka izay tsy miankina aminay. Mirary soa ho an’ny rehetra ary samy mivavaka ho an’ny firenena. 🙏

Vita soa aman-tsara ny fiofanana sy fampahafantarana naharitra 3 andro, natokana ho an’ireo mpanabe sy tompon’andraikitr...
30/08/2025

Vita soa aman-tsara ny fiofanana sy fampahafantarana naharitra 3 andro, natokana ho an’ireo mpanabe sy tompon’andraikitra eto amin’ny Sekoly TANTELY ka nahafahan’izy ireo nandray fampahalalana sy fahalalana nohavaozina.

La session de formation et d’information d’une durée de trois jours s’est déroulée avec succès au profit des éducateurs et des responsables de l’École TANTELY, leur permettant de bénéficier de connaissances actualisées.

The three-day training and information session was successfully completed for the educators and officials of TANTELY School, enabling them to benefit from updated knowledge and information.

25/08/2025
💢Dingana farany !💢Mbola mitohy ny fisoratana anarana sy fanavaozana anarana ao amin’ny Sekoly TANTELY,  toerana vitsy si...
18/08/2025

💢Dingana farany !💢
Mbola mitohy ny fisoratana anarana sy fanavaozana anarana ao amin’ny Sekoly TANTELY, toerana vitsy sisa no mbola misy amin’ny kilasy sasany koa tongava mamita izany .

⚒️Ny ekipanay izay efa mirotsaka amin’ny fanavaozana sy fanatsarana ny sekoly, hiomanana amin’ny taom-pianarana vaovao.

📚Fahalalana • Fahendrena • Fahombiazana📚
Andeha isika hiara-hanorina ny hoavin’ny ankizy !

Mbola misokatra ny fisoratana anarana sy fanavaozana !Toerana vitsy sisa ka aza tara 🙏.
10/08/2025

Mbola misokatra ny fisoratana anarana sy fanavaozana !
Toerana vitsy sisa ka aza tara 🙏.

🎒 Ry ray aman-dreny sy mpianatra hajaina,Mbola mitohy ny fisoratana sy fanavaozana anarana eto amin’ny Sekoly TANTELY !⚠...
04/08/2025

🎒 Ry ray aman-dreny sy mpianatra hajaina,

Mbola mitohy ny fisoratana sy fanavaozana anarana eto amin’ny Sekoly TANTELY !

⚠️ Efa mihavitsy ny toerana, ary efa akaiky ny famaranana amin’ny kilasy sasany koa tongava mamita ny fisoratana anarana dieny izao !

📍 Misokatra ny birao ny Alatsinainy ka hatramin’ny Asabotsy maraina sy tolakandro.

📞 Raha mila fanazavana fanampiny na koa hamandrika toerana dia tsy miova ny laharam-pifandraisana.

Tel : 0345249557

03/07/2025

Ry ray aman-dreny, ankizy mpianatra,

Mifarana indray ny taom-pianarana ka alohan’ny hidiran’ny rehetra amin’ny fialan-tsasatra dia maniry izahay ny hizara fisaorana avy amin’ny fo.

Misaotra anareo ray aman-dreny sy mpianatra tamin’ny fitokisana sy ny fanohanana nasehonareo nandritra ity taona ity.
Nahita fandrosoana sy fivelarana ianareo ary tena reharehanay izany.

⭐️Tsiahivina ihany koa fa :
EFA MISOKATRA NY FISORATANA ANARANA SY NY FAMERENANA FISORATANA ANARANA HO AN’NY TAOM-PIANARANA HO AVY.
Afaka manatona ny birao ianareo ISAN’ANDRO MANOMBOKA NY ALATSINAINY HATRAMIN’NY ZOMA MARAINA AMIN’NY 8H HATRAMIN’NY 11H30, ARY NY HARIVA AMIN’NY 2ORA HATRAMIN’NY 4ORA.⭐️

Mirary fialan-tsasatra mahafinaritra ho anareo rehetra ary manantena ny hifankahita indray tsy ho ela.

Fisaorana manokanaMankasitraka sy mankatelina anareo rehetra izahay. Ray aman-dreny, mpampianatra, mpianatra, mpiara-mia...
12/05/2025

Fisaorana manokana

Mankasitraka sy mankatelina anareo rehetra izahay. Ray aman-dreny, mpampianatra, mpianatra, mpiara-miasa ary ireo mpiara-miombon’antoka izay niara-nisalahy tamin’ny fanatontosana ny fetin-tsekoly. Noho ny ezaka sy fanoloran-tenanareo dia tonga lafatra sy nahafinaritra tanteraka ny lanonana. Tsy ho hadino velively ny fifaliana sy firaisankina niseho. Misaotra indrindra tamin’ny fanohanana sy fandraisana anjara feno fitiavana!

Santionan'ireo sary vitsivitsy nalaina nandritra ny lanonana.

Address

Antananarivo

Telephone

+261345249557

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when École Privée Tantely posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share