Jesosy Mamonjy mijoro amin'ny fotom-pampianarana

Jesosy Mamonjy mijoro  amin'ny fotom-pampianarana Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Jesosy Mamonjy mijoro amin'ny fotom-pampianarana, Antananarivo.

✅Mijoro ho @ fahamarinana

✅Fiarovana sy fampijoroana ny fotom-pampianarana Jesosy Mamonjy izay nitarihan'ny Ray aman-dreny mpanorina

✅Fiarovana ny asan'Andriamanitra
✅Fampaherezana sy hafatra velona
✅Fitaomana ireo very
✅Fikatsahana fifohazam-panahy

Nahatanteraka ny fihazakazahany i Pasteur RAKOTOMALALA Stanislas ✝️ Mirary fihononana feno ho an'ny Fianakaviana manonto...
13/08/2026

Nahatanteraka ny fihazakazahany i Pasteur RAKOTOMALALA Stanislas ✝️

Mirary fihononana feno ho an'ny Fianakaviana manontolo sy ny zanany aram-panahy.

Entanina ihany koa isika mpino hanantenteraka an'ilay tenin'ny Tompo hoe "....ary miaraha mitomany amin'izay mitomany. — Romana 12 : 15

09/08/2026

FOTOAM-PIVAVAHANA Alahady Maraina

📆 09, Aogositra 2026
💒Fiangonana Jesosy Mamonjy Tsarahonenana

05/08/2026

Zava-misy eny amin'ny Fiangonana Jesosy Mamonjy Anosibe amin'izao fotoana izao.

Raha tsiahivina dia ny avy amin'ny ekipan'i pasteur Raymond avy ao Ankorondrano mitondra jiolahimboto karamainy mamoka amboletra ny entan'ny vady amanjanak'i pasteur Régis

05/08/2026

URGENT 📢🚨
Amin'izao ora hanoratana izao dia :
Mitondra jiolahimboto 14 isa ny avy amin'i tarik'i pasteur Raymond manala ankeriny sy mamoka ny entan'ny vady amanjanak'i pasteur Régis ao @ JM Anosibe.

02/08/2026

FOTOAM-BAVAKA HARIVA 🔥

📆Alahady lohavolana aogositra 2026
💒Fiangonana Jesosy Mamonjy Tsarahonenana Antananarivo

02/08/2026

Lohavolana AOGOSITRA 🔥

📆Alahady, 02 Août 2026 (tapany maraina)
💒Fiangonana Jesosy Mamonjy Tsarahonenana

Isaorana sy ankalazaina Andriamanitra Tsitoha, fa Izy no nitarika sy niaro ny Fiangonana nandritra izao dingana rehetra ...
30/07/2026

Isaorana sy ankalazaina Andriamanitra Tsitoha, fa Izy no nitarika sy niaro ny Fiangonana nandritra izao dingana rehetra izao .

Maneho fankasitrahana feno ihany koa izahay ho an’ireo manam-pahefana, noho ny fihainoana ny andaniny sy ny ankilany, ny fandraisana andraikitra ary ny fikatsahana vahaolana am-pilaminana.🙏

📌📌📌 Araka ny toromarika nomen’ny manam-pahefana, dia tapitra ny fe-potoam-piasan’ny Filankevitra Mpitantana (CA), ary hatsangana ny Mpiara-mitantana hitantana vonjimaika ny raharaha, araka ny fepetra sy ny torolalana napetraka.

Manentana antsika rehetra izahay mba handray izany amin’ny fitoniana, fanajana ary firaisankina, sady hanohy hitondra am-bavaka ireo rehetra handray andraikitra amin’ity dingana vaovao ity.

🙏 Aoka isika tsy hitsahatra hivavaka, satria:

> “Raha miasa Aho, iza no hahasakana izany?”
— Isaia 43:13

Mino isika fa Andriamanitra no mitarika ny tantaran’ny Fiangonany, ary Izy ihany no hanome fahendrena sy hanokatra ny lalana mankany amin’ny fihavanana, ny fahamarinana ary ny fanarenana.❤️

Misaotra antsika rehetra noho ny faharetana, ny fitoniana, ny firaisankina ary ny vavaka tsy nitsahatra.

📢 Hampitaina eto amin’ity pejy ity hatrany ny tohin’ny raharaha sy ireo vaovao manaraka, raha vao misy fanazavana na fanapahan-kevitra vaovao voaray.

Ho an’Andriamanitra irery anie ny voninahitra! 🙏








30/07/2026

Fa Andriamanitra tsy hanome rariny ny olom-boafidiny va, izay mitaraina aminy andro aman'alina, ary moa hitaredretra va Izy? — Lioka 18 : 7 🙏❤️

30/07/2026

Izaho no Izy, Ary tsy misy maharombaka amin'ny tanako; Miasa Aho, ka iza moa no mahasakana izany? — Isaia 43 : 13

26/07/2026

Miainga mivantana eto amin’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy Tsarahonenana' 💒

FOTOAM-BAVAKA ALAHADY MARAINA 🙏🏼
📆Alahady, 26 Jolay 2026

Address

Antananarivo

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Jesosy Mamonjy mijoro amin'ny fotom-pampianarana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Jesosy Mamonjy mijoro amin'ny fotom-pampianarana:

Shortcuts

Share