31/03/2026
๐ฟ๐
๐ข๐จ๐๐๐ง๐๐ง๐ ๐ฆ๐จ๐ฆ๐๐ ๐ง๐ฒ โ๐๐๐๐๐ ๐ฎ๐๐ซ๐๐ข๐ง๐ โ & โ๐๐๐๐๐โ
Ny fiarovana ny zavamananaina isan-karazany dia midika ihany koa fiarovana ireo olona miasa ho aminโizany!
๐ณNy tetikasa Fitantanana Maharitra Holovain-jafy (FMH) dia mametraka ny olombelona eo afovoan'ny asany. Ho anโny tetikasa, zava-dehibe indrindra ny fiarovana ny zon'olombelona, ny antoka sy ny filaminan'ny ekipa sy ny fiarahamonina eo aminโny faritra iasany. Tsy misy toerana eo amin'ny tetikasa ny endrika herisetra, na fanararaotana amin'ny lafiny rehetra.
๐Noho izany no nanatontosana fiofanana sy fampahafantarana momba ny โSafeguardingโ sy ny โPSEAHโ tamin'ny 18โ19 Martsa 2026 tany Sambava.
Mpikambana enina amby roapolo avy amin'ny ekipan'ny faritra arovana Makirovana โ Tsihomanaomby, toerana iasanโny Missouri Botanical Garden (MBG), no nandray anjara tamin'ireo fifanakalozana nandritra ny roa andro ireo, izay notarihin'ny Tompon'andraikitra misahana ny Safeguarding avy amin'ny RBG Kew Madagascar.
โ
Tamin'ny alalan'ny fomba fiasa ifandrimbonana toy ny fifampifangaroana ny fifampizarana sy ny lalao an-tsehatra no nafahanโireo mpandray anjara:
- Nahazo fahatakarana lalina momba ny hevitra fototra momba ny fanararaotana sy ny herisetra.
- Nampiditra ny fitsipika momba ny tsy fandeferana velively sy ny fiarovana ny niharam-boina.
- Nampitombo ny fahatsapan-tena momba ny fitondran-tena azo antoka sy ny fitsipi-pitondrantena.
- Nahafantatra ny fomba fiasa amin'ny fampandrenesana ao anaty tsiambaratelo tanteraka.
๐กAnkehitriny ny ekipa manontolo dia mahafantatra tanteraka ny andraikiny.
๐คMiara-miasa, manamafy ny kolontsain'ny fahamendrehana sy ny fanajana manerana ny toeram-piasana, ka mamorona tontolo iasana azo antoka, izay tena ilaina amin'ny fanatrarana ny tanjon'i Madagasikara amin'ny fiarovana ny tontolo iainana.
________________________________________
๐ฟ๐
๐จ๐ซ๐ฆ๐๐ญ๐ข๐จ๐ง ๐๐๐๐๐ ๐ฎ๐๐ซ๐๐ข๐ง๐ & ๐๐๐๐๐
Protรฉger notre biodiversitรฉ, c'est aussi protรฉger ceux qui y travaillent !
๐ณLe projet Fitantanana Maharitra Holovain-jafy (FMH) place l'humain au centre de ses actions. Pour nous, assurer les droits de l'homme, la sรฉcuritรฉ et le bien-รชtre de nos รฉquipes et des communautรฉs est d'une importance capitale. Aucune forme de prรฉjudice, d'abus ou d'exploitation n'a sa place dans notre travail.
๐Cโest dans cet engagement fort que s'est tenue une session de formation โ sensibilisation sur le Safeguarding et PSEAH du 18 au 19 mars 2026 ร Sambava.
Vingt-six membres dรฉvouรฉs de lโรฉquipe de lโaire protรฉgรฉe Makirovana - Tsihomanaomby du Missouri Botanical Garden (MBG) ont participรฉ ร ces deux journรฉes riches en รฉchanges, facilitรฉes par le Safeguarding Officer de RBG Kew Madagascar.
โ
ร travers une approche interactive mรชlant discussions et jeux de rรดle, les participants ont pu :
- Comprendre en profondeur les concepts de prรฉjudice et d'abus.
- Intรฉgrer les principes de tolรฉrance zรฉro et de protection des victimes.
- Se sensibiliser aux comportements sรปrs et au code de conduite.
- Maรฎtriser les mรฉcanismes de signalement en toute confidentialitรฉ.
๐กToute lโรฉquipe comprend dรฉsormais parfaitement ses responsabilitรฉs.
๐คEnsemble, nous renforรงons une culture d'intรฉgritรฉ et de respect au sein de nos sites, crรฉant ainsi un environnement interpersonnel sain et sรฉcurisant, indispensable pour atteindre les objectifs de conservation de Madagascar.
________________________________________
๐ฟ๐๐๐๐๐ ๐ฎ๐๐ซ๐๐ข๐ง๐ & ๐๐๐๐๐ ๐ญ๐ซ๐๐ข๐ง๐ข๐ง๐
Protecting our biodiversity also means protecting those who work to preserve it!
๐ณThe Fitantanana Maharitra Holovain-jafy (FMH) project places people at the heart of its work. For us, safeguarding the human rights, safety and well-being of our teams and communities is of paramount importance. No form of harm, abuse or exploitation has any place in our work.
๐It was with this strong commitment in mind that a training and awareness-raising session on Safeguarding and PSEAH was held on 18โ19 March 2026 in Sambava.
Twenty-six dedicated members of the MakirovanaโTsihomanaomby Protected Area team from the Missouri Botanical Garden (MBG) took part in these two days of fruitful discussions, facilitated by the Safeguarding Officer from RBG Kew Madagascar.
โ
Through an interactive approach combining discussions and role-play, participants were able to:
- Gain an in-depth understanding of the concepts of harm and abuse.
- Embed the principles of zero tolerance and victim protection.
- Raise awareness of safe behaviours and the code of conduct.
- Master the mechanisms for reporting incidents in complete confidentiality.
๐กThe whole team now fully understands their responsibilities.
๐คTogether, we are fostering a culture of integrity and respect across our sites, thereby creating a healthy and supportive working environment, which is essential for achieving Madagascarโs conservation goals.