02/09/2026
NOA, ILAY LEHILAHY MARINA SY TSY NISY TSINY TEO ANATREHAN'ANDRIAMANITRA
Noa dia lehilahy iray ao amin’ny Baiboly, voalaza ao amin’ny Genesisy toko faha-6 ka hatramin’ny faha-9.
🧷Zanak’i Lameka izy ary anisan’ireo taranaky Seta, zanak’i Adama.
🧷Lazaina fa olona marina sy nankatò an’Andriamanitra i Noa.
🧷Rehefa nanjaka ny faharatsiana teo amin’ny olombelona, dia nifidy an’i 🧷Noa Andriamanitra mba hanavotra ny fianakaviany tamin’ny Safodrano.
🧷Izy no nanamboatra ilay sambofiara, araka ny baikon’Andriamanitra.
🧷Taorian’ny Safodrano, i Noa sy ny fianakaviany no anisan’ireo tafavoaka sy nanohy ny taranak’olombelona.
👉 Raha fintinina: Noa dia olona marina sya mpankatò an’Andriamanitra, izay nampiasain’Andriamanitra hamonjena ny fianakaviany tamin’ny Safodrano.