07/08/2026
TSY MIJANONA FA MIROSO TSIKELIKELY NY ASA! 🚜💪
Mandroso hatrany ny asa fanamboarana ny lalana Bebozaka Antsampamahazo.
Ireo mpamboly mampiasa ny rano dia mandray anjara mavitrika amin'ny fanamboarana ny dalot. Tena maneho fa miova miaraka amin'ny lalana ihany koa ny toetsaina: miray hina sy miara-misalahy ho amin'ny tombontsoan'ny rehetra.
Ny tanjona dia mazava:
- Hiarovana ny lalana tsy ho simba;
- Hahafahan'ny rano mivezivezy tsara;
- Hampandroso ny fambolena sy hanamora ny fiainan'ny mponina.
Mandeha ihany koa amin'izao fotoana izao ny fanamboarana dalot roa hafa. Raha vantany vao vita ireo, dia ho 4 ny isan'ny dalot vita.
Ho an'ireo dalot lehibe sy ny asa sisa tavela kosa dia efa eo am-pandaminana ny fitaovana sy ny enti-manana ilaina hanohizana ny asa.
Noho izany, ny Déjeuner Dansante karakarain'ny Zanaka Ampielezana amin'ny Asabotsy 15 Aogositra dia natao indrindra hanangonana enti-manana hanohizana ity asa lehibe miandry .
Manentana antsika rehetra handray anjara mavitrika, satria ny fandraisan'anjaran'ny tsirairay no mampandroso ny asa sy mitondra fampandrosoana maharitra ho an'i Antsampamahazo.