19/03/2026
❔ Inona marina ny diabeta?
Partie 3
Hitantsika teo aloha ny famaritana ny atao hoe diabeta sy ny fisehony.
✨ Androany isika dia hiresaka momban'ny antony mahatonga ny diabeta.
✅ Amin'ny ankapobeany,
☑️ misy ny antony ara-toe-batana (🧬 génétique)
☑️ misy nohon'ny fomba fiainana
1️⃣ Amin'ny Diabète type 1:
✅ Ny hery fiarovan'ilay olona ihany no nanafika sy nanimba ny sarak'aty (pancréas).
Pancréas izay mamokatra ny singa mandevona ny siramamy anaty rà (insuline)
✅ Ny mampikorontana izay hery fiarovana izay raha ny hitan'ireo mpikaroka dia amin'ireto:
☑️ Virus niteraka korontana (ity no tena matetika)
☑️ Fikorontànan'ny fiarahamonin'ny mikraoba ao anaty kibo
☑️ Toeram-ponenana madio loatra ka tsy ampy kotrana ny hery fiarovana (mivaralila)
2️⃣ Diabète type 2:
✅ Mihinana mamy sy matavy betsaka loatra sy matetika loatra hany ka tsy voalevona tsara intsony (reraka ny sarak'aty)
✅ Tsy ampy fanatanjahan-tena
✅ Bota loatra hany ka tsy mandray intsony ny sela (cellules) amin'ny vatana (résistance à l'insuline)
✅ Simban'ny toaka ny sarak'aty
✅ Simban'ny zavatra toy ny ranona mangahazo (ranony voalohany iny) ny sarak'aty.
✅ Stress (rarin-tsaina) na/sy fikorontànan'ny torimaso maharitra loatra
☑️ mikorontana ny tsimpanentana (hormones) toy ny cortisol
=> Mamokatra siramamy bebe kokoa ny vatana.
3️⃣ Diabète type 3 (amin'ny vehivavy bevohoka)
✅ Tsy misy hoe antony fantatra mahatonga azy fa ny fanatatra dia
☑️ Raha efa nisy taloha dia mety mbola hisy
☑️ Raha ngeza be ny zaza aterak, mety ho fambàra izany.
Amin'ny parties 4 no hiresaka momban'ny tokony ho atao.
Araho ny pejy.
Zarazarao.