14/07/2026
🥲
FIARAHANA ORY
Ny Alliance Voahary Gasy dia maneho ny fiarahanay ory amin'ny fianankavian'i Raymond noho izao fahalasany tampoka izao.
Izy moa dia anisan'ireo mpiara-dia naharitra tamin'ny AVG tamin'ny asa fiarovana ny tontolo iainana sy ny ady sisika rehetra ho amin'izany tany amin'iny faritra DIANA iny, indrindra tamin'ny andraikitra izay nosahaniny tao amin'ny Observatoire Indépendant des Droits Economiques, Sociaux et Culturels à Madagascar (OIDESCM)
Very olo-manga sy manam-pahaizana tokoa ny fiarovana ny zava-boahary eto Madagasikara amin'izao fahalasany izao.
Mampahery ireo mpiara-miasa aminy akaiky ihany koa izahay. Tsy ho adinoina ny zava-bitany ho an'ny zavaboahary eto Madagasikara.
AVG.