Ordre des Géomètres Experts De Madagascar,Pejy Ofisialy

Call Website Contact the organization

Ordre des Géomètres Experts De Madagascar,Pejy Ofisialy L'OGEM a pour but la promotion et la redynamisation de la profession de Géomètre Expert à Madagascar

Amin'alahelo lehibe no hampandrenesan'ny Ordre des Géomètres Experts de Madagascar anareo ny fahalasan'ny mpikambana ao ...
04/08/2026

Amin'alahelo lehibe no hampandrenesan'ny Ordre des Géomètres Experts de Madagascar anareo ny fahalasan'ny mpikambana ao aminy dia ny Géomètre Expert de Madagascar RABEMALAZAMANANA.
Etoana ny Holafitra dia maneho fiaraha-miory feno amin'ny fianakaviany sy ny Géomètre Expert rehetra ary ireo mpiara miasa aminy satria very andrarezina tokoa isika.
Ny famangiana izay ho ataon'ny Holafitra dia ho tanterahina androany 04 Aogositra 2026 amin'ny 05 Ora ariva eny Ankaraobato.
Ho an'ireo tapaka sy namana izay hiaraka hanao izany adidy farany izany dia eo amin'ny Commune Ankaraobato ny fotoana androany amin'ny 4 ora sy 45 minitra ariva.
Mandria ampiadanana Ramose Rabe!!!!😢

!!!𝐅𝐈𝐋𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐀𝐍𝐉𝐎!!! Amin'ny alahelo lehibe no ampandrenesanan'ny Ordre des Géomètres Experts de Madagascar anareo ny fo...
26/06/2026

!!!𝐅𝐈𝐋𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐀𝐍𝐉𝐎!!!
Amin'ny alahelo lehibe no ampandrenesanan'ny Ordre des Géomètres Experts de Madagascar anareo ny fodiamandrin'ny Géomètre Expert de Madagascar, 𝐑𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐓𝐒𝐈𝐅𝐄𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐒𝐲𝐥𝐯𝐞𝐬𝐭𝐫𝐞, ny Alakamisy 25 Jona 2026 lasa teo.
Ny Holafitra dia maneho fiaraha-miory tanteraka amin'ny fianakaviany manontolo sy ny Géomètre Expert rehetra ary ireo mpiara-miasa aminy noho izao fahalasany izao.
Ny famangiana ho ataon'ny Holafitra dia ho tanterahina ny Sabotsy 27 Jona 2026 amin'ny 6ora sy 30minitra maraina eny amin'ny trano fonenany eny Ambohimanandray Ambohimanarina.
Ho an'izay rehetra hamangy hiaraka amin'ny Holafitra dia eo amin'ny FJKM Ambohimanandray Ambohimanarina ny fotoana amin'ny 6ora sy 15 minitra.
Araka ny fandaharam-potoana nampitan'ny fianaviana kosa ho an'izay hamita ny adidy farany dia hiala ao antrabony ny sabotsy amin'ny 7 ora maraina ny razana ary ho entina ao amin'ny FJKM Ambohidroa mialoha ny hanaterana azy any Anjanadoria, Mahitsy.
Mandria am-piadanana Chef Sylvestre🕊️

La passation de pouvoir entre les membres du Bureau National sortant et ceux du Bureau National entrant de l’Ordre des G...
09/06/2026

La passation de pouvoir entre les membres du Bureau National sortant et ceux du Bureau National entrant de l’Ordre des Géomètres-Experts de Madagascar (OGEM), conduite respectivement par le Président National sortant, Monsieur RAKOTOMALALA Nasoavina, et le Président National entrant, Monsieur RAMAMONJISOA Anja Fabrizio, s’est tenue le lundi 08 juin 2026 au siège de l’OGEM à Andrefan'Ambohijanahary.

Cette cérémonie s’est déroulée en présence de plusieurs personnalités de l’Ordre, notamment les membres du Conseil de l’Ordre, les Présidents Régionaux ainsi que de nombreux confrères venus témoigner leur soutien à la nouvelle équipe dirigeante.

À cette occasion, le Président sortant a adressé ses chaleureuses félicitations au nouveau Président National et aux membres de son Bureau pour la confiance qui leur a été accordée. Il leur a également exprimé ses vœux de plein succès dans l’exercice de leurs fonctions et a formulé ses bénédictions pour la réussite, le développement et le rayonnement de l’OGEM.

Tontosa soamantsara ny erinandro lasa teo tany Foulpointe (ny 19 ka hatramin'ny 22 May 2026) ny Fihaonambe Ara-potoana 2...
27/05/2026

Tontosa soamantsara ny erinandro lasa teo tany Foulpointe (ny 19 ka hatramin'ny 22 May 2026) ny Fihaonambe Ara-potoana 2026 ny Holafitry ny Mpandrefy Tany Mpahay Raha eto Madagasikara.
Tonga nanome voninahitra izany fotoan-dehibe izany ny solotena avy amin'ny Ministeran'ny Fanajariana ny Tany sy ny Fananan-tany ary ny solotenam-panjakana maro avy any antoerana.
Teboka maro no nodinihina tamin'izany fihaonambe ara-potoana izany ka anisan'izany ny fanatsarana sy fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin'ny Holafitra sy ny Direction des Services topographiques ary koa ny ho fanatsarana hatrany ny fomba fiasan'ny Mpandrefy Tany Mpahay Raha sy fiarovana ny asan'izy ireo ary indrindra ny fanantonanana akaiky kokoa ny mpila raharaha.
Eo ihany koa ny fanatsarana hatrany ny fomba fiasan'ny Holafitra sy ny mpikambana amin'ny fiezahana hatrany ny fanarahana ny fivoaran'ny teknolojia ary ny fametrahana ho nomerika ny asa atao rehetra eo anivon'ny Halafitra amin'ny fampiasana ny tranonkala sy ny "plateforme numérique" E-araka sy E-zahatany.
Tontosa ny Alakamisy 21 May teo ihany koa ny fifidianana ny Birao Nasionaly sy Rejionaly vaovao izay hitantana ny Holafitra mandritry ny telo taona manaraka ary hanohy ny ezaka fampandrosoana lehibe izay nataon'ny mpitantana teo aloha.
🔹 Ireto avy ireo handrafitra ny Birao Nasionaly vaovao izay hitantana indray ny Holafitra :
▪️ 𝗣𝗿𝗲́𝘀𝗶𝗱𝗲𝗻𝘁 National : Andriamatoa 𝗥𝗔𝗠𝗔𝗠𝗢𝗡𝗝I𝗦𝗢𝗔 Anja Fabrizio
▪️ 𝗩𝗶𝗰𝗲-𝗣𝗿𝗲́𝘀𝗶𝗱𝗲𝗻𝘁 National : Andriamatoa 𝗥𝗔𝗦𝗔𝗡𝗗𝗜𝗙𝗘𝗥𝗔 Dimbisoa Martial
▪️ 𝗦𝗲𝗰𝗿𝗲́𝘁𝗮𝗶𝗿𝗲 𝗚𝗲́𝗻𝗲́𝗿𝗮𝗹 :Ramatoa 𝗥𝗔𝗛𝗘𝗟𝗜𝗔𝗥𝗜𝗦𝗢𝗔 Tsirinirina
▪️ 𝗧𝗿𝗲́𝘀𝗼𝗿𝗶𝗲𝗿 : Andriamatoa 𝗥𝗔𝗞𝗢𝗧𝗢𝗔𝗥𝗜𝗠𝗔𝗡𝗔𝗡𝗔 Mamitiana
▪️ 𝗥𝗲𝘀𝗽𝗼𝗻𝘀𝗮𝗯𝗹𝗲 𝗱𝗲 𝗹𝗮 𝗰𝗼𝗺𝗺𝘂𝗻𝗶𝗰𝗮𝘁𝗶𝗼𝗻 𝗲𝘁 𝗱𝗲 𝗹’𝗶𝗻𝘀𝗽𝗲𝗰𝘁𝗶𝗼𝗻 : Andriamatoa 𝗥𝗔𝗞𝗢𝗧𝗢𝗔𝗥𝗜𝗠𝗔𝗡𝗚𝗔 Niriantsa

🔸 𝗖𝗼𝗻𝘀𝗲𝗶𝗹𝗹𝗲𝗿𝘀 :
* Ramatoa 𝗔𝗡𝗗𝗥𝗜𝗔𝗠𝗜𝗔𝗡𝗗𝗥𝗔𝗦𝗢𝗔 Fifaliana
* Andriamatoa
𝗥𝗔𝗠𝗔𝗥𝗢𝗟𝗔𝗛𝗬 Jacquelin
Nitondra ny anjara birikiny ihany koa ny Holafitra tamin'ny fandrefesana maimaim-poana ny tanin'ny sekolim-panjakana ao Foulpointe izay niraha niasa tamin'ny Sampandraharahan'ny Fananan-tany sy Fandrefesan-tany tao Toamasina II tamin'ny alalan'ny ODOC ka nahafahana nanolorana ny bokin-tany ho an'ireo nisitraka izany.

19/05/2026

Fampahafantarana!!!
Ny Holafitry ny Mpandrefy tany Mpahay Raha eto Madagasikara (OGEM) dia manatanteraka ny Assemblée Generale Ordinaire izay tanterahina any Foulpointe,manomboka ny Talata 19 ka hatramin'ny 22 May 2026 ho avy izao.
Mandritra io fotoana izany dia hisy ny fihatoan'ny asa fandrefesan-tany manerana ny Nosy, afa tsy ny asam-panjakana sy izay iarahana amin'ny fitsarana ihany.
Ka noho izany dia maneho ny fialantsiny be indrindra amintsika vahoaka izay mety tratran'izany fanelingelenana izany ny Holafitra.
Miverina amin'ny laoniny kosa izany aorinan'izao fihaonambe izao.
Ny Holafitra

07/05/2026

Salama oh ☺️
Izahay eto amin’ny Holafitry ny Mpandrefy Tany Mpahay Raha dia namokatra lahatsary fanentanana matihanina sy ara-institisiona ho fampahafantarana antsika vahoaka Malagasy ny momba ny andraikitra, ny iraka ary ny rafitra ara-dalàna momba ny Mpandrefy Tany Mpahay Raha, hanandratra ny asa ary hanamafy ny fitokisan’ny mpanjifa amin’ny raharaha momba ny tany.

Koa Mijere sy Mankafiza finaritra ary Tompoko 🥰

Loharanon-Tsary: OGEM ANALAMANGA

Bonjour à Tous ☺️
Nous, au sein de l’Ordre des Géomètres Experts, avons réalisé une vidéo institutionnelle et professionnelle destinée à informer le peuple malgache sur les responsabilités, la mission et le cadre légal des Géomètres Experts. Cette initiative vise à valoriser la profession et à renforcer la confiance des usagers dans la gestion des affaires foncières.
Nous vous invitons à la visionner et à l’apprécier 🥰
Source visuelle : OGEM ANALAMANGA

FILAZANA MANJOAmin'ny alahelo lehibe no ampandrenesanay anareo ny fahalasan'ny mpikambana ato aminay dia ny Géomètre Exp...
28/04/2026

FILAZANA MANJO
Amin'ny alahelo lehibe no ampandrenesanay anareo ny fahalasan'ny mpikambana ato aminay dia ny Géomètre Expert RANDRIANASOLO Zacharie Lazare.
Ny Holafitra dia maneho ny fiaraha miory feno ho an'ny fianakaviany sy ny Géomètre Expert rehetra ary ireo mpiara miasa aminy rehetra noho izao fahabangana lehibe nateraky ny fahalasany izao.
Ny famangian'ny Holafitra dia ho tanterahina androany ariva any Soavimbahoaka Fenoarivo, ka izay hanao izany adidy izany dia ao amin'ny Topo Anosy ny fotoana amin'ny 5ora ariva ka hiaraka hiainga avy eo
🌫️Handry ampiadanana anie ny fanahiny. 🌫️

FILAZANA MANJO Amin'ny alahelo lehibe no ampandrenesana antsika mpiara miasa eto amin'ny Holafitry ny Mpandrefy Tany Mpa...
27/04/2026

FILAZANA MANJO
Amin'ny alahelo lehibe no ampandrenesana antsika mpiara miasa eto amin'ny Holafitry ny Mpandrefy Tany Mpahay Raha fa I Chef RAMONJA Jean Baptiste Dia nodimandry io maraina io.
Izahay eto amin’ny Holafitry ny Mpandrefy Tany Mpahay Raha dia miara ory sy miombona alahelo ary mankahery ny fianakaviany sy ny mpiara miasa aminy iray manontolo.
🌫️Handry ampiadanana anie ny fanahiny. 🌫️

Ho antsika izay Mitady Mpandrefy Tany Mpahay Raha dia efa azontsika jerena ao amin’ity rohy ity https://ordre-geometres-...
27/03/2026

Ho antsika izay Mitady Mpandrefy Tany Mpahay Raha dia efa azontsika jerena ao amin’ity rohy ity https://ordre-geometres-experts.mg/ ny lisitrin'ireo Géomètre Expert eto Madagasikara 😊

Tontosa ny asabotsy 21 Martsa 2026 teo ny fankalazana ny Andro Maneran-tany ho an’ny Mpandrefy Tany, na ny « Journée Mon...
23/03/2026

Tontosa ny asabotsy 21 Martsa 2026 teo ny fankalazana ny Andro Maneran-tany ho an’ny Mpandrefy Tany, na ny « Journée Mondiale des Géomètres » teto Madagasikara izay niarahan’ireo mpisehatra rehetra.
Ireto avy no nanamarika izany hetsika izany :
• Fanolorana « Médaille de reconnaissance » ho an’ireo andrarezin’ny tontolon’ny fandrefesan-tany teto Madagasikara, dia i RAFANOHARANTSOA, Géomètre Expert Honoraire ; ANDRIAMIHAJA solonavalona, Talen’ny FTM teo aloha ; RABESIHANAKA, Talen’ny sampan-draharaha ny fandrefesan-tany teo aloha ; RABETSIAHINY, Mpampianatra mpikaroka ao amin’ny ESPA, sady lehiben’ny « Département Géomètre Topographe »teo aloha ; ary RAJAONARISOA Georges, mpanorina ny « Département Topographie » ao amin’ny LTP Mantasoa.
• Famelabelaran-kevitra narahina adihevitra momba ny «Fanamby sy Tanjona amin’ny asa fandrafesan-tany eto Madagasikara ».
• Lalao basket-ball izay norombahin’ny Société PARERA-ILSTA.
Tonga nanotrona sy nanokatra ny fotoana ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharaha Tany, notarihin’ny Atoa Tale Jeneralin’ny Fananantany.
Ireo mpisehatra nandray anjara :
Foiben-Taosarintanin'i Madagasikara
Direction des Services Topographiques
Ordre des Géomètres Experts De Madagascar,Pejy Ofisialy
Association des étudiants et Ingénieurs Topographes AIT - ESPA
ATTOM Officiel
EGGM Madagascar
Institut de Topométrie de Madagascar
MANTASOA
Ireo mpanohana ny hetsika :
E-koragna immo
Master IMMO
BIGTopo
AROTANY-Topo-Géomètre Expert
REFI


« Mpandrefy tany : Miray hina amin’ny fandrefesana, mifamatotra amin’ny fampitana »

La célébration de la Journée Mondiale des Géomètres s’est tenue le samedi 21 mars dernier, réunissant l’ensemble des acteurs du secteur. L’événement a été marqué par plusieurs temps forts :
• La remise de « Médailles de reconnaissance » aux grandes figures du domaine de la géométrie et de la topographie à Madagascar : RAFANOHARANTSOA, Géomètre Expert Honoraire ; ANDRIAMIHAJA Solonavalona, ancien Directeur Général du FTM ; RABESIHANAKA Harilantosoa, ancien Directeur des services topographiques ; RABETSIAHINY, Maître de conférences à l’ESPA et ancien Chef du département Géomètre Topographe ; RAJAONARISOA Georges, Fondateur et coordinateur de la filière Topographie du LTP Mantasoa.
• Une conférence suivie d’un débat sur le thème : « Défis et enjeux du métier de topographe à Madagascar ».
• Un match de basket-ball remporté par la Société PARERA-ILSTA.
La cérémonie a été honorée par la présence des représentants du Ministère de l’Aménagement du Territoire et des Services Fonciers, dirigé par Monsieur Le Directeur Général des services fonciers.
Les institutions participantes :
Foiben-Taosarintanin'i Madagasikara
Direction des Services Topographiques
Ordre des Géomètres Experts De Madagascar,Pejy Ofisialy
Association des étudiants et Ingénieurs Topographes AIT - ESPA
ATTOM Officiel
EGGM Madagascar
Institut de Topométrie de Madagascar

Les partenaires de l’événement :
E-koragna immo
Master IMMO
BIGTopo
AROTANY-Topo-Géomètre Expert
REFI

Address

Lot III G 84 Andrefan'Ambohijanahary
Antananarivo
101

Opening Hours

08:00 - 17:00

Telephone

+261321120793

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Ordre des Géomètres Experts De Madagascar,Pejy Ofisialy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Ordre des Géomètres Experts De Madagascar,Pejy Ofisialy:

Shortcuts

Share