Tanora fa Kristiana

Tanora fa Kristiana "Ary hoy Jesoa taminy:
Mandehana ianao, ny finoanao no efa namonjy anao." Marka 10:52a

13/12/2023
15/08/2023

Miarahaba amin'ny anaran'ny Tompo, ny hafatra anio 15 aogositra 2023 izay nalaina tao amin' Ilay Voa Tsara Nafafy dia tahak'izao:


"(Hoy Jesosy) : Izaho no Mpiandry Tsara ; ny Mpiandry Tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondry." (Jaona 10. 11)

"Fantatro ny Ahy, sady fantany Aho." (Jaona 10. 14)

Mendrika hiainana ve ny fiainana ?
„Na firy taona ianao na firy taona, dia sarotra ny fiainana. Ny ankizy dia efa matahotra sy malahelo sahady, ny zatovo dia tojon’ireo fahadisoam-panantenana voalohany eo amin’ny fiainany. Ny olon-dehibe dia matetika vesaran’ireo fahasahiranana andavanandro mbamin’ny andraikitra mifamatotra amin’ny asany sy ny ankohonany. Ho an’ny maro, ny fahanterana dia tsy mba fitsangantsanganana mampitony…
Ny fiainantsika ve izany dia ho fifandimbiasana zava-mampijaly na ratsy fotsiny hatrany ? Nieritreritra izany aho, indray andro, fony mbola tanora, ka nanjary nanontany tena hoe mendrika hiainana ve ny fiainana… Ny valinteny hany azo inoana, dia tao amin’ny Baiboly no nahitako azy. Fantatro tao, aloha, fa ny zavatra ratsy rehetra mahazo ny olombelona dia vokatry ny tsy fananany fifandraisana amin’Andriamanitra. Fony noarìna ry Adama sy Eva, dia sambatra niaraka tamin’Andriamanitra. Nefa rehefa tsy nankatò Azy izy ireo, dia tafiditra teo amin’ny fiainany sy teo amin’ny an’ny taranany rehetra, izany hoe ny zanak’olombelona manontolo, ny fahoriana, satria „samy nanota izy rehetra”.
Tsy nitondra fahafaham-po ho ahy io fahatsapana io, ary nifanohitra tamin’izany aza. Nefa soa ihany fa novakiko koa hoe Andriamanitra tsy te hamela antsika tao amin’izany toerana izany. Rehefa takatro fa nirahiny Jesosy Zanany mba hamonjy antsika, dia niditra tato am-poko ny fahasambarana. Tsy vitan’ny hoe Mpamonjiko fotsiny Jesosy, fa fanantenako sy fiainako koa. Manomboka izao aho dia velona ho Azy, eto am-piandrasana ny hiverenany. Hiverina tokoa mantsy Izy, haka hiaraka aminy ireo izay novonjeny (1 Tesaloniana 4. 17). Mendrika hiainana ny fiainana kristiana !”

Address

Antananarivo

Telephone

+261345186714

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Tanora fa Kristiana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share