20/12/2023
🌳 Efa manomboka izao ny fotoanan'ny fambolen-kazo.
📷 Tamin'ny erintaona toy izao ny EDIFY dia nanome fampiofanana teo anivon'ny CNFPPSH Ampandrianomby.
☘️ Nizara roa lehibe izany. Natomboka tamin'ny fampiofanana ny mpanabe sy mpampianatra ary tompon'andraikitra eo anivon'ny ivon-toerana. Manarak'izany ny fampiofanana ara-teorika sy pratika ireo mpianatra izay hanajary ny ivon-toerana amin'ny alalan'ny fambolen-kazo sy ny fanaovana zaridaina.