Vondrona Antoky ny Tolona ho an'ny Olom-pirenena - VATO

Vondrona Antoky ny Tolona ho an'ny Olom-pirenena - VATO Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Vondrona Antoky ny Tolona ho an'ny Olom-pirenena - VATO, Youth Organization, Antananarivo.

- Défenseur de Souveraineté du Peuple
- Acteur de la Refondation de la République de Madagascar
- Steward du Processus de la Refondation
- Valorisation de la Mémoire Collective Malagasy
- Respect de la Dignité, de la Liberté, et des Soatoavina Malagasy

Ny Vondrona Antoky ny Tolona ho an'ny Olom-pirenena dia faly Miarahaba antsika rehetra tratry ny Asaramanitra 🇲🇬🇲🇬❤️
27/06/2026

Ny Vondrona Antoky ny Tolona ho an'ny Olom-pirenena dia faly Miarahaba antsika rehetra tratry ny Asaramanitra 🇲🇬🇲🇬❤️

22/05/2026
📢 Araho ny pejin'ny Minisitera misahana ny Fanavaozana, natokana ho an'ny fikaonandoham-pirenena. Fotoana izao hiarahant...
22/05/2026

📢 Araho ny pejin'ny Minisitera misahana ny Fanavaozana, natokana ho an'ny fikaonandoham-pirenena.

Fotoana izao hiarahantsika manorina ny hoavin'i Madagasikara ! 🤝

Ao no ahitanao izay tokony fantarina rehetra momba ny fikaonandoham-pirenena :
- inona izany fikaonandoha ?
- ny antony
- ny tetiandro
- ireo lohahevitra
- sy ny fomba handraisana anjara ! 💡

✨ Zarao ny hevitrao !

Rohy: https://www.facebook.com/share/1GidM1Fv9w/

👇

-dehibeNyFeonao 'nyOlom-pirenena

📌📌 Selon la CHARTE FONDATRICE et CONSTITUTION de L'ALLIANCE Article 1 - Nature et PortéeLe VATO est une alliance civique...
08/05/2026

📌📌 Selon la CHARTE FONDATRICE et CONSTITUTION de L'ALLIANCE

Article 1 - Nature et Portée

Le VATO est une alliance civique transitoire, indépendante des partis politiques et des pouvoirs
établis de l'État.

📌 Il constitue une base fondatrice et une charte d'alliance, norme morale et organisationnelle
supérieure, servant de cadre commun aux entités signataires pour garantir la cohérence et la
légitimité du processus de Refondation.

📌 Le VATO n'est pas une constitution étatique. Il a pour mission de conduire, accompagner et
protéger le processus de Refondation jusqu'à l'adoption et la mise en œuvre d'une nouvelle Constitution issue de la souveraineté populaire, puis de transmettre son héritage, sa mémoire et
ses enseignements à la République refondée.

🗓️6 may 2026📍AmbohidratrimoANDRO FAHAROA HO AN'NY FIZARANA TRAIKEFA HIATREHANA NY FIKAONANDOHA 🟢Tsy ho tampohana ny olom...
08/05/2026

🗓️6 may 2026
📍Ambohidratrimo

ANDRO FAHAROA HO AN'NY FIZARANA TRAIKEFA HIATREHANA NY FIKAONANDOHA

🟢Tsy ho tampohana ny olom-pirenena izay antsoina handray anjara feno amin'ny fikaonandoha eny ifotony ka entanina dieny izao ny rehetra hiomana sy ho vonona hitondra hevitra sy hiady hevitra amin'izany hoy Ramatoa Minisitra misahana ny Fanavaozana, maître Hanitra Razafimanantsoa.

🔴Hanomboka tsy ho ela ny fikaonandoha eny ifotony. Ka ny Minisiteran’ny Atitany sy Fitsinjaram-pahefana izay manana fahefana hiantso fivoriana eny amin'ny fokontany no hiara-hiasa amin'ny Minisitera misahana ny Fanavaozana MCR amin'ny fikarakarana izany.

👥Hiantohan'ny MCR ny fandraisan'ny rehetra anjara ary mitohy hatrany ny asa fanomanana. Mety hisy fanemorana kely ny fanombohana amin'ny fomba ofisialy ny fizotran'ireo fikaonandoha. Fa ny asa kosa dia mandroso hatrany.
📑Ka ao anatin'ny dingana fanomanana ireo fikaonandoha izay voafaritra ao anatin'ny fanatantetahana ny programan'asan'ny Fanavaozana dia hisy ny fampiofanana dingana faharoa ny 20 hatramin'ny 22 may 2026. Mandritra io fotoana io dia efa hitombo sahady ny mpandray anjara ary hidirana lalindalina kokoa ny andraikitry ny mpitarika sy ny mpikarakara, ny fomba fiasa sy torolàlana ary ny takelaka nomerika izay entina mampiakatra ny angon-kevitra sy ny teny ierana avy amin'ny fikaonandoha eny amin'ny fokontany miakatra amin'ny kaominina sy ny distrika ary mipaka eny amin'ny faritra

🟢Nifarana androany ny fizarana traik’efa teny Ambohidratrimo izay dingana voalohany ihany ao anatin’ny fanofanana ireo mpanofana. Nandray anjara tamin’izany ny tompon’andraikitra eo anivon’ny MCR na avy eto amin’ny foibe na ny avy any amin’ny faritra. Voasolo tena ihany koa ny tanora, ny fikambanam-behivavy, ny firaisamonim-pirenena.

🖥️🎥🎙️Nampahafantarina ny mpandray anjara ihany koa androany ny paikady mazava entina hanamafisana ny lafiny serasera sy ireo takelaka nomerika entina mananteraka ny fikaonandoha eny ifotony, andraisana sy ampitana ireo hevitra voaangona.


Ambohidratrimo🗓️ 05–06 Mey 2026🚀 Fanomanana fikaonandoha ifotony: Tanterahina eny Ambohidratrimo mandritra ny roa andro ...
05/05/2026

Ambohidratrimo
🗓️ 05–06 Mey 2026
🚀 Fanomanana fikaonandoha ifotony:
Tanterahina eny Ambohidratrimo mandritra ny roa andro ny fifanakalozana traik'efa momba ny tari-dàlana sy ny fomba fiasa enti-miatrika ny fakan-kevitra eny ifotony.

👥 Maherin'ny 100 ireo mpandray anjara ka ahitana ireo tompon'andraikitra eo anivon'ny Minisitera misahana ny Fanavaozana (MCR) foibe ,ireo Talem-paritra, ireo solontena avy amin’ny firaisamonim-pirenena, ny fikambanan’ny vehivavy mpitarika sy ny tanora.
🔎 Hevitra lehibe nodinihina
* Fanomanana fomba fiasa eny amin’ny fokontany, kaominina sy distrika ary faritra
* Fizarana andraikitra ho an’ireo mpanentana manerana ny kaominina 1695
* Fanangonana sy fandrindrana ny fehin-kevitra ary indrindra ny fampiasana haikajy mirindra
* Paikady serasera sy fanabeazana olompirenena

🎯 Tanjona
Hampizotra an-tsakany sy an-davany ny fakan-kevitra nasionaly misokatra, mangarahara ary tsy mitanila, manomboka eny ifotony ka hatrany amin’ny faritra rehetra.

📌 Vokatra andrasana
✔️ Mitovy lenta ny fahalalan'ny mpandray anjara tsirairay
✔️ Boky sy torolàlana mazava ho an’ny fanofanana
✔️ Fanomanana mpampiofana mpanentana eny ifotony hitantana ny fakan-kevitra

⚙️ Dingana manaraka
➡️ Hisy ny fiofanana ho an'ny mpampiofana miisa 277. Aorian'izay ireo mpampiofana ireo no hieli-patrana manerana ny nosy hampiofana mpampiofana sy mpanentana hafa.

🤝Anisan'ny nanohana tamin'ny fikarakarana ity fifanakalozana ity ny PNUD.

🔴Nanatrika ity fotoana ity ihany koa moa ireo delegasiona avy amin'ny SADC izay mandalo eto Madagasikara amin'izao fotoana izao.

14/04/2026

Address

Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Vondrona Antoky ny Tolona ho an'ny Olom-pirenena - VATO posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share