22/06/2026
🔍 Hazavao hoe 021
📖 1 Korintiana 3:17
"Raha misy manimba ny tempolin’Andriamanitra dia mba hosimban’Andriamanitra kosa izy; fa masina ny tempolin’Andriamanitra, dia ianareo izany."
⛪️FIANGONANA NO RESAKA ETO
Tsara ny manamarika fa matetika io andininy io no ampiasaina ivelan'ny contexte-ny.
Maro no mihevitra fa ny fihinana sakafo tsy madio na tsy mahasalamana ; tsy fikarakarana ny vatana... no tian'ny Tompo lazaina eto satria manimba ny vatana (corp) izay Tempolin'Andriamanitra izany.
1️⃣Inona marina no tondroin'i Paoly eto?
Raha vakiana ny toko manontolo (1 Korintiana 3:9-17), dia miresaka momba :
ny asa fanorenana ataon'ny mpitory sy mpitarika ny Fiangonana izay antsoina hoe tranon'Andriamanitra.
Ny fototra dia i Jesosy Kristy
Ireo izay miorina eo ambonin'izany fototra izany no antsoina hoe Fiangonana na Tranon'Andriamanitra na Tempolin'Andriamanitra.
📖1Korintiana 3:9 MRV
[9] Fa mpiara-miasa amin’Andriamanitra izahay ary sahan’Andriamanitra sy trano arafitr’Andriamanitra ianareo.
Ary avy eo :
1Korintiana 3:16 MRV
[16] Tsy fantatrareo va fa tempolin’Andriamanitra ianareo ary ny Fanahin’Andriamanitra no mitoetra ao anatinareo?
Ny teny grika ampiasaina eto dia "hymeis", izay manondro fahamaroana ("ianareo"), fa tsy olona iray.
Midika izany fa ny fiangonana iray manontolo no resahina voalohany indrindra, fa tsy ny vatan'ny olona tsirairay.
Noho izany, ny hevitra ao amin'ny andininy 17 dia hoe :
⚠️ Izay manimba ny Fiangonan'Andriamanitra amin'ny :
fampianaran-diso,
fisaratsarahana,
ady an-trano,
fanimbana ny firaisan'ny mino,
dia hotsarain'Andriamanitra.
Izany no lohahevitra resahin'ny contexte.
2️⃣ Midika ve izany fa tsy tempolin'Andriamanitra ny vatantsika?
Tsia, tena Tempolin'Andriamanitra tokoa ny vatan'ny mino fa misy andininy hafa milaza mazava izany fa tsy ny 1Kor 3.17
📖 1Korintiana 6:19 MRV
[19] Ahoana ary? Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin’ny Fanahy Masina izay ao anatinareo sady efa azonareo tamin’Andriamanitra? Koa tsy tompon’ny tenanareo ianareo.
Eto kosa dia miresaka ny vatan'ny mino tsirairay i Paoly, indrindra amin'ny resaka fahadiovam-pitondrantena sy fijangajangana.
Noho izany :
✅ 1 Korintiana 6:19 = vatana tsirairay.
✅ 1 Korintiana 3:16-17 = Fiangonana amin'ny maha-vondrom-bahoakan'Andriamanitra azy.
3️⃣Azo ampiharina amin'ny sakafo sy fahasalamana ve io andininy io?
Amin'ny fampiharana ankapobeny, azo lazaina fa tokony hikarakara ny vatantsika isika satria fanomezan'Andriamanitra izy ary tempolin'ny Fanahy Masina.
Saingy :
❌ Tsy izany no tena hevitra tian'i Paoly hampitaina ao amin'ny 1 Korintiana 3:17.
Raha mampiasa io andininy io mba hilazana hoe :
"Aza misotro kafe, aza mihinana siramamy, aza mihinana an'izao satria manimba ny tempoly"
dia tsy mifanaraka amin'ny contexte nanoratana azy voalohany sy ny tian'ny mpanoratra ampitaina izany.
4️⃣Inona ary no hafatra lehibe?
Ny fampitandremana eto dia tsy mikasika sakafo voalohany indrindra fa mikasika ny fanimbana ny Fiangonan'i Kristy.
Mety hanimba ny Tempolin'Andriamanitra (Fiangonana) ny olona rehefa :
mampiely fampianaran-diso ;
mampisara-bazana ny fiangonana ;
mamorona antoko sy fizarazarana ;
manohitra ny filazantsara marina ;
manararaotra ny ondry.
Izany no tena loza resahin'i Paoly eto.
✝️ FAMPIHARANA
Ny Fiangonana dia masina satria an'i Kristy.
Izy no :
fototra (1 Kor. 3:11),
lohan'ny Fiangonana,
ary Ilay nanolotra ny tenany hamonjy sy hanamasina azy.
Noho izany, ny adidintsika dia tsy ny mikarakara ny vatana ihany, fa indrindra ny miaro ny firaisan'ny tenan'i Kristy, dia ny Fiangonana.
Izay manorina ny Fiangonana amin'ny fahamarinana sy ny fitiavana dia miara-miasa amin'i Kristy ; fa izay manimba azy kosa dia mandrodana ny asa izay novidian'i Kristy tamin'ny ràny teo amin'ny hazo fijaliana.
🙏 Koa rehefa mamaky ny 1 Korintiana 3:17 isika, dia aoka tsy hohadinoina fa ny antso lehibe ao dia hoe: "Aza manimba ny Fiangonan'Andriamanitra izay novidian'i Jesosy Kristy tamin'ny ràny."