Agape Ministry

Agape Ministry Ny Agape-Ministry dia pejy hampitana sy hizarana fitiavan'Andriamanitra amin'ny endriny samihafa 💕

🔍 Hazavao hoe 021📖 1 Korintiana 3:17"Raha misy manimba ny tempolin’Andriamanitra dia mba hosimban’Andriamanitra kosa izy...
22/06/2026

🔍 Hazavao hoe 021

📖 1 Korintiana 3:17
"Raha misy manimba ny tempolin’Andriamanitra dia mba hosimban’Andriamanitra kosa izy; fa masina ny tempolin’Andriamanitra, dia ianareo izany."

⛪️FIANGONANA NO RESAKA ETO

Tsara ny manamarika fa matetika io andininy io no ampiasaina ivelan'ny contexte-ny.

Maro no mihevitra fa ny fihinana sakafo tsy madio na tsy mahasalamana ; tsy fikarakarana ny vatana... no tian'ny Tompo lazaina eto satria manimba ny vatana (corp) izay Tempolin'Andriamanitra izany.

1️⃣Inona marina no tondroin'i Paoly eto?

Raha vakiana ny toko manontolo (1 Korintiana 3:9-17), dia miresaka momba :
ny asa fanorenana ataon'ny mpitory sy mpitarika ny Fiangonana izay antsoina hoe tranon'Andriamanitra.

Ny fototra dia i Jesosy Kristy
Ireo izay miorina eo ambonin'izany fototra izany no antsoina hoe Fiangonana na Tranon'Andriamanitra na Tempolin'Andriamanitra.

📖1Korintiana 3:9 MRV
[9] Fa mpiara-miasa amin’Andriamanitra izahay ary sahan’Andriamanitra sy trano arafitr’Andriamanitra ianareo.

Ary avy eo :

1Korintiana 3:16 MRV
[16] Tsy fantatrareo va fa tempolin’Andriamanitra ianareo ary ny Fanahin’Andriamanitra no mitoetra ao anatinareo?

Ny teny grika ampiasaina eto dia "hymeis", izay manondro fahamaroana ("ianareo"), fa tsy olona iray.
Midika izany fa ny fiangonana iray manontolo no resahina voalohany indrindra, fa tsy ny vatan'ny olona tsirairay.

Noho izany, ny hevitra ao amin'ny andininy 17 dia hoe :

⚠️ Izay manimba ny Fiangonan'Andriamanitra amin'ny :
fampianaran-diso,
fisaratsarahana,
ady an-trano,
fanimbana ny firaisan'ny mino,
dia hotsarain'Andriamanitra.

Izany no lohahevitra resahin'ny contexte.

2️⃣ Midika ve izany fa tsy tempolin'Andriamanitra ny vatantsika?

Tsia, tena Tempolin'Andriamanitra tokoa ny vatan'ny mino fa misy andininy hafa milaza mazava izany fa tsy ny 1Kor 3.17

📖 1Korintiana 6:19 MRV
[19] Ahoana ary? Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin’ny Fanahy Masina izay ao anatinareo sady efa azonareo tamin’Andriamanitra? Koa tsy tompon’ny tenanareo ianareo.

Eto kosa dia miresaka ny vatan'ny mino tsirairay i Paoly, indrindra amin'ny resaka fahadiovam-pitondrantena sy fijangajangana.

Noho izany :

✅ 1 Korintiana 6:19 = vatana tsirairay.
✅ 1 Korintiana 3:16-17 = Fiangonana amin'ny maha-vondrom-bahoakan'Andriamanitra azy.

3️⃣Azo ampiharina amin'ny sakafo sy fahasalamana ve io andininy io?

Amin'ny fampiharana ankapobeny, azo lazaina fa tokony hikarakara ny vatantsika isika satria fanomezan'Andriamanitra izy ary tempolin'ny Fanahy Masina.

Saingy :
❌ Tsy izany no tena hevitra tian'i Paoly hampitaina ao amin'ny 1 Korintiana 3:17.

Raha mampiasa io andininy io mba hilazana hoe :

"Aza misotro kafe, aza mihinana siramamy, aza mihinana an'izao satria manimba ny tempoly"
dia tsy mifanaraka amin'ny contexte nanoratana azy voalohany sy ny tian'ny mpanoratra ampitaina izany.

4️⃣Inona ary no hafatra lehibe?

Ny fampitandremana eto dia tsy mikasika sakafo voalohany indrindra fa mikasika ny fanimbana ny Fiangonan'i Kristy.

Mety hanimba ny Tempolin'Andriamanitra (Fiangonana) ny olona rehefa :
mampiely fampianaran-diso ;
mampisara-bazana ny fiangonana ;
mamorona antoko sy fizarazarana ;
manohitra ny filazantsara marina ;
manararaotra ny ondry.

Izany no tena loza resahin'i Paoly eto.

✝️ FAMPIHARANA

Ny Fiangonana dia masina satria an'i Kristy.
Izy no :
fototra (1 Kor. 3:11),
lohan'ny Fiangonana,
ary Ilay nanolotra ny tenany hamonjy sy hanamasina azy.

Noho izany, ny adidintsika dia tsy ny mikarakara ny vatana ihany, fa indrindra ny miaro ny firaisan'ny tenan'i Kristy, dia ny Fiangonana.
Izay manorina ny Fiangonana amin'ny fahamarinana sy ny fitiavana dia miara-miasa amin'i Kristy ; fa izay manimba azy kosa dia mandrodana ny asa izay novidian'i Kristy tamin'ny ràny teo amin'ny hazo fijaliana.

🙏 Koa rehefa mamaky ny 1 Korintiana 3:17 isika, dia aoka tsy hohadinoina fa ny antso lehibe ao dia hoe: "Aza manimba ny Fiangonan'Andriamanitra izay novidian'i Jesosy Kristy tamin'ny ràny."


🟨 AHOANA MARINA 019☕❓ Fahotana ve ny misotro kafe?Misy zavatra mahavariana hita matetika eo amin'ny kristiana maro :☕ Re...
19/06/2026

🟨 AHOANA MARINA 019
☕❓ Fahotana ve ny misotro kafe?

Misy zavatra mahavariana hita matetika eo amin'ny kristiana maro :

☕ Rehefa kafe no resahina dia maro no miaro azy avy hatrany.

Ampidirina anaty alim-bavaka sy fotoana hafa ao am-piangonana mihitsy aza ny fisotroana kafe.

Fa rehefa 🚬 sigara na 🍷 toaka kosa no resahina dia maro no milaza avy hatrany hoe :
❌ "Fahotana izany!"

Kanefa raha ny marina dia :

📖 Tsy misy andininy ao amin'ny Baiboly milaza hoe :

"Aza misotro kafe"
"Aza mifoka sigara"
"Aza misotro toaka"

Noho izany dia mila mitandrina isika sao lasa mitsara zavatra iray amin'ny fihetseham-po sy ny kolontsaina fotsiny fa tsy amin'ny fitsipika ara-Baiboly.

🟦 NY FANONTANIANA TENA ILAINA

Raha lazaina hoe :
🚬 Sigara = drogue (ni****ne)

Dia tokony hanaiky koa isika fa :
☕ Kafe = drogue (caféine)

Ary maro amin'ny 🍷 zava-pisotro misy alikaola no mety miteraka fiankinan-doha koa.

Noho izany dia tsy ampy ny milaza hoe :
👉 "Fahotana satria drogue."

Satria raha izay no fitsipika arahina dia tokony hosokajiana ho mitovy daholo ireo rehetra ireo.

🟩 INONA ÀRY NO FITSIPIKA ARA-BAIBOLY?

Tsy ny hoe :
❓ "Misy ve sa tsy misy drogue?"

Fa hoe :

📖 1Korintiana 6:12 MRV
[12] Azoko atao ny zavatra rehetra, nefa tsy dia ary mahasoa avokoa ny zavatra rehetra; azoko atao ny zavatra rehetra, nefa izaho dia tsy manaiky handevozin-javatra, na inona na inona izany.

Ny fitsipika ara-Baiboly dia :
✔️ Mahasoa ve?
✔️ Manandevo ve?
✔️ Manimba ve?
✔️ Manome voninahitra an'Andriamanitra ve?

☕ Raha misotro kafe ianao :

Tsy voatery ho fahotana izany.
Fa raha tsy afaka miaina raha tsy misy azy ianao dia efa misy olana.

🚬 Raha mifoka sigara ianao :

Tsy misy fandraràna mivantana ao amin'ny Baiboly.
Fa mila jerena ny fiankinan-doha sy ny fahasimbana entiny.

🍷 Raha misotro toaka ianao :

Tsy ny fisotroana no voarara mivantana.
Fa ny fahamamoana no melohin'ny Baiboly mazava tsara.
📖 "Aza mamon-divay..." (Efesiana 5:18)

⚠️ NY OLANA FOTOTRA

Indraindray isika dia malemy fanahy amin'ny fahazarana tiantsika...
☕ "Tsy maninona izany fa kafe io."

Fa henjana amin'ny fahazaran'ny hafa...
🚬 "Tena fahotana izany!" 🍷 "Tena ratsy izany!"

Nefa ny Tenin'Andriamanitra dia miantso antsika hanana fitsipika iray sy mitovy ihany amin'ny zavatra rehetra.

✝️ KRISTY NO IVON'NY FIAINANA KRISTIANA

Tsy tonga Kristy hanolo kafe amin'ny zavatra hafa, na hanolo toaka amin'ny rano fotsiny.

Tonga Izy mba hanafaka antsika amin'ny zavatra rehetra manandevo antsika.

🙏 Ny fanontaniana lehibe dia tsy hoe :
☕ Misotro kafe ve ianao?

Fa hoe :
❤️ Iza no manjaka ao am-ponao? Kristy ve, sa fahazarana iray tsy voafehy sy manandevo anao?

Satria ny tena fahafahana kristiana dia tsy ny fahazoana manao izay tiantsika, fa ny fahafahana miaina eo ambanin'ny fanapahan'i Jesosy Kristy irery ihany.

📖1Petera 3:15 MRV
[15] Fa manamasìna an’i Kristy ho Tompo ao am-ponareo (Isa 8.12, 13); ary aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly izay manontany anareo ny amin’ny anton’ny fanantenana ao anatinareo,



☕✝️

🙏Mampianara anay 020📖 FOANANAREO NY TENIN’ANDRIAMANITRA(Rehefa ambonin’ny Soratra Masina ny fomban’olombelona)"Koa dia f...
17/06/2026

🙏Mampianara anay 020
📖 FOANANAREO NY TENIN’ANDRIAMANITRA
(Rehefa ambonin’ny Soratra Masina ny fomban’olombelona)

"Koa dia foananareo ny Tenin’Andriamanitra noho ny fampianarana voatolotra anareo." (Matio 15:6)

✨ Fampidirana

Misy loza iray lehibe mety hitranga eo amin'ny fiainan'ny mpino sy ny fiangonana : tsy ny fandavana mivantana ny Tenin'Andriamanitra akory, fa ny fanoloana azy tsikelikely amin'ny fomba amam-panao, rafitra, fombafomba, na fampianarana nentin-drazana.

Tamin'ny andron'i Jesosy dia tsy nilaza ny Fariseo hoe tsy mino ny Soratra Masina izy ireo.
Mifanohitra amin'izany aza, izy ireo no tena nihevitra ny tenany ho mpiaro azy.

Nefa hoy Jesosy taminy :
"Foananareo ny Tenin’Andriamanitra noho ny fampianarana voatolotra anareo."

Teny mivantana sy mahery vaika izany satria manebaka ny fiheverana fa azo atao ny manaja ny fombam-piavavahana na dia manohitra ny Tenin'Andriamanitra aza.

📜 Ny contexte

Tonga teo amin'i Jesosy ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna ka nanontany Azy :
"Nahoana ny mpianatrao no mandika ny fampianarana voatolotry ny razana?" (Mat. 15:2)

Ny olana anefa dia tsy hoe nandika ny Lalàn'i Mosesy ny mpianatra, fa tsy nanaraka fomba amam-panao nentin-drazana momba ny fanasana tanana.

Novalian'i Jesosy tamin'ny fanontaniana hafa :
"Ary ianareo kosa, nahoana no mandika ny didin'Andriamanitra noho ny fampianarana voatolotra anareo?" (Mat. 15:3)

Dia nomeny ohatra mikasika ny resaka "Korban".

🔍 Ny hevitry ny "Korban"

Ny Lalàna dia nandidy hoe :
"Manajà ny rainao sy ny reninao."

Saingy nisy fampianarana nentin-drazana nilaza fa afaka milaza ny olona hoe :
Efa natao "Korban" (natokana ho an'Andriamanitra) ny fananany.

Rehefa natao izany dia tsy voatery nanampy ny ray aman-dreniny intsony izy.

✅ Voahaja sy voatahiry ny fombafomba ara-pivavahana.
❌ Fa potika kosa ny didin'Andriamanitra momba ny fanajana ray aman-dreny.

Izany no nahatonga an'i Jesosy nilaza hoe :
"Foananareo ny tenin'Andriamanitra."

🔎 Fandinihana lalina kokoa

Ny teny grika ampiasaina eto dia :
ἀκυρόω (akyroô)

Midika hoe :
🔹 manafoana 🔹 tsy mampanan-kery 🔹 manaisotra ny herin-javatra iray 🔹 manao zavatra tsy misy vokany

Tsy nilaza Jesosy fa novain'izy ireo ny Soratra Masina.
Fa nilaza Izy fa nataon'izy ireo tsy misy hery sy tsy misy vokany eo amin'ny fiainany ny Tenin'Andriamanitra.

Mbola teo ny Soratra. Mbola novakina. Mbola nianarana.
Saingy tsy nankatoavina intsony.

⚠️ Lesona lehibe voalohany :

Tsy ny zavatra taloha sy nahazatra rehetra no avy amin'Andriamanitra na iza na iza nampianatra azy

Tena tian'ny Fariseo ny nentin-drazana.
Fa tsy izay nentin-drazana rehetra anefa akory dia sitrapon'Andriamanitra avokoa.

Mety misy zavatra :
🔹 efa fanaon'ny maro 🔹 efa fanaon'ny fiangonana ela 🔹 efa lova avy amin'ny razana

Kanefa tsy mifanaraka amin'ny Soratra Masina.

Ny fanontaniana lehibe dia tsy hoe :
"Efa fanaon'ny olona hatry ny ela ve izany?"

Fa kosa hoe :
"Inona no lazain'ny Tenin'Andriamanitra?"

⚠️ Lesona faharoa :

Mety ho ara-pivavahana (Réligieux) be nefa tsy mankatò an'Andriamanitra

Ny Fariseo dia :
✅ nivavaka ✅ nifady hanina ✅ nianatra Soratra Masina ✅ nankany amin'ny Synagoga

Kanefa nantsoin'i Jesosy hoe mpihatsaravelatsihy.

Nahoana?
Satria ny fony dia lavitra an'Andriamanitra.

Mety ho mafana fo amin'ny asa ara-pivavahana ny olona iray nefa tsy mankatò ny Tenin'Andriamanitra.

Andriamanitra tsy mitady olona mpanaraka fombafomba be fotsiny.
Fa mitady fo mankatò Izy.

⚠️ Lesona fahatelo :

Ny loza lehibe indrindra dia ny manolo ny Tenin'Andriamanitra amin'ny hevitry ny olona

Isaky ny mitranga ny fifandonana eo amin'ny :
📖 Tenin'Andriamanitra
sy
👤 hevitry ny olona

dia ny Tenin'Andriamanitra no tsy maintsy manana fahefana farany sy faratampony.

Ny fiangonana marina dia tsy izay manana rafitra na fomba maro sy lafatra indrindra.
Fa izay manaiky ho fehezin'ny Soratra Masina.

✝️ Miivo amin'i Kristy

Rehefa mamaky ity tantara ity isika dia mahita zavatra iray mahafinaritra :

Ny Fariseo dia nifantoka tamin'ny fombafomba.
Fa Jesosy kosa nifantoka tamin'ny fon'ny olona.

Ny fivavahana nentin'olombelona dia mifantoka amin'ny :

rafitra
izay hita ety ivelany,
izay fombafomba arahina.
Fa Kristy kosa tonga hanova ny fo.

Tsy tonga Izy mba hanampy fombafomba vaovao.
Tonga Izy mba hamonjy ny mpanota sy hanome fo vaovao.

Teo amin'ny hazo fijaliana dia nentiny ny fahotantsika, ary tamin'ny fitsanganany tamin'ny maty dia nomeny fiainam-baovao izay mino Azy.

Noho izany, ny kristianisma dia tsy fankatoavana fomba amam-panao fotsiny, fa fifandraisana velona amin'i Jesosy Kristy.

🙏 Fampiharana

🔹 Misy fampianarana na fomba arahiko ve nefa tsy miorina amin'ny Soratra Masina?
🔹 Misy ve zavatra ataoko satria efa fanaon'ny olona fotsiny nefa tsy mifanaraka amin'ny Soratra Masina?
🔹 Ambonin'ny Tenin'Andriamanitra ve ny hevitry ny olona eo amin'ny fiainako sy ny Fiangonana izay misy ahy?
🔹 Manaraka an'i Kristy marina ve aho, sa manaraka fombafomba fotsiny?

✨ FEHINY

Ny olana tsy hoe tsy mino Baiboly ny olona.
Ny olana dia ny famelana zavatra hafa hanana fahefana mihoatra noho ny Baiboly.

Koa aoka isika hitandrina sao dia toy ireo Fariseo ka :

📖 manana ny Tenin'Andriamanitra, 📖 mamaky ny Tenin'Andriamanitra, 📖 mampianatra ny Tenin'Andriamanitra,

kanefa amin'ny fiainana andavanandro dia manafoana ny Tenin'Andriamanitra noho ny fampianarana voatolotra antsika.

👉 Ny vahaolana dia tsy ny fiverenana amin'ny fombafomba nahazatra , fa fiverenana amin'i Jesosy Kristy, Ilay Teny tonga nofo, mba hanadio ny fontsika sy hampanaiky antsika ny sitrapon'Andriamanitra marina. ✝️❤️

"Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona." (Matio 24:35) 📖✨

🙋Hazavao hoe 019📖 "ANDRIAMANITRA IANAREO" (Salamo 82:6; Jaona 10:34)"Hoy Aho : andriamanitra ianareo, ary zanaky ny Avo ...
15/06/2026

🙋Hazavao hoe 019

📖 "ANDRIAMANITRA IANAREO" (Salamo 82:6; Jaona 10:34)

"Hoy Aho : andriamanitra ianareo, ary zanaky ny Avo Indrindra ianareo rehetra." (Salamo 82:6)

Io no iray amin'ireo andininy tena sarotra sy ampiasain'ny maro amin'ny heviny diso.

Misy aza mampiasa azy io hilazana fa "andriamanitra" ny olombelona na hoe manana ny toetra maha-Andriamanitra ao anatiny ny olona.

Saingy tsy izany anefa no tian'ny Baiboly hambara.
━━━━━━━━━━━━━━
1️⃣ Inona ny contexte ao amin'ny Salamo 82?

Ny Salamo 82 dia mampiseho an'Andriamanitra mitsara ireo mpitsara sy mpitondra teo amin'ny Isiraely.

Salamo 82:1 MRV
[1] Andriamanitra dia eo amin’ny fiangonan’Andriamanitra ; eo amin’ireo andriamanitra no itsarany.

Ireo antsoina hoe "andriamanitra" eto dia olona manana fahefana hitsara sy hitondra ny vahoaka.

Ao amin'ny Testamenta Taloha, ny teny hebreo hoe Elohim (andriamanitra) dia mety ampiasaina entina manondro :
🔹 an'Andriamanitra marina.
🔹 ireo andriamani-kafa.
🔹 ireo olona nomen'Andriamanitra fahefana manokana hitsara.

Noho izany dia tsy hoe andriamanitra ara-boajanahary izy ireo, fa solontenan'Andriamanitra amin'ny asa fitsarana.
━━━━━━━━━━━━━━
2️⃣ Nahoana ary izy ireo no nantsoina hoe "andriamanitra"?

Satria nomen'Andriamanitra fahefana sy andraikitra.

Tahaka ny mpitsara iray misolo tena ny fanjakana. Tsy izy no fanjakana, fa mitondra ny fahefany.

Noho izany, ireo mpitsara tao Isiraely dia nantsoina hoe "elohim" satria nisolo tena an'Andriamanitra teo amin'ny fampiharana ny rariny.
━━━━━━━━━━━━━━
3️⃣ Inona no manaporofo fa tsy Andriamanitra mitovy amin'Ilay Andriamanitra Mpamorona izy ireo?

Vakio ny andininy manaraka :

Salamo 82:7 MRV
[7] Kanjo ho faty tahaka ny olombelona ihany ianareo ary samy ho lavo tahaka ny mpitondra rehetra.

Raha tena andriamanitra izy ireo, nahoana no ho faty toy ny olombelona?

Mazava ny tian'ny Salamo hambara :

🔹 Nomena toerana ambony izy ireo.
🔹 Nomena fahefana izy ireo.
🔹 Kanefa mbola olombelona toy ny olombelona hafa rehetra ihany izy ireo.
━━━━━━━━━━━━━━
4️⃣ Nahoana Jesosy no nampiasa io andininy io?

Ao amin'ny Jaona 10, niteny ny Jiosy hoe :

"Manao ny tenanao ho Andriamanitra Hianao." (Jaona 10:33)

Dia namaly Jesosy hoe :

"Tsy voasoratra va ao amin'ny lalànareo va hoe : "Hoy Aho : andriamanitra ianareo?" (Jaona 10:34)

Tsy nilaza akory Jesosy hoe andriamanitra ny olona rehetra.

Ny heviny dia hoe :

👉 "Raha ireo mpitsara olombelona izay nandray ny tenin'Andriamanitra aza nantsoina hoe 'andriamanitra', nahoana ianareo no tezitra rehefa Izaho, Ilay nirahin'ny Ray sy nohamasininy, milaza ny tenako ho Zanak'Andriamanitra?"

Argument de moindre à plus grand (du petit au grand) no ampiasain'i Jesosy eto :

🔹 Raha olona tsotra aza nantsoina hoe "andriamanitra" amin'ny heviny voafetra,
🔹 Mainka fa Izy, Ilay Zanak'Andriamanitra tena izy.
━━━━━━━━━━━━━━
5️⃣ Inona ary no lesona ho antsika?

🔹 a. Mampitandrina ny mpitondra ny Tompo

Ireo olona nomena fahefana dia tompon'andraikitra eo anatrehan'Andriamanitra.

🔹 b. Tsy mampianatra io andininy fa andriamanitra ny olombelona

Ny Baiboly manontolo dia manambara fa :
"Izaho no Tompo, ary tsy misy hafa." (Isaia 45:5)

Tsy misy Andriamanitra hafa tsy iray ihany!

🔹 c. Ny toerana ambony dia tsy manaisotra ny maha-olombelona

Na mpanjaka, na mpitondra, na mpitsara, na mpitandrina dia :
🔹 olombelona ihany.
🔹 mbola ho tsarain'Andriamanitra amin'ny andraikitra napetrany taminy.
━━━━━━━━━━━━━━
📌 FEHINY

Rehefa milaza ny Salamo 82:6 hoe :
"Andriamanitra ianareo"

dia tsy milaza velively fa mitovy laharana amin'Andriamanitra ny olona, fa milaza kosa fa misy olona nomen'Andriamanitra fahefana sy andraikitra hisolo tena Azy eo amin'ny fitsarana sy fitondrana.

Na izany aza, noho ny tsy fahamarinany dia tsarain'Andriamanitra izy ireo ary "ho faty tahaka ny olona ihany".

Ny hafatra lehibe ao amin'ny Salamo 82 dia tsy ny fanandratana ny olombelona ho andriamanitra, fa ny fitsaran'Andriamanitra ireo mpitondra izay nampiasa ny fahefana nomeny azy amin'ny zavatra ratsy sy ny tsy rariny.

🤔Ahoana marina 018🥊 MAHAZO MIANATRA HAY ADY VE NY KRISTIANA?Io dia iray amin'ireo fanontaniana sarotra eo amin'ny etika ...
12/06/2026

🤔Ahoana marina 018

🥊 MAHAZO MIANATRA HAY ADY VE NY KRISTIANA?

Io dia iray amin'ireo fanontaniana sarotra eo amin'ny etika kristiana satria misy andininy ao amin'ny Baiboly manohana ny resaka fiadanana, nefa misy koa tranga ahitana ny olon'Andriamanitra mampiasa hery na miomana hiaro tena.

Tsy maintsy dinihina amin'ny fomba voalanjalanja tsara ity lohahevitra ity noho
izany.

📖 I. NY FOTO-KEVITRA LEHIBE AO AMIN'NY BAIBOLY DIA NY FIADANANA

Hoy Jesosy :

"Sambatra ny mpampihavana." (Matio 5.9)

Ary koa :

"Tiava ny fahavalonareo." (Matio 5.44)

Ny mpanara-dia an'i Kristy dia antsoina ho olona mampiely fihavanana fa tsy herisetra.

Tsy tokony ho olona tia ady, tia vono olona, na mitady hampiasa hery hanjakazakana amin'ny hafa ny kristiana.

Hoy i Paoly :

"Raha azo atao, ka miankina aminareo, mihavàna amin'ny olona rehetra." (Romana 12.18)

Noho izany dia tsy tokony ho ny fitiavana miady no antony hianarana hay ady.

⚔️ II. TSY MANDRARA NY FIAROVAN-TENA NY BAIBOLY

Na dia mampianatra fihavanana aza ny Baiboly dia tsy midika akory izany fa voarara ny miaro tena.

Ohatra :

1. Nampianatra ny mpianany hitondra sabatra i Jesosy

Hoy Izy :

"Izay tsy manana sabatra dia aoka hivarotra ny fitafiany ka hividy." (Lioka 22.36)

Tsy hoe namporisika fikomiana na herisetra i Jesosy, nampahafantatra Izy fa hiditra amin'ny tontolo feno loza sy fankahalana ny mpianany ka mila miomana sy miaro tena.

2. Nisy fotoana niaro tena i Paoly

Imbetsaka izy no nampiasa ny zony ara-dalàna mba hiarovany ny tenany (Asa 22.25-29; Asa 25.11).

Midika izany fa tsy voatery hanaiky herisetra fotsiny ny kristiana raha misy manafika azy.

🛡️ III. MISY FAHASAMIHAFA NY FIAROVAN-TENA SY NY HERISETRA

❌ Herisetra

Mamaly faty
Mitady handratra olona tsy misy antony
Te hanimba ny hafa
Mampiasa hery noho ny hatezerana

✅ Fiarovan-tena

Miaro ny aina
Miaro ny ankohonana
Miaro ny marefo
Mampitsahatra loza
Raha misy olona manafika ny zanakao dia tsy afaka ny hijery fotsiny azy hiharan'ny herisetra ianao nefa misy azonao atao hanakanana izany.

Ny fitiavana dia mitaky fiarovana.

👨‍👩‍👧‍👦 IV. MANANA ADIDY HIARO NY FIANAKAVIANY NY KRISTIANA

Hoy i Paoly :

"Raha misy tsy miahy ny havany ... dia efa nandà ny finoana izy ary ratsy noho ny tsy mino." (1 Timoty 5.8)

Ny "miahy" eto dia tsy sakafo sy fitafiana ihany.
Tafiditra ao koa ny fiarovana.

Raha mianatra hay ady ny olona iray mba hahafahany miaro ny vady aman-janany amin'ny loza dia antony mendrika izany.

🥋 V. TSY RATSY NY HAY ADY RAHA FANAZARAN-TENA SY FIAROVAN-TENA NO TANJONA

Maro amin'ireo karazana hay ady no mampianatra :

✅ Discipline (fifehezan-tena)
✅ Respect (fanajana)
✅ Maîtrise de soi (fahafehezan-tena)
✅ Courage (fahasahiana)

Ireo rehetra ireo dia mifanaraka tsara amin'ny soatoavina kristiana.

Ny olana dia tsy ny hay ady fa ny toe-po ampiasana azy.

Ny antsy, ohatra, dia azo ampiasaina hanamboarana sakafo fa ihany koa azo ampiasaina hamonoana olona.

Toy izany koa ny hay ady.

❌ VI. RAHOVIANA NO LASA TSY METY NY HAY ADY?

Lasa olana ara-panahy izy rehefa :

Mampitombo fireharehana
Mampitombo herisetra
Mampianatra fankahalana
Ampiasaina hampitahorana olona
Atao fitaovana hamaliana faty

Raha ireo no tanjona dia mifanohitra amin'ny fampianaran'i Kristy izany.

✝️ VII. NY OHATRA NASEHON'I JESOSY

Rehefa nosamborina Jesosy dia namely ny mpanompon'ny mpisoronabe i Petera.

Hoy Jesosy taminy :

"Ampidiro amin'ny fitoerany ny sabatrao." (Matio 26.52)

Tsy midika izany fa ratsy foana ny sabatra.
Fa tamin'io toe-javatra io dia tsy tokony hiady ny adin'Andriamanitra i Petera.

Mampianatra antsika izany fa tsy ny hery ara-batana no vahaolana voalohany ho an'ny kristiana.

Ny vavaka, ny fahendrena ary ny fihavanana no tokony ho lohalaharana.

🔥 FEHINY

Afaka mianatra hay ady ny kristiana raha :

✅ Fiarovan-tena no tanjona
✅ Fiarovana ny fianakaviana sy ny marefo no antony
✅ Fanatanjahantena sy fanabeazana ny tena no kendrena
✅ Tsy ampiasaina amin'ny herisetra sy famaliana faty

Fa :

❌ Tsy tokony hianatra hay ady mba hampitahorana olona
❌ Tsy tokony hampiasa izany noho ny hatezerana
❌ Tsy tokony hanjary olona tia ady na tia herisetra

Ny kristiana dia tsy antsoina ho olona malemy,(faible) fa olona mahery nefa voafehin'ny Fanahy Masina.

Ny tanjona dia tsy ny hahafahana mandresy olona, fa ny hahafahana miaro ny marina nefa mbola maneho ny toetran'i Kristy.

📖 Mampianara anay 019NAHOANA ISIKA NO TSY MAINTSY HAMELA HELOKA NY HAFA?Ny famelan-keloka dia iray amin'ireo fampianaran...
10/06/2026

📖 Mampianara anay 019

NAHOANA ISIKA NO TSY MAINTSY HAMELA HELOKA NY HAFA?

Ny famelan-keloka dia iray amin'ireo fampianarana sarotra indrindra ao amin'ny Baiboly.

Mora ny mitory azy, saingy sarotra ny mampihatra azy rehefa tena naratra isika.

Kanefa, ny Soratra Masina dia manome antony maro mahatonga ny kristiana hamela heloka.

Tsara marihina fa ny mamela heloka dia tsy midika hoe manadino ny ratsy natao, tsy midika hoe manaiky ny ratsy, ary tsy voatery hidika hoe hiverina amin'ny laoniny avy hatrany ny fifandraisana.

Ny famelan-keloka dia fanapahan-kevitra hamotsotra ny trosa ara-moraly tokony haloan'ilay olona tamintsika.

Antony 5 tsy maintsy hamelantsika heloka :

1️⃣ Satria efa navelan'Andriamanitra ny helotsika

📖 Kolosiana 3:13 MRV
[13] Mifandefera ka mifamelà heloka ianareo raha misy manana alahelo amin’ny sasany; tahaka ny namelan’ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa.

Io no antony lehibe indrindra ao amin'ny Baiboly.

Tsy misy olona nanota tamintsika mihoatra noho ny nanotantsika tamin'Andriamanitra.

Raha nahazo famelan-keloka tsy manam-petra avy Aminy isika, ahoana no handavantsika hamela ny hafa?

2️⃣ Satria ny tsy famelana heloka dia manakana ny fifandraisantsika amin'Andriamanitra

📖 Matio 6:14-15
"Fa raha mamela ny fahadisoan'ny olona ianareo, dia hamela ny anareo kosa ny Rainareo izay any an-danitra."

Ny olona tena niaina ny fahasoavan'Andriamanitra dia tsy afaka hitahiry lolompo mandrakizay.

Ny fo tsy mety mamela heloka dia fo mila havaozin'ny fahasoavana hatrany.

3️⃣ Satria ny tsy famelana heloka dia manimba antsika

📖 Hebreo 12:15 MRV
[15] Mitandrema tsara, fandrao hisy hiala amin’ny fahasoavan’Andriamanitra; fandrao hisy faka mangidy mitsimoka hampikorontana ka ho voaloto ny maro;...

Matetika ilay olona nandratra antsika aza efa mandroso amin'ny fiainany, fa isika mbola voafatotry ny ratra sy ny lolompo.

Ny lolompo dia toy ny poizina sotrointsika nefa antenaintsika hahafaty ny hafa.

4️⃣ Satria te hitovy amin'i Kristy isika

📖 Lioka 23:34
"Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony."

Ny fotoana tena sarotra indrindra teo amin'ny fiainan'i Jesosy no nahitana mazava indrindra ny fony feno famelan-keloka.

Tsy antsoina hanaraka an'i Kristy amin'ny teny ihany isika, fa amin'ny toe-panahiny koa.

5️⃣ Satria ny famaliana ratsy dia an'Andriamanitra fa tsy antsika

📖 Romana 12:19 MRV
[19] Ry malala, aza mamaly ratsy fa omeo lalana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: «Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy NY TOMPO» (Deo 32.35).

Rehefa mamela heloka isika dia tsy milaza hoe tsy nisy ratsy natao.
Fa mametraka ny raharaha eo am-pelatanan'ilay Mpitsara marina isika.

Ny famelan-keloka dia fanehoana finoana fa Andriamanitra no mahalala sy mitsara marina kokoa noho isika.

🔥 Fehiny

Ny antony lehibe indrindra hamelana heloka dia izao :

👉 Namela ny helotsika Andriamanitra.

Tsy mamela heloka isika satria mendrika izany ny olona nandratra antsika.

Tsy mamela heloka isika satria mora ny manao izany.

Tsy mamela heloka isika satria hadinontsika ny ratsy natao.

Mamela heloka isika satria efa navelan'Andriamanitra koa isika tao amin'i Kristy.

Ny fahaizana mamela heloka dia asan'ny Fanahy Masina ao am-po sy mariky ny fahamatorana ara-panahy.

📖 Efesiana 4:32 MRV
[32] ary aoka samy halemy fanahy amin’ny namany avy ianareo ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan’Andriamanitra ny helokareo ao amin’i Kristy.

💡 Ny famelan-keloka dia tsy manova ny lasa, fa manafaka ny ho avy. 🙏✨

🤔Ahoana marina 018📖✨ NY RAMEVA SY NY VODIFANJAITRA(Matio 19:23-26)Matetika rehefa vakiana ity tenin'i Jesosy ity :"Mora ...
08/06/2026

🤔Ahoana marina 018

📖✨ NY RAMEVA SY NY VODIFANJAITRA
(Matio 19:23-26)

Matetika rehefa vakiana ity tenin'i Jesosy ity :
"Mora kokoa ny hidiran'ny rameva amin'ny vodifanjaitra noho ny hidiran'ny mpanankarena amin'ny fanjakan'Andriamanitra."
dia maro no tonga dia manatsoaka hevitra hoe :

❌ Tsy ho voavonjy ny mpanankarena.
❌ Tsy tian'Andriamanitra ny manankarena.
❌ Tsy natao ho an'ny mpanankarena ny fanjakan'ny lanitra.

Kanefa rehefa dinihina tsara ny contexte sy ny tena tian'i Jesosy hambara, dia hafa lavitra noho izany ny hafatra tiany ampitaina.

👇 Andeha hojerentsika.
━━━━━━━━━━━━━━━
1️⃣ Ny contexte : tsy ny harena no tena olana fa ny fo mifikitra amin'ny harena

Manomboka amin'ny tantaran'ilay tovolahy mpanankarena ny resaka (Matio 19:16-22).

Nanontany izy hoe :
"Inona no tsara hataoko mba hahazoako fiainana mandrakizay?"

Rehefa nilaza Jesosy hoe :
"Mandehana, amidio ny fanananao, omeo ny malahelo..."

dia hoy ny Baiboly :
"Niala tamin'alahelo izy satria nanana harena be."

Mariho tsara fa tsy nilaza ny Soratra Masina hoe :
❌ Niala satria ratsy fanahy izy.
❌ Niala satria mpangalatra izy.
❌ Niala satria mpijangajanga izy.

Fa :
👉 Niala satria tsy afaka namela ny hareny.

Ny harena no lasa tompony.
Tsy izy intsony no nanana ny harena fa ny harena no nanana azy.

Izany no contexte nitenenan'i Jesosy ilay hoe :
"Sarotra ny hidiran'ny mpanankarena amin'ny fanjakan'ny lanitra."
━━━━━━━━━━━━━━━
2️⃣ Tsy nilaza Jesosy hoe "tsy ho voavonjy mihitsy ny mpanankarena"

Hoy Jesosy :
"Sarotra."

Tsy hoy Izy hoe:
"Tsy azo atao."

Misy mpanankarena maro voavonjy ao amin'ny Baiboly :

✅ Abrahama dia nanan-karena be.
✅ Joba dia nanan-karena be.
✅ Josefa avy any Arimatia dia mpanankarena.
✅ Zakaiosy dia mpanankarena.

Noho izany dia tsy afaka ny ho :
"Voarara tsy hiditra ny mpanankarena."
satria ny Baiboly mihitsy no manome ohatra mifanohitra amin'izany.
━━━━━━━━━━━━━━━
3️⃣ Inona marina ilay "rameva sy vodifanjaitra"?

Jesosy dia nampiasa fanoharana mihoa-pampana.

Toy ny hoe :
🔹 mamindra tendrombohitra
🔹 mitelina rameva
🔹 mahita sombin-kazo eo amin'ny mason'ny hafa

Fomba fampianarana jiosy mahazatra izany (Pédagogie juive).

Ny heviny dia hoe :
👉 "Tsy azo atao amin'ny herin'olombelona."

Ny rameva dia biby lehibe indrindra hitan'ny Jiosy andavanandro.
Ny vodifanjaitra kosa dia lavaka kely indrindra.

Ny sary dia maneho hoe :
"Tsy azo eritreretina mihitsy."
━━━━━━━━━━━━━━━
4️⃣ Nahoana no sarotra kokoa ho an'ny mpanankarena?

Satria ny harena dia manome fahatsapana fiarovana (sécurité).

Ny mahantra efa fantatra fa mila vonjy.

Fa ny mpanankarena matetika mahatsapa hoe :
💰 manana vola aho
💰 manana hery aho
💰 manana fifandraisana (relation) aho
💰 afaka mamaha olana aho

Mora kokoa noho izany ny miankina amin'ny fananana noho ny miankina amin'Andriamanitra.

Tsy ny vola noho izany no fahavalo.

Fa ny :
⚠️ fitokisana amin'ny aminy
⚠️ fireharehana
⚠️ fahaleovantena tsy mila an'Andriamanitra

Izany no olana.
━━━━━━━━━━━━━━━
5️⃣ Ny fahatairan'ny mpianatra no manampy antsika hahatakatra ny andininy

Hoy ny mpianatra :
"Iza ary no azo vonjena?" (Matio 19:25)

Nahoana izy ireo no taitra?

Satria tamin'ny kolontsaina jiosy dia nino ny maro fa :
"Raha manankarena ianao dia voatahin'Andriamanitra."

Ka raha ny olona heverina ho voatahy indrindra aza sahirana hiditra amin'ny fanjakan'Andriamanitra,
dia iza indray no ho voavonjy?

Izany no nahatonga ny fanontanian'izy irei.
━━━━━━━━━━━━━━━
6️⃣ Eto no ivon'ny fampianaran'i Jesosy

Ny valintenin'i Jesosy no lakilen'ny fahatakarana ilay lahatsoratra :

Matio 19:26 MRV
[26] Fa Jesosy nibanjina azy ka niteny tamin’ireo hoe: Tsy hain’ny olona izany, kanefa ny zavatra rehetra dia hain’Andriamanitra.

Mariho :
Tsy hoy Izy hoe :
"Raha manankarena dia tsy hainy izany."

Fa hoy Izy:
"Raha amin'ny olona."

Midika izany fa tsy ny mpanankarena ihany no olana.
Fa ny olombelona rehetra.

Ny mpanankarena dia lasa ohatra iray hanehoana fahamarinana lehibe kokoa :
👉 Tsy misy olona afaka mamonjy ny tenany.

Na manankarena.
Na mahantra.
Na pasitera.
Na mpino tsotra.
Na teolojiana.
Samy mila ny fahasoavan'Andriamanitra avokoa.
━━━━━━━━━━━━━━━
7️⃣ Ny tena hafatr'i Jesosy

Raha fintinina dia tsy hoe :

❌ "Voarara tsy hiditra any an-danitra ny mpanankarena."
❌ "Fahotana ny manankarena."
❌ "Tsy tia mpanankarena Andriamanitra."

Fa izao :

✅ Mety ho lasa sampy ny harena.
✅ Mety hanakana ny olona tsy hiantehitra amin'Andriamanitra ny harena.
✅ Tsy misy olona afaka mamonjy tena amin'ny heriny sy ny fananany.
✅ Ny famonjena dia vokatry ny fahasoavan'Andriamanitra fa tsy vokatry ny haren'ny olona.

🎯 FEHINY

"Ny olombelona dia tsy afaka miditra amin'ny fanjakan'Andriamanitra amin'ny heriny manokana, fa izay tsy hain'ny olona dia hain'Andriamanitra."

Koa ny "rameva sy vodifanjaitra" dia tsy fampianarana manohitra ny fananan-karena na manilika ny mpanankarena, fa fampianarana manohitra ny fitokisana amin'ny tena sy ny fananana, ary manandratra ny fahasoavan'Andriamanitra irery ihany ho lalana tokan'ny famonjena.

🙏❤️ Izay tsy hain'ny olona dia hain'Andriamanitra. ❤️🙏

🤔Ahoana marina 017❓️Mahazo manao "MPISOLOVAVA" ve ny kristiana?Indro indray ary arosonay ho saintsainintsika indray ity ...
05/06/2026

🤔Ahoana marina 017

❓️Mahazo manao "MPISOLOVAVA" ve ny kristiana?

Indro indray ary arosonay ho saintsainintsika indray ity lohahevitra mety tsy hitovian'ny kristiana hevitra ity.

❓️Inona marina moa no atao hoe mpisolovava ary inona no tena andraikiny?

▶️Ny mpisolovava dia olona matihanina nahazo fiofanana sy fankatoavana ara-dalàna mba hisolo tena, hanome torohevitra, ary hiaro ny zon'ny olona na ny fikambanana eo anatrehan'ny fitsarana na eo amin'ny raharaha ivelan'ny fitsarana.

⛔️Inona no mety hametraka olana amin'ny maha kristiana?

✳️Raha olona hita fa mekoka no arovany, ary tena nisy olona "victime" tokoa noho ny heloka nataony : moa ve tokony hiaro sy hisolo vava izany olona izany manoloana ny fitsarana izy?

Ity andininy ity no andeha ho fototra iaingantsika amin'ny fifanakalozan-kevitra :

Ohabolana 17:15 MRV
[15] Izay manamarina ny meloka na izay manameloka ny marina dia samy fahavetavetana eo imason’NY TOMPO.

Alefanay ao amin'ny commentaire ny hevitray rehefa afa-po isika 🙏

🙏Malalaka ny fanehoan-kevitra nefa aoka atao am-panajana sy am-pitiavana ary tsy hitsara ny hafa tsy mitovy hevitra aminao

Address

Antananarivo

Telephone

+261341781135

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Agape Ministry posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share