10/06/2026
TENA MILAZA TOKOA VE NY BAIBOLY FA ANDRIAMANITRA JESOSY ? ARY RAHA ANDRIAMANITRA IZY: JEHOVAH IHANY VE IZY SA HAFA MIHITSY ?
--------- Ho an'izay tia fahalalana hatrany --------
Ny mpandinika "sérieux" rehetra dia saika miara-manaiky ny fisian'ilay lehilahy iray fahiny teo amin'ny Jiosy izay nantsoina hoe "Jesosy" (Kristy). Eny fa na ny fivavahana Musulmane izay azo lazaina ho anisan'ny fivavahana faharoa be mpanaraka indrindra maneran-tany, ary tsy mitovy hevitra amin'ny kristiana aza dia manaiky ny maha Mesia an'io Jesosy io.
Fa ny tena miteraka adihevitra sy mampizaraza mpandinika maro, eny na hatramin'ireo mpanaraka Azy aza, dia ny "fiizia" (identité) an'ity Jesosy Kristy ity. Ny fanontaniana mampisaraka indrindra ao anatin'izay dia hoe: Fa iza marina io Jesosy Kristy io. Ao ireo milaza fa Olombelona tsotra (homme ordinaire) ihany izy; misy ireo milaza fa Andriamanitra ihany izy fa tsy mba olombelona izany. Misy ireo milaza fa ilay Jehovah mihitsy no niova ho Jesosy Kristy ary io Jesosy Kristy io ihany no niova endrika ho Fanahy Masina rehefa avy eo. Fa misy kosa ireo milaza fa io Jesosy Kristy io Ilay Andriamanitra Personne faharoa ao amin'Andriamanitra Telo Izay Tokana ihany, Izy no Ilay Andriamanitra Zanaka nirahin'ny Ray ary tonga nofo (Olombelona), izany hoe Andriamanitra 100% sady Olombelona 100% izy.
Iza marina ity Jesosy ity ? Andriamanitra sa olombelona ihany ? Raha Andriamanitra Izy : Jehovah Ray ihany ve no niova ho Jesosy sa Andriamanitra hafa mihitsy ilay Jesosy ?
Ny tena fototra dia na ny fandehanana araka ny lojika mahaolona ihany @ fandinihana, na ny fandavana amin'ny ampahany na feno mihitsy aza ny fanambaran'ny Soratra Masina Azy.
Raha te-hamantatra marina ny amin'i Jesosy Kristy anefa isika dia tsy maintsy ny Baiboly feno ihany no atao "référence" satria io ihany no hany boky tokana nofidin'Andriamanitra hanambara ny amin'i Jesosy Kristy sady Izy rahateo no ivon'ny hafatra raketiny. Koa inona marina no resahin'ny Baiboly momba an'i Jesosy Kristy ?
Alohan'ny hanehoana ny fampianaran'ny Soratra Masina momba an'i Jesosy Kristy anefa dia hiresaka fiheveran-diso vitsivitsy mahakasika Azy isika. Ambarantsika hoe diso izy ireo, raha ny fanambaran'ny Soratra Masina hany tokana atao "référence", araka ny voambarantsika tetsy ambony.
Azo sokajiana roa ny fiheverana dia ny "monothéisme stricte" (diso) sy ny "monothéisme au sens large" (marina).
I. HO AN'IREO MONOTHÉISTES STRICTES
Atao hoe "Monothéiste stricte" ny finoana iray rehefa mihevitra fa "Andriamanitra dia tsy manana Personnes 3 izany, fa Personne tokana ihany".
A. Ny fiheverana judaïste
Ny Judaïsme dia manizingizina fa Iray ihany Andriamanitra dia "Yahvé Elohim". Anisany tenin'Andriamanitra ifikiran'izy ireo ny Deo 6.4 :
"Mihainoa, ry Isiraely: Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah IRAY IHANY" (Deo 6.4).
N.B: Ny olana @ fiheveran'ny jiosy maro.
(1) Ny fandraisana ny teny hoe "IRAY IHANY" = Personne Iray Ihany, no mametraka olana @ ity fiheverana ity. Ny Testamenta Vaovao izay fanazavana sy fahatanterahan'ny Testamenta Taloha, @ kristiana, dia maneho fa IRAY IHANY tokoa Andriamanitra, saingy manana Personnes 3 (resahintsika ao ahoriana izay).
(2) Diso ny fiheveran'izy ireo ny @ ilay Mesia ho avy.
Manantena Mesia ihany izy ireo saingy Mesia hafa mihitsy no nandrasany. Na ilay Mesia zanak'i Josefa (Mashiach Ben Joseph) ho faty hanafaka @ fahotana, izay olona ihany, fa indraindra no nandrasany dia ilay Mesia Mpanjaka, mahery, manam-boninahitra, zanak'i David (Mashiach Ben David) hanafaka azy amin'ny geja ara-politik (Messie politique) andrasany. Io no mbola andrasany h@ an'io, na dia efa betsaka amin'izy ireo aza no tonga saina nanomboka andron'ny Apostoly h@ anio fa Jesosy Kristy tokoa ilay Mesia nandrasany.
Nambara hatrany @ Mosesy sy ny Mpaminany mantsy fa ilay Mesia taranaky ny vehivavy hirahin'Andriamanitra dia hamonjy @ fototry ny olan'olombelona, dia ny fahotana izany (Gen 3; Isa 53; Mat 1.21 sns). Izy ilay hanoratra ao am-pon'ny olona ny lalàna (Jer 31). Nasehon'i Daniela 7.13-14, fa amin'ny fiverenany eny amin'ny rahon'ny lanitra (fiverenana faharoa) vao tena hanafaka ny olona amin'ny fangejana ara-politika sns Ilay zanak'olona.
B. Ny fiheverana Musulmane
Ny Musulman dia manaiky fa tety an-tany tokoa izany Jesosy Kristy izany. Izy no Mesia (manamarina ny Apostoly izy ireo hatr'eo).
Tsy eken'izy ireo kosa ny maha Andriamanitra Azy. Fitenenan-dratsy an'Andriamanitra (blasphème) mihitsy aza izany amin'izy ireo. Noho izany, amin'izy ireo, dia olombelona ihany ilay Mesia fa tsy Andriamanitra akory. Araka ny ambaran'izy ireo rahateo dia tsy misy tenin'Andriamanitra na iray aza ao anaty Baiboly na teo am-bavan'i Jesosy nilaza mazava fa Andriamanitra Izy.
N.B: Ny olana amin'ny fiheverana Musulmane.
(1) Eken'izy ireo ny maha Mesia Azy, kanefa tsy ekeny ny maha Andriamanitra Azy. Ny maha Mesia an'i Jesosy Kristy, ambaran'ny Soratra Masina anefa dia amin'izay maha Andriamanitra Azy izay mihitsy. Izy no voahosotra ho Mpamonjy. Tsy misy Olombelona mahavonjy olombelona izany. Ary tsy misy afaka mitondra io anarana hoe Mpamonjy io afa-tsy Andriamanitra irery ihany. Izany no dikan'ilay hoe atao amin'ny Anarany ny famonjena satria Andriamanitra Izy. Tsy afaka atao @ anarany izany raha tsy Andriamanitra Izy, satria ny voninahitr'Andriamanitra tsy omeny ny hafa. Izany dia araka izay nambaran'ny Apostoly Petera hoe:
"... dia aoka ho fantatrareo rehetra sy ny olona Isiraely rehetra fa ny anaran'i Jesosy Kristy avy any Nazareta, Izay nohomboanareo tamin'ny hazo fijaliana, fa natsangan'Andriamanitra tamin'ny maty kosa, dia Izy no itsanganan'io lehilahy io finaritra eto imasonareo. Ary tsy misy famonjena amin'ny hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin'ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena (afa-tsy ny anaran'i Jesosy Kristy" (Asa 4.10,12).
(2) Ambaran'izy ireo fa tsy misy tenin'Andriamanitra milaza mivantana momba ny maha Andriamanitra an'i Jesosy Kristy t@ TT sady tsy nilaza ny tenany ho Andriamanitra mihitsy Jesosy Kristy.
- Ny Isaia 7.14 anefa dia manambara an'i Jesosy Kristy. Ny anjely mihitsy no nilaza tamin'i Josefa fa miresaka an'i Jesosy Kristy io andininy io (Mat 1.23).
- Ambaran'izy ireo fa tsy misy andininy mihitsy nilazan'i Jesosy Kristy fa Andriamanitra Izy.
Mety azo ekena izay, kanefa ny tsy azon'izy ireo dia tsy kolontsaina jiosy ny manambara tena, satria heverin'ny olona fa mpandainga izay manao izany. Dikany, mila vavolombelona, porofo avy amin'ny hafa sy ny asany vao ekena ho marina ny fanambaran'ny olona iray.
"Raha Izaho no manambara ny tenako, dia tsy marina ny fanambarako. Misy Anankiray Izay manambara Ahy. ary fantatro fa marina ny fanambarana izay anambarany Ahy" (Jao 5.31-32).
Avelan'i Jesosy izany ny olona handinika tsara ny zavatra teneniny sy ny asany alohan'ny hinoana azy. Izany no finoana ilainy dia finoana vokatry ny fandinihana sy faharesen-dahatra manokana.
- Marihina mantsy fa tsy voatery amin'ny alalan'ny fanambarana mivantana ihany akory no ahalalana olona iray, fa azo atao tsara ihany koa izany, miainga avy @ fihetsiny, ny fitondran-tenany, ny asany sns. Ny asan'i Jesosy Kristy, ny fahagagana rehetra nataony dia ) dia maneho fa tsy misy Olombelona mahavita ireo; ny fahalalany (omnipotent), ny fahitana azy (omnipotent, mitsangatsangana ambony ranomasina sns) dia maneho fa Andriamanitra Izy. Ny teny tsy mivantana nambarany hoe: "Izaho sy ny Ray dia Iray ihany sy ny hoe "Izaho no Izy" dia azon'ny jiosy tsara fa manao ny tenany ho Andriamanitra Izy amin'izany" (Jao 8.24,28 sns).
B. Ny fiheverana Témoin de Jehovah
Ny Témoin de Jehovah milaza fa Olombelona miavaka Jesosy. Misy amin'izy ireo mihitsy aza no manaiky hoe andriamanitra amin'ny maha zanak'Andriamanitra Azy. Saingy tsy azon'izy ireo ekena kosa ny Andriamanitra mitovy amin'i Jehovah azy. Iray ihany hoy izy ireo Andriamanitra dia Jehovah.
N.B: Ny olana amin'ny fiheverana Témoin de Jehovah dia
- Matetika dia ireo andininy manasongadina ny maha olombelona an'i Jesosy Kristy ihany no resahiny, saingy minia tsy mandinika lalina ny fanambaran'ny Soratra Masina hafa izay maneho fa Andriamanitra mitovy amin'Andriamanitra Ray ihany Jesosy Kristy. Toy ny filazan'i Jesosy Kristy fa "Izy sy ny Ray dia IRAY IHANY" (Jao 10.30, cf. Deo 6.4). Tsy misy olombelona afaka miteny zavatra tahaka izany.
- Ny maha Andriamanitra 100% sy olombelona 100% anefa dia samy asongadin'ny Soratra Masina. Tsy azo atao mitongilana ny famakiana ny Baiboly.
4. Ny fiheverana Modaliste (Unitariste).
Ny kristiana "unitariste" (na modaliste) dia manitrikitrika fa Ilay Andriamanitra Ray no Jesosy (tonga Zanaka) ary Jesosy ihany no niova ho Fanahy Masina. Izany hoe tsy manaiky ny fotom-pampianarana momba an'"Andriamanitra Telo Izay Iray Ihany" izy ireo na dia manaiky ny filazana hoe "Ray, Zanaka ary Fanahy Masina" ao anatin'ny Soratra Masina aza. Amin'izy ireo dia Andriamanitra Personne iray ihany no tiana ho lazaina amin'ireo fa tsy miavaka akory.
N.B: Ny olana amin'ity fiheverana ity dia maro ireo andini-tSoratra Masina tsy voazavan'izy ireo, indrindra ireo maneho fa Personnes samihafa mhitsy ny Ray sy ny Zanaka. Ohatra: Maro ny Soratra Masina milaza fa nirahina Jesosy (fa tsy sady mpaniraka no nirahina akory), rehefa mivavaka Izy dia miantso hoe "Ray ô..." fa tsy mitodika amin'ny tenany akory.
Ambaran'i Jesosy mazava tsara fa samy hafa mihitsy ny "rôle" -ny sy ny an'ny Ray.
"Hoy kosa Izy taminy: Hisotro amin'ny kapoakako tokoa ianareo; fa ny hipetraka eo an-tanako ankavanana sy eo an-tanako ankavia, dia TSY AHY ny hanome izany; fa izay nanamboaran'ny RAIKO izany no homena" (Mat 20.23).
2. HO AN'IREO MONOTHÉISTES AU SENS LARGE
Ny kristiana "monothéiste au sens large" dia manaiky ny Deo 6.4 fa IRAY IHANY tokoa Andriamanitra, saingy na IRAY,L = TOKANA (tsy misaraka) aza Izy dia manana Personnes 3 : Ray sy ny Zanaka ary Fanahy Masina kosa. Tsy manompo Andriamanitra Telo ny kristiana fa manompo Andriamanitra tokana ihany, saingy Andriamanitra manana Personnes telo kosa. Tsy tahaka antsika olombelona Andriamanitra. Isika olombelona tsirairay dia olona iray ary Personne iray ihany no ao anatintsika. Raha vao mohivitra isika fa misy "personnes" roa ao anatintsika, dia manomboka miteny irery isika, ary fambara ratsy mankany amin'ny fahadalana sahady izay.
Fa Andriamanitra kosa dia Andriamanitra Tokana saingy manana Personnes telo, ka sady afaka miteny hoe "Izaho" Izy no afaka miteny hoe "Isika".
Jesosy Kristy noho izany dia Personne faha-2 ao anatin'Izy Telo Izay Iray, Andriamanitra 100% Izy ary tonga Olombelona 100%. Jesosy Kristy no Andriamanitra Zanaka, satria nivoaka avy tao amin'ny Ray Izy, nefa amin'ny maha Andriamanitra azy dia Iray ihany Izy sy ny Ray.
IREO POROFO ARA-BAIBOLY ILAZANA FA PERSONNE IRAY AMIN'NY TRINITÉ JESOSY KRISTY
- Anarana hoe "Elohim au pluriel" izay miteny hoe isika (GN 1.26-27)
- Ilay Andriamanitra sady afaka miteny hoe "Izaho" no afaka miteny hoe "Izahay" (Isaia 1).
- Teo @ batisan'i Jesosy dia nanatrika teo ny Ray sy ny Fanahy Masina.
- Ny iraka lehibe nataon'i Jesosy dia hitory Filazantsara ary hanao batisa @ anaran'ny Ray sy n'y Zanaka ary Fanahy Masina.
- I Jesosy dia mivavaka @ Ray.
- I Jesosy dia mampiasa hoe isika rehefa miresaka @ Ray (Jao 17).
- Jesosy dia nilaza fa Izy sy ny Ray dia iray ihany.
- Averimberin'ny Apostoly amin'ny Epistily rehetra ny fisian'ireo Personnes 3 ireo (oh: 2Kor 13.14; 1Pet 1.2 sns).
AHOANA IZANY HOE 3 NEFA 1 IHANY
- Andriamanitra dia iray tsy azo sarahina, tokana, nefa manana personnes 3 miavaka tsara.
- Telo: Ny Ray tsy Zanaka ary tsy Fanahy Masina. Tsy Ray Izy raha tsy manana Zanaka ary tsy Zanaka raha tsy misy Ray.
- Iray koa n'y toetrany. Ny toetran'ny Ray 100% dia hita ao @ Zanaka ary 100% ao @ Fanahy Masina. Samy mandrakizay, samy mahay ny zavatra rehetra, samy manerana, samy masina , samy marina, samy tsara, samy fitiavana sns...
AHOANA ILAY HOE: "Ny Ray lehibe noho Izaho?"
- Tsy resaka "grandeur" io fa resaka "Ordre". Ny Ray mpaniraka ny Zanaka manaiky (se soumettre) irahina @ ilay mission.
- Resaka asa samy manan-tandrify.
FEHINY
TSY IFANERENA IO, FA ANJARAN'NY TSIRAIRAY NY MANARAKA NY FAMPIANARANA METIMETY AMIN'NY FANAHINY.
TSY NY FANARAHANTSIKA NY FAMPIANARANA BE MPANARAKA NA ... RAHATEO NO MAHAVONJY ANTSIKA FA NY FAHARESEN-DAHATRAN'NY TSIRAIRAY AMIN'NY FILAZANTSARA ARAKA IZAY NAMPITONDRAIN'I JESOSY KRISTY NY APOSTOLY IRERY IHANY !