FAKA Réflexion Evangélique

Call Contact the organization

FAKA Réflexion Evangélique Réflexion et éthique

AHOANA IZANY HOE "BATISAN'NY AFO" ? ‎------Vakio, dia ambarao ny hevitrao ------‎‎Nambaran'i Jaona Mpanao Batisa fa rehe...
23/10/2026

AHOANA IZANY HOE "BATISAN'NY AFO" ?
‎------Vakio, dia ambarao ny hevitrao ------
‎
‎Nambaran'i Jaona Mpanao Batisa fa rehefa tonga ny Messie, dia Izy no hanao batisa anareo amin'ny Fanahy sy ny afo" (Mat 3.11). Tsy mbola nisy fotoana anefa nahitantsika tamin'ny fahatongavany teto an-tany nanao batisa tamin'ny afo, eny fa na ny mpianany sy ny fiangonana aza dia tsy nanao izany. Ny batisan'ny Fanahy Masina dia hitantsika fa Andriamanitra (Jesosy Kristy) tenany tokoa no nanao izany ao @ Asan'ny Apostoly 2.
‎
‎Fa inona kosa ity hoe "atao batisa amin'ny afo" ?
‎
‎VALINY OMEN'NY MPANDINIKA MARO !
‎
‎Maro ny hevitra aroson'ny mpandinika momba izany.
‎
‎Ny afo dia kisarin-teny (symbole) ampiasaina ilazana fitaovana entina "manadio" (purifier). Misy karazana loto (impureté) sasantsasany mantsy izay tsy afaka hadio (pur) mihitsy raha tsy amin'ny alalan'ny afo. Ohatra, ny volamena dia mila arendrika amin'ny afo vao mivoaka "or pur".
‎
‎Ka azo raisina tahaka izany ihany koa ny loton'olombelona. Misy karazana loto, tsy fahantanterahana miraiki-tapisaka any amin'ny fanahin'ny olona (imperfections) izay tsy voatery ho hita ho fahotana avy hatrany ety ivelany, nefa mila diovina (purifier) mba hadio toy ny "or pur" ny fanahin'ilay olona. Ary ny Fanahy Masina no hanao izany. Ny batisan'ny afo noho izany, dia tsy inona akory fa ny batisan'ny Fanahy Masina na ny fanadiovana (purification) izay nataon'ny Fanahy Masina ao @ atifanahin'ny mino ihany.
‎
‎Porofon'izany, dia Fanahy Masina miendrika tarehina lelan'afo no nilatsaka tamin'ireo kristiana voalohany tamin'ny andron'ny Pentecôte (Asa 2.3).
‎
‎Ilazana "tranga iray" ihany noho izany ny batisan'ny Fanahy Masina sy ny batisan'ny afo, ny ilay asa fahadiovana ho tanterahin'ny Fanahy Masina ao amin'ny fanahin'ny mino amin'ny alalan'ny Tenin'ny Filazantsara amin'ny fotoana inoany sy andraisany Fanahy Masina. Koa izay rehetra mino (zanak'Andriamanitra) noho izany, dia samy efa vita batisan'ny afon'ny Fanahy Masina avokoa.

AHOANA KOSA NY HEVITRAO ?

SARY FANEHOANA, INDRANA
‎

MARO NY ANDININ-TSORATRA MASINA MITAKY "FANAMELOHANA HO FATY". KOA INONA NO OLANA RAHA AMPIHARINA IZANY ? ‎‎Anisany ants...
17/10/2026

MARO NY ANDININ-TSORATRA MASINA MITAKY "FANAMELOHANA HO FATY". KOA INONA NO OLANA RAHA AMPIHARINA IZANY ?
‎
‎Anisany antso averimberin'ny Malagasy maro tatoato izay ny fampiharana ny "fanamelohana ho faty" (na ny "peine de mort") noho ny asan-jiolahy nifanesisesy sy ny alahelo lalina asetrin'izany.
‎
‎Amin'ny maha kristiana ny Pejy FAKA Réflexion Évangélique, izay mba latsak'alahelo lalina ihany koa noho noho ny afitsok'ireo tsy matahotra an'Andriamanitra ka sahy mandatsak'aina ny mpiara-belona aminy tsotra izao, dia velom-panontaniana hoe: Inona tokoa moa no lazain'ny Baiboly momba ny "peine de mort" ?
‎
‎VALINY
‎
‎Saro-bidy loatra amin'Andriamanitra ny aina sy ny fanahin'ny zanak'olombelona. Izany no antony nanenjanana faran'izay mafy ny fepetra samihafa mba hisorohana izay mety hanala ny ain'olo na mety hitondra ny fanahiny @ fahaverezana.
‎
‎Tsy mitovy ny vahaolana entin'ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao mahakasika izany.
‎
‎I. NY FANAMBARAN'NY TESTAMENTA TALOHA
‎
‎Raha atao indray mijery ny Baiboly dia hita fa ny Testamenta Taloha, indrindra ny lalàna, no tena ahitana andininy maro mandidy "fanamelohana ho faty" ampiharina amin'olona izay nahavita heloka bevava sasantsasany. Natao indrindra ireny didy ireny tamin'izany noho ny hasin'ny aina sy hiarovana azy, ary mba hampatahotra ny mpanao ratsy, hamerana ny faharatsiana eo amin'ny fianam-bahoaka ary handrindrana ny fiaraham-monina.
‎
‎Ireto ohatra misy andininy vitsivitsy miantso "peine de mort / peine capitale":
‎
1. ‎Ireo mpandatsak'ain'olona tsotra izao
‎
‎"Izay mandatsaka ny ran'olona, dia mba halatsak'olona kosa ny ràny, satria tahaka ny endrik'Andriamanitra no nanaovany ny olona" (Gen 9.6).
‎
‎"Izay mamely olona ka mahafaty azy dia hatao maty tokoa... Ary izay mamely ny rainy na ny reniny dia hatao maty tokoa" (Eks 21.12,15).
‎
‎"Fa raha misy maninona kosa, dia hanome aina solon'ny aina ianao" (Eks 21.23).
‎
‎"Kanefa raha misy mamely vy olona ka mahafaty, dia nahafaty olona izy; hatao maty tokoa izay nahafaty olona. Ary raha misy mamely vato olona ka mahafaty, dia nahafaty olona izy; hatao maty tokoa izay nahafaty olona" (Nom 35.16-17).
‎
2. ‎Ireo mpangalatr'olona
‎
‎"Ary izay mangalatra olona, na efa namidiny, na mbola hita eo an-tànany ihany ilay nangalariny, dia hatao maty tokoa" (Eks 21.16).
‎
‎ 3. Ireo manozona ny ray amandreniny
‎
‎"Ary izay manozona ny rainy na ny reniny dia hatao maty tokoa" (Eks 20.9, 21.17).
‎
‎ 4. Ireo tsy manaja sabata
‎
‎"Koa tandremo ny Sabata, fa masina aminareo izany; izay tsy manamasina azy dia hatao maty tokoa, fa izay rehetra manao raharaha amin'izany dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny" (Eks 31.14,15).
‎
‎ 5. Ireo mpijangajanga
‎
‎"Ary ny lehilahy mijangajanga amin'ny vadin'olona, dia izay mijangajanga amin'ny vadin'ny namany, hatao maty tokoa, na ny mila, na ny ilainy. Ary ny olona izay mandry amin'ny vadin-drainy dia efa nandry tamin'izay nandrian-drainy; hatao maty tokoa izy roroa; ny ràny dia ho aminy ihany" (Lev 20.10-16).
‎
‎ 6. Ireo mpanompo sampy
‎
‎"Lazao amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Na iza na iza amin'ny Zanak'Isiraely, na amin'ny vahiny eo aminy, no manolotra ny zanany ho an'i Moloka, dia hatao maty tokoa: ny vahoaka no hitora-bato azy" (Lev 20.2).
‎
‎"Ary na lehilahy na vehivavy izay manao azy ho tsindrian-javatra na izay mpanao hatsarana dia hatao maty tokoa: hitora-bato azy ny olona; ny ràny dia ho aminy ihany" (Lev 20.27).
‎
‎ 7. Ireo mpaminany sandoka
‎
‎"Fa ny mpaminany izay sahy hilaza teny amin'ny anarako, nefa tsy nasaiko nolazainy, na izay miteny amin'ny anaran'andriamani-kafa, dia hatao maty" (Deo 18.20).
‎
‎ 8. Sns
‎
‎N.B: Amin'ny maha firenena ny Israely anefa dia tsy fanapahan-kevitr'olona tsotra no hampihatra ny "peine capitale", fa ny mpitsara ihany no natao handinika ny fampiharana izany arakaraka ny tranga misy (Eks 21.13-14). Ny manaitra ihany koa dia ny nampanamboaran'Andriamanitra tanana fierena (ville de refuge) ho an'ireo nahafaty olona tsy nahy, Lev 35). Rehefa tafiditra ao izy dia tsy azo kasihin-tanana intsony.
‎Tsy mahagaga ihany koa ny fitakiana ny hampiharana ireo lalàna ireo teo amin'ny zanak'Israely satria firenena izy ireo ary niaina teo ambany lalàna.
‎
‎II. NY FANAMBARAN'NY TESTAMENTA VAOVAO
‎
‎Mety hanaitra antsika ny filazana fa tsy misy andinin-tSoratra Masina na iray aza manameloka ny "fampiharana ny fanamelohana ho faty" ety @ Testamenta Vaovao.
‎Nambaran'ny Tompo fa "tsy tonga handrava ny lalàna Izy fa hanatanteraka" (Mat 5.17).
‎Ny dikan'izany, dia tsy nanohitra ny "peine capitale" mihitsy ny Tompo.
‎
‎Raha nisambotra ilay vehivavy tratra nijangajanga ireo jiosy ka nentiny teo anatrehan'i Jesosy mba ho toraham-bato, dia tsy nanameloka io "pratique" io. Ny nambarany dia : "Izay tsy nanota eo aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany" (Jao 8.7).
‎
‎Nambaran'i Paoly aza, fa tsy ny ota sasantsasany ihany no mendrika fanamelohana ho faty fa ny ota rehetra mihitsy. "Fa fahafatesana no tambin'ny ota" (Rom 6.23). Ary momba ny "peine de mort" noho ny antony sasantsasany, dia ambarany "indirectement" fa andraikitry ny mpitondra fanjakana izany.
‎
‎"Fa raha ratsy kosa no nataonao, dia matahora fa tsy entiny foana tsy akory ny SABATRA; fa mpanompon'Andriamanitra izy, dia mpamaly handatsaka fahatezerana amin'izay manao ratsy" (Rom 13.4).
‎
‎Nambaran'Andriamanitra hatrany @ Testamenta Taloha anefa fa te-hamonjy ny mpanota Izy.
‎"Moa sitrako akory va ny fahafatesan'ny ratsy fanahy, hoy Jehovah Tompo, fa tsy ny hialany amin'ny alehany mba ho velona izy ? "(Ez 18.23). Tsy marina anefa Andriamanitra raha toa ka tsy mampihatra ny lalan'ny fanamelohana ho faty amin'olona tokony iharan'izany. Dia inona no nataony ?

Tsy nataon'i Andriamanitra vitavita ho azy ny heloka be vava vitan'ny olona, fa ‎"TSY MAINTSY NIHARAN'NY FANAMELOHANA HO FATY JESOSY KRISTY MBA AHAFAHANY MAMONJY NY FANAHIN'IZAY TOKONY NIHARAN'NY "PEINE DE MORT" KANEFA NINO AZY SY NIBEBAKA TAMIN'NY FAHOTANY".
‎
‎Izany no nahafahan'i Jesosy Kristy namela ny helok'ilay vehivavy tratra nijangajanga, satria Izy no efa ho melohina ho faty noho ny fahotana mahafaty (araka ny lalàna) vitany.
‎
‎Noharina tamin'ny jiolahy mpamono olona izay nahavita heloka bevava ny Tompo, niharan'ny "peine de mort" Ilay zanak'Andriamanitra, mba ahafahany mamela ny heloky jiolahy raindahiny rehetra mino Azy ary tonga mibebaka eo anatrehany ka manaiky Azy ho Tompo sy Mpamonjy ny fiainany.
‎Mety iharan'ny lalan'olombelona ihany ny mpanota rehetra, mety hihatra aminy hatramin'ny "peine de mort" aza, saingy raha mino an'i Jesosy Kristy kosa izy ka nibebaka marina tokoa, dia voavela ny fanahiny eo anatrehan'Andriamanitra.
‎
‎"Avia ary hifandahatra isika, hoy Jehovah: Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, dia ho fotsy tahaka ny oram-panala, na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza, dia ho tahaka ny volon'ondry fotsy" (Isa 1.18).
‎
‎FEHINY
‎
‎Ny lalàna momba ny "peine de mort" dia nampiharina tamin'ny Testamenta Taloha mba hamerana ny asan'ny olon-dratsy sy hiarovana ny aina sy ny fanahin'ny olona. Anjaran'ny fanjakana (mpitsara) kosa no mandinika ny fampiharana izany, fa tsy an'olon-tsotra kosa. Toy ny miteny ny Soratra Masina fa ny fanenjanana ny lalàna ihany no vahaolana afahana mametra ny vokatry ny faharatsiana. Na izany aza anefa dia tsy afaka namaha ny olan'ny fahotan'ny olona izany fanenjanana ny lalàna izany satria ny fon'ny olona mihitsy no ratsy. Ny ratsy dia mbola nanao ny ratsy hatrany.
‎
‎Tonga kosa Jesosy Kristy hamaha ny fototry ny olan'ny olona, hanova ny fony. Nanaiky niharan'ny "peine de mort" Izy mba ahafahany mamonjy ireo tokony iharan'izany kanefa tonga mino Azy sy nibebaka marina tamin'ny fahotany. Ny sitrapony dia ny hamonjena ny mpanota rehetra ka mibebaka.
‎
‎Na izany anefa tsy misy fanambarana ao amin'ny Soratra Masina fa tsy tokony iharan'ny sazy ara-pitsarana intsony izay nibebaka marina tamin'i Jesosy. Na iharan'ny sazin'olombelona kosa anefa izy ireny dia voavonjy ny fanahiny sy ny mandrakizainy. Dikany ny fanovana ny fon'ny olombelona ihany no vahaolana mahomby indrindra amin'ny faharatsiana.
‎Ho an'izay tsy mety mibebaka moa dia miandry azy ihany ny "peine capitale" avy any ambony, tsy azony handosirana !
‎
‎TSARA JESOSY ! RAHA TSY NISY AZY KA NAMPIHARINA TOKOA NY LALANA MOMBA NY "PEINE DE MORT", NOHO NY FAHOTANA VITAN'NY OLONA, DIA VONO OLONA, FIJANGAJANGANA, FANOMPAN-TSAMPY SNS, DIA IZA AMINTSIKA MOA NO MBA HO AFA-BELA ?

RAHA MISY ANDRIAMANITRA, IZA NO NAMORONA AZY ?--------- Fanontaniana toa ambany be nefa apetraky ny olona foana --------...
15/10/2026

RAHA MISY ANDRIAMANITRA, IZA NO NAMORONA AZY ?
--------- Fanontaniana toa ambany be nefa apetraky ny olona foana ---------
‎
‎Betsaka ireo fanontaniana apetraky ny tsy mino momba an'Andriamanitra izay tsy ahitan'izy ireo valiny, entiny manamavo an'Andriamanitra sy manakiana ny finoana kristiana. Iray amin'izany ny hoe :
‎
‎"Raha Andriamanitra no nanamboatra ny olombelona sy ny voary rehetra, dia iza kosa no nanamboatra an'Andriamanitra ?
‎
‎Inona no valin-teny azon'ny kristiana omena mahakasika izany fanontaniana izany ?
‎
‎VALINY :
‎
‎(1) ANDRIAMANITRA TSY MANAM-PIANDOHANA SADY TSY MISY FIAFARANA
‎
‎Aza adino fa raha nisy nanamboatra Andriamanitra, dia tsy Andriamanitra intsony Izy, fa zava-bohary. Ary raha nisy namoron'Izy, dia ilay namorona no Andriamanitra.
‎
‎"Ary hoy Andriamanitra tamin'i Mosesy: IZAHO, IZAY IZY HATRIZAY HATRIZAY KA HO MANDRAKIZAY.." (Eks 3:14).
‎
‎"... Mba hahafantaranareo sy hinoanareo Ahy ka ho azonareo tsara fa Izaho no Izy; talohako dia tsy nisy andriamanitra voaforona, sady tsy hisy handimby Ahy. Izaho dia Izaho ihany no Jehovah Ary tsy misy Mpamonjy afa-tsy Izaho" (Isa 43.10-11).
‎
‎Ambaran'ny tenin'Andriamanitra ary fa Izy no Ilay niandohan'ny ny zavatra rehetra ary tsy nisy Andriamanitra talohany.
‎
‎(2) ANDRIAMANITRA MASIMANDIDY IZY ARY TSY VOATERY HAMALY NY FANONTANIANA OLOMBELONA IZAY ZAVA-BOHARINY IHANY
‎
‎Raha voatery manazava amintsika ny zavatra rehetra Andriamanitra, dia tsy Andriamanitra masimandidy (Souverain) intsony izy. Tsy manana "compte à rendre" na @ iza na @ iza ny Tompo @ maha Andriamanitra azy. Ny hany ataon'Andriamanitra dia ny maneho ny maha Izy Azy @ zava-bohary, hitan'ny manam-pofonaina rehetra ny fisiany, ny asany izay tsy misy mahasakana, ny heriny, ny fahamarinany, ny fitiavany, ary ataony izay andrenesan'ny nofo rehetra ny teniny mba hitsarany azy amin'ny farany.
‎
‎Maro ny fanontaniana napetrak'i Joba tamin'Andriamanitra mahakasika ny fahoriana tsy fantany fiaviana teo @ fiainany. Fa tsy namaly mivantana ireo fanontaniany ireo ny Tompo. Vao mainka fanontaniana saro-baliana aza no nasetrin'Andriamanitra ny fanontaniany.
‎
‎"Iza moa izato manao izay hahamaizina ny fisainana amin'ny teny tsy misy fahalalana?
‎Misikina ary tahaka ny lehilahy; Fa hanadina anao Aho, ka valio: Taiza ary ianao, fony Aho nanorina ny tany? Ambarao, raha hainao..." (Job 38.2-4)
‎
‎Raha dinihina ny tian'Andriamanitra asongadina amin'ireny fanontaniana ireny dia izao hoe: ANDRIAMANITRA SOUVERAIN IZY, IZY NO NIAVIAN'NY ZAVATRA REHETRA, MIFEHY NY ZAVATRA REHETRA ARY TSY VOATERY HO TRATRY NY SAIN'OLOMBELONA NY MISITERIN'NY ZAVATRA REHETRA.
‎
‎(3) FANONTANIANA ENTINA MIKOMY @ ANDRIAMANITRA IHANY IZY IO
‎
‎Io fanontaniana io dia tafiditra amin'ilay lazain'ny teolojiana Henri BLOCHER hoe "le si hypothétique de l'incrédulité". Izany hoe mitady hevitra samihafa mba hanamafisana ny tsy finoana: "RAHA (si hypothétique) misy ary Andriamanitra, dia iza no namorona Azy ?" RAHA nisy ary Ilay namorona an'Andriamanitra dia iza namorona ilay mpamorona Azy ?"
‎
‎Amin'ny maha fahavalon'Andriamanitra ny mpanota dia tsy mety aminy mihitsy ny hino na hihavana moramora @ Andriamanitra. Noho izany dia tsy maintsy mitady "motifs" maro samihafa izy mba hanamarinany izany tsy finoany izany foana izy. Ary na mazava aminy aza ny valin'ny fanontaniana iray dia hitady fanontaniana hafa indray izy hanoherany izany.
‎
‎FEHINY
‎
‎Tsy voatery hamaly mivantana ny fanontaniana rehetra apetratsika Andriamanitra amin'ny maha "Souverain" azy. Asehony kosa anefa fa misy izy, ary tsy ny tsi-fahafaham-pontsika manoloana ny valin'ireny fanontaniana ireny akory no hahafoana ny fisiany.
‎
‎Na izany aza anefa dia ambaran'Andriamanitra mazava fa tsy nisy namorona Izy, tsy nisy na inona na inona talohany, Izy no nahary ny zavatra rehetra ary izany no maha Andriamanitra azy.
‎
‎Tsy ny tsy fahatraran'ny saintsika izany fahamarinana izany akory no hahafoana ny fisian'Andriamanitra. Misy Izy, hita amin'ny asany izany ary hifanatrika Aminy isika.

"Fa Izy no nihavian'izao zavatra rehetra izao, ary Izy no mihazona azy, sady Izy koa no antony; Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay. Amena." (Rom 11.36)
‎

VITA NY FAHOTANA : HANAMARIN-TENA SA HANAMELOKA NY HAFA SA HANAMELO-TENA ? ‎‎Fihetsika 2 na 3 no fanaon'ny olona manoloa...
13/10/2026

VITA NY FAHOTANA : HANAMARIN-TENA SA HANAMELOKA NY HAFA SA HANAMELO-TENA ?
‎
‎Fihetsika 2 na 3 no fanaon'ny olona manoloana ny ota iray izay vitany :
‎
‎- Na izy manamarin-tena,
‎- Na izy manameloka ny hafa,
‎- Na izy manamelo-tena
‎
‎Ny fanamarinan-tena sy ny fanamelohana ny hafa dia samy endrika lainga avokoa.
‎
‎💋 Ny olona manamarin-tena dia sady mandainga amin'ny tenany, no mandainga amin'ny hafa. Mandainga sady manitaka ny tenany ihany izy ireny satria raha tokony hitsotra sy hiaiky ny fahadisoany izy, dia ny miholakolana mitady hevitra samihafa hanodikodinana ny sainy izy, mba hino fa mety ny nataony.
‎
‎Ohatra: Rehefa tratra nijangajanga ny olona iray dia mety hanamarin-tena izy hoe: Ka nofo anie ny tena e. Dia ampinoany izany lainga izany ny sainy, toy ny milaza amin'ny tenany izy fa rariny ny fijangajangana nataony.
‎
‎😛 Rehefa tsy mahita hevitra hanamarinana ny tenany ny olona, dia mihezaka manameloka ny hafa izy, toy ny hoe: "Ny hafa no tompon'andraikitra amin'ny fahadisoana nataony." Mandainga anefa izy amin'izany, satria tsy afaka hiaiky am-pahatsorana ny fahadisony, fa manao izay hahatonga ny hafa hihevitra fa tsy manan-tsiny izy. Ny hafa no olana fa tsy "izaho".
‎
‎I Adama ohatra rehefa tratra nanota dia niampanga ny vehivavy izay nomen'i Jehovah azy ho fositra nahatonga azy nihinana voankazo voarara. I Eva moa dia niampanga ny menarana ho fositra nahatonga azy ho resin'ny fakam-panahy. Tsy vitsy ihany koa ny olona miampanga an'Andriamanitra ho tompon'andraikitra amin'ny fahapotehan'ny fiainany androany.
‎"Ny fahadalan'ny olona no mahasimba ny alehany, ka amin'i Jehovah no sosotra ny fony" (Ohab 19.3).
‎
‎🥲 Rehefa tsy afaka manamarin-tena, tsy mahita olon-kafa helohiny @ toerany ny olona iray, mazàna, dia manamelo-tena izy. Ny mahazava-doza ny fanamelohan-tena dia ny tsy fahaizana mino ny famelana izay efa nomen'Andriamanitra. Mazàna dia mifona foana ny olona manamelo-tena, kanefa dia mitambesatra ao amin'ny eritreriny foana hoe "izaho ve dia nahavita izany ko". Matetika dia olona mihevi-tena ho marina mandrakariva, tsy mba diso, ny olona latsaka amin'ny fanamelohan-tena rehefa tsy hitany intsony izay hanilihana ny fahadisoana vitany. Olona "perfectionnistes" ireny olona ireny mazàna ary tsy mba afaka handefitra amin'ny fahotan'ny hafa mihitsy. Raha kristiana izy, dia mihevitra fa izany kristiana izany dia efa tsy manota intsony ary efa madio tsy misy pentina. Hany ka mavesatra loatra aminy rehefa nahavita fahadisoana izy. Ary ny tena loza, ny olona manamelo-tena dia tsy matoky ny fahasoavan'i Jesosy Kristy izay mamela malalaka izay rehetra mibebaka ary manadio azy amin'ny tsi-fahamarinana rehetra. Sarotra ho an'ny manamelo-tena no mino ny famelan-keloka izay atolotry ny Tompo maimaim-poana izay rehetra mibebaka. Endrika tsy fahaizana miaiky ny fahadisoana noho izany ny fanamelohan-tena ary sakana lehibe tsy ahafahana misitraka ny fahasoavan'i Jesosy Kristy.
‎
‎Io tsy fahaizana miaiky ny fahadisoana sy fanamelohan-tena io no nahatonga an'i Jodasy namono tena rehefa namadika an'i Jesosy Kristy zanak'Andriamanitra marina.
‎
♥️ ‎FEHINY
‎
‎Tsotra ny vahaolana omen'Andriamanitra raha sanatria ka latsaka amin'ny fahotana isika:
‎
‎"Izay manafina ny fahotany tsy hambinina; Fa izay mitsotra ka mahafoy azy no hahazo famindram-po" (Ohab 28.13).
‎
‎"Raha hoy isika: Tsy manana ota isika, dia mamita-tena, ary ny marina tsy ato anatintsika.
‎Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin'ny tsi-fahamarinana rehetra. Raha hoy isika: Tsy nanota isika, dia mampandainga Azy, ary tsy ato anatintsika" (1Jao 1.8-10)
‎
‎Koa tsy tsara ny manamarin-tena fa mandainga amin'ny tenany izay manao izany.
‎Tsy tsara ny manameloka ny hafa fa lainga sady fandosirana andraikitra izany.
‎Tsy tsara ny manamelo-tena fa sakana ho amin'ny fahasoavana izany.
‎
‎MOA MIBEBAHA, DIA MINOA FA EFA NAVELANY, KA AMIN'NY SISA AZA MANOTA INTSONY !

‎MPIFANKATIA MANANA OLANA, TOKAN-TRANO ANDALAM-PAHARAVANA : INONA NO VAHAOLANA ?‎‎Maro ny manana olana ara-pitiavana, ar...
10/10/2026

‎MPIFANKATIA MANANA OLANA, TOKAN-TRANO ANDALAM-PAHARAVANA : INONA NO VAHAOLANA ?
‎
‎Maro ny manana olana ara-pitiavana, ara-panambadiana ankehitriny, misy ny efa rava, fa tsy vitsy ireo andalam-paharavana. Tsy sitrak'izy ireo anefa izany. Tsy izany no niriny. Tokan-trano sambatra no nofinofisiny, nefa indrisy fa toa ny mifanohitra amin'izany no mitranga androany.
‎
‎N'inon'inona anefa olana ara-panambadiana misy eo @ fiainanao androany, dia misy vahaolana ary azo antoka fa hahomby 100% raha ekenao ny hampihatra izany @ fonao rehetra.
‎
‎Ny fanontaniana mila valianao fotsiny dia izao:
‎Te-hanana fiainam-panambadiana sambatra tokoa ve ianao ? Vonona ve ianao hampihatra ny vahaolana ? Vonona ve ianao hampandefitra izay rehetra sakana ho amin'ny fahasambaranao izany ? Sa hoe, avelao ihany aho @ izao olako izao, avelao ihany aho hijaly, avelao ihany ny foko haratra, avelao ihany ny zanakay hitoreo, avelao ihany aho hanjoretra raha izany ? Mila fanapahan-kevitra sahy sy entitra anefa ny ho sambatra.
‎
‎INONA ILAY VAHAOLANA ?
‎
‎Ny tenin'Andriamanitra ihany no hany tokana eto amin'izao tontolo izao afaka manome torohevitra azo antoka fa hahomby 100% rehefa ankatoavina @ fo rehetra. Fa te-ho sitrana va ianao ?
‎JESOSY KRISTY IRERY IHANY NO VAHAOLANA MAHOMBY INDRINDRA.
‎
‎INONA NO TOKONY ATAO ?
‎
1. ‎EKEO IZY HANAM-PAHEFANA TANTERAKA @ FIAINANAO
‎
‎Hevero tsara aloha ny lalanareo: Taiza ianareo no nanomboka niala ny sitrapon'Andriamanitra ? Inona no nahatonga ny korontana ? Inona no nataonao rehefa tonga ny korontana ? Nanaiky handroso @ firaisana amin'ny Tompo ve ianao t@ izany sa vao mainka nanalavitra azy sy ny fiangonana ? Nanaiky notarihin'ny tenin'Andriamanitra ve sa nanaotao foana ?
‎
‎Dia mibebaha @ fihetsika tsy namela sitrapon'Andriamanitra hanjaka teo amin'ny fiainanao ? Dia misaora an'Andriamanitra aloha anio noho ny vokatr'izany fahotanao izany anio satria masina Andriamanitra ary manafay ny ota rehetra. Misaora Azy fa mbola vonona handray an-tanana ny fiainam-pitiavanao indray izy.
‎Dia manapaha hevitra hanaiky azy tanteraka sy ny fampianarany tsy misy fepetra manomboka izao. Manàna toe-po tsotra sady mietry toy ny zazakely. Fa raha tsy tonga tahaka ny zazakely isika tsy afaka hisitraka ny fahasoavan'Andriamanitra mihitsy.
‎
2. ‎AVELAO NY AMBO-PO
‎
‎Ny ambo-po (ego) io mazàna no fahavalon'ny fahasambaran'ny fiainam-panambadiana voalohany indrindra. Fomba fitenin'ny lehilahy ny hoe: Izaho lehilahy indray ve no hietry hiandohalika @ vehivavy ? Fomba fanaon'ny vehivavy ny mampifila rehefa handemy ny lehilahy. Dia samy mampivonto ny fony ny andaniny sy ny ankilany hoe: "Foto-kazo sy vorona io ka izay mahatsiaro manatona e".
‎Dia samy tsy mety hietry, tsy mety hiresaka, tsy mety hanao "premier pas", tsy mety hifona @ fahadisoany, tsy mety hanaiky diso, tsy mety hanaiky resy, tsy mety mety hifamela, tsy mety hihavana, tsy mety hanadino ny lasa sns.
‎Dia izany rehetra izany anefa no fototry ny faharavana ara-pitiavana. Dia ny ambom-pon'izy roa ihany no mandrava ny tokan-tranony fa tsy ny mpamosavy avy any ivelany akory.
‎Dia ambaranay fa tsy misy firaisana tanteraka raha tsy misy fifandeferana. Tsy misy fifamelana tanteraka raha tsy mampandefitra ambom-po. Tsy misy fihavanana hivitrana raha tsy mifamela. Tsy misy manaiky hifankatia sy hihavana @ fo madio raha tsy ao @ Jesosy Kristy irery. Fa izay navelan'i Jesosy Kristy t@ heloka be ihany no mahay mamela ny kely nataon'ny hafa.
‎
3. ‎MIFANATONA HIRESAKA, MANAOVA 1er PAS
4. ‎MIFAMPIBEBAKA SY MIFAMELA
5. ‎MIHAVANA DIA MIRAY ARY MIARA-MANADINO NY LASA
‎
‎Raha ireo rehetra ireo no natao t@ fankatoavana an'i Jesosy Kristy Ilay nampiray ho sambatra lavitra noho ianareo vao nifankatia ianareo.

FEHINY

N'inon'inona vola sy harena ananana, n'inon'inona diplôme azo, n'inon'inona voninahitra eo amin'ny fiaraham-monina sns, tsy misy tsirony izany rehefa ny fanambadiana no mikorontana.
‎
‎AZA ADINO FA FAHOTANA ARY FANAOVANA TSINONTSINONA AN'ILAY ANDRIAMANITRA NAMPIRAY NY FISARAHAM-PANAMBADIANA. Koa satria fahotana izany dia tsy hilamin-tsaina tanteraka mihitsy izay miaina izany. NY SITRAPONY MANTSY DIA MBA HONENAN'NY HATSARANY NY TOKAN-TRANO TSIRAIRAY.
‎
‎IZY NO NANORINA NY FANAMBADIANA, ARY AO AMINY IHANY NO VAHAOLANA SY MAHATSARA NY FIAINAM-PITIAVANA.
‎
‎MAHAZO VONINAHITRA IZY RAHA AFAKA MAHAY MIAINA NY FAHATSARANY IREO OLON-DROA SAMIHAFA TOE-PO, SAMIHAFA TOETRA, SAMIHAFA KOLONTSAINA, SAMIHAFA FIHAVIANA SNS, KANEFA NIFANAIKY HIRAY HANORINA TOKAN-TRANO SAMBATRA !
‎
‎KOA AOKA TSY IANAO IHANY NO AMPIASAIN'ILAY RATSY HANIMBA NY FIAINAM-PITIAVANAO NA NY TOKAN-TRANONAO !
‎

SEMINERA : "TANORA SY NY FITIAVANA"Anisan'ny antom-pisian'ny FAKA Réflexion Évangélique ny hitondra fampianarana momba n...
09/10/2026

SEMINERA : "TANORA SY NY FITIAVANA"

Anisan'ny antom-pisian'ny FAKA Réflexion Évangélique ny hitondra fampianarana momba ny "Tanora sy ny fitiavana ary ny sexualité."

Mahita izahay fa TANDINDOMIN-DOZA LOATRA NY TANORA NOHO NY SARINTSARIM-PITIAVANA IAINAN'NY TANORA ETSY SY EROA. Mafy rahateo ny "pression du monde" manery azy ireo hijoboka amin'izany.

Mitondra vahaolana amin'izany ny FAKA Réflexion Évangélique.

AFAKA MIARA-MIASA ISIKA !

SARY FAHATSIATOVANA TANY HO ANY !

TSY HO RESY IZAY MANANA NY MARINA !‎‎Tokana ihany ny zavatra atahorany dia ny fahamarinana, satria fantany fa tsy hisy h...
08/10/2026

TSY HO RESY IZAY MANANA NY MARINA !
‎
‎Tokana ihany ny zavatra atahorany dia ny fahamarinana, satria fantany fa tsy hisy haresy ny marina. Mety hisedra ny mafy izy; kanefa mahatsiaro "en sécurité" kosa izy rehefa ao aminy ny marina. Mety hahilika izy, mety ho henjehina, mety avarina am-ponja, eny mety ho vonoina mihitsy aza; kanefa fantany kosa fa ny fahamarinana no hanangana azy am-boninahitra ary hiankohoka eo anatrehany avokoa ireo izay nankahala rahatrizay.
‎
‎Izany no mahatonga azy mihazakazaka mibebaka miverina @ marina, raha sendra diso lalana, ndrao dia ilaozan'ny fahamarinana izy. Fantany loatra fa tsy misy hahatohitra azy rehefa miandany aminy ny fahamarinana. Zavatra iray loha no atahorany, noho izany, dia ny tafasaraka amin'ny fahamarinana.
‎
‎IZAY TSARA FIHAVANANA AMIN'NY FAHAMARINANA, TSY HO RESY MANDRAKIZAY.
‎Moa tsy manamafy izany va ny ohabolana Malagasy ?
"POTRAKA IM-PITO NY MARINA FA TAFARINA IHANY".
‎
‎"Efa mba tanora ihany aho, ary efa antitra ankehitriny; Fa tsy mbola hitako ny marina ka nafoy na ny zanany mangataka hanina" (Sal 37.25).

NAHOANA NO MINO AN'I JESOSY NY KRISTIANA NA DIA MARO AZA NY ZAVATRA TSY MBOLA HAINY AO ANATY BAIBOLY ?‎‎Ny hoe kristiana...
02/10/2026

NAHOANA NO MINO AN'I JESOSY NY KRISTIANA NA DIA MARO AZA NY ZAVATRA TSY MBOLA HAINY AO ANATY BAIBOLY ?
‎
‎Ny hoe kristiana akory dia tsy midika fa mahavaly ny fanontaniana rehetra mahakasika ny Baiboly. Ny mahakristiana dia fahatsapana fa nampahiratan'i Jesosy ny masom-panahiny ka afaka @ fitiavana fahotana ny fanahiny ary babon'ny fitiavan'i Kristy ny fony. Tsy voatery ho fantany tanteraka akory ny momba an'io Andriamaniny io, saingy inoany ny fahatsarany. Ny valintenin'ilay Jamba nahiratra no mahazava azy tsotra indrindra :
‎
‎"Fa izy namaly hoe. Tsy fantatro na mpanota Izy, ZAVATRA IRAY LOHA IHANY NO FANTATRO: JAMBA AHO TEO ALOHA, FA MAHIRATRA AHO IZAO" (Jao 9.25b).
‎
‎Azo itarina amin'ny toe-javatra maro @ finoana kristiana io fahamarinana ambara'ilay jamba nahiratra. Ohatra:
‎
‎- Tsy fantatro ny antony namelan'Andriamanitra ilay menarana haka fanahy an'i Adama sy Eva tao @ Saha Edena, fa zavatra iray loha no fantatro aloha androany: TSY MISY ANDRIAMANITRA NAHAVONJY AHY, AFA-TSY IZY IRERY IHANY.
‎
‎- Tsy fantatro na avy aiza na avy aiza ny ratsy, fa zavatra iray loha no fantatro : TSARA TANTERAKA NY ANDRIAMANITRO ARY TSY AVY AMINY NY RATSY (Dieu est absolument, radicalement et totalement bon, il n'y a rien des ténèbres en Lui).
‎
‎- Tsy fantatro na oviana na oviana ny daty nahaterahan'i Jesosy, zavatra iray loha no fantatro: IZY NO NANAFAKA AHY TAMIN'NY FAHOTANA, JAMBA AHO TEO ALOHA, FA MAHIRATRA NY MASOM-PANAHIKO ANKEHITRINY.
‎
‎- Tsy fantatro na oviana na oviana Jesosy no hiverina, zavatra iray loha no fantatro: "EFA NOMENY AHY NY FANAHY MASINA, MIASA ATO ANATIKO SADY METY @ FANAHIKO IZY, HO SANTATRY NY LOVAKO RAHATRIZAY, ARY POROFO ARAKA IZAY NAMBARANY FA HIVERINA HAKA AHY IZY.
‎
‎- Tsy fantatro hoe ahoana marina ny momba ny @ ilay fifidianan'Andriamanitra ny olom-boavonjy, fa zavatra iray loha no fantatro aloha : "IZAY REHETRA MINO AZY DIA VOAVONJY AVOKOA."
‎
‎FEHINY:
‎
‎Ny finoana kristiana dia "expérience spirituelle et personnelle", fa tsy "idéologie" akory. Raha "idéologie" mantsy izany dia tsy maintsy mihezaka mamaly ny fanontaniana rehetra momba ny Baiboly aho vao afaka hino Azy. Ny finoana kristiana, anefa tsy izany, faharesen-dahatra sy fahatsapana manokana (expérience personnelle / rencontre spirituelle) fa marina izay ambaran'ny Filazantsara rehetra momba ny fiainako, ka inoako izany. Resilahatra tokoa aho, tsy mendrika kanefa tia ahy Izy dia namonjy ahy, ka manana fifandraisana amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny Fanahy Masina ankehitriny.
‎
‎Mbola maro ny zavatra tsy fantatry ny mino ao amin'ny tenin'Andriamanitra, kanefa tsy manala ny fahamarinan'ny famonjena izay efa noraisiny ao amin'i Jesosy Kristy na ny Fanahy Masina ao anatiny akory izany.
‎
‎Azon'ny mino atao tsara kosa ny mitombo amin'ny fahalalana ny fahamarinan'ny Soratra Masina amin'ny alalan'ny fianarana amin'ny alalan'ireo zoky ara-panahy, na @ allaan'ny Sekoly biblique na ny Université théologique aza.
‎SITRAPON'I JESOSY KRISTY RAHATEO NO HITOMBOANTSIKA AMIN'NY FAHALALANA AZY.
‎HISY FOANA NY FANONTANIANA TSY HO VOAVALIN'NY MINO, KANEFA AZO ANTOKA KOSA FA HAZAVA AMINTSIKA NY ZAVATRA REHETRA REHEFA MIVERINA NY TOMPO.
‎FA ANTENAINA TSY AZO OZONGOZONINA IZANY. AZO APETRAKA AMINY AVOKOA NY FANONTANIANA, RAHA MBOLA MISY, AMIN'IZAY ORA IZAY !

NY FIHETSIKA TAKIAN'NY TOMPO REHEFA MIVAVAKA ?‎‎Andriamanitra mitady kristiana "sincère" rehefa mivavaka aminy, tsy mila...
01/10/2026

NY FIHETSIKA TAKIAN'NY TOMPO REHEFA MIVAVAKA ?
‎
‎Andriamanitra mitady kristiana "sincère" rehefa mivavaka aminy, tsy mila teny maro be fa izay tena ao am-pontsika tsorina Aminy, tsy mila "formule" na litiorjia manokana na fombafomba Izy vao mihaino, tsy mila gadom-peo amboamboarina, toy ny hoe atao milantolanto na mafy manaitaitra, Izy vao liana @ resaka ataontsika Aminy. "Sois simplement sincère !" Izay tena fahatsapanao, izay faharesen-dahatrao ary mampangetaheta anao tokoa no aboraho Aminy. Tsy ilaina ny mianatra ny feon'ny Pasiteranao na izay olona ankafizinao manokana. Tsy voatery ho faranana amin'ilay vavaka tsara indrindra nampianarin'ny Tompo hoe "Rainay izay any an-danitra". Tsy mila hoe vavaka catholique na vavaka réformée na vavaka évangélique na vavaka charismatique sns Izy. Tsy mila manao akanjo masina na izay heverinao faran'izay mihaja izy vao manaiky handray anao. Fa ianao amin'ny mahaizy azy anao sy amin'ny fomba fiteninao io mihitsy no ilainy hifampiresaka Aminy. Tsy voatery mitady toerana masina fa na aiza na aiza misy antsika dia eo Izy ary afaka mifandray amin'ny fanahintsika zanany.

"Ary raha mivavaka ianareo, dia aza mba manao teny maro foana tahaka ny jentilisa; Fa ataony ho ny hamaroan'ny teniny no hihainoana azy" (Mat 6.7).
‎
‎SOYEZ DES CHRÉTIENS SINCÈRES, SANS MASQUE !

‎

TSARA TOKOA JESOSY, SAINGY...Tsara tokoa Jesosy, saingy tsy ho tsapan'ny fanahintsika mihitsy izany fahatsarany izany ra...
28/09/2026

TSARA TOKOA JESOSY, SAINGY...

Tsara tokoa Jesosy, saingy tsy ho tsapan'ny fanahintsika mihitsy izany fahatsarany izany raha mbola miaina anaty fahotana isika. Dia ho "comédie" sy endrika ivelany ihany ny hira fiderana sy ny dihy ary ny fihetsiketsehana samihafa ataontsika, raha mbola tsy vokatry ny faharesen-dahatra manokana izany.

Io fahotana io no sakana mi- "perturber" ny fanahintsika tsy ahafahan'ny fahatsaran'ny Tompo mitoetra ao anatintsika. Io fahotana io no efitra mampisaraka antsika amin'Andriamanitra. Dikan'izany, raha tsy mibebaka amin'ny fahotana isika, dia tsy afaka hampidina ao anatintsika ny fahatsaran'Andriamanitra mihitsy ny Fanahy Masina.

Rehefa mino an'i Jesosy Kristy kosa isika, ka miaiky sy mibebaka tanteraka @ fahotantsika, dia ny Fanahin'Andriamanitra mihitsy no hampidina ny Fitiavana, ny fifaliana, ny fiadanana sy ny vokatry ny Fanahy rehetra, dia ny fahatsaran'Andriamanitra izay tiany ho tsapan'ny fanahy rehetra izay manaiky azy.

"ANDRAMO KA IZAHAO FA TSARA JEHOVAH".
"RAHA MISARAKA AMIKO IANAREO, DIA TSY MAHAY MANAO, NA INONA NA INONA".

FIARAHA-MISAKAFO, HIFAMPIZARANA NY FAHATSARAN'NY TOMPO !

"He! ianareo rehetra izay mangetaheta, mankanesa amin'ny rano! Ary ianareo izay tsy manam-bola, avia, mividia, ka homàna! Eny, avia, mividia divay sy ronono, nefa tsy amim-bola, na amin-karena" (Isa 55.1)

AIZA NO HISY SAKAFO VIDIANA, NEFA TSY AMIM-BOLA, RAHA TSY AO @ JESOSY IRERY IHANY ?

Address

Route De TamatAvenue Ambohimangakely
Antananarivo
TANA103

Telephone

+261341393783

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when FAKA Réflexion Evangélique posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to FAKA Réflexion Evangélique:

Shortcuts

Share