๐™ข๐™ฅ๐™ž๐™–๐™ฃ๐™™๐™–๐™ก๐™–๐™ฃ๐™– ๐™จ๐™–๐™ข๐™ฅ๐™–๐™ฃ๐™– ๐™ข๐™š๐™ฃ๐™– ๐™–๐™ข๐™—๐™ค๐™๐™ž๐™—๐™–๐™ค ๐™ฉ๐™ค๐™—๐™ฎ 182 รจ๐™ขรจ

  • Home
  • Madagascar
  • Antananarivo
  • ๐™ข๐™ฅ๐™ž๐™–๐™ฃ๐™™๐™–๐™ก๐™–๐™ฃ๐™– ๐™จ๐™–๐™ข๐™ฅ๐™–๐™ฃ๐™– ๐™ข๐™š๐™ฃ๐™– ๐™–๐™ข๐™—๐™ค๐™๐™ž๐™—๐™–๐™ค ๐™ฉ๐™ค๐™—๐™ฎ 182 รจ๐™ขรจ

๐™ข๐™ฅ๐™ž๐™–๐™ฃ๐™™๐™–๐™ก๐™–๐™ฃ๐™– ๐™จ๐™–๐™ข๐™ฅ๐™–๐™ฃ๐™– ๐™ข๐™š๐™ฃ๐™–  ๐™–๐™ข๐™—๐™ค๐™๐™ž๐™—๐™–๐™ค ๐™ฉ๐™ค๐™—๐™ฎ 182 รจ๐™ขรจ ๏ฟฝ๏ฟฝFanasina sy Fahazavana ๏ฟฝ๏ฟฝ

๐ŸšจPDP iraisanโ€™ny Sampana Mena๐Ÿšจ๐Ÿ˜ŽAza gaga ary ise raha mahita sampana mena be dia be manova ยซ photo de profil ยป manomboka i...
17/11/2025

๐ŸšจPDP iraisanโ€™ny Sampana Mena๐Ÿšจ

๐Ÿ˜ŽAza gaga ary ise raha mahita sampana mena be dia be manova ยซ photo de profil ยป manomboka izao an, hankalaza ny faha-90 Taona ny Sampana Mena dia misy fitoviana tsara be๐Ÿคฉ

๐Ÿ“ธ Ato ary raha hanova PDP koa ise: https://www.twibbonize.com/90taonamena, aza hadinoina ny hashtag

16/11/2025

Aiza ianaoreo manaofรด!โค๏ธ

FANOKAFANA NY FAHA-90 TAONA SAMPANA MENA indray izao aloha no himasoantsika.
Herinandro sisa dia migadona ny fotoana

๐Ÿ“† Ny Sabotsy ๐Ÿฎ๐Ÿฎ ๐—ก๐—ผ๐˜ƒ๐—ฎ๐—บ๐—ฏ๐—ฟ๐—ฎ ๐Ÿฎ๐Ÿฌ๐Ÿฎ๐Ÿฑ
๐Ÿ“ Ao amin'ny ๐—š๐˜†๐—บ๐—ป๐—ฎ๐˜€๐—ฒ ๐—”๐—ฟ๐—ฒ๐—ป๐—ฎ ๐—ง๐—ผ๐—ฎ๐—บ๐—ฎ๐˜€๐—ถ๐—ป๐—ฎ
๐Ÿ•‘ Manomboka amin'ny ๐Ÿฌ๐Ÿฎ ๐—ผ๐—ฟ๐—ฎ ๐˜€๐˜† ๐˜€๐—ฎ๐˜€๐—ฎ๐—ป๐˜† ๐˜๐—ผ๐—น๐—ฎ๐—ธ๐—ฎ๐—ป๐—ฑ๐—ฟ๐—ผ

Andao andao !!



12/11/2025

Rehefa lasa mamindra rodobe ๐Ÿšถ๐Ÿƒโ˜€๏ธ๐ŸŒฅ๏ธ๐ŸŒค๏ธ
๐Ÿ’œ๐Ÿค


01/11/2025

SKOTO LOTERANA ISE, ISIKA ... MILA fatatr'ise ny tantaran'ny FIANGONANA LOTERANA sy I LOTERA.

IZA MOA I MARTIN LOTERA?

Koa satria manakaiky ny andron'ny 31 Oktobra, fahatsiarovantsika ny Andron'ny Reformasiona, dia indro averina eto indray ity famintinana fohy ny tantaran'i Martin Lotera sy ny Reformasiona izay nataon'Andriamanitra tamin'ny alalany ity:

Toy izao manaraka izao ny famintinana fohy ny tantaram-piainanโ€™i Martin Lotera:

1- Fahazazana sy fianarana (1483-1505)

- 1483: Teraka tao Eisleben (10 Novambra), zanakโ€™i Hans sy Margaret Luther, lehibenโ€™ny mpitrandraka vy tao ny rainy.

- 1484: Nifindra ho any Mansfeld ny fianakaviany; tao izy no niditra an-tsekoly voalohany ny taona 1492.

- 1497: Nalefa hanohy fianarana tany Magdeburg izy.

- 1498: nafindra hanohy fianarana tao aminโ€™ny sekolinโ€™ny St. George ao Eisenach izy, ary nipetraka tao aminโ€™ny fianakaviana Ursula Cotta.

- 1501: Niditra nianatra tao aminโ€™ny โ€œUniversity of Erfurtโ€ izy ka nianatra ny โ€œLiberal Artsโ€.

- 1502: Nahazo ny mari-pahaizana B.A. tao Erfurt izy.

- 1505: Nahazo ny mari-pahaizana M.A. izy ary nanohy ny fianarany tao aminโ€™ny sekoly fianarana Lalร na.

- 2 Jolay: Tratry ny oram-baratra niharo tselatra nampatahotra tao akaikinโ€™ny Stotternheim, ka nivoady izy fa hirotsaka ho monka (na mpivavaka mpitokamonina, fr: moine) raha arovanโ€™Andriamanitra taminโ€™izany.

2- Vanim-potoana naha monka azy (1505-1512)

- 1505: Niala ny sekoly fianarana Lalร na ary niditra ho novisy tao aminโ€™ny fikambanan-relijiozy Aogistiniana tao Erfurt.

- 1506: Nanatanteraka ny voady maha monka azy (Septambra)

- 1507: Natao ordinasiona ho pretra ao aminโ€™ny Fiangonana Katolika Romana; ary nanohy ny fianarana teolojia.

- 1508: Nalefanโ€™ny fikambanana nisy azy mba hanohy fianarana bebe kokoa tany Wittemberg.

- 1509: Nahazo mari-pahaizana mahakasika ny fandinihana ny Baiboly.

- 1510: Nalefanโ€™ny fikambanana nisy azy ho any Roma hanatanteraka iraka ofisialy.

- 1511: Nifindra sy nonina tao aminโ€™ny monastera Aogostiniana tao Wittenberg ary nanohy hatrany ny fianarany.

3- Ny naha profesora tao aminโ€™ny University azy (1512-1517)

- 1512: Nahazo ny mari-pahaizana โ€œDoctorate of Theologyโ€ tao Wittenberg ary tafiditra ho isanโ€™ireo mpampianatra tao teo aminโ€™ny faha 28 taonany.

- 1513: Nampianatra ny aminโ€™ny Bokinโ€™ny Salamo.

- 1515: Nampianatra ny aminโ€™ny Epistily nosoratanโ€™i Paoly ho anโ€™ny Romana.

- 1516: Nampianatra ny aminโ€™ny Epistily nosoratanโ€™i Paoly ho anโ€™ny Galatiana.

4- Ny antso ho aminโ€™ny fanavaozana (Reformasiona) ny Fiangonana (1517-1521)

- 1517: 4 Septambra: Nanao adi-hevitra hanoherana ny โ€œScholastic Theologyโ€ ary nitsikera ny โ€œsynergistic theologyโ€ (teolojia izay mametraka fa mila miara-miasa aminโ€™Andriamanitra ny olona ho famonjena ny tenany).

- 31 Oktobra: Nanangana adi-hevitra mahakasika ny hery sy ny fahefanโ€™ny indolzansy (fivarotana famelan-keloka), ka nanoratra ireo lohahevitra na tezy miisa 95, ary nandefa ny dika mitovinโ€™izany ho any aminโ€™ny Archibishop Albrecht.

- 1518: Avril: Nanohana sy nanazava ny teolojiany tao aminโ€™ny fivoriambenโ€™ny fikambanana Aogostiniana tao Heidelberg.

- Aogositra: Namoaka ny fanazavana ireo tezy 95; ary nohelohinโ€™ny Archibishop ho manao fampianaran-diso.

- Oktobra: Voantso ho any Augsburg mba hohadihadianโ€™i Cardinal Cajetan.

- 1519: Jona-Jolay: Adi-hevitra tao Leipzig, nifanandrinanโ€™i Martin Lotera sy ilay dominikana John Eck.

- Oktobra: Fanosorana ho amperora anโ€™i Charles V, izay tonga mpanohitra mivaivay ny protestantisma.

- 1520: Jona: Tonga ny taratasinโ€™ny Papa na ny โ€œbull Exsurge Domineโ€ izay nanome 60 andro anโ€™i Lotera mba hialany sy handavany ny fampianarana nataony, fa raha tsy izany dia haongana na โ€œexcommunicatedโ€ izy.

- Desambra: Nodoranโ€™i Lotera ampahibemaso ny taratasinโ€™ny Papa sy ny bokinโ€™ny โ€œCanon Lawโ€.

- 1521: Janoary: Fivoriam-be tao Worms, nanda ny hiala taminโ€™ny fampianarana notanany i Lotera teo anatrehanโ€™ny Amperora, ka dia nanankery avy hatrany ny fanonganana azy.

- 3 Mey: Nisy naka ankeriny ary nafenina tao aminโ€™ny lapanโ€™ny Wartburg akaiky anโ€™ny Eisenach i Lotera (mba ho fiarovana ny ainy tsy ho fatinโ€™ny mpanenjika azy)

- 1522: Niverina ho any Wittemberg indray i Lotera mba handamina ny korontana niseho tao.

- Septambra: Namoaka printy ny Testamenta Vaovao vita dikany aminโ€™ny teny Alema.

- 1525: Jona: Nanambady anโ€™i Katharina von Bora i Lotera.

โ€ฆ

- 1529: Namoaka printy ny Foto-pianarana kely.

- 1532: Nanomboka niharatsy ny fahasalamanโ€™i Martin Lotera.

- 1534: Namoaka printy ny Testamenta Taloha vita dikany aminโ€™ny teny Alema.

- 1542: Nodimandry ny zanany vavy kely, Magdalena, taorianโ€™ny aretina mafy nahazo azy, izay tena niteraka alahelo be taminโ€™i Lotera.

- 1546: Nandeha nankany Eisleben mba hanelanelana taminโ€™ny olana nisy teo aminโ€™ireo mpanapaka tao Mansfeld izy. Nihombo ny aretiny vokatry ny harerahana taminโ€™io dia io ka nodimandry tao Eisleben izy ny 18 Febroary teo aminโ€™ny faha-62 taonany. Ny soratra nosoratany farany nialoha ny nahafatesany dia ny hoe: โ€œWir sein Pettler, Hoc est Verumโ€ na hoe: โ€œMpangataka isika, eny marina izany.โ€

- 22 Febroary: Nalevina ao aminโ€™ny fiangonanโ€™ny Wittemberg i Martin Lotera.

(Boky nanovozan-kevitra: Lull, Timothy F. Martin Luther's Basic Theological Writings.)

๐Ÿ™ ๐—ฅ๐—ข๐—๐—ข๐— -๐—•๐—”๐—ฉ๐—”๐—ž๐—” ๐Ÿต๐Ÿฌ ๐—ง๐—”๐—ข๐—ก๐—” ๐—ฆ๐—”๐— ๐—ฃ๐—”๐—ก๐—” ๐— ๐—˜๐—ก๐—” ๐Ÿ”ด๐Ÿš€ Ho fiomanana sy ho fiatrehana ny fankalazana ny faha-90 Taona sampana Mena, dia ...
01/11/2025

๐Ÿ™ ๐—ฅ๐—ข๐—๐—ข๐— -๐—•๐—”๐—ฉ๐—”๐—ž๐—” ๐Ÿต๐Ÿฌ ๐—ง๐—”๐—ข๐—ก๐—” ๐—ฆ๐—”๐— ๐—ฃ๐—”๐—ก๐—” ๐— ๐—˜๐—ก๐—” ๐Ÿ”ด
๐Ÿš€ Ho fiomanana sy ho fiatrehana ny fankalazana ny faha-90 Taona sampana Mena, dia hiaraka hanao rojom-bavaka isika ๐—ถ๐˜€๐—ฎ๐—ปโ€™๐—ฎ๐—ป๐—ฑ๐—ฟ๐—ผ ๐—ฎ๐—บ๐—ถ๐—ปโ€™๐—ป๐˜† ๐Ÿฌ๐Ÿด ๐—ข๐—ฟ๐—ฎ ๐—ฎ๐—น๐—ถ๐—ป๐—ฎ ๐Ÿ•—

- Alatsinainy:Ho anโ€™ny Firenena
- Talata: Ho anโ€™ny Tily eto Madagasikara sy ny hetsika rehetra mandritra ny taom-panabeazana 2025-2026
- Alarobia: Ho anโ€™ny Fiangonana
- Alakamisy. Ho anโ€™ny fankalazana ny faha-90 Taona sy ny asanโ€™ny vaomiera rehetra
- Zoma: Ho anโ€™ny Mpikambana rehetra
- Sabotsy: Ho anโ€™ny ankohonana
- Alahady: Atambatra ny rojom-bavaka nandritra ny herinandro

๐Ÿ™ ๐—ฅ๐—ข๐—๐—ข๐— -๐—•๐—”๐—ฉ๐—”๐—ž๐—” ๐Ÿต๐Ÿฌ ๐—ง๐—”๐—ข๐—ก๐—” ๐—ฆ๐—”๐— ๐—ฃ๐—”๐—ก๐—” ๐— ๐—˜๐—ก๐—” ๐Ÿ”ด
๐Ÿš€ Ho fiomanana sy ho fiatrehana ny fankalazana ny faha-90 Taona sampana Mena, dia hiaraka hanao rojom-bavaka isika ๐—ถ๐˜€๐—ฎ๐—ปโ€™๐—ฎ๐—ป๐—ฑ๐—ฟ๐—ผ ๐—ฎ๐—บ๐—ถ๐—ปโ€™๐—ป๐˜† ๐Ÿฌ๐Ÿด ๐—ข๐—ฟ๐—ฎ ๐—ฎ๐—น๐—ถ๐—ป๐—ฎ ๐Ÿ•—

- Alatsinainy:Ho anโ€™ny Firenena
- Talata: Ho anโ€™ny Tily eto Madagasikara sy ny hetsika rehetra mandritra ny taom-panabeazana 2025-2026
- Alarobia: Ho anโ€™ny Fiangonana
- Alakamisy. Ho anโ€™ny fankalazana ny faha-90 Taona sy ny asanโ€™ny vaomiera rehetra
- Zoma: Ho anโ€™ny Mpikambana rehetra
- Sabotsy: Ho anโ€™ny ankohonana
- Alahady: Atambatra ny rojom-bavaka nandritra ny herinandro



27/07/2025
"Mifalia sy miravoravoa ianareo, fa lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra". โ€” Matio 5 : 12
10/04/2025

"Mifalia sy miravoravoa ianareo, fa lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra". โ€” Matio 5 : 12

Address

FLM Ambohibao Toby
Antananarivo
FLMAMBOHIBAOTOBY

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when ๐™ข๐™ฅ๐™ž๐™–๐™ฃ๐™™๐™–๐™ก๐™–๐™ฃ๐™– ๐™จ๐™–๐™ข๐™ฅ๐™–๐™ฃ๐™– ๐™ข๐™š๐™ฃ๐™– ๐™–๐™ข๐™—๐™ค๐™๐™ž๐™—๐™–๐™ค ๐™ฉ๐™ค๐™—๐™ฎ 182 รจ๐™ขรจ posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share