16/06/2026
🌍👧🧒 ANDRO MANERANTANY HO AN’NY ANKIZY AFRIKANA 2026
💧 Lohahevitra : « Rano madio, fahadiovana ary fidiovana ho an’ny ankizy rehetra aty Afrika »
Ankalazaintsika anio ny Andron’ny Ankizy Afrikana, fotoana iray hampahatsiahivana fa manan-jo hiaina ao anaty tontolo madio sy salama ny ankizy rehetra, mba hahafahany mitombo, mianatra ary mivelatra araka ny tokony ho izy.
Amin’ity taona ity dia mifantoka amin’ny olana iray tena lehibe isika : ny fahazoan’ny ankizy rano fisotro madio, fotodrafitrasa ara-pidiovana mendrika ary fahazarana madio ara-pahasalamana.
Mbola maro ireo ankizy sahirana amin’ny fahazoana rano madio sy toerana fidiovana manara-penitra eto Madagasikara. Vokatr’izany dia mora tratran’ny aretina azo avy amin’ny rano sy ny loto izy ireo, ka misy fiantraikany amin’ny fahasalamany, ny fianarany ary ny hoaviny.
💧 Ny fiantohana ny fahazoana rano madio dia midika hoe :
✅ Miaro ireo loharanon-drano toy ny lavadrano, paompy ary renirano tsy ho voaloto,
✅ Mampiasa ny rano amim-pitandremana sy am-pahamendrehana amin’ny andavanandro,
✅ Mitandro ny fahazoan’ny rehetra rano fisotro madio, fanadiovana ny rano ao an-tokantrano amin’ny alalan’ny fampangotrahana, fampiasana fanadiovan-drano (ex: Sur’Eau) na fampiasana sivana.
🧼 Ny fiantohana ny fahadiovana ara-pahasalamana kosa dia mitaky :
✅ Fanasana tanana matetika amin’ny rano sy savony,
✅ Fampiasana trano fivoahana madio ary fisorohana ny fivoahana an-kalamanjana,
✅ Fanabeazana ny ankizy sy ny fianakaviana momba ireo fomba fidiovana tsara rehetra mba hisorohana ny aretina.
👶 Ny fiarovana ny ankizy Afrikana dia midika fanomezana tontolo iainana madio sy azo antoka ahafahany mitombo, mianatra ary manatanteraka ny nofinofiny, tsy ho voasakasikin’ny aretina azo sorohina.
🌱 Andao hiara-hientana hanangana fiarahamonina matanjaka sy salama kokoa, izay ahafahan’ny ankizy rehetra eto Madagasikara misitraka ny zony hahazo rano madio, fahasalamana tsara ary tontolo iainana mendrika.
❤️ Satria ny ankizy salama dia afaka manonofy, mianatra ary mandray anjara amin’ny fananganana an’i Afrika rahampitso.
__________________________________________________
🌍👧🧒 JOURNÉE INTERNATIONALE DE L'ENFANT AFRICAIN 2026
💧 Thème : « Garantir un accès universel à l'eau, à l'assainissement et à l'hygiène pour chaque enfant en Afrique »
Aujourd'hui, nous célébrons la Journée de l'Enfant Africain, une occasion de rappeler que chaque enfant a droit à un environnement sain lui permettant de grandir, d'apprendre et de s'épanouir.
Cette année, l'attention est portée sur un enjeu fondamental : l'accès à l'eau potable, à l'assainissement et à l'hygiène.
À Madagascar, de nombreux enfants rencontrent encore des difficultés pour accéder à une eau propre et à des infrastructures sanitaires adéquates. Cette situation les expose à des maladies évitables, affecte leur santé, leur éducation et compromet parfois leur avenir.
💧 Garantir l'accès à l'eau, c'est :
✅ Protéger les sources d'eau (puits, borne-fontaine, rivières) contre la pollution,
✅ Utiliser l'eau de manière responsable,
✅ Favoriser l'accès à l'eau potable pour tous, et encourager le traitement de l'eau au niveau des ménages (ébullition, chloration, filtre).
🧼 Garantir l'accès à l'hygiène et à l'assainissement, c'est aussi :
✅ Se laver régulièrement les mains avec de l'eau et du savon,
✅ Utiliser des installations sanitaires propres ( utiliser des latrines hygiéniques et éviter la défécation à l’air libre),
✅ Sensibiliser les enfants et les familles aux bonnes pratiques d'hygiène pour prévenir les maladies liées à l'insalubrité.
👶 Protéger l’enfant africain, c’est lui garantir un environnement sain où il peut grandir, apprendre et s’épanouir sans être freiné par des maladies évitables.
🌱 Ensemble, engageons-nous pour des communautés plus résilientes, où chaque enfant à Madagascar puisse exercer pleinement son droit à l'eau, à la santé et à un environnement sain.
❤️ Parce qu'un enfant en bonne santé est un enfant qui peut rêver, apprendre et construire l'Afrique de demain.