19/11/2023
[Tanora sy ny namana] 👯
🚫Misy ny namana ilay mamporisika anao foana na dia zavatra tsy tokony hatao aza. (ohatra : ianao te hiaraka @ olona tsy prayf, dia mba mizara ny ao am-ponao dia hoy izy hoe inona ny olana e, ndana. Na koa ianao mitsiriritra ny phone-an'olona dia miteny aminy indray hoe tiako be iny, tiako be raha za no manana an'iny, dia izy manolo-tsaina hoe ndao angalarina e 😈)
✅Misy ny namana izay mananatra anao raha mitady hanao zavatra tsy mety ianao. (ohatra : ianao te hingitrika fa tsy tianao ilay prof na hoe te handehandeha hiaraka ianao, dia izy ilay mananatra hoe de tsy haharaka eo anie ndri e, na koa hoe ianao tsy te hody any an-trano fa mbola te hirevy, dia izy mananatra hoe tokony tenenindri ihany aloha ny dadandri sy mamandri na hoe tsy en sécurité tsara anie any e, sady ndri hviravirain'ny bandy eo fotsiny, sao hanenenana eo ny vokany avy eo 😇)
❓Ianao ve ilay namana mpanome torohevitra adala sy mampijabaka olona ? Tandremo fa ratsy ny hiafaran'izany. Jereo kely anie ny tohin'ilay tantara eo ireo e 😊
❓Manana namana mpanao izany ve ianao ? Arahanao foana ve izay toroheviny ? Raha izy ve nefa no eo dia tsy hanao mihitsy izy nefa ianao toroiny hevitra hanao an'ilay izy ?
👉 Hevero tsara izay torohevitra omen'ny namanao fa tsy voatery ho tsara izany. Raha mila tolo-tsaina hendry ianao dia Jesosy atonina. Izy anontaniana fa Izy dia Mpanolo-tsaina hendry sady tsy manoro voana izany 😊
Manasa anao anie hamaky an'ireto tantara ao ireto e ? (Eo amin'ny sary - II Samoela no misy azy)
Soava alahady ô 😊