Association Zanaka Diosezy Ambanja Monina Antananarivo

Association Zanaka Diosezy Ambanja Monina Antananarivo Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Association Zanaka Diosezy Ambanja Monina Antananarivo, Nonprofit Organization, Bibilava, Antananarivo.

Ity Page ity dia natao mba hampiroboroboana ny Fikambanan'ny Zanaka Diosezy Ambanja izay monina eto Antananarivo, sady hampitoboana ny Fifandraisana sy ny Fifankatiavana eo amin'ny Zanaka Diosezy.

24 AVRIL SAINT FIDÈLE de SigmaringenNy Fidèle resahana eto dia ilay avy any Sigmaringen.  Teraka ny ôktôbra 1578 tao Sig...
24/04/2023

24 AVRIL SAINT FIDÈLE de Sigmaringen

Ny Fidèle resahana eto dia ilay avy any Sigmaringen. Teraka ny ôktôbra 1578 tao Sigmaringen i Fidèle. Marc Roy no tena anarany. Noheverina fa nianatra tao amin'ny sekolin'ny zezoita tao Fribourg izy, avy eo nandalina ny filôzôfia tao Strasbourg ary namarana sy nahazo ny mari-pahaizana momba izany ny taona 1601.
Nandalina ny lalana sy ny lalan'ny Fiangonana ihany koa izy tao Fribourg-en-Brisgau ary namarana izany ny taona 1611. Ny taona 1604 ka hatramin'ny 1610 dia nisy tanora telo lahy izy nitety an'i Italie, France, Espagne, ary nandritra izany taona izany izy ireo dia nanome ohatra tsara tamin'ny faharetana amin'ny fikarakarana ireo marary any amin'ny trano fitsaboana, na mamangy fiangonana, na mitsidika tranom-bakoka ihany koa, teo ihany koa ny fanampiana ny mahantra ka manome hatramin'ny akanjony aza. Napetrak'izy ireo teo am-pelatanan'i Masina Maria ny zavatra rehetra ary maka fotoana lava mihitsy izy ireo handinihana izny mistery izany.
Rehefa tafaverina izy ireo, dia nanamafy sy nandalina misimisy kokoa ny fahalalana momba ny lala tao Dillingen izy ary niofana ho mpisolovava. Rehefa nahazo ny mari-pahaizana Utriusque Iuris izy dia voatendry ho mpisolovava mpanolo-tsaina tao amin'ny Lapan'ny Fitsarana tao Autriche ny taona 1611. Nilaozany io asa io noho ny fomba tsy mendrika sy ny kolikoly nanjaka tao amin'ny fitsarana. Lasa izy nanao pretra, ary nohamasinina tao Constance tamin'ny taona 1612. Iray volana tao aorian'io dia niditra tao amin'ny fikambanana Capucin izy ary naka ny anarana hoe Fidèle de Sigmaringen ny 04 ôktôbra 1612, 35 taona izy tamin'izay.
Noho ny fahalalany momba ny fiainam-piangonana dia mpampianatra nanana ny lazany sy maha izy azy i Fidèle, izy rahateo lasa lehiben'ny ankohonam-piainana. Maro ireo toerana izay nandraisany izany andraikitra izany. Tao Reinfeld izy tamin'ny taona 1618 ka hatramin'ny 1619, avy eo tao Feldkirch ny taona 1619 hatramin'ny 1620. Nifindra tany Fribourg indray izy ny taona 1620 hatramin'ny 1621, avy eo izy naverina indray ho lehiben'ny ankohonam-piainana tao Feldkirch tamin'ny taona 1621 hatramin'ny 1622. Nitory ny Vaovao Mahafaly tamin'iny faritra iny i Fidèle ary nifanehitra tamin'ireo mpivoy ny protestantisma tamin'izany.
Ny taona 1622 àry, dia niatrika ireo Capucins nalefa hanao iraka any amin'ireo Grisons izy, ary tamin'izy nitory teny tao amin'ny fiangonana Seewis, nandritra ny Sorona Masina, dia nisy miaramila roa avy amin'i Zwingli, nikapoka ny lohany tamin'ny sabatra ny 24 aprily 1622. Tamin"izay no nilazany hoe : "Andriamanitra ô ! Mamelà heloka ireo fahavaloko. Tsy fantany izay ataony. Jesoa Tompo ô ! Mamindrà fo amiko. Maria Renin'i Jesoa ô ! Tahio amin'ny fiadiana aina aho". Natahotra ireo mpampiely ny fampianaran-diso sao mbola tsy maty i Fidèle ka norotidrotehin'izy ireo ny vatany, ary notapahiny ny ranjony havia sy ny lohany. Noviravirain'izy ireo nandritra ny andro manontolo ny vatany mandram-pahatongan'ireo mpitandro ny filaminana. Rehefa avy nivavaka ho an'i Fidèle izy ireo, dia nahatsapa fa nahazo fandresena lehibe satria nibebaka ilay mpitondra fivavahana protestanta nanatrika ny famonoana azy.
Nagatahan'ny Capucins tao Weltkirchen ny vatany, ary nafindra ny 13 ôktôbra 1622. Mbola tsy niova izy tamin'izany, ary ny 18 nôvambra no nentina tao amin'ny katedraly. Tao aorian'ny fahagagana maro tao aorian'ny nahafatesany dia nankatoavin'ny papa Benoît XIII ny fanandratana azy ho olontsambatra ny 12 marsa 1729, ary ny papa Benoît XIV no nanandratra azy ho olomasina ny 29 jona 1746.

Ny Fidéle dia avy amin’ny teny latinina: “Fides”midika hoe : finoana.

22 AVRIL SAINT ALEXANDRE DE LYONI Masindahy Alexandre dia martiry tao Lyon tamin'ny  taona 177. Avy any Phrygie, any Asi...
22/04/2023

22 AVRIL SAINT ALEXANDRE DE LYON

I Masindahy Alexandre dia martiry tao Lyon tamin'ny taona 177. Avy any Phrygie, any Asie Mineure i Alexandre, izany hoe i Turquie amin'izao fotoana izao. Mpitsabo tao Lyon izy. Navaivay mihitsy tamin'izany fotoana izany ny fanenjehana kristianina ka isan'ny voahenjika sy voaheloka tamin'izany i Alexandre.
I Eusèbe avy ao Césarée no nahalalana ny tantarany, tao amin''ilay boky fahadimy mitondra ny lohateny hoe Histoire ecclésiastique, ka taratasin'ny Fiangonana tao Lyon ho an'ny Fiangonana tany Asie sy Phrygie no mitantara izay nisamborana sy namonoana azy ho martiry izany. Araka ny voalazan'ity tantara ity àry, dia nisy kristianina maro voasambotra. Mbola tsy niaraka tamin'izy ireo i Alexandre, nisy fety koa tao an-tanana tamin'izay ary maro ny olona tonga amin'izany fety izany, ka nentin'ny governora ireto kristianina voasambotra ireto hotsaraina ary naseho toy ny olona hiantsehatra an-dapihazo. Nanontaniana teo imasom-bahoaka izy ireo raha handà ny finoana. Tamin'izay fotoana izay, nitsangana teny amin'ny sisin'ny fitsarana i Alexandre, izy rahateo fantatr'olona, nanao fihetsika nakahery ireo voapanga izy. Kanjo, nisy nahatsikaritra izany fihetsiny izany ka nosamborina niaraka tamin'i Epipode izy.
Araka ny notantarain'i Eusèbe ihany, dia nisy tamin'ireo voaheloka no notapahin-doha, ary nisy ihany koa ireo nomena hohanin'ny biby masiaka. Namabara fa navelan'izy ireo teo nandritra ny henemana ny vatana mangatsiakan'ireto martiry ireto. Avy eo, nodoran'ireo tsy mataho-tody ho lasa lavenona, ary natsipin'izy ireo tao amin'ny reniranon'i Rhône.

Ny Alexandre dia avy amin’ny teny Grika; Teny roa no niaviany. “Alexéne” midika hoe miaro sy ny “Andros” midika hoe: lehilahy matanjaka.

21 AVRIL SAINT ANSELME de CantorbéryTeraka ny taona 1033 i Anselme, izy dia avy amin'ny  fianakaviana andriana tao Aoste...
21/04/2023

21 AVRIL SAINT ANSELME de Cantorbéry

Teraka ny taona 1033 i Anselme, izy dia avy amin'ny fianakaviana andriana tao Aoste, Piémont. Mbola kely dia efa nampianarin'ny reniny ho tia an'Andriamanitra sy i Masina Maria izy. Vehivavy tia vavaka tokoa mantsy io renin'i Anselme io.

Tsy navelan-drainy hotezain-dreniny intsony anefa izy noho ny efa nihalehibe sy nahatsapa ny fiantsoan'Andriamanitra azy ho relijiozy. Dia ny rainy no nitaiza azy, nefa izy io dia lehilahy tena nifikitra sy niliba tamin'ny fiainan'izao tontolo izao ka tena nampijaly an'i Anselme tokoa. Rehefa leo ny fampijaliana nataon-drainy azy i Anselme dia nandositra nankany France ary niditra nianatra tao amin'ny trano fitokana-monina tao Bec ao Normandie. Rehefa nanohy fianarana tao izy dia niresaka tamin'ny lehiben'ity sekoly ity ka nilaza hoe : "Lalana telo no misokatra ho ahy, ho relijiozy ato Bec, na hiaina hitoka-monina hanirery, na hijanona eo amin'izao tontolo izao hanamaivana ny fahasahiranan'ireto mahantra ireto amin'ny hareko. Ka lazao ahy, hoy i Anselme, izay hataoko fa ankatoaviko izay ambaranao". Dia hoy i Lanfranc, ilay lehiben'ny sekoly, taminy : "Ny fiainan-drelijiozy". Dia nijanona tao amin'ity trano fitokana-monina tao Bec ity i Anselme. 27 taona izy tamin'izay.

Ny taona 1075, rehefa voatendry ho arsevekan'i Cantorbéry i Lanfranc, dia voafidy ho lehiben'io ankohonam-piainana io i Anselme. Tsy hoe manam-pahaizana fotsiny mantsy i Anselme fa tena masina ihany koa. Na dia nandà fatratra izany toerana izany sy io andraiktra nomena azy io aza izy, satria tsapany fa tsy mendrika izany izy, dia tsy maintsy nanaiky izany adidy mavesatra izany. Arakaraka ny nahabe andraikitra an'i Anselme no nampitombo ihany koa ny hatsaram-panahy tao aminy. Ankoatra ny fitantanana ny fikambanana dia laniany amin'ny fandalinana ny Soratra Masina sy ny fanoratana boky masina sy filôzôfika ny fotoany, fa ny vavaka aloha no voalohan-daharana amin'ireo rehetra ireo. Ny maraina vao maneno akoho izy dia efa mandohalika. Indray andro, raha namoha ireo namany ny frera iray mba hanao ny vavaka fiderana maraina, akory ny hagagan'izy ireo nahita hazavana tao amin'ilay efitrano fivoriana, tsy iza io fa i Anselme, mivavaka, nohodidinin'ny famantarana ny olomasina miendrika afo.

Notendren'i Guillaume, mpanjakan'i Angleterre, ho arsevekan'i Cantorbéry izy tao aorian'izay, nefa tena nolaviny io, tsy afa-niala anefa izy rehefa nihaona tamin'ny papa. Ny taona 1093 izy no nandray ny fiketrahana maha eveka azy tao Cantorbéry. Maro ny sedram-piainana nolalovany tamin'izany noho ny fanembantsembanan'ny fitondram-panjakana azy, fa ny nohezahiny dia ny niaro hatrany ny fianam-pinoana sy ny fanahin'ny vahoaka ondriny.

Marihana fa i Anselme dia nampianatra ny teôlôjia tao amin'ny trano fitokana-monina tao Bec. Maro ihany koa ireo sangan'asany no ampiasain'ireo toeram-piofanana ho pretra toy ny hoe Philosophie classique ka anisan'izany ny Proslogion sy ny Monologion, ny De veritate izay manaporofo ny fisian'Andriamanitra. Teo ihany koa ny boky nosoratany momba ny fanavotana Cur Deus Homo na hoe "Nahoana Andriamanitra no tonga olombelona".

Ny hoe Anselme dia avy amin’ny teny germanique, ny “Ans”midika hoe Andriamanitra ary ny “Helm” dia midika hoe fiarovana amin’ny ady.

20 AVRIL SAINTE ODETTE DE BRABANTI Odette dia relijiozy mpitoka-monina maty tamin'ny  taona 1158. Avy amin'ny fianakavia...
20/04/2023

20 AVRIL SAINTE ODETTE DE BRABANT

I Odette dia relijiozy mpitoka-monina maty tamin'ny taona 1158. Avy amin'ny fianakaviana fanta-daza tao Brabant izy, ary raha hampanambady azy an'i Simon, andriandahy tao amin'izany tanana izany, ny rainy dia nolavin'i Odette tamin'ny fotoanan'ny mariazy teo anatrehan'ny pretra, nandritra ny fombam-pivavahana fanao amin'ny fifanomezan-toky.

Rehefa avy nandà i Odette dia teo koa no nangatahany ampahibemaso fa te ho relijiozy izy. Gaga sy talanjona ny iray fiangonana. Ny rainy dia nandà izany faniriany izany, fa izy kosa nikiry hatrany ka farany dia niditra tao amin'ny fikambanan'ny relijiozy tao Prémontré, tao amin'ny trno fitokana-monina Bonne-Espérance tao Belgique. Lasa lehiben'io fikambanana io izy tao aoriana. Tao izy no nodimandry ny taona 1158. Marihana fa io trano fitokana-monina izay nisy an'i Odette io no hany niangana tamin'ny Revôlisiôna frantsay.

Ny hoe Odette dia avy amin’ny fiteny germanique hoe “Oda” midika hoe : harena.

19 AVRIL SAINTE EMMATamin'ny fiantombohan'ny taonjato faha-11 no niaina tao Autriche i Emma. Nodimandry ny 1045. Feno ha...
19/04/2023

19 AVRIL SAINTE EMMA

Tamin'ny fiantombohan'ny taonjato faha-11 no niaina tao Autriche i Emma. Nodimandry ny 1045. Feno hatsaram-panahy izy ka nasain’ny rainy nanambady lehilahy tsara tarehy ary niteraka roa lahy izy ireo. Lasa Eveka taty aoriana ny zanany iray. Ny taona 1011 dia maty ny vadin’Emma ka nolaniany tamin’ny famonjena ireo nijaly sy sahirana ny 40 taona sisa niainany teto an-tany. Nanorina fiangonana sy mônasitera maro izy. Marihina fa ny taolambalony dia napetraka ao amin’ny Katedraly ao Autriche ihany.

Ny hoe Emma dia avy amin’ny fiteny hebrio hoe “Emmanuel” na hoe Andriamanitra eto amintsika.

18 AVRIL SAINT PARFAIT DE CORDOUEI Masindahy Parfait dia ilay pretra martiry tao  Cordoue tany Espagne. Fiangonana iray ...
18/04/2023

18 AVRIL SAINT PARFAIT DE CORDOUE

I Masindahy Parfait dia ilay pretra martiry tao Cordoue tany Espagne. Fiangonana iray nantsoina hoe Saint-Ascicle, tao amin'ny tananan'i Cordoue tany Andalousie no notantanan'i Parfait.

Fantany tsara fa mety hihatra aman'aina ny fampibebahana ireo musulmans tao amin'ity tanana ity, nefa nikiry izy, tsy niafina tamin'ny fanehoana ny finoana. Nisy musulmans roa nifanena taminy, efa mahamahina ihany i Parfait tamin'ny fihetsik'izy ireo. Nanatona azy izy ireo ka nanontany hoe : "Ahoana ny hevitrao momba an'i Mahomet sy i Jesoa ?" Tsy nisalasala i Parfait nilaza fa "I Jesoa irery ihany no Mpamonjy", fa nambaran'i Parfait tamin'izy roalahy ireto hoe : "Ny momba an'i Mahomet, tsy ho lazaiko sao mahatezitra anareo." Niseho ho tsotra izy roalahy ka nilaza hoe : "Lazao fa mba te hahalala izahay ! Izahay tsy haninona anao !". Nambaran'i Parfait tamin'izy ireo àry, fa "I Mahomet dia mpaminany sandoka, ary raha te hovoavonjy ianareo dia tsy maintsy mandà an'i Mahomet".

Dia lasa izy roalahy nandeha, navelany hody soa aman-tsara i Parfait tamin'izay. Andro vitsivitsy tao aorian'io dia notorian'izy ireo tany amin'ny manam-pahefana i Parfait, ka nosamborina, ary niakatra fitsarana arabo ka voaheloka ho faty. Mbola nambaran'i Parfait ampahibemaso ihany anefa ny heviny momba ny Coran sy i Mahomet. Talohan'ny nanapahana ny lohany ny 18 aprily 850, dia nambarany tamin'i Mompera Igniacio de la Meza, fa nandritra ny torimasony dia nisy anjely niseho taminy ary nilaza hoe : "Satria ianao nolavin'ireo masiaka, dia avy amin'ny vavanao ihany no handavoana ireo tsy mba manam-po mitempo ireo". Teo imason'io pretra io no nanapahan'ireo musulmans ny lohan'i Parfait. Voalaza fa amin'izao fotoana izao dia mbola mitohy hatrany ny fanajana an'i Parfait ao amin'ny Cathédrale de Paris isaky ny 18 aprily.

17/04/2023

Fivoasana ny Soratra Masina momba ny Paka, Nataona Mpanoratra tranainy

Paka ara-panahy

Ny Paka ankalazaintsika dia ho famonjena ny olombelona rehetra, manomboka amin’ilay olona voalohany, izay voavonjy sy velona ao amin’ny olona rehetra.
Ireo zavatra sombiny sy mandalo, endrika sy famantarana ny lavorary sy mandrakizay, no nialoha lalana ny Marina tena izy, izay miposaka ankehitriny. Fa rehefa eo ny Marina tena izy dia tsy maintsy miala ny famantarana vonjy maika; ka rehefa tonga ny mpanjaka, tsy misy hamela ny mpanjaka izay velona, ka handeha hitsaoka ny sariny.
Noho izany dia mazava fa ny famantarana dia ambany noho ny tena izy; ka ny famantarana dia nankalaza ny fiainana tsy maharitr’ireo lahimatoan’ny Jody; fa ny Marina tena izy kosa mankalaza ny fiainana mandrakizain’ny olombelona rehetra.
Fa tsy zavatra lehibe ny hoe dify ny fahafatesana vetivety, nefa maty nony afaka kelikely; fa lehibe kosa ny tsy tratran’ny fahafatesana tanteraka; izany no tonga amintsika, fa novonoina ho zanak’ondrin’ny Paka ho antsika i Kristy.
Tsara sy ambony io anarana fety io, raha hazavaina araka ny tena izy marina. Satria tokoa ny Paka dia fandalovana no heviny; ka ny tranon’ireo Hebrio dia nolalovan’ilay mpandringana, izay nikapoka ny voalohanteraka. Ary amintsika no tena masina ny fandalovan’ilay mpandringana, satria lalovany isika tsy kasihiny, fa natsangan’i Kristy ho velona, ho any amin’ny mandrakizay.
Inona moa no hevitr’izany, raha dinihina araka ny marina ny didy hanombohana ny taona amin’izany andro fanaovana ny Paka sy ny famonjena ny voalohan-teraka izany? Izany hoe ho antsika koa dia ny sorona Zanak’ ondrin’ny paka no fanombohana ny fiainana mandrakizay.
Fa ny taona dia manambara ny mandrakizay, satria mihodinkodina amin’ny tenany, ka mihodina mandrakariva tsy misy fitsaharany. Ary i Kristy natolotra ho sorona ho antsika no Rain’ny taon-ko avy mandrakizay.
Izany hoe hataony toy ny andro tsy nisy ny fiainantsika teo aloha, fa omeny fanombohana fiainana faharoa isika, amin’ny alalan’ny fanasana ahaterahana fanindroany, manahaka ny nahafatesany sy ny nitsanganany ho velona.
Noho izany izay mahalala fa natao sorona ho azy ny Zanak’ondrin’ny Paka, dia tokony handinika fa ny fanombohan’ny fiainana ho azy dia ny nanaovana sorona an’i Kristy ho azy. Fa atao sorona ho azy i Kristy rehefa fantany ny fahasoavana, ka fantany ny fiainana azony amin’izany sorona izany.
Fa rehefa fantany ireo, dia aoka izy handray ny fanombohan’ny tena fiainana, ary tsy hiherika ny fiainana tranainy intsony, fa efa nivalona iny. Satria hataontsika efa maty ny amin’ny fahotana ahoana no mbola ho velona amin’ny fahotana indray?

17 AVRIL SAINT ANICETNy Anicet resahana etoana dia ilay papa faha-11. Malaza  ao Quebec any Canada ity olomasina ity. Pa...
17/04/2023

17 AVRIL SAINT ANICET

Ny Anicet resahana etoana dia ilay papa faha-11. Malaza ao Quebec any Canada ity olomasina ity. Papa tamin'ny taona 155 ka hatramin'ny taona 166 i Masindahy Anicet. Syrien no fiaviany fa maty martiry tamin'ny fitondran'ny amperora Marc Aurèle izy.

I Masindahy Anicet dia tsy nikely aina tamin'ny fanoherana ny fampianaran-diso, ilay hoe "gnose", naely teo amin'ny Fiangonana tamin'izay fotoana izany. Izy ihany koa dia nalaza tamin'ny famahana ireo olana momba ny fanamasinana eveka tamin'ny androny. Nanamarika ity papa ity ny tsy fitoviany hevitra tamin'i Masindahy Polycarpe, evekan'i Smyrne, izay niezaka handresy lahatra azy mba hampitovy ny fankalazana amin'ireo tatsinanana ny andron'ny Paka. Na dia teo aza izany disadisa izany dia nataon'i Anicet laharam-pahamehana hatrany ny fitandroana ny fihavanana, ny fampanjariana ny fiadanana ary ny fiombonan'ny Fiangonana. Marihana fa ny papa Victor, izay nadimby an'i Anicet no namaha io olana tamin'ny daty fankalazana ny Paka, izay nambara teo fa tsy nampitovy hevitra an'i Anicet tamin'i Polycarpe. Voalaza fa napetraka ao amin'ny fasan'i Masindahy Calixte ao amin'ny voie Appienne ny taolam-balon'i Anicet.

Ny hoe Anicet dia avy amin’ny teny latinina “Aniceum” na avy amin’ny teny grika ihany koa “Anicetos”. Midika hoe "zava maniry" amin’ny teny Latinina ; " tsy hay resena" amin’ny teny grika.

16 AVRIL SAINT BENOIT-JOSEPH LABREI Benoît-Joseph Labre dia teraka, tao Amettes tanana  kely tao Artois, ny 26 marsa 174...
16/04/2023

16 AVRIL SAINT BENOIT-JOSEPH LABRE

I Benoît-Joseph Labre dia teraka, tao Amettes tanana kely tao Artois, ny 26 marsa 1748. Izy moa dia maty Tao Roma ny 16 aprily 1783. Lahimatoa amin'ny zaza 15 nateraky ny ray aman-dreniny i Benoît-Joseph.

Zanaka tantsaha izy, ary teo amin'ny faha-12 taonany izy no noraisin'ny curé tao Érin mba hihofana ho pretra. Rehefa maty io dia nankany Conteville indray izy, ary tao no niainany ny hoe famolahan-tena sy ny vavaka ary indrindra ny fanajana ny Sakramenta Masina. Naniry mafy ny mpitoka-monina mantsy izy ary efa inenina izy no tany amin'ny monasitera, fa ny ho pivahiny masina no tena fiantsoana ho azy. Nankany Roma izy, ary tsy mba niantrano fa dia natory an-dalana hatrany, natory ankalamanjana. Nandeha an-tongotra nandritra ny 25.000 kilometatra izy, namakivaky an'i France, Italie, Allemagne, Pologne, Suisse sy Espagne rehefa avy tao Roma. Niverina tao Roma indray izy ny taona 1775, niakanjo vorokitsay ary naharitra nivavaka tao am-piangonana nandritra ny ora maro. Izy dia tsy mba mangataka, fa mandray izay omena azy. Ny Alarobia Masina taona 1783 dia hitan'ny olona torana teo anolonan'ny fiangonana Sainte-Marie-des-Mont izy rehefa avy namonjy ny Sorona Masina ary nentina teo amin'ilay mpivaro-kena namany. Ora vitsy taorian'izay dia nodimandry. Fotoana kely taorian'izay dia maro ny tao Roma no tonga nanotrona sy nanome voninahitra ilay modelin'ny fahamasinana ary noheverina fa mpiaro ireo mpivahiny masina.

Rehefa tojo olana izy, ny valin-tena na vahaolona tonga ao an-tsainy avy hatrany dia ny hoe : "Ho tanteraka anie ny sitrapon'Andriamanitra". Rehefa mandeha manirery mantsy izy dia tsy mifanerasera aman'olona loatra. Miaina irery, mandeha an-tongotra hatrany, mitady ny toerana masina ho hajaina. Miakanjo rovitra sy vorokitsay izy, ary tsy mba misolo mihitsy izany. Ny sapile iray eny an-tanany, ny iray hafa eny am-bozonany, ny hazofijaliana eo an-tratrany ary haron-kely misy izay kely anananany eo an-tsorony. Ny fananana lazaina eto dia ny Testamenta Vaovao, ny Fianarana an'i Jesoa Kristy ary ny bréviaire, ireo no entiny mandritra ny fivahinianana masina nataony ; ka na ny orana, na ny hatsiaka, na ny ranomandry, na ny hafanana dia tsy misy mahasakana azy. Matory eny ankalamanjana izy matetika, ary ny fiantran'ny olona no ivelomany isan'andro vaky. Tsy manana fiandry izy ho an'ny ampitso, izay tena ilainy isan'andro ihany no sakafo raisiny. Eny an-dalana eny dia ataon'ny olona fanalana andro izy, arabian'ny olona, ary misy àry mijery azy ho tsinontsinona mihitsy ary tsy misy fotony. Nijaly izy tamin'izany fa niainany tamim-paharetana sy fitiavana ireny rehetra ireny. Ny tao Roma, ny tany Lorette sy ny tany Assise no anisan'ireo toerana masina izay nanehoany ny fanajana.

Ny hoe : Benoit Joseph dia anarana roa. Ny Benoit avy amin’ny teny Latinina hoe “Benedictus” midika hoe voatsodranon’Andriamanitra na hoe: ilay nosoavina. Ny Joseph avy amin’ny teny hebrio hoe yosép midika hoe manampy Andriamanitra.

15 AVRIL SAINT PATERNE DE VANNESTeraka  tao Armorique tamin'ny fiandohan'ny taonjato fahadimy i Paterne.  Nankany Anglet...
15/04/2023

15 AVRIL SAINT PATERNE DE VANNES

Teraka tao Armorique tamin'ny fiandohan'ny taonjato fahadimy i Paterne. Nankany Angleterre izy mba hitoka-monina, ary nandray anjara tamin'ny fanorenana ny fiangonana sy ny trano fitokana-monina tao amin'izany firenena izany. Izy no eveka voalohany tao Vannes, ary maty teo anelanelan'ny taona 490 ka hatramin'ny taona 511.

Raha iverenana kely ny fiainany dia anisan'ireo heverina fa iray amin'ireo fito mpanorina an'i Bretagne izy. Ny taona 465, nandritra ny Kônsily tao Vannes notarihin'ireo eveka enina tao amin'ny Province ecclésiastique tao Tours, no nanamasina ho eveka an'i Paterne. Voalaza fa i Paterne no isan'ny nanangana ireo trano fitokana-monina maro tao Pays de Galles, izy koa no nampibebeka mpanjaka maro tao Irlande.

Nandritra ny Moyen-Âge dia najaina tao amin'ny tananan'i Vannes i Paterne. Nisy ihany koa ny fivahinianana masina fanajana ireo olomasina fito tao Bretagne, nantsoina hoe Tours de Bretagne. Marihana fa i Paterne no olomasina mpiaro ny tananan'i Vannes sy ireo toerana sasany toa an'i Bretagne, ny any Tourraine ary ny any Maine.

Address

Bibilava
Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Association Zanaka Diosezy Ambanja Monina Antananarivo posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share