09/06/2026
Ateraka ny rano dia ny Batisa ny rano na hoe Batisa ny fibebahana. Izay iray ihany araka ny voalaza ao amin'ny EFESIANA 4 : 5 manao hoe : "iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa," —
Ny Batisa amin'ny teny Grika dia BATIJO. BATIJO midika hoe: ajoboka ao anaty rano (mandrakotra). Izany hoe ilay Batisa izay nanaovana an' i Jesosy Kristy Tompo tao amin'ny ony Jordana. (MATIO 3 : 13 - 17) Izay nanambaran'i Jesosy Kristy raha nandaha i Jaona, "Fa namaly Jesoa ka niteny taminy hoe: Ekeo ihany ankehitriny, fa IZAO NO METY AMINTSIKA MAHATANTERAKA NY FAHAMARINANA REHETRA. Ka dia nekeny Izy." — Matio 3 : 15
Izany hoe : izay nanaovana Batisa an' i Jesosy Kristy no ataontsika ihany koa, araka nambaran'i Jesosy Kristy ao amin'ny MARKA 10 : 39 manao hoe : "ARY HOY JESOA taminy: ...., ary NY BATISA IZAY ANAOVANA AHY BATISA DIA HANAOVANA ANAREO IHANY ;" —
na ny EVANJELIN'I MD MARKA 10 : 39 koa hoe : "FA hoy kosa Jeso : ...., ary NY BATEMY HANAOVANA BATEMY AHY DIA HANAOVANA BATEMY ANAREO IHANY KOA;"
Ny Batisa anefa dia misy zavatra takiana amintsika vao atao Batisa dia ny mino sy mibebaka aloha, araka ny voalaza hoe "Izay MINO sy atao batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no hohelohina" — Marka 16 : 16 sy ny hoe :"Ary hoy Petera taminy: MIBEBAKA, ary aoka samy hatao batisa amin'ny anaran'i Jesoa Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina;" — Asan'ny Apostoly 2 : 38
Ateraky ny rano sy Fanahy izany hoe : ateraky ny rano sy ateraky ny Fanahy.
Ateraky ny Fanahy dia ny Batisa ny Fanahy Masina na Batisa ny afo. Araka ny nambaran'i Jaona Mpanao-batisa manao hoe : "Izaho dia manao batisa anareo amin'ny rano ho amin'ny fibebahana; fa Ilay avy ao aoriako no mahery noho izaho, ka tsy mendrika hitondra ny kapany aza aho; Izy NO HANAO BATISA ANAREO AMIN'NY FANAHY MASINA SY NY AFO ;" — Matio 3 : 11 (Izy dia Jesosy Kristy)
Ny Batisa ny Fanahy Masina sy ny afo no azohana hery, (ASAN'NY APOSTOLY 1 : 8)
Famantarana fa vita Batisa ny Fanahy Masina dia :
- miteny amin'ny teny tsy fantatra sady naminany. (ASAN'NY APOSTOLY 19 : 1-6 / ASAN' NY APOSTOLY 10 : 44-46)
- Tsy miteny amin'ny olombelona fa amin' Andriamanitra. (1 KORINTIANINA 14 : 2)
Fomba telo (03) no fandraisana ny Batisa ny Fanahy Masina dia :
1°) Fametrahan-tanana. (AS. AP. 19 : 6 / AS.AP. 8 : 17)
2°) Fangatahana . (LIOKA 11 : 13)
3°) Tori-teny . (AS.AP. 10 : 44 -46)
Tianao ve ny tafiditra ao amin'ny Fanjakan' Andriamanitra ? tanterao ary ny Tenin' Andriamanitra sy ny sitrapoNy.
Raha nahazo an'ity teny ity maimaimpoana ianao tompoko dia zarao maimaimpoana an'ireo olombelona manodidina anao rehetra mba hahery sy hahasoa ny fanahiny.