07/07/2026
🇲🇬✨ Notanterahana ny faha 20 mey 2026 tao Arivonimavo II faritra Itasy, sy ny faha 22 mey 2026 tao Anjozorobe faritra Analamanga ny atrikasa-paritra ho fizaràna sy famaranana ny @Projet DINAAMICC, izay notontosaina nandritry ny efa-taona mahery ho fanohanana ny fambolena afaka miatrika ny fiovan’ny toetr’andro eto Madagasikara. 🌾
Ity tetikasa ity, dia vatsian’ny Vondrona Eoropeana vola, ary tarihan’ny CIRAD, dia niarahana niasa tamin’ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika maro toy ny Agrisud International, AVSF, FERT, FOFIFA ary IRD, ary koa ireo rafitra nasionaly sy fikambanan’ny tantsaha.
👥 Nahatratra 150 mahery ireo nandray anjara tamin’ireo atrikasa ireo, ahitana mpahazo tombontsoa, manampahefana eny ifotony, sampan-draharaha teknika, fikambanan’ny tantsaha ary mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola. Nisy ny fifanakalozana momba ny vokatra azo, ny traikefa niainana ary ny vinavina ho amin’ny ho avy.
🌱 Anisan’ny vokatra azo tsapain-tanana nisongadina tamin’izany :
✅ Tantsoroka ho an’ny tantsaha mpisitraka miisa 848
✅ Fizaràna fitaovana sy hanapamokarana miisa 3 213
✅ Famolavolana sy fanatontosana drafi-panajariana miisa 5 (190 ha)
✅ Fanatontosana fampiofanana, fanentanana ary fambolen-kazo maro
Nandritra ireo fifanakalozana dia nanamarika ny rehetra fa nisy fiantraikany mivaingana teo amin’ny fanatsarana ny fomba fambolena sy ny fanamafisana ny fahaizan’ireo mpisehatra ny tetikasa. Nohamafisina ihany koa ny ilàna ny fanohizana ny fanaparitahana ireo vokatra azo mba ho fampaharetana izany.
--------
🇫🇷✨ Les ateliers régionaux de restitution et de clôture du Projet Dinaamicc se sont tenus le 20 mai 2026 à Arivonimavo II pour la région Itasy, et le 22 mai 2026 à Anjozorobe pour la région Analamanga, marquant ainsi la fin de plus de quatre années de mise en œuvre en faveur d’une agriculture familiale plus résiliente face aux changements climatiques à Madagascar. 🌾
Ce projet, financé par l’Union européenne et piloté par le CIRAD, a été mis en œuvre en collaboration avec plusieurs partenaires techniques dont Agrisud International, AVSF, FERT, FOFIFA et l’IRD, ainsi que des structures nationales et organisations paysannes.
👥 Ces ateliers ont réuni plus de 150 participants, incluant les bénéficiaires, les autorités locales, les services techniques, les organisations paysannes ainsi que les partenaires techniques et financiers, dans un cadre d’échanges autour des résultats, des expériences et des perspectives du projet. 🤝
🌱 Le projet a permis notamment :
✅ L’accompagnement de 848 bénéficiaires
✅ La diffusion de 3 213 kits
✅ L'élaboration et la mise en œuvre de 5 schémas d’aménagement local (190 hectares)
✅ Des actions de formation, de sensibilisation et de reboisement
Les échanges ont mis en évidence des impacts positifs sur les pratiques agricoles et le renforcement des capacités des acteurs, tout en soulignant la nécessité de poursuivre la diffusion des acquis afin de les péreeniser.