31/07/2026
🇲🇬Tamin’ny 15 Jona 2026, mpamokatra miisa 22 tao Vohinaomby Kaomina Amindrazaka no nandray anjara tamin’ny andrana ny lalao-tsaina Ti’Tantana, fitaovana iray entina hampiroborobo ny fifanakalozan-kevitra mahakasika ny fomba iaraha-mitantana ny harena voajanahary sy ny fandrindrana ny seham-pamokarana tantanam-fianakaviana.
Niteraka adihevitra nahaliana teo amin’ireo mpandray anjara ity andrana voalohany ity.
🌍 Noforonina tao anatin’ny Tetikasa DINAAMICC, Ti’Tantana dia hifameno amin’ireo fitaovam-panentanana voaomana hoan'ny tetikasa TOTEM. Izany dia maneho ny finiavan’ny Agrisud hanome lanja ireo vokatra azo avy amin’ny sehatry ny fikarohana sy ny fampandrosoana.
Dingana iray mankany amin’ny fitantanana ifarimbonana ny sahan-driaka no tanteraka teto.
------------
🇫🇷Le 15 juin 2026, 22 producteurs de Vohinaomby de la Commune d’Amindrazaka ont testé en conditions réelles l’outil Ti’Tantana, un outil innovant favorisant le dialogue sur la gouvernance des ressources naturelles et la gestion des exploitations agricoles familiales.
Cette première expérience a donné lieu à des échanges riches et constructifs entre les participants.
🌍Développé dans le cadre du Projet DINAAMICC, Ti’Tantana sera désormais utilisé en complément des outils d’animation prévu sur TOTEM, illustrant la volonté d’Agrisud de valoriser et de pérenniser les acquis issus de la recherche/développement.
Un pas de plus vers une gouvernance locale plus participative et inclusive.
’Tantana