24/07/2026
🇲🇬 🕊️ Manoloana ny fisaonam-pirenena, dia miondrika am-panajana izahay mba hanomezam-boninahitra ireo namoy ny ainy noho ny zava-doza mifandraika amin'ny tsy fandriampahalemana sy ny tranga fanjavonana olona nisesy.
Ao ambadiky ny anarana sy ny endrika tsirairay dia misy fianakaviana miaina ao anatin'ny fijaliana ary fiarahamonina miaritra ny vesatry ny tebiteby sy ny tsy rariny.
Etoana izahay dia miara-miory amin'ireo niharam-boina sy ny fianakaviany ary ireo rehetra mbola mijaly lalina noho ireo loza ireo isika.
Manao antso avo izahay mba handraisana andraikitra. Adidy fototry ny Fanjakana ny miantoka ny fiarovana ny olom-pirenena. Miantso ireo tompon'andraikitra mahefa izahay mba hanamafy ny fepetra fisorohana, hanafaingana ny fanadihadiana ary hiroso amin'ny fanasaziana ireo meloka sy hiantoka fa afaka miaina amim-pahamendrehana sy amim-pilaminana ny olom-pirenena tsirairay. Ny
Tsy tokony ho lasa zavatra mahazatra ny fahanginana manoloana ny tsy fandriampahalemana.
🇨🇵 🕊️En ce jour de deuil national, nous nous inclinons avec une profonde douleur devant la mémoire de celles et ceux qui nous ont quittés dans des circonstances tragiques liées à l’insécurité et aux disparitions récentes.
Derrière chaque nom, chaque visage, se trouve une famille plongée dans la souffrance et une société qui porte le poids de l’inquiétude et de l’injustice. Aujourd’hui, nos pensées vont aux victimes, à leurs familles, ainsi qu’à toutes les personnes encore marquées par ces drames.
Ce deuil doit être un moment de recueillement, mais aussi un appel fort à l’action. La sécurité des citoyens est un devoir fondamental de l’État. Nous appelons les autorités compétentes à renforcer les mesures de prévention, à accélérer les enquêtes, à lutter efficacement contre l’impunité et à garantir que chaque citoyen puisse vivre dans la dignité et la sérénité.
Le silence ne doit pas devenir une habitude face à l’insécurité.