HUIOS

HUIOS 𝙃𝙐𝙄𝙊𝙎 — Movement of revelation and impact for a strengthened, restored, and deployed generation.

We train, activate, and propel sons toward their divine destiny.

04/08/2026

YOUNG KINGS ✨

AMPY IZAY ❗️ Tsy efa te hiteny tahaka izany koa ve ianao?Mihetsika ny rano,Mila mihetsika koa ianao ary aza asiana andra...
03/08/2026

AMPY IZAY ❗️ Tsy efa te hiteny tahaka izany koa ve ianao?

Mihetsika ny rano,
Mila mihetsika koa ianao ary aza asiana andraso sao taraiky.

Raha tsapanao fa nisy karazan-javatra niverimberina foana.
Tranga tiana hifarana nefa toa hita mitranga eo amin’ny fiainana foana.

Na koa mety zavatra efa hita taratra tamin’ireo ray aman-dreny teo aloha nefa toa mitady ho hita aminao koa, na efa mitranga mihitsy.

Ireo karazan-javatra rehetra izay efa tokony hifarana sy tokony hitsahatra.

Ndao iaraka hiteny hoe: AMPY IZAY ❗️

Amin’ity fotoanantsika ity dia hisy fampianarana fohy sady mazava mikasika ny tokony atao mba handravana ireo alitara nahatonga tranga iray niverina foana na hoe tsy nety afaka mihitsy.

Iaraka hivavaka hiantso ny Tompo ihany koa isika,
Tena hiankohoka tanteraka tahaka ny an’i Elia,
Mba hilatsahan’ny ranonorana amin’izay.

Fotoana hahatongavan’ilay andrasanao izao 🔥

📆 Samedi, 15 Août 2026 ⏰ 10H30
✨ IT STATION BEHORIRIKA 3ème étage

Tongava ary!
Ento ny havana sy ny namana.
Tsy anavahana an’iza na iza.

Tongava hifanena amin’ny fahasoavana 🔥

📖 BOKY MITOMBO ARA-PANAHY AOÛT 26 ⚡️— Ho anao izay mila ny fanampian’Andriamanitra. Mety eo amin’ny lafiny ara-panahy, n...
03/08/2026

📖 BOKY MITOMBO ARA-PANAHY AOÛT 26 ⚡️

— Ho anao izay mila ny fanampian’Andriamanitra. Mety eo amin’ny lafiny ara-panahy, na ara-kasa, na tokatrano na izay lafiny ilànao ny fidiran’ny Tompo an-tsehatra.

Tena hanampy anao izay tena ho vakianao ato anatin’ity boky ity ✨

— Boky mivoaka isam-bolana, misy fampianarana sy fampaherezana azonao vakiana isan’andro mandritry ny iray volana. ⚡️🔥

Manampy anao amin’ny fifandraisanao amin’ny Tompo isan’andro. ✨

Efa azonao jifaina ny Mitombo Ara-panahy volana Aogositra 2026.

ImprimĂŠ: 10 000 AR (manao livraison)
Pdf: 5000 AR 🔸

Afaka mandefa hafatra miafina eto amin’ny pejy HUIOS 😊

Na manorata amin’ny:
✅ WhatsApp: +261339035132

Mitomboa mba ho azon’Andriamanitra ampiasaina amin’ny goavana kokoa indray.

Samia voatahy sy voaaro daholo. ❤️

Hanampy anao anie Andriamanitra, ao anatin’izao volana Aogositra izao ❗️Sambatra izay manana ny Andriamanitr’i Jakoba ho...
01/08/2026

Hanampy anao anie Andriamanitra, ao anatin’izao volana Aogositra izao ❗️

Sambatra izay manana ny Andriamanitr’i Jakoba ho Mpanampy azy ❤️ — ‭‭Salamo‬ ‭146‬:‭5‬

Izany hasambarana izany no iainanao amin’ity volana ity.
Dia ilay hasambaran’izay manana an’Andriamanitra ho Mpanampy azy.

Handrotsaka ranonorana Izy.
Hampahita anao instructions sy secret important ahafahanao miditra amin’ny fahavokaranao.

Efa nisy teny fampanantenana voarainao avy Aminy ve ❓

Ity volana ity no hanampiany anao amin’izay hahatanterahan’izany teny izany.

Hanampy anao Izy mba hahatonga anao ho eo amin’ilay teboka araka ny sitrapony.

Raiso izany izao.
Fanampian’Andriamanitra ho anao.

💡 Volana Aogositra 2026 ✨

HUIOS — There Is Fire Here 🔥

BAIKOY AO AMIN’NY FANAHY HO TSARA INDRAY ITY VOLANA AOGOSITRA ITY 🔥Ndao iaraka hisaotra ny amin’ny nahavitantsika namaki...
31/07/2026

BAIKOY AO AMIN’NY FANAHY HO TSARA INDRAY ITY VOLANA AOGOSITRA ITY 🔥

Ndao iaraka hisaotra ny amin’ny nahavitantsika namakivaky ny volana Jolay

Ndao iaraka hamantatra hoe volana inona indray ho antsika ity volana vaovao ity

Ndao iaraka haminany ho an’izao volana vaovao izao

Ndao, aza tara ianao ✨

CYM — Audio Live on The STREAM’s platform ⚡️
Vendredi 31 Juillet 2026 — 20:00 ⏰

There Is Fire Here 🔥

❗️ ITY ILAY PROGRAMME KA AZA TARA ⚡️Misafidy ianao na mifady maraina / atoandro / hariva araka izay itarihan’ny Tompo an...
28/07/2026

❗️ ITY ILAY PROGRAMME KA AZA TARA ⚡️

Misafidy ianao na mifady maraina / atoandro / hariva araka izay itarihan’ny Tompo anao eo.

Fa ny fotoana iarahana mivavaka kosa dia efa ireo voasoratra amin’ny sary ireo.

Fotoam-bavaka en ligne hatrany.
Azonao atrehina na aiza na aiza misy anao.

💡 TADIDIO! Ny miantso Azy no anjarantsika. Ary ny mamaly antsika no anjarany.

Ndao hivavaka ho amin’ny fahatanterahan’ireo teny fampanantenany rehetra.

Rahalina ary.
Peace ❤️

HANAFY HERY ANAO ANIE ANDRIAMANITRA 🔥Raha reraka ianao,Mety hanararaotra anao ny fahavaloRaha marary ianao,Mety hifaly n...
27/07/2026

HANAFY HERY ANAO ANIE ANDRIAMANITRA 🔥

Raha reraka ianao,
Mety hanararaotra anao ny fahavalo

Raha marary ianao,
Mety hifaly ny amin’izany ny devoly

Raha feno trosa sy fahantrana ianao,
Dia manjary ho andevon’izany
Nefa ianao mba efa olona nohafahana

Raha maratra am-po ianao,
Dia mety tsy mba hanam-piadanana mihitsy

KA MINO AHO, ❗️
Fa sitrak’Andriamanitra ny HANAFY HERY, HANASITRANA, ARY HANAFAKA ANAO 🔥

Mifandraisa Aminy,
Mitalahoa fidirany an-tsehatra.

Fa tonga ny fotoana hanatanterahany tokoa ny fanasitranany anao. ❤️

Hahita ny asan’Andriamanitra eo amin’ny fiainanao anie ianao.

Amen 🙏

Rehefa iny aho mba mivoaka, miara-dia amin'ireo namana.Tsikitsiky, fifaliana, resaka eraky ny lalana.Rehefa mba tafiarak...
22/07/2026

Rehefa iny aho mba mivoaka, miara-dia amin'ireo namana.
Tsikitsiky, fifaliana, resaka eraky ny lalana.

Rehefa mba tafiaraka eo toa adino ny rehetra. Saingy hay ilay fifaliana toa nandalo tsy nitoetra.

Izay rehetra mila vonjy, toa mahalala ahy avokoa. Izay rehetra mila namana toa mahay miantso izato anarako. Satria ve izaho tsy mba mandaha raha mbola atao hoe asa soa? Sa efa izay mihitsy no hita taratra amin'ny tavako?

Fa rehefa iny aho sendra irery, mandinika ity fiainako.
Teo vao tsapako fa hay aho tsy afaka hanantena an'iza hitarainako.
Misaina irery izay ho atao amahana ity olako. Mampahery tena irery hamono izany ratram-poko.

Teo vao tena tsapako
fa hay Jesosy ihany, no azo ianteherana

Hay Jesosy ihany no manam-pitia tsy azo ferana
Hay Jesosy ihany no tena ilaina eo amin'ny fiainana
Hay Jesosy ihany no tena mihaino fitarainana

Jesosy ihany, Jesosy hatrany

21/07/2026

Mirary anao ho tahian’Andriamanitra 🙏

17/07/2026

HANAO LALANA INDRAY IZY 🔥
ENY, IZY HAMELOMBELONA ANAO INDRAY
HANANGANA INDRAY IZAY RAVA ❤️

MBOLA AFAKA MANANTENA ZAVA-BAOVAO VE IANAO ❓

Address

Antananarivo

Telephone

+261389000296

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when HUIOS posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to HUIOS:

Shortcuts

  • Want your organization to be the top-listed Non Profit Organization?

Share