Taff Mada

Taff Mada Tantsoroka Antoky ny Fanavaozana sy ny Fampandrosoana

30/07/2026
30/07/2026
 -pirenen'ny Tanora ho an'ny FanavaozanaMandray anjara feno amin'ny Fikaonandoham-pirenen'ny Tanora eny amin'ny CCI Ivat...
30/07/2026

-pirenen'ny Tanora ho an'ny Fanavaozana

Mandray anjara feno amin'ny Fikaonandoham-pirenen'ny Tanora eny amin'ny CCI Ivato, ny 29 Jolay hatramin'ny 01 Aogositra 2026 izao ny TAFF-MADA.

Isaorana ireo nisolotena ny fikambanana amin'izao adidy Masina ho an'ny Fanavaozana an'i Madagasikara izao.

Ny fandraisantsika andraikitra sahala an'izao dia manaporofo ny fahavononantsika marina ho tena "Tahantsoroka Antoky ny Fanavaozana sy Fampandrosoana an'i Madagasikara" ary manamafy fa isika dia vonona sy manohana hatrany ny Fitondrana mikatsaka ny fanavaozana an'ity Madagasikara ity.

Mirary ny soa sy ny tsara hatrany ho anareo Tanora hitondra ny feon'ireo Malagasy miandrandra fanavaozana sy fandrosoana.

21/07/2026
11/07/2026

Ny TAFF-MADA (Tantsoroka Antoky ny Fanavaozana sy ny Fampandrosoana an'i Madagasikara) dia nanao antso avo ny Fanjakana sy n'y Filohan'ny Fanavaozan'ny Repoblikan'i Madagasikara, MBA hijerena akaiky ny:
1- Olan'ny Vahoakan'ny Mahajanga amin'ny lafin'ny Angovo sy Rano satria EFA milahatra bé eny amin'ny Fatsakam-bahoaka (pompe publique) ny Bidon jaune.
2- Mangataka ny Filohan'ny Fanavaozana ihany koa MBA hanala Ireo minisitra tsy mahavita ny andraikiny ao anaty Gouvernement, betsaka ny fitrandrahana harena ankibon'ny tany tsy ara-dalana. Ny Vidim-piainana miakatra, ny Hala-jaza mitombo. Ny Angovo sy n'y Rano EFA miverina tsy misy indray.

Araka izany, manainga sy mankahery ny Filoha izahay TAFF-MADA, MBA handraisany fepetra entitra amin'ireo tompon'andraikitra rehetra tsy mahavita asa.
Izahay dia manohana hatrany ny Filoha sy ny Fanjakana Fanavaozana.
Ho an'ny Tanindrazana sy ny taranaka.

08/07/2026

Manoloana ny fanambarana navoakan'ny TAFF MADA momba ny tsy fandriam-pahalemana sy ny olan'ny angovo eto Madagasikara, dia maneho fisaorana feno ny Fanjakana ny TAFF MADA noho ny famaliany ny antso vonjy nataonay vahoaka Malagasy, tamin'ny alalan'ny fandraisana andraikitra haingana hiatrehana ireo olana ireo.

Ny Tahan-tsoroka Antoky ny Fanavaozana sy ny Fampandrosoana an'i Madagasikara (TAFF MADA) dia manohana ary vonona hatrany hanolo tanana ny Fanjakana Fanavaozana ho tahan-tsoroka marina amin'ny Fampandrosoana an'i Madagasikara.

26 jona 2026 - Kianja Barea MahamasinaNy Filoha mpanorina ny TAFF MADA, Dr RASOLOVONINJATOVO Mady, dia miarahaba ny mpik...
26/06/2026

26 jona 2026 - Kianja Barea Mahamasina

Ny Filoha mpanorina ny TAFF MADA, Dr RASOLOVONINJATOVO Mady, dia miarahaba ny mpikambana rehetra nahatratra ny Asaramanitra.

Araka ny teny filamatr'izao fankalazana ny faha 66 taona niverenan'ny fahaleovantena sy nijoroan'ny foloalindahy izao, dia mba ho tena antoky ny "fanavaozana ho an'ny fandrosoan'i Madagasikara" tokoa isika mpikambana ato amin'ny Tantsoroka Antoky ny Fanavaozana sy Fampandrosoana an'i Madagascar (TAFF MADA)

Address

Antananarivo
101

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Taff Mada posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share