31/12/2025
🟢 Ankoatra ireo hetsika efa voalaza teo aloha, dia manohana fiangonana sy sekoly ihany koa ny fikambanana AGM.
🟣 Tao anatin’izany, nanampy tamin’ny fanavaozana ny fiangonana sasany ny fikambanana tamin’ny fizarana fitaovana toy ny tafo na "tôle" sy "carreaux", mba hahatonga ireo toerana fivavahana ho azo antoka. Ankoatr'izany ny fitaovam-pianarana nozaraina ho an’ny mpianatra, mba hanamora ny fianarana sy hampiroborobo ny fanabeazana.
Nisy ihany koa anefa ny fizaràna masomboly ho an'ireo ray aman-dreny izay miasa amin'ny sehatry ny fambolena
🔵 Amin’ny alalan’ireo hetsika ireo, dia manamafy ny fanoloran-tenany hanohana ny fampandrosoana ara-pampianarana sy ara-panahy ao amin’ny fiarahamonina ny AGM.