Antalaha Mitambatra ho amin'ny Fampandrosoagna - A.M.F

Antalaha Mitambatra ho amin'ny Fampandrosoagna - A.M.F Organisation à but non lucratif basée à Antalaha

23/04/2026

Un grand merci à mes nouveaux followers ! Youmi Tsentsen, Mirana Fanantenana, Warrenn Theddy, Irico Zafivoavy

📘 TOROLÀLANA FOHY HO AN’NY FANABEAZANA NY TANORA MALAGASY1. Ny lanjan’ny fianarana (Zava-dehibe ny sekoly)Ny fianarana d...
19/04/2026

📘 TOROLÀLANA FOHY HO AN’NY FANABEAZANA NY TANORA MALAGASY
1. Ny lanjan’ny fianarana (Zava-dehibe ny sekoly)
Ny fianarana dia harena tsy mety lany. Ampianaro ny ankizy fa ny fahalalana dia manampy azy hanana hoavy tsara.
2. Andraikitry ny ray aman-dreny
Araho ny fianaran’ny zanaka
Amporisiho izy na dia kely aza ny vokatra
Miresaha amin’ny mpampianatra raha ilaina
3. Ampianaro fahaiza-manao ilaina
Tsy ny boky ihany no zava-dehibe:
Fambolena sy fiompiana
Asa tanana
Fitantanana vola tsotra
4. Ampioreno ny soatoavina
Ampianaro ny ankizy:
Fanajana (ray aman-dreny sy olon-dehibe)
Fahamarinana
Faharetana sy fiezahana
5. Fampiasana ny finday sy teknolojia
Ampiasao amin’ny fianarana (video, teny vahiny)
Fehezo ny fotoana laniana amin’ny zavatra tsy mahasoa
6. Omeo tanjona ny ankizy
Anontanio izy: “Inona no tianao ho lasa?”
Ny tanjona dia manampy azy hiezaka kokoa.
7. Fanohanana sy fampaherezana
Lazao matetika:
“Afaka mahavita ianao”
“Aza kivy”
8. Aza mampitaha ny ankizy
Samy manana ny fahaizany sy ny hafainganam-pandehany ny ankizy tsirairay.
🌟 Hafatra farany:
Ny fanabeazana tsara dia miankina amin’ny fiaraha-miasa: ray aman-dreny, mpampianatra ary fiarahamonina.
“Ny zaza no ho avin’ny firenena.”

18/04/2026

Un grand merci à mes nouveaux followers ! Tom Akd, Monestalin Be, E-ketrika

👉Aza adigna ny ouverture "TOURNOI A.M.F - 1ère Edition" amaraigny 12/04/2026 à partir de 13H ary amin'ny TERRAIN CAMP NO...
11/04/2026

👉Aza adigna ny ouverture "TOURNOI A.M.F - 1ère Edition" amaraigny 12/04/2026 à partir de 13H ary amin'ny TERRAIN CAMP NOU Maherifody .

👉Mirary ny fahatongavanareo marobe sy fandraisanareo anjara ho fanohanagna ny FAGNATSARAGNA NY FAMPIANARANA ETO AMIN'NY CISCO-N'NY ANTALAHA.

ÔIE-ÔIE-ÔIESAMBASAMBANDRAHA EKY AI, ADY BAOLINA KITRA MIARAKA AMINA " ANIMATION" FANFARE.NANAFATRA MPISOTRO FANFARE AVY ...
10/04/2026

ÔIE-ÔIE-ÔIE
SAMBASAMBANDRAHA EKY AI, ADY BAOLINA KITRA MIARAKA AMINA " ANIMATION" FANFARE.
NANAFATRA MPISOTRO FANFARE AVY AGNY DIEGO IZAHAY ATO AMIN'NY AMF MBA HAMPIAVAKA AMIN'NY HATSARANY NY FANOKOAFANA AMIN'NY FOMBA ÔFISIALY NY "TOURNOI AMF 1ÈRE ÉDITION."
KOA MENENTANA ATSIKA JIABY HO TONGA HANOTRONA NY EKIPANTSIKA NO SADY KOA HAGNAMPY IZAHAY AMIN'NY AMF HANATSARA NY FAMPIANARANA ETO AMIN'NY CISCO N'I ANTALAHA. HAMPIRISIKA IREO ZANATSIKA HIANATRA ATSIKA NO KOA HANAMPY TOSIKA IREO RAIAMANDRENY HO HAFAKA HANOHANA NY FIANARAN'NY ZANANY AMIN'NY HALALAN'NY FIOFANANA FAMBOLENA ARA-TEKNIKA MITETY VOHITRA, IZAY HO HATAONTSIKA MAIMAIMPOANA HATRANY.
TONGAVA MARO ATSIKA EH!!!

🔥 FANASANA MANOKANA HO AN’NY REHETRA 🔥Manasa antsika jiaby hanatrika sy handray anjara amin’ny TOURNOI AMF 1ère ÉDITION ...
06/04/2026

🔥 FANASANA MANOKANA HO AN’NY REHETRA 🔥
Manasa antsika jiaby hanatrika sy handray anjara amin’ny TOURNOI AMF 1ère ÉDITION izay hatao ao Antalaha, manomboka ny 12 Avril ka hatramin’ny 28 Juin 2026.
⚽ Hetsika ara-panatanjahantena lehibe
🏆 Loka miavaka ho an’ireo mpandresy
🤝 Fiarahana sy firaisankina ho an’ny tanora sy ny fiarahamonina
👉 Tanjon’ny hetsika :
Ity tournoi ity dia karakarain’ny fikambanana mba hanohanana ny fanatanterahana tetikasa ho an’ny fanabeazana. Ny fandraisanao anjara dia fanampiana mivantana ho an’ny hoavin’ny ankizy sy ny tanora.
📍 Toerana : Antalaha
📞 Raha mila fanazavana fanampiny : 032 51 939 05
✨ Aza adino fa ny fandraisana anjara ataonao dia manampy amin’ny fananganana hoavy tsaratsara kokoa!

🎉 1er ANNIVERSAIRE DE L’A.M.F. 🎉(Antalaha Mitambatra ho amin'ny Fampandrosoana)Aujourd’hui, nous célébrons avec fierté l...
14/03/2026

🎉 1er ANNIVERSAIRE DE L’A.M.F. 🎉
(Antalaha Mitambatra ho amin'ny Fampandrosoana)
Aujourd’hui, nous célébrons avec fierté la première année d’existence de notre association A.M.F. ❤️
Une année marquée par l’unité, la solidarité et l’entraide entre les membres et tous ceux qui soutiennent notre vision pour le développement de notre communauté.
Nous adressons nos sincères remerciements à tous les membres, partenaires et amis qui nous accompagnent depuis le début. Grâce à vous, l’A.M.F. continue de grandir et d’agir pour le bien de tous.
Continuons ensemble dans l’esprit de
“Firaisan-kina sy Fifanampiana” 🤝
🎂 Joyeux 1er anniversaire à l’A.M.F. !
Que cette belle aventure continue encore longtemps.

A.M.F. HETSIKA HO AN'NY FAMPIANARANA Ho fanohizana ireo hetsika efa fataonay dia nanapaka hevitra izahay mpikambana ato ...
09/03/2026

A.M.F. HETSIKA HO AN'NY FAMPIANARANA

Ho fanohizana ireo hetsika efa fataonay dia nanapaka hevitra izahay mpikambana ato amin'ny fikambanana A.M.F. fa hiantoka carte d'identité scolaire ho an'ireo zaza jiaby ato anatin'ny cisco n'i Antalaha izay hanala fanadinana CEPE, na ambanivolo na ny eto antampon-tanàna. Ho hatao maimaim-poana izany rehetra izany.
Hezahinay ho hatao isan-taona izao hetsika izao Ho tombontsoan'ireo zanatsika!
Ho hitantsika miandalana eto ny fandaminana mikasika an'izany.
Ho an'ny Firaisan-kina sy Fifanampiana

FISAORANA Feno hafaliagna sy haravoagna n'y fonay, mahatsapa fa misy olona resy lahatra amin'ireo hetsika ataonay.Etoana...
06/03/2026

FISAORANA
Feno hafaliagna sy haravoagna n'y fonay, mahatsapa fa misy olona resy lahatra amin'ireo hetsika ataonay.
Etoana, dia mankasitraka manokana an'i Atoa Bezara Alfredo izahay mpikambana A.M.F. jiaby, noho ny nanolorany taminay ireto boky marobe ireto (100 isa). Mahazo matoky ianao rahalahy fa ho zarainay amin'ireo zanatsika izy ireo.
Eto, dia manao antso avo izahay no miangavy anareo namana sy tapaka jiaby, na eto an-toerana na any lavitra any mba hanampy anay amin'ny Fampandrosoana ity Antalaha iarahana manana ity. Sady izany tokoa no filamatry ny fikambanana AMF, firaisan-kina sy fifanampiana.
Mbola mamerina ny fisaorana anao Andriamatoa Bezara Alfredo !!!

N'y SG

"TONDRO IRAY TSY MAHAFOY HAO"
16/02/2026

"TONDRO IRAY TSY MAHAFOY HAO"

Address

Antalaha

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Antalaha Mitambatra ho amin'ny Fampandrosoagna - A.M.F posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share