11/07/2026
NY HOAVIN'ANTALAHA, HAGNANO AKÔRY TETEKY EO?
Antalaha dia agnisan'ny tanàgna mitagna anjara toeragna maventy amin'ny fampandrosoagna eto amin'ny faritra SAVA.
Kanefa, nandeha ny fotoagna, nifindra tsihelihely agny Sambava, renivohitry ny faritry ny ankamaroan'ny sampan-draharaham-panjakagna sy ny fitantagnana.
Ny fisian'ny tribonaly ao Sambava, ny fijanonan'ny sidigny ao amin'ny seranam-piaramadignin'Antalaha zay nampihegny ny fivezivezen'ôlo mandeha amintsika Antalaha aty.
Noho izaigny, maro amin'ny tadivolan'ôlo an-tanàgna eto mandalo fahasarotagna; ny taxi-brousse, bajaj, tany fihinanagna, tragno fandraisam-bahiny, sy ny asa madiniky maro samihafa izay miankigny fivezivezen'ôlo amintsika aketo.
Amin'ny lafiny ara-kolontsaigny, Alliance Française Antalaha eto efa nifody telo taogno lôso zay, kanefa toeragna araiky namolavola zanakantsika hianatra, hankatia sy hampiasa ny teny frantsay sy ny fagnamaizagna malalaka ny tanora amin'ny sehatra maro samy hafa.
INDRINDRA, sangany fao zanakantsika, zandrintsika koa resaka fampianaragna taloha teo agnatin'ny faritry DIANA_SAVA.
Mbola maro zare, fao amin'izy ke io karaha efa tsy manaitry ny besinimaro mahita fihegnan'ny taham-pahafahagna fagnadignana nirôrogno be io.
Aiza fôtotr'izy io? Ino tokony atao hagnaregnana azy?
Na izaigny ndreky, mbola managna angôvo ely i Antalaha amin'ny alalan'ny seragnan-tsambo, izay ivon'ny fifanakalozagna ara-barotro, ny Oniversiten'i SAVA, mandray mpianatra avy amin'ny distrika efatra mandrafitry ny faritry.
Ny fizahantany, indrindra agny amin'ny faritry Cap-Est nohon'ny hatsàrany sy ny hariegna voajanahary misy akao izay tsy hita antany hafa, mbola azo trandrahigny tsarabe ary atao agnatin'ny fagnajàgna tanteraka sy fiarovagna ny tontolo iaignana.
Hagnano akôry atsika ty teteky eo?
Sao dia efa tokony hiompagna bebe kokoa amin'ny fampiofagnana ara-teknika, arak'asa hoan'ny tanorantsika sasany zay hita fao manan-talenta nefa azo avadiky ho tadivola izy amaray ?
Sao tokony amaizantsika lanjany bebe kokoa ny kolontsaignintsika mbao hisaritantsika ôlo hitsidiky tany misy atsika ty.
Atsika efa misy Festival TRIATRIA izay isaoragna maventy i Big MJ mitodiky amintsika mason'izao tontolo izao isaka mois d'août, ary angatahigny hivoatra isan-taogno izy io.
Miankigny amin'ny fahafahantsika mamadiky ny olagna ho lasa varavaragna ho amin'ny fampandrosoagna mahômby kokoa ny hoavin'Antalaha.