13/09/2025
๐ฑ FOKONOLONA MANDRAY ANDRAIKITRA MIKARAKARA TONTOLO IAINANA HO ANโNY TARANAKA HOAVY ๐ฑ
Porofonโny fitiavana tontolo iainana sy fandraisana andraikitra ny asanโireo Vehivavy sy Tanora mpikambana Tafo Mihaavo Sava ao amin'ny Fokontany Betsomanga, Marobakoly, Antanilbaribe ary Ambalanaomby, Kaominina Doany, Distrika Andapa, Faritra SAVA:
๐ง Mandeha kilometatra maro mitondra rano izy ireo mba hanondrahana zana-kazo vao nambolena.
๐ฅ Voaaro aminโny afo ny toerana nambolena hazo.
๐ Fihetsika mahavelombolo, manaporofo fitiavana fikarakarana ny harena voajanahary, lova ho anโny taranaka ho avy.
๐ Misaotra manokana ireo mpiara-miombonโantoka manohana hatrany ny asa ataonโny Fokonolona miaro tontolo iainana aty SAVA:
โก๏ธ GEF SGP PNUD Madagascar
โก๏ธ BIOCOM/UNESCO
โจ Ny TAFO MIHAAVO dia manohana hatrany ny ezaky ny Fokonolona ary mamporisika ny fandraisana andraikitra aminโny fitantanana maharitra ny tontolo iainana.