Zanak’Ambanivolo Mitambatra Analalava

Zanak’Ambanivolo Mitambatra Analalava Tsy misy manana ny ampy fa sambatra izay mifanampy ♥️♥️

Nohatsaraina ny lokon’ny biraon’ny Kaominina noho ny fifanampiana Vita ny fandokoana ny biraon’ny Kaominina Ambolobozo, ...
18/10/2026

Nohatsaraina ny lokon’ny biraon’ny Kaominina noho ny fifanampiana

Vita ny fandokoana ny biraon’ny Kaominina Ambolobozo, Distrikan’Analalava, noho ny fanomezana loko nataon’ny fikambanana Zanaka Ambanivolo Mitambatra (ZAM).

Tsiahivina fa nangataka fanampiana tamin’ny filohan’ny fikambanana ny Ben’ny Tanàna tao Ambolobozo. Tsy nisalasala namaly izany fangatahana izany ny filohan’ny fikambanana, ka nanome ny loko nilaina.

Ny teny filamatry ny fikambanana, izay maneho ny hasin’ny firaisankina hoe :
« Tsy misy manana ny ampy fa sambatra izay mifanampy »

MANAMPY NY SEKOLY, MANANGANA NY HO AVY ,  SIMENITRA 20 LASAKA HO AN’NY EPP ANTANIMBARIBETsy fanomezana tsotra, fa fanoha...
08/10/2026

MANAMPY NY SEKOLY, MANANGANA NY HO AVY , SIMENITRA 20 LASAKA HO AN’NY EPP ANTANIMBARIBE

Tsy fanomezana tsotra, fa fanohanana mivantana ny fanabeazana sy ny hoavin’ny ankizy. Nanome simenitra 20 lasaka ho an’ny EPP Antanimbaribe, Kaominina Befotaka Avaratra, Distrikan’Analalava, ny fikambanana Zanaka Ambanivolo Mitambatra, hoentina hanatsarana ny fotodrafitrasa sy ny tontolo ianaran’ireo mpianatra.

Faly sy velom-pankasitrahana ireo Ray aman-dRenin’ny mpianatra ao Antanimbaribe, satria fanampiana toy izao no manampy amin’ny fanatsarana tsikelikely ny sekoly eny ifotony, toerana iorenan’ny fahalalana sy fanomanana ny taranaka ho amin’ny ho avy.

Ny fanabeazana tsy tokony hohadinoina, satria izay ampiasaintsika hananganana sekoly androany no ananganantsika ny hoavin’ny zanatsika rahampitso.

Tsy misy manana ny ampy fa sambatra izay mifanampy.

MISY FITAOVANA VONONA HO AN’NY FIARAHAMONINA Mampahafantatra ny vahoaka rehetra ato amin’ny Distrikan’i Analalava, indri...
02/10/2026

MISY FITAOVANA VONONA HO AN’NY FIARAHAMONINA

Mampahafantatra ny vahoaka rehetra ato amin’ny Distrikan’i Analalava, indrindra ireo any amin’ny tapany Atsimo, ny fikambanana Zanaka Ambanivolo Mitambatra fa nanangona fitaovana isan-karazany hoentina hitsinjovana sy hanampiana ny fiarahamonina.

Tsy natao ho an’ny fikambanana irery ireo fitaovana ireo, fa natao hampiasain’ny olona rehetra izay mila azy . Anisan’izany ny vilanibe 20, kapila 300, sotro 500 ary seza 40.

Raha misy fotoana ilàna izany eny anivon’ny fiarahamonina, na amin’ny fotoam-pifaliana, na an-karatsiana ary fankalazana fotoana iarahan’ny maro, dia afaka manatona ny fikambanana ny rehetra ka mindrana ireo fitaovana ireo.

Ao Marovoataza , izay misy ny birao foiben’ny fikambanana, no ametrahana ireo fitaovana ireo. Ny irariana dia ny hampiasana azy ireo amin’ny hafaliana sy haravoana, ka ho fanamafisana hatrany ny firaisankina sy ny fifanampiana eo anivon’ny fiarahamonina.

Tsy misy manana ny ampy fa sambatra izay mifanampy.

Miara-mientana ho amin’ny fampandrosoana ny fiharianaNitafa tamin’ireo fokonolona tao Ambinagnibifiagna, kaominina Bejof...
30/09/2026

Miara-mientana ho amin’ny fampandrosoana ny fihariana

Nitafa tamin’ireo fokonolona tao Ambinagnibifiagna, kaominina Bejofo ny fikambanana Zanaka Ambanivolo Mitambatra, izay notarihin’ny Filohan’ny fikambanana, Aristate Romualdin, fantatra amin’ny anarana hoe Tikà.

Nifantoka indrindra tamin’ny fifanampiana sy ny fampivoarana ny fihariana ny resadresaka nifanaovana. Vory maro ireo ray aman-dreny nandray anjara, ary hita taratra fa vonona ny hifanome tanana sy hiara-hientana amin’ny fanatsarana ny fari-piainan’ny mponina izy ireo .

Nambaran’ireo fokonolona nandray fitenenana fa vonona ny hiara-hiasa amin’ny fikambanana, araka izay tratry ny heriny, raha toa ka samy manatanteraka ny andraikitra sy ny anjara birikiny ny tsirairay.

Nilaza ny filohan’ny Zanaka Ambanivolo Mitambatra, raha miara-mientana sy mifampitsinjo ny rehetra, dia azo atao ny mitondra fiovana tena azo tsapa eny ifotony, indrindra eo amin’ny sehatry ny fivelomana sy ny fihariana.

“Tsy vitan’ny fikambanana irery izany, fa isika rehetra miara-mientana no afaka manatanteraka izany.”

Faly sy mankasitraka ny fokonolona noho ny finiavana asehon’ny fikambanana hanohana ny fanatsarana ny fotom-piveloman’ny mponina. Manome endrika vaovao ho an’ny fiaraha-mientana eny ifotony izany, ka ny fifanampiana sy ny firaisankina no fototry ny dingana ho amin’ny fampandrosoana.

🎉 FIRARIANTSOA HO AN’NY FILOHAN’NY LEFITRY NY ZAM 🎂Mankalaza ny tsingerintaona nahaterahany androany, Alahady 27 Septamb...
27/09/2026

🎉 FIRARIANTSOA HO AN’NY FILOHAN’NY LEFITRY NY ZAM 🎂

Mankalaza ny tsingerintaona nahaterahany androany, Alahady 27 Septambra, ny Filohan’ny Lefitry ny fikambanana Zanaka Ambanivolo Mitambatra Olizara Lydio'o .

Amin’izao andro manokana natokana ho anao izao, dia mirary fahasalamana, fahombiazana, fahasambarana ary hery hatrany izahay, mba hahafahanao manohy ireo asa sy ezaka tsara ho an’ny mpiara-belona.

🎂 Arahabaina tratry ny tsingerintaona nahaterahana! Enga anie ity taona vaovao eo amin’ny fiainanao ity ho feno fitahiana, fifaliana ary fahombiazana.

Ndao isika rehetra hiara-hirary soa sy hiarahaba azy amin’izao andro manokana izao! 🎉🙏

FANABEAZANA, FOTOTRY NY HO AVY -  MITOHY NY FANAMPIANA HO AN’NY SEKOLY !Mitohy ny ezaka ho fanohanana ny fanabeazana any...
26/09/2026

FANABEAZANA, FOTOTRY NY HO AVY - MITOHY NY FANAMPIANA HO AN’NY SEKOLY !

Mitohy ny ezaka ho fanohanana ny fanabeazana any amin’ny Distrikan’i Analalava. Nanolotra simenitra 10 lasaka ho an’ny CEG Andribavontsona, ao amin’ny Kaominina Andribavontsona, ny fikambanana Zanaka Ambanivolo Mitambatra (ZAM).

Hoentina hanaovana dallage ao amin’ny CEG Andribavontsona ireo fitaovana ireo, ka tanjona ny hanatsarana ny tontolon’ny fianarana sy hampihenana ny olana ateraky ny jofom-potaka .

Mampiseho izany fa tsy ny sekoly ihany no tompon’andraikitra amin’ny fanabeazana, fa ilaina ihany koa ny fandraisan’anjaran’ny rehetra mba hahafahan’ny ankizy mianatra ao anatin’ny tontolo mendrika sy milamina.

Tsy misy manana ny ampy fa sambatra izay mifanampy.

MITOHY HATRANY NY ASA SOA HO AN’NY MPIARA-BELONANamaly ny fangatahan’ny mponina tao amin’ny Kaominina Bejofo ny fikamban...
23/09/2026

MITOHY HATRANY NY ASA SOA HO AN’NY MPIARA-BELONA

Namaly ny fangatahan’ny mponina tao amin’ny Kaominina Bejofo ny fikambanana Zanaka Ambanivolo Mitambatra (ZAM), ka nanatanteraka famorana faobe tao Marofotoroka, Fokontany Ambatomainty, Kaominina Bejofo, Distrikan’Analalava.

Feno hafaliana sy fankasitrahana ny mponina tao an-toerana, noho ny fahatanterahan’izany fangatahana izany. Naneho fisaorana manokana ho an’ny filohan’ny fikambanana sy ireo rehetra nandray anjara tamin’ny fikarakarana ny hetsika izy ireo.

Na dia lavitra sy saro-dalana aza ny Kaominina Bejofo dia tsy nataon’ny fikambanana ho sakana izany mba ho fanampiana ny mpiara-belona.

Manohy hatrany ny ezaka ataony ny Zanaka Ambanivolo Mitambatra, amin’ny fitondrana izay kely eo am-pelatanany hanampiana ny mpiara-belona, hanamaivanana ny fahasahiranan’ny mponina ary handraisana anjara amin’ny asa sosialy any amin’ny faritra ambanivohitra.

Tsy misy manana ny ampy, fa sambatra izay mifanampy.

22/09/2026

FANKASITRAHANA NY BEN’NY TANÀNA SY FOKONOLONA NOHO NY FIARAHA-MIASA

Nankasitraka ny Ben’ny Tanàna sy fokonolona noho ny fiaraha-miasa sy ny fanohanana ny filohan’ny fikambanana Zanaka Ambanivolo Mitambatra, nandritra ny fanolorana simenitra 12 lasaka ho an’ny CEG Mahadrodroko.

Nohamafisina tamin’izany fa zava-dehibe amin’ny fanatanterahana ireo asa sosialy sy fanabeazana eny ifotony ny fiaraha-miasan’ny fikambanana sy ny tompon’andraikitra indrindra ny fokonolona eo anivon’ny kaominina.

FANABEAZANA, LOVAN’NY TARANAKA FARA MANDIMBY Nankalazaina tamin’ny fomba manetriketrika, tamin’ny faramparan’ny volana A...
21/09/2026

FANABEAZANA, LOVAN’NY TARANAKA FARA MANDIMBY

Nankalazaina tamin’ny fomba manetriketrika, tamin’ny faramparan’ny volana Aogositra lasa teo, ny faha-66 taona niorenan’ny Kaominina Ambanivohitra Andribavontsona, Distrikan’Analalava.

Nandritra ny fandraisam-pitenenany, nanasongadina ny maha-zava-dehibe ny fanabeazana ny Filohan’ny fikambanana Zanaka Ambanivolo Mitambatra Aristate Romualdin fantatra amin’ny anarana Tika . Ho fanohanana izany, dia nanolotra simenitra (ciment ) 20 lasaka (sacs ) hoenti-manatanteraka ny "dallage " ao amin’ny CEG Andampibe, Fokontany Andampibe, Kaominina Andribavontsona, ny fikambanana.

Zava-dehibe loatra ny hoavin’ny ankizy, satria izy ireo no handimby antsika any aoriana. Maneho izany fa ny fanabeazana sy ny fanohanana ny ankizy dia fampiasam-bola ho an’ny hoavin’ny fiarahamonina.

Tsy misy manana ny ampy fa sambatra izay mifanampy.

NANOME LOKO HANAVAOZANA NY BIRAO-NY KAOMININA NY ZAM Antaonan’ny maro no tsy nisy fanavaozana ny lokon’ny biraon’ny Kaom...
20/09/2026

NANOME LOKO HANAVAOZANA NY BIRAO-NY KAOMININA NY ZAM

Antaonan’ny maro no tsy nisy fanavaozana ny lokon’ny biraon’ny Kaominina Ambolobozo, Distrikan’Analalava. Taorian’ny fangatahan’ny Ben’ny Tanàna dia tonga nanolotra loko hoenti-manavao ny endriky ny biraon’ny kaominina ny fikambanana Zanaka Ambanivolo Mitambatra (ZAM).

Rehefa vita ny famorana faobe tao Ambinda, izay isan’ny vavahady fidirana ao amin’ny Kaominina Ambolobozo, dia nitohy tany Ambolobozo ny dian’ny fikambanana, ho fandraisana anjara amin’ny fanatsarana ny fotodrafitrasa iombonan’ny mponina.

Araka ny nambaran’ny filoha mpanorina, Aristate fantatra amin’ny anarana Tikà, dia ezahin’ny fikambanana hatrany ny mitondra ny anjara birikiny amin’izay mahakasika ny vahoaka, na fananam-bahoaka izany na fiainam-bahoaka.

Tsy misy manana ny ampy fa sambatra izay mifanampy.

Address

Marovantaza
Analalava
405

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Zanak’Ambanivolo Mitambatra Analalava posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share